veloma ry tanana

1. ando2006 ( 23/01/2007 17:05)
Mba mangatakza ilay hira hoe hisaraka isika izao hisaraka indray hirava ny lalao andeha izahay ka hokobonikao ilay afo mahamay .............
novalian'i mimich ny 24/01/2007 06:14
2. mimich ( 24/01/2007 06:14)
Hisaraka eto isika izao, hisaraka indray
Hirava ny lalao handeha izahay
Hokoboniko ao ilay afo mahamay

Manomboka ny ady amin'ny alahelo
Toa tsapako sahady injao mamelovelo
Mamoha ny voady sy ny tsiambaratelo



ref: Veloma ry tanana ,veloma ianao
Tsarovako mazàna ilay salovana


Aoriko ny lamba, ilaozako Ianao
Ny foko efa jamba nampahiratinao
Tsy ho haiko angamba ny hanadino anao

Midoboka mangina ny ao anatiko ao
Lanjaiko am-pitsikiana ny fandaozana anao
Zakaiko am-pitsikiana ny alahelo anao

Ref: veloma ry tanàna.....

Mihira finaritra ee
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0641