Ny nofy

1. ari.malala ( 16/01/2007 06:16)
Miarahaba ny rehetra,

Ny nofy ve misy fiantraikany eo @ fiainana sa nofy dia nofy fotsiny iany? ny tiako anotaniana dia izao, nanonofy ratsy be aho hoe maty ny zanako fa rehefa nifoha nefa aho dia tsy naninona izy fa io eo velona soa amantsara, ka inona no mety ho fiantraikan'izany? efa fanintelony izay nofy izay no nitranga mantsy ka izay no tena mahalasa eritreritra ahy sy lasa mampatahotra ahy indray aza!
novalian'i niryna ny 23/01/2007 06:10
2. Fiffi ( 16/01/2007 06:59)
Ho ela velona hono ny dikan'io nofy fahafatesan'olona io .....
Aza matahotra @ zany akia ari.malala an ! hankino @ Andriamanitra ny fiainana , mivavaha raha matahotra fa hitsinjo andry sy ny zanak'ndry lalandava izy .:-*:-*:-*:-*
3. Fiffi ( 16/01/2007 07:08)
"...Jehovah no mpiandry ahy......Eny na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho , dia tsy hatahotra ny loza aho fa Ianao no amiko...Ny tsorakazonao sy ny tehinao no mahafa-tahotra ahy...."
4. fiderana ( 16/01/2007 08:00)
ny nofy amiko tsy dia mitombina loatra fa mitoetra ho nofy ihany,koa mahereza fa fomban'ny rehetra ny hitrangan'ny nofy ratsy toy izany, aza dia hatao manelingelina ankory fa toizo toy ny isan'andro ihany ny fiainanao, aza mba matahotahotra izany fa ny tahotra koa matetika mahatonga zavatra hafa, dia ampio :lol:
5. rurik ( 16/01/2007 08:09)
Manahoana aky ari. malala indraindray koa aky dia ilay saina miasa loatra , za raha izany nofy izany no tanteraka dia asa angamba . fa aza miasa loha fa tsy misy fiatraikany izany io , fiasana saina no mahatonga azy raha ny fahafatarako azy.na arerahana be loatra.
6. ari.malala ( 16/01/2007 08:13)
Misaotra anareo ary e! tena zay vao nandry ny saiko! misaotra betsaka e! indrindra hoan'i Fiffi izay nampahatsiahy ahy io versets io:-*:-*:-*merci ky Fiffi a
7. Fiffi ( 16/01/2007 08:21)
be loatra ny fitiavantsika , indrindra fa ny zanaka....ka raha vao misy zavatra kely , na inona zany na inona , indrindra fa io nofindry io akia ry ari.malala de mitombona ny ahiahy , normale zany @ maha-reny andry .....saingy hoy aho hoe: mazotoa fotsiny mivavaka (ndryy vao nijery le sary batemy io zah) hankino @ Andriamanitra fotsiny zany tahotra zany de ho hitandry fa hazava ny saina. Mahereza hatrany akia an ! :):-*:-*:-*:-*:-*
8. koralie ( 16/01/2007 13:29)
Zà t@ mbola 12 ans nanonofy an'i mamanay hoe maty. Tena natahotra be zà sady nitomany be. Vao maraina d nirahiko ny zandriko nijery raha tao mamanay na tsia. Hatr@ izao , misaotra an'Andriamanitra mbola velona any ny mamanay.
9. ari.malala ( 16/01/2007 13:41)
Fiffi, ka tena efa intelo anie hoa le izy no nitranga e! ny voalohany t@ izy 8mois, ny faharoa t@ izy 2ans dia ny fahatelo izay vao halina izay, tena natahotra be za! tsy i Ambinintsoa anie aky zany Fiffi fa i Toky e! sady amzay tena ohatranireny tena misy ireny fa ireo misy mamangy sns, tena natahotra be za! fa zany hoe misy anareo mampahery dia tsy matahotra indray fa mandry ny saiko!
10. Fiffi ( 16/01/2007 14:42)
aza matahotra akia an ! mety le havizanandry iny no nahatonga an'io nofy ratsy io ! fa mivavaha hoa de ho afaka io . Hivavaka ho andry sy Toky koa zah an ! :-*:-*:-*:-*
11. xxx ( 16/01/2007 18:16)
za koa izay efa fanintelony no nanonofy an'i ari.malala.
12. Fiffi ( 16/01/2007 18:22)
:roll:
13. ari.malala ( 17/01/2007 06:30)
xxx:

za koa izay efa fanintelony no nanonofy an'i ari.malala.



Hay va re... :-D:-D dia inona ny nofinao momba ahy? ary aza sarontahotra miafina ao ambadiky ny xxx fa mitrangà ahitana hoe iza ianao e! za nga haninona anao? tsy afaka manao inon'iona anie eto @ net e :)
14. ari.malala ( 17/01/2007 06:32)
Fiffi:

aza matahotra akia an ! mety le havizanandry iny no nahatonga an'io nofy ratsy io ! fa mivavaha hoa de ho afaka io . Hivavaka ho andry sy Toky koa zah an ! :-*:-*:-*:-*



Misaotra betsaka aky a! :-*:-*:-*
15. Fiffi ( 17/01/2007 08:16)
tsy misy fisaorana akia ari.malala an ! :) :-*:-*
de iza hono i xxx nanofy an'i ari io zao ?
16. ari.malala ( 17/01/2007 11:56)
efa fanimpolony :-D:-D:-D:-D de hoe fantatro hono hoe iza enao :-D:-D:-D
17. Fiffi ( 17/01/2007 12:08)
hihihhi
18. xxx ( 17/01/2007 17:19)
ari.malala:


za koa izay efa fanintelony no nanonofy an'i ari.malala.



Hay va re... :-D:-D dia inona ny nofinao momba ahy? ary aza sarontahotra miafina ao ambadiky ny xxx fa mitrangà ahitana hoe iza ianao e! za nga haninona anao? tsy afaka manao inon'iona anie eto @ net e :)


Ilay tsy tianao
19. Fiffi ( 17/01/2007 21:14)
:roll:
20. niryna ( 18/01/2007 06:28)
Efa nandeha tato io nofy io raha tsy diso ny fitadidiko. Ny fahalalako azy dia misy karazany maro.Nofy ririnina,mangatsiaka,mifoha kely dia matory indray dia lasa manofy misafotofoto.Ny nofy izay milaza ny anio,rahampitso ary ny lasa dia misy fiantraikany amin'ny fiainana.Ao anaty baiboly io hoe omeko fahasoavana ny zanakao ka hanofy,ahita fahitana,hanasitrana.Raha ohatra ka manofy ny olona ary matadidy hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany dia milaza dikany izy izay.Ny toerana hipetrahana ihany koa dia tsy mitovy ny dikan'ny nofy.Raha mbola velona ny olona nofisina dia tsy fantatro ny dikany fa raha olona efa maty kosa no nofisinao indrindra ny rar dia manome anao hevitra ny hitandrina.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2521