Filokana.Maika ahazo volana haingana ary hanampy ny fiang..

1. niryna ( 09/01/2007 18:49)
Maro amintsika ny te-ahazo vola haingana ary dia miloka ka lany eo ny andro kely sy ny vola mety ilaina ao an-tokantrano.Voasoratra anefa io fa ny kristiana tsy mahazo miloka.Ahoana ny hevitrao :?:Misy miaza fa raha mahazo vola hono izy dia omeny ny mahantra.Mety hitombona ve izany sa tokony tsy azo atao:roll:
novalian'i niryna ny 23/02/2007 01:42
2. Fiffi ( 09/01/2007 19:36)
fa nga kosa de tsy maintsy hoe andeha hiloka vao hanomé ny mahantra ? :roll:
3. pissoa ( 10/01/2007 06:27)
Fa inona aloha ilay "loka" atao e ? na inona ilay miloka ? :roll:
4. Samoana ( 10/01/2007 12:42)
niryna/ za izao nilokaloka tsy hisotro dite loatra @ ity taona ity. De ahoana ny amiko izany :cry:?!
5. LazaDaddy ( 11/01/2007 01:20)
nyrina> Ny vola no tiany kokoa noho ny mahantra :( fa ny mahantra ataony fialokalofana fotsiny ihany. Diniho tsara:)
6. cutie ( 11/01/2007 03:03)
Mpandefa : pissoa [ Valio ] 10-01-2007 07:27:22
Lohateny : Re : Filokana.Maika ahazo volana haingana ary hanampy ny fia
Fa inona aloha ilay "loka" atao e ? na inona ilay miloka ?

ohatra we reny kermess reny ve zao de tsy tafiditra ao @filokana:lol:
7. pissoa ( 11/01/2007 17:05)
Ngamba ... dunno akia ka :roll:
8. cutie ( 11/01/2007 22:58)
de asa:roll:
9. niryna ( 12/01/2007 19:56)
pissoa:

Fa inona aloha ilay "loka" atao e ? na inona ilay miloka ? :roll:


Ilay olona manao lotery ireny ry pissoa.Tokony hiloka ve ny mpino sa tsia?
Betsaka ilay izy ireny mividy amin'ny arabe ireny dia kosehina mijery izay vola azony,ireny mandeha manao korosa soavaly ireny.Rehefa filokana dia tafiditra daholo.
10. niryna ( 12/01/2007 19:57)
Samoana:

niryna/ za izao nilokaloka tsy hisotro dite loatra @ ity taona ity. De ahoana ny amiko izany :cry:?!

Miloka tokoa ve no fiteninao izany, dia iza no mandoa vola ho anao rehefa tsy hisotro intsony ianao

11. simplex ( 12/01/2007 20:03)
ra ohatra ka mahavita mi-minimiser ny risque-ny izy k tsy ho faty antoka (mafy) ra resy dia tsy manin loatra hoy aho. Ny "Finance" zao filokana avo lenta, kanefa isika tsy hiteny hoe ny mpino kristianina tokony tsy hiasa @ Banky, Assurance, na mi-bizna @ Stock Exchange,...
12. pissoa ( 13/01/2007 07:31)
Simp, justement io no tiako notenenina. Ny an'ny sasany mantsy rehefa misy resaka vola, ka tsy araka ny fidiram-bola mahazatra azy dia raisina hoe filokana ary tsy azo atao.

Ny tsy tokony ataon'ny Kristianina amin'ny fitadiavana vola dia ny manankina ny fiainana amin'ny "sanjila" fotsiny. "Aza manana Andriamanira hafa tsy Izaho" (misy an'io ny an'ny Katolika ry Niryna be bla bla bla any amin'ny fivavahana nefa tsy mahay n'inona n'inona akory :-D:-D:-D) Dia avy eo ny mangalatra.
13. Zina ( 14/01/2007 00:35)
LazaDaddy [ Valio ] 11-01-2007 02:20:34
Lohateny : Re : Filokana.Maika ahazo volana haingana ary hanampy ny fia
nyrina> Ny vola no tiany kokoa noho ny mahantra fa ny mahantra ataony fialokalofana fotsiny ihany. Diniho tsara

za ko dia mitovo hevitra amainao...
14. methode ( 18/01/2007 12:29)
Ny foto-keivtra no tokony ho fantatra fa tsy ny antsipirihin-javatra! Arakaraka ny fampiasana ny zavatra iray no maharatsy na mahatsara azy. Ohatra:tokony hisotro whisky ve sa tsy tokony hisotro? Valiny: Sady eny no tsia! Mety hamono ny whisky nefa mety ho fanafody ihany koa. Raha fialam-boly fotsiny ny miloka dia tsy maninona fa tsara amiko fa raha atao asa foto-pivelomana dia ratsy satria mety hitarika anao amain'ny halatra na amin'ny famonoana olona aza ny fiafarany izay tsy mifanaraka velively amin'ny finoana sy lalam-piainana atoro anao!
15. cutie ( 18/01/2007 14:24)
methode :wink:
16. Zina ( 19/01/2007 00:52)
vola azo avy @ loka na lotery dia tsy tokony hanampiana ny fiangonana mihitsy... Tsy hisy mihitsy ny benediction avy any @ andriamanitra ...
17. methode ( 22/01/2007 17:40)
Zina: Fa maninona? Ngah misy ao amin'ny didin'Andriamanitra hoe aza manao lotery? Na hoe aza miloka? lol
cutie: Inona no dikan'io sarin'olona kely gila maso io? lol
Fanamarihana kely: Za tsy miloka fa tsy manome tsiny ny miloka ihany koa!
18. cutie ( 22/01/2007 20:05)
methode
mipi-maso no dikan'io :wink:
19. Zina ( 23/01/2007 02:00)
methode a
Tsy misy an;izany ao ka..
izaho anie manome ny opinion-ko ..
fa raha eritreretina ilay nihavian;ilay vola dia ratsy (loka etc...) amiko vola tsy azo @ fahamarinana ilay izy dia izay...
amiko tsy hisy ny benediction... un point c'est tout...
20. LazaDaddy ( 23/01/2007 02:48)
methode> ny olana amintsika dia heverintsika fa mitady ny volantsika, mihoatra noho ny fontsika, Andriamanitra. Dia izany no hanamarinantsika tena hanaovana ny tsy tokony atao. Ny filokana dia tena voararan'Andriamanitra mihitsy ho an'izay diso hevitra.

Ny filokana dia:

1) fanambakana ny hafa - mahazo loka ianao satria very vola ny hafa

2) fitiavam-bola (fototry ny ratsy rehetra => 1 Timoty 6). Misy manamarin-tena hoe hanaovana asa soa no antony. Tsy voatery ho mpanankarem-be vao afaka manao "asa soa", ary tsy ny vola no mahavita asa soa fa ny Fanahy Masina miasa ao anatin'ny tsirairay.

3) Tsy fahalalana onona sy tsy fahatokisana fa afaka ampiasaintsika ho an'Andriamanitra izay eo am-pelatanantsika. Izay nomen'Andriamanitra antsika no tokony ampiasaina toy ny talenta fa tsy andeha hikomy sataria hoe: "tsy tia ahy ianao ry Ray satria ireto fotsiny no nomenao ahy, ka andeha hiloka aho mba ahazo bebe kokoa".
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1623