Ho vaovao tokoa ve?

21. prime ( 04/01/2007 12:00)
Tena ilain'ny mpino ary hery ho an'ny tsirairay ny mifamela heloka... ekentsika ve ny havaozina ao amin'i Kristy hahay hanao izany?
22. andry08 ( 04/01/2007 12:25)
:?::?::?:
23. prime ( 04/01/2007 14:28)
andry08> inona no tsy mazava?... ento ny hevitrao...
24. prime ( 05/01/2007 09:30)
Ny tena zava-tsarotra indrindra amin'ny olona dia tsy ny fandraisana an'i Kristy fa ilay fiaken-keloka sy fanentren-tena fa tena mpanota tokoa ny tena ka tsy maintsy mibebaka amin'izany...
25. Rasiligaoma ( 05/01/2007 10:00)
=D
dia mba lasa ho'aho ny saiko
iza moa no tena mikofesy sy mihaiky heloka sy manao examen de conscience mijery todika ny nataony androny rehefa mivavaka hariva ary part an'ny litorzia tsy maintsy ataony izany ry prime? hmm?:wink:

ny an'ny sasany manko toa vitan'ilay 3 mots: "mamela ny helokay" fotsiny

mety ho diso aho fa mba nampitovy vavaka hariva anankiroa aho dia io no hitako an
26. prime ( 08/01/2007 13:39)
rasiligaoma> mitovy hevitra aminao aho eto... =D sambasamba...
27. rrgmt ( 08/01/2007 17:01)
Dia samy hanam-pinoana n famelankelok'i Jeso Kristy anie isika ka hiaina am-pifaliana ary handeha amin'ny fiadanany:D
28. prime ( 09/01/2007 12:05)
rrgmt> misaotra... dia enga koa anie ho feno firaisana amin'i Kristy ka hitombo amin'ny finoana sy ny asa fanompoana...
29. niryna ( 10/01/2007 17:07)
Raha tsy miady kely hono tsy mifankatia ry prime a. Tsy atao matotra sy atao ao am-po daholo izay tenenin\'ny olona e.:P:P
30. prime ( 11/01/2007 11:53)
niryna:
Raha tsy miady kely hono tsy mifankatia ry prime a. Tsy atao matotra sy atao ao am-po daholo izay tenenin'ny olona e
... izaho r'ise raha mbola azo atao dia tsy dia tiako ny miady na mifamaly... fa rehefa tokony mijoro koa nefa amin'ny fahamarinana dia ilaina izany na hataon'izao tontolo izao fahavalo aza ny tena satria izany rahateo no nametrahana ny mpino...:)
31. Fiffi ( 15/01/2007 22:28)

.....Ho vaovao tokoa ve ? ........
32. prime ( 16/01/2007 11:26)
fiffi> eny tokoa : "ho vaovao tokoa ve?"...
33. Fiffi ( 16/01/2007 15:12)
izany no tanjona......ary tsy ho vao2 raha tsy manara-diha an'i Jesoa.....
34. prime ( 17/01/2007 14:46)
Nefa dia tsy mora ny fanekena havaozina, nefa hoy ny voasoratra amin'ny anaran'i Jesosy :

"Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovĂ  amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina*. [* Gr. tanteraka]." Romana 12:2

Nefa toa mbola ny fiainan'izao tontolo izao ihany no arahin'ny mpino maro...:wink:
35. cutie ( 17/01/2007 15:10)
ary i prime :wink: nga tsy ao anatin'izao tontolo zao :-D
36. prime ( 17/01/2007 15:57)
cutie> hummmm...:-D:-D
37. cutie ( 17/01/2007 16:00)
:lol::lol::lol:
38. prime ( 18/01/2007 10:36)
Miankina amin'ny famaritana ny tianao lazaina amin'ny hoe "izao tontolo izao" fa raha ny izao tontolo izao lazain'ny Soratra Masina dia tsy ao anatiny aho... sa ianao ao anatiny?:lol:
39. cutie ( 18/01/2007 14:22)
Hay ve i prime Masina be e :-D:-D:-D:-D
40. xxx ( 18/01/2007 14:38)
cutie:
Hay ve i prime Masina be e :-D:-D:-D:-D
de i cutie inona ? mpivanitika fotsiny ato ?




© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3194