Diso matoky olona !!!

1. josvoh ( 13/01/2007 19:56)
Nanantena aho fa ny lehilahy gasy tsy misy mitovy toetra :!: Tena natoky loatra aho :P Diso natoky loatra ka any ka namboraka ny tsiambaratelo rehetra:oops:Dia nanantena fa manana namana aho:} Marina fa tsy moramora ny fianana fa na dia izany aza mba hanjaina ilay olona na dia tsy ilaina ho namana intsony aza:lol: Misaotra izay mamaky :D
novalian'i Zina ny 19/01/2007 15:10
2. xxx ( 13/01/2007 20:48)
Aza dia matoky olona izany fa misy antony matetika ny antony hiainoany anao.
3. fasaly ( 13/01/2007 21:16)
kou kory atao fa tsy afaka manao marche arrière tsony:? atovy anatra ho am manaraka:wink:
4. xxx ( 13/01/2007 21:19)
josvoh: aza mba matoky olona zany ! alohan'ny hilazanao ny tsiambaratelonao de aleo tena miandry tena namana le olona , mila fotoana nefa io fa tsy hoe vao 1 volana de......
Izaho aloha de efa tratra im-piry e ! fa tsy nitantara ny tsiambarateloko akory aza fa mba nilaza zavatra tsy de misy dikana akory nefa heno tao ambadika tao daholo ny zavatra nolazaiko t@ io hoe namana io tsssssssss !!!! ny fifosana ety an-daniny !!! tandremo ary mahaiza mifidy namana !
5. fasaly ( 13/01/2007 21:21)
eka ouz marina io!:wink:
6. xxx ( 13/01/2007 21:38)
za aloha de fay e ! ampy ahy zay ! be ny milaza ho namana nefa ao ambadika ao tsssssss !!!!! (misy sofina hono ny rindrina)
7. josvoh ( 13/01/2007 21:48)
xxx:

josvoh: aza mba matoky olona zany ! alohan'ny hilazanao ny tsiambaratelonao de aleo tena miandry tena namana le olona , mila fotoana nefa io fa tsy hoe vao 1 volana de......
Izaho aloha de efa tratra im-piry e ! fa tsy nitantara ny tsiambarateloko akory aza fa mba nilaza zavatra tsy de misy dikana akory nefa heno tao ambadika tao daholo ny zavatra nolazaiko t@ io hoe namana io tsssssssss !!!! ny fifosana ety an-daniny !!! tandremo ary mahaiza mifidy namana !


10 ans aho no tsy nifanerasera intsony t@ gasy afa-tsy ny zanako ! Nahafinaritra ahy ny mba miteny gasy sns... Moa ilay olona efa fantantro t@ izaho mbola tsy nanambady ! Tonga aho dia faly fa olona fantatro izy! Atao ahoana moa rehefa adala ny tena é ! Na dia izany aza fantatro fa tsy nety ny nataoko ! Tonga dia natoky azy aho ! Fa na dia fantatro aza izy taloha tokony ho malo ihany aho ! Ny tena mampalahelo @ ilay izy dia ny fiainako manontolo no fantany !
8. xxx ( 13/01/2007 21:56)
hataovy hanatra iny ry josvoh ! rano raraka tsy azo raofina intsony ka ny ho avy no tandremo !!! de mahaiza mifidy namana hitantaraina ny fiainanao ....de raha azo hatao de aza tantaraina daholo ny fiainanao !
9. Zina ( 14/01/2007 00:43)
ie na dia eto ko ary ....
10. sitlo ( 14/01/2007 02:14)
Ny manaraka no aza atao intsony,
(na lahy na vavy na gasy na vazaha, na olo-tsotra na pelaka, na matavy na mahia, na manja na tsia, na dia ireny ... ireny aza mbola mifosa ihany)
[size=4px]Jereo fotsiny ny nanaovany ahy.[/size]
11. Stretch ( 14/01/2007 07:13)
Sitlo > le ol aza efa nampalahelo de eo ndray mbola misikotra eo.:°)
Kambony zany ry Josvoh a! aza matokitoky zany ary aza mitataratara zany tsony kou!
12. xxx ( 14/01/2007 08:27)
Zina:
ie na dia eto ko ary ....
ka ny eto indrindra no tiako lazaina ! tssssss ! efa im-piry aho no tratra ? fa ampy zay e ! misy manko tena mahay misikotrikotra ny fiainanao ery ! de mahatoky ianao de mitantara ! tsssss ! kay ao ambadika ao tena tsssssss !


13. Fiffi ( 14/01/2007 12:08)
Stretch:
Sitlo > le ol aza efa nampalahelo de eo ndray mbola misikotra eo.:°)
zany ange hoa eh ! izy aza efa voa mafy de mbola misikotra hiany ve nareo ry sitlo aahhh !


14. tslem ( 14/01/2007 13:36)
tena fadio dia fadio,ataovy ho anatra am manaraka araky ny tenin'ny fasaly.
15. andry08 ( 14/01/2007 14:56)
sady raha tsy mandainga dia ireo lazain'i xxx ireo!
16. pissoa ( 14/01/2007 19:26)
Rehefa miresaka amin'ny olona, na iza na iza hiresahana - dia ataovy ao an-tsaina fa ianao aza tsy nahatana ny sekirenao raha tianao tsy hisy hahafantatra, maika fa ny olona tsy tompony ? Noho izany, na inona na inona antony hitantarana fiainana na zavatra hafa, ary miseho ny anaranao - dia izay tsy mampaninona anao na fantatr'izao tontolo izao aza ... izay ihany tantaraina :-*
17. dailynews ( 14/01/2007 20:07)
pissoa> izany foan no tenin i mamanay anay. raha ianoa aza hoy izy no tys mahatana ny secret nao ahoana no hahatokisanao olonkafa hitazona azy?

tsy sanatria hoe manenjika. fa aza malaky mamoaka secret intsony fotsiny am manaraka.
aza raisina anefa izao tranga izao hoe tsy hifaneraserana am gasy intsony fa ataovy hoe tahaka ny olona rehetra fotsiny ihany izy dia am manaraka no mitandrina. mahereza.

18. josvoh ( 14/01/2007 20:07)
Misaotra anareo rehetra ny tenako :)! Izay namaly fa ny tena moa ho entina @ pahantsorana sy koa hampitiavana (l)fa ny manaraka no tsy misy intsony :twisted:! Ady ny fiainana ka rehefa voadona dia aleo miataka ka manandra tena no atao ! :roll:
19. Zina ( 14/01/2007 20:28)
zay mihitsy retsy dia mahereza an:-* apetraho eo @ Andriamanitra ny fianan-jy fa hainy foana
20. xxx ( 14/01/2007 20:38)
mbola ho aiza anefa ny hanjo anao eh
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1579