Te hanam-pinoana matanjaka aho

1. xxx ( 28/12/2006 07:01)

Olona mivavaka aho ary tena mino sy matoky tokoa fa mahay zavatra Andriamanitra ary tsy takatry ny saina ny famonjena entiny , saingy tsy mbola manana le finoana tena matanjaka hiatrika sy hisedra ny fiainana mandalo olana aho fa ndray² mihemotra ka lasa miroaroa saina mafy ihany nefa de mahafianritra sy maniry ny ho toy ireo namana kristianina rehetra reny mametraka amin'ny Tompo ny ho avy rehetra

Androany aho zao de tena somary nalahelo ihany nefa koa nitsiriritra mafy ery (fantatro anefa fa mety avy amiko ihany koa ny mahatonga ny fiaiana sasany tsy lavorary fa misy andrasan'Andriamanitra amiko aho ) nisy cousine-ko zay nahazo promotion be ndray izy ta@ asany , ary fantatro fa mendrika sy sahaza azy zany satria izy manana le finoana be izy
sady nalahelo anaty aho no te hitomany ihany hoe fa maninona Tompo o no toy izao ahy ,de tena maniry mafy tsy ho anisan'ireo izay mihemotra ntsony aho
novalian'i Zina ny 02/01/2007 18:32
2. Fiffi ( 28/12/2006 07:13)
xxx: ^:^^:^=D=D rehefa manana volonté tahak'zao de efa anisan'zava-dehibe tokoa ary Andriamanitra mahita izany hetahetanao hizotra @ lalan'ny fahazavana zany .
http://www.topchretien.com/
http://www.connaitredieu.com/

ireo misy site afaka hanampy anao , misy ny pensée du jour , misy ny Evangile isan'andro .

Mivavaka ho anao koa zah mba tsy hihemotra ianao fa handroso hatrany ! de mazotoa ary hampitomboy ny finoana fa Andriamanitra hamaly ny hetahetanao.
3. Achia ( 28/12/2006 19:59)
xxx Mino aho fa tena Kristiana tokoa ianao fa misy valisoa tena ngodabe omen'ATRA ho valisoa ny olony , izay zavatra izay katsahana mafy
4. dailynews ( 28/12/2006 21:03)
mihanoa hono toriteny be dia be fa ireny mampahatanjaka be ara pinoana. Aza miandry ny lahady na sabotsy ihany fa isanandro mihitsy. Misy @ radio sy tele....

Rom 10:17=> fa ny finoana dia avy @ toriteny ary ny toriteny dia avy @ tenin Atra.
5. dailynews ( 28/12/2006 21:44)
xxx> hanoraty aho fa misy zavatra tiako aseho anao.
6. ikaretsaka ( 28/12/2006 22:02)
azo atao koa ny manao meditation dia tena ..raiso fotsiny andriamanitra.. mivavaha aminy mba handefasany ny FM hidinany ao anatinao lalina ao...
fa rehefa intense be ny meditation anao dia tena mi feel anazy ao anatinao ao ianao.
7. ikaretsaka ( 28/12/2006 22:06)
dia izy amzay no manoro anao sy manazava ny sainao
8. soanja ( 28/12/2006 23:01)
Raha ny hevitro indray no omeko dia atomboko amin'ny Fisaorana an'Andriamanitra ny zavadrehetra avy eo ny fampiakarana ny fahatokisan-tena (self esteem) ny zavadrehetra.
Iza moa aho no nahatonga ahy teto ambonin'ny tany? Fitiavan'Andriamanitra no nahatonga ahy teto ary manana ny zavatra katsainy Izy amiko matoa tonga tety aho.
Inona avy ny zavatra tsara vitako sy tokony ho vitako raha amin'izao misy ahy izao. Ireo skills ko.
Inona avy ny zavatsoa nomen'Andriamanitra ahy ka isaorako azy be dia be.
Dia ny amin'ny farany vao manomboka ny hoe inona avy ireo zzvatra tsy maintsy havelako hiala ato amiko vao hontontosa izany fanarian'Andriamanitra izany:
Fialonana, fanaratsiana ny tenako, sns...
Ny fomba ialana aminzany dia ny famakiana boky isan-karazany manana ireo tranga ireo ary mitarika amin'ny fahatokisana tanteraka an'Andriamanitra. Manomboka manao fandinihan-tena mangina sy meditation amin'ny zavatra rehetra manididina sy ny hatsarany.
Ny fanaovana asasoa hitondra zavatra fankaherezana ny fanahy osa ka misy fifandraisany ianao sy ny olona nataonao soa.
-firitana ny hafa hamonjy an'Andriamanitra koa. Mitory teny tsotra izao ny jatsaran'ilay Andriamanitra.
Mahatsiaro afapo ianao raha mahavita an'ireo ary hatanjaka ny finoana satria ny firahanao mihoitra amin'ny hafa dia hitondra hery ho anao tsy ho tsapanao akory ny fisokany mangina satrai Mahery Andriamanitra.
Mahereza hatrany. Io nataonao io dia efa ezaka tsara sady fanombohany ka tohizo hatrany. Soanja.
9. ikaretsaka ( 28/12/2006 23:27)
soanja> namaste .... ^:^
Manao jesuites an :wink:
10. soanja ( 28/12/2006 23:39)
ikaretsaka:

soanja> namaste .... ^:^
Manao jesuites an :wink:


Ika> :D ary sao de jesuite ary aho fa amin'ny endriny hafa fotsiny. Namaste tompoko!


11. ikaretsaka ( 28/12/2006 23:52)
soanja> ka toa manao guidelines exercice spritituelle jesuites ianao ko...
12. soanja ( 28/12/2006 23:59)
Zany ve ry Ikaretsaka. Asa re fa dia io ilay Soanja amin'izao fotoana.:D:-*:-*:-*
13. LazaDaddy ( 29/12/2006 02:47)
xxx> ny finoana dia tsy zavatra azo indray maka tahaka ny @ filokana, fa ambolena miandalana sy kolokoloina ao anaty.

1) "Koa ny finoana dia avy amin'ny fihainoana tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny Tenin'Andriamanitra." Romana 10:17 (Dika teny malalaka). Mitaky fanetre-tena sy fanekena ary fankatoavana ny Tenin'Andriamanitra izany.

2) NY finoana dia mifanohitra amin'ny fihevitry ny mpitady fanazavana ara-lojika sy porofo. "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita" Hebreo 11:1

3) Ny finoana na dia kely toy ny voa-tsinapy aza dia mahafindra tendrombohitra. "Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin'ny anarako izy; hiteny amin'ny fiteny izay tsy mbola hainy izy; handray menarana izy; ary na dia misotro zava-mahafaty aza izy, dia tsy hampaninona azy izany; hametra-tanana amin'ny marary izy, dia ho sitrana ireny." Marka 16:17-18

=> Manetre tena eo anatrehan'Andriamanitra sy ny Teniny dia hazava ny lalan-kizorana. "Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny Teninao"
14. dailynews ( 29/12/2006 03:41)
raha mazoto i xxx dia jereo ity lahatsorara izay efa nosoratako ity sao dia mba mifanandrify @ zavatra ilainao ka mba mety hanampy kely ihany koa @ izay efa lazain ny namana eto.
ilay lohateny hoe "fomba pratika hahazoana ny hoe finoana"
http://dailynews.blaogy.com
15. ikaretsaka ( 29/12/2006 03:51)
LazaDaddy:

xxx> ny finoana dia tsy zavatra azo indray maka tahaka ny @ filokana, fa ambolena miandalana sy kolokoloina ao anaty.


zay ahay ..... =D namaste!

ary miankina aminao ihany fa na itoriana teny ianao na atao inona ianao na atao inona.. rehefa tsy ianao mihitsy no mandray sy manana azy dia....

io ilay hoe "mpamafy " mo ry baibolista isany ?:wink:
ianao ilay tany..
tsy nikarakara tany ilay mpamafy fa "namafy" fotsiny.... dia izay!
16. dailynews ( 29/12/2006 04:18)
fiffi> mba nahafinaritra ahy ilay site faharoa nozarainao io. Misaotra.
17. soanja ( 29/12/2006 06:12)
xxx> Izay hitanao fa mandaitra aminao amin'ireo torohevitra ireo no araho fa mino aho fa izay no sitrak'Andriamanitra.
Mivavaka ho anao na dia tsy fantatro aza ianao. Tsapanao ny hatsaran'Andriamanitra, efa dingana lehibe izay hizoranao amin'ilay lalamahitsy.
18. jentilisa ( 29/12/2006 06:19)
Raha te-hanam-pinoana matanjaka tokony tsy hampitaha ny tenanao amin'ny hafa mihitsy. Izay nataon'Andriamanitra taminao ihany no tena banjininao satria samy nomena ny "talenta" avokoa isika rehetra.
19. ikaretsaka ( 29/12/2006 06:23)
soanja jentilisa> ^:^ namaste
20. xxx ( 29/12/2006 06:39)

Misaotra sika rehetra namaly , ary dia mirary sahady taona sambatra ho an'ny rehetra

Ny Fahasoavan'ny Tompo anie hirotsaka amintsika rehetra

Misaotra
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0906