Ho vaovao tokoa ve?

1. prime ( 02/01/2007 13:57)
Amin'ity indray mitoraka ity aho dia mametraka teny fohy ho antsika tsirairay avy mpandray anjara mavitrika ato anatin'ny lahadinika "fivavahana sy finoana" manao hoe :

"raha nisy ny teny mafy, raha nisy ny teny nahatafintohina, raha nisy ny teny naharary... dia ampahibemaso aho no manoratra ho anareo tsirairay avy ka miala tsiny sy miala fondro ary mifona koa aza raha nitondra fahatafintohinana na alahelo ho anareo izany... enga anie ity taona vaovao ity hitondra fitiavana sy fifamelàn-keloka ary fiadanana avy ho antsika tsirairay avy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, ilay velona sy masina, manankery avy any Nazareta... ka mba ho taona handraisan'ny tsirairay feno ny famonjen'i Kristy..."

Dia mahereza avokoa isika tsirairay avy ka hanaiky hohavaozin'ny Fanahy...
novalian'i cutie ny 29/01/2007 13:03
2. cutie ( 02/01/2007 14:22)
misaotra ry prime a
:lol:
3. prime ( 02/01/2007 14:37)
cutie> tsy misy fisaorana fa mahereza ary e...
4. cutie ( 02/01/2007 14:44)
tsika rehetra e :lol:
5. Aino ( 02/01/2007 14:51)
tsika rehetra dia misaotra anao hoe.
6. tywa68 ( 02/01/2007 15:29)
^:^ zany mihitsy ry prime !

7. Rasiligaoma ( 02/01/2007 15:35)
ok prime an...
fiadanana ho aminao e
8. Fiffi ( 02/01/2007 17:38)
prime: misaotra anao.....de samy ho tahian'Andriamanitra daholo isika rehetra....
9. Zina ( 02/01/2007 18:11)
Ekena mihitsy e^:^
10. rakaroka ( 02/01/2007 18:45)
Dia miarahaba sy mirary soa feno! Enga anie tsy ny tarehin-tsoratra ihany no hiova sy hivoatra fa ny tsi1/1 mihitsy!:-*:-*:-*:-*:-*:-*
11. Achia ( 02/01/2007 19:43)
Tena marina izany prime a! fa ny asa de mbola mitohy e! =D=D=D
12. Fiffi ( 02/01/2007 21:01)
sady mbola ho lavitra.......
13. dailynews ( 02/01/2007 21:08)
misaotra prime a, izaho koa mba hindrana ny teninao ireo averiko eto.
14. andry08 ( 02/01/2007 21:24)
Enga anie mba tena ho vaovao tokoa.Misaotra
15. Zina ( 02/01/2007 21:31)
Achia marina mihitsy izany:wink:
16. LazaDaddy ( 02/01/2007 23:11)
prime:
Ho vaovao tokoa ve?
Ilaina tokoa ny manatsara hatrany hatrany noho ny fahasoavan'i Kristy (fa tsy olom-baobao miharatsy fanahy) ka dia misaotra anao mampahatsiahy sy manentana.
Ilaina isan'andro ny fitsaboana ny fifandraisantsika @ i Kristy sy ny olony, ny fandiovana antsika @ rany latsaka teo Kalvaria.
17. soanja ( 03/01/2007 03:16)
prime:

Amin'ity indray mitoraka ity aho dia mametraka teny fohy ho antsika tsirairay avy mpandray anjara mavitrika ato anatin'ny lahadinika "fivavahana sy finoana" manao hoe :

"raha nisy ny teny mafy, raha nisy ny teny nahatafintohina, raha nisy ny teny naharary... dia ampahibemaso aho no manoratra ho anareo tsirairay avy ka miala tsiny sy miala fondro ary mifona koa aza raha nitondra fahatafintohinana na alahelo ho anareo izany... enga anie ity taona vaovao ity hitondra fitiavana sy fifamelàn-keloka ary fiadanana avy ho antsika tsirairay avy, amin'ny anaran'i Jesosy Kristy, ilay velona sy masina, manankery avy any Nazareta... ka mba ho taona handraisan'ny tsirairay feno ny famonjen'i Kristy..."

Dia mahereza avokoa isika tsirairay avy ka hanaiky hohavaozin'ny Fanahy...


Misaotra i Prime.


18. prime ( 03/01/2007 08:04)
Tsy misy fisaorana ry zareo fa dia ho an\'Andriamanitra irery anie ny voninahitra...

Mino aho fa hotahian\'Andriamanitra isika tsirairay avy ka mba hifankatia sy hifamela heloka tokoa ka tsy hibanjina afatsy ny famonjen\'i Kristy... tena mba mitalaho aminareo aho amin\'io fa tena zava-dehibe mantsy io...
19. dongadonga ( 03/01/2007 15:25)
Alelouia ^:^^:^
20. Fiffi ( 03/01/2007 19:47)
prime:
ka mba hifankatia sy hifamela heloka tokoa ka tsy hibanjina afatsy ny famonjen\'i Kristy...
ho tanteraka anie zany....


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.328