elimination du cotiers et l'imerinisatio(Merci Ravalo)

21. rabaradaka ( 23/01/2007 08:32)
Mitombina aloha ny hevitry xxx tery amboalohany fa même erreur tamin'ni Zafy Alibera ity ataon-dRavalo ity
22. kitjo ( 23/01/2007 10:04)
rabaradaka> velabelaro eee....

xl> hahahha...enao ty ko toa lalina :lol: mahita lazaina mitsy

fa nahafinaritra kosa le passation an i Sylla sy Rabem teny by-pass...fair play!
23. BloodTitan ( 23/01/2007 11:52)
Fa le izy ve le fapandrosoana no jerena sa le foko e?????? fa mbola manakery am zao taonjato zao v alou zany oe foko hafa zany e?? tsy gasy nga ny foko sasany, ra gasy daolo ny foko rehetra de mba ekeo io fa mitovy firazanana am lisany iany, rehefa vendrana izy de esorina am toerany, refa mahavita izy soa ho an rehetra fa tsy antananarivo iany fa madagasikara manontolo. Lisany ve zalaha mbola any am foto-tongotra(mba tsy hilazako taova hafa) any iany ny fisainana a? tsy mety tonga any am loha mintsy fa eo iany!! tsssssssss
24. ronaldo09 ( 23/01/2007 16:52)
xl:

IO INDRAY RONALDONDRONA MPANGALA BATO MPASANA
FAIR PLAY @ ZAY FA LEO BE NY MPANDRAHARAHA MANAN TALENTA @ ARMEES SY PRIMATURE E
OK



tsy miresaka amin'olona toa an'la alika fisainana!
25. kitjo ( 23/01/2007 17:58)
ka aza mifamaly fts nareo mitsam aza fa atao fair play e...
26. piste ( 24/01/2007 18:06)
Na tiantsika na tsy tiantsika dia réalité misy eto amintsika ity resaka foko ity. Jereo fotsiny ny voka-pifidianana farany teo. Niharihary be ny vote ethnique. Ka tsy ampy hanasoavana ny firenena raha resaka efficacité fotsiny, satria tsy resaka economie izy ity fa politika.
Ka raha fampandrosoana ao anaty lonilony sy tsy fiombonana dia tsy hovanona velively.
27. fijo ( 24/01/2007 22:36)
misy tokoa ny resaka foko;saingy raha tsy izao isika dia manomboka manala io fisainana io,dia tsy hiova mihintsy io.ka izay tsy fiovana izay ve no tena tian ahisy sa ahoana?????
ny mahagaga ahy dia izao.fony nanao izany i zafy tsy nisy resaka .nahoana no izao vao mitranga io resaka io????????????????
28. piste ( 25/01/2007 17:50)
Aoka hazava fa t@ andron'ny Zafy dia ny assemblée no nifidy an-dRavony, f tsy izy. Ary izao no tao @ lalampanorenana ka niaraha-nanaiky. Nony nanendry an-dRakotovahiny anefa izy dia tonga dia gidragidra be ny tao Tanà ka voatery novaina haingana nosoloina an-dRatsirahonana.
Ny tiako lazaina : dia tsy te-hampivoitra resa-poko @ maha-foko azy fa ny fanamafisana fa réalité misy eto M/kara hatr@ izay io ka tsy azo hamaivanina. Noho izany dia tokony hitovy daholo Malagasy rehetra satria samy tompon'ity MAdagasikara ity. Ary tokony hitovy ny fampandrosoana ny faritra rehetra eto fa tsy asiana fanavahana. Ny réalité misy anefa tsy toy izany, ary mahatsiaro fa atao an-kilabao ny faritany. Ka aoka hisaina ihany isika.
Fehiny : aoka esorina ao an-tsaintsika ny esprit fanatisme ka hijery ny tena marina isika.
Tany ka mbola foko iray na vondron'olona misehoazy ho tompony sy mifehy an'ity M/kara ity dia tsy hilamina i Madagasikara, ary nofinofy ny fampandrosoana an'i Madagasikara.
29. fijo ( 25/01/2007 23:36)
ny olana koa anie de izao e.manantena ny hiditra ao daholo na dia tsy manana ilay fahaizana aza.ka izay no mila hialana.
30. kitjo ( 26/01/2007 03:53)
fa za hoa tsy mba nahatsikaritra an zany oe gidragidra be tao Tana t@ rakotovahiny zany e...marina e!!!

mahagaga ahy koa ny resak' i piste etsy ambony hoe

Ka tsy ampy hanasoavana ny firenena raha resaka efficacité fotsiny, satria tsy resaka economie izy ity fa politika.
Ka raha fampandrosoana ao anaty lonilony sy tsy fiombonana dia tsy hovanona velively


efa ady @fahantrana be izao ve dia ny Politika(sady politika politisianina) no hahamaika fa tsy ny resaka ekonomika ialana @ ty fahantrana aloha????

ilay oe anaty lonilony...tsy maninona zay lonilony ao rehefa tsy anaty governemanta izy dia asaivo maka sisiny fts aloha mitazana
31. fijo ( 26/01/2007 06:01)
za koa tsy naheno izany resaka gidragidra momba an'i rakotovahiny izany.nefa asa aloha.???????
32. papala ( 26/01/2007 10:10)
io XXX nametraka an'ity lohateny ity de tena mandrangitra ny ol ato, mba hovay amin'izay lay toe-tsaina e !
fa ny hita ao @ CIN eto Mascar anie de izao e!
Nationalité : MALAGASY . fa tsy misy hoe betsimisaraka ianao na merina ianao na betsileo ianao na ............
Fa mba apetraho any @ tokony ho izy zany resaka foko sy fihaviana izany ? any @ KOLONTSAINA ndray zany apetraka. MBA MIVOARA RY XXX ã! Misy toerany daholo ny zavatra rehetra fa tenitenenina foana !
33. xxx ( 26/01/2007 10:39)
papala:

fa ny hita ao @ CIN eto Mascar anie de izao e!
Nationalité : MALAGASY . fa tsy misy hoe betsimisaraka ianao na merina ianao na betsileo ianao na ............

Nationalité: MALAGASY ie!
Fa ny marika telo voalohany amin'ny nomerao karatra = faritra nihaviana.

Iaho manaiky hoe omeo ny mahay ny toerana, fa raha misy olona roa mitovy lenta avy aminy faritra roa samihafa, dia TSARA KOKOA raha mba samy akana, mitondra vokatra be kokoa ny fahasamihafana.

Ny hoe prezida sy PM mbola lefitro, fa hoe ekipa lazaina fa nasionaly kanefa ekipan'Analamanga....tsary izy ihh (ny ramassers de ball no mody anakonana azy)! Sa ve dia vongandity daholo ny tsy avy ao Taninarivo?


34. piste ( 26/01/2007 20:24)
Manahirana moa ny hiresaka @ olona fanatika ato @ forum
fa aleo handeha dia ho hita eo ny tohiny. Tadidio anefa fa vao mainka handrangitra lonilony sy fankahalana izao zavatra ataon'ny fitondrana izao.
Izay dia samia vanona
35. fijo ( 26/01/2007 22:31)
xxx ie,za izao avy any mahajanga,nefa merina de N avy any no ao amin'ny karapanondroko.de ahoan aza izany.???????
36. hearty ( 27/01/2007 22:11)
Tsy haiko tsony ry zareo zay hanazavana ny saitsika fa heveriko ho olona lalimpahaizana isika kanefa toa mbola lavitra ihany fa nareo aty andafy aza manana fisainana toa izany mainka fa ny olona mbola maro no tsy nianatra aty amin'ny tanana.
Tsy lavina fa mety manafintohina ny sasany le tsy fifandanjana arapoko ao anaty gvt ary mety ho rariny izany fa le tenin'ny xxx ary @ voalohany kosa


:evil:Efa ela io no niseho ary ny zanak'Antananarivo no tia mi-provoke ny cotiers ,zao dia mahay vava daholo fa mitovy ny gasy satria i Rabemananjara no praiminisitra.
Ry Cotiers mihetseha nareo fa toa ho ratsy ity ravalo ity!!! :evil:



heveriko fa tena mirefarefa eh
Tsy fanatique aho fa rehefa tsy mifanaraka amin'ny hevitrao ny ataon'ny president dia izy toherina fa tsy ny samy m
37. hearty ( 27/01/2007 22:16)
fa tsy ny samy malagasy no ampiadianao eh
Misy cotier anie manohana andravalo ary misy merina koa manohitra azy koa heveriko fa tsy le lazainao no vahaolana
38. papala ( 29/01/2007 13:21)
tena marina mihintsy ny an'i fijo : tsy hahalalana ny razanao na ny fokonao mihintsy ny karapanondronao. za zao teraka Antananarivo manana karapanondro Anvo faha V ny nO voalohany 101, nefa za avy any Antsiranana ? de azavao ndray ry XXX a?

fa ny fantatro de NATIONALITÉ : MALAGASY ?

39. fijo ( 01/02/2007 05:58)
izay mantsy.
ohatry ny vendrana be le argument XXX ka aleo ajanona .tsy voatery ho tia ny filoha izy,fa mba zavatra hafa aroso,fa tsy hoe merina ,betsileo sakalava.
radamaI aza nanambady sakalava de aiza ny olana????
40. akama2006 ( 01/02/2007 13:24)
le merina sy tsy merina aloha amiko tsy misy dikany loatra fa arakarakiny olona iny fa ny ahy dia ilay fidonanapoanany malagasy! misy zavtra tsy mety dia aleo mihafy toa izay mitsipaka!avy eo anefa velontaraina!tena tsy azoko mihintsy no antony io zavtra io!tsy resaka voazanaka intsony le izy fa efa tena mety tarazo mihintsy!tarazo aretina ve nefa sa inona? 8O8O8O! iaraha mahita izao ny tsy fetezana ary na ny mpanaramaso ivelany aza mahita izany,fa dia modina gisa fa hoe demokrasia! fa harenina aminy manaraka hoe,dia atao ny fitsapankevi-bahoaka aminy hevitra afangaro mba hitsinjovana ny manetsabe,dia tsy misy milaza ny heviny fa mangina volamena hoy ny sasany ,nefa hita izao fa dia tanimanga beeeeee!:-D:-D:-D:-D:-D:.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1165