NY FITIA......mampitomany.....

1. Fiffi ( 01/01/2007 18:44)

Mba lasa hoa ry zareo ny saiko raha tena nandinika an'ity tononkira ity zah an ! de mba marina ve ireo voalaza ao ireo ?

Ny fitia no mampifankatia
Misy nofinofy mamy
Ny fitia no mampitia
Ary koa mampitomany

Ireo milaza fa hoe mifankatia
Sy ireo mody manao izany
Dia mino fa hoe mifankatia
Nefa tsy afaka hitomany

Ny fitia dia fijaliana
Ary koa fitomaniana
Fa ireo izay tsy mba mitomany
Dia tsy afaka hitia
Ranomaso sy tomany
No ilaina raha hitia

O ! ry lala ! o ! ry tiako
Ianao no hitomaniko
Fa raha mbola eto an-tany
Raha izao no sitrakao
Hitomany aho , hitomany
Mba hitiavako anao......
novalian'i Fiffi ny 20/01/2007 09:29
2. pissoa ( 01/01/2007 19:07)
Hayyyy, tiako io hira io ! Nefa tsy inoako hoe marina ny zavatra lazainy :lol:

Misaotra an'i Fiffi amin'ny tononkira :-*
3. fasaly ( 01/01/2007 19:15)
ny fitia mampitomany no tena fitia manja sy matsiro ndrindra ry fiffi:wink:(l)
4. pissoa ( 01/01/2007 19:22)
Dain, mampitomany ve dia matsiro ry Fasaly :roll::-D:-D:-D

Tsy otran'ny mijery film orera ngamba zany ... matsiro sady mampitomany :-D
5. fasaly ( 01/01/2007 19:47)
ka amin'iny te hitomany iny ange no tena henonao hoe tena tia be anlay oul enao e! de zay no mampatsiro ary fa afaka foana nge lay te hitomany e!! sambatra be aza e!:wink:
6. Fiffi ( 01/01/2007 20:29)
nefa raha tena jerena ...tena marina fa io fitia io de tena mampi-:snif::snif::snif:
7. fasaly ( 01/01/2007 20:44)
fa matsiro waaaaaa!(l)(l)(l)
8. Fiffi ( 01/01/2007 22:19)
nefa de misy milaza fa fampijaliana io .....:roll:
9. booboo ( 01/01/2007 22:24)
kiiiiii, vô manomboka ny taona dia mitomany sahady ? tsy aleo mihomehy ?
10. ikaretsaka ( 01/01/2007 22:43)
ka sady matsiro no mampijaly ko... ohatran'ny voan'ny goutte mihinankena!
11. fasaly ( 01/01/2007 23:03)
fita wa ry karetsaka fa matsiro be mitsy na mijaly kely aza fa ny matsiro no henonao koko mou o!:-P
12. ikaretsaka ( 01/01/2007 23:08)
mandra pihetsiky ny goutte nao:-D:-P
13. Papoose ( 02/01/2007 01:37)
14. pissoa ( 02/01/2007 04:54)
Fasaly, mety le azy mijaly kely de avy eo (l)(l)(l) no matsiro fa tsy le mijaly fotsiny kou :P:-D
15. Fiffi ( 02/01/2007 06:45)
mampijaly ....mampitomany....mampifaly....ve zany ?
16. fasaly ( 02/01/2007 06:46)
pissoa: ka izy roa miaraka no matsiro ka! fa raha lijay ndray de lasa grrrrrrr:x
ika: ny goutte alou de tena misy tkou! fa iny koa no mampilay azy e!:-P:-P:-D
17. diamondra27 ( 02/01/2007 07:18)
vao manomboka ve ny taona d'efa hitomany sahady nareo nefa we bonane etc ...JOIE ...

Sady refa mitia zany ve de mitomany fa tsy tokony hifaly e! sa le eo @ émotion?

18. fasaly ( 02/01/2007 07:30)
ka misy karazany hafa maro ny tomany ry diam !
19. prime ( 02/01/2007 09:12)
Fa tsy tokony hampitomany kosa aloha ilay fitia raha ny hevitro... ilay mitomany mantsy manana endrika fijaliana ihany koa na dia fifaliana aza no tena fototra... sa ahoana hoy ianareo?
20. Fiffi ( 02/01/2007 09:43)
Tsy raisina ho fijaliana foana kosa raha hoe mitomany an ! sady tsy aleo ve mitomany de mba afaka zay mankarary ny fo ao ? nefa ozy fasaly hoe "fa matsiro waaaaaa!"
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.084