Te hanam-pinoana matanjaka aho
21. soanja
(
29/12/2006 06:41)
xxx:
Misaotra sika rehetra namaly , ary dia mirary sahady taona sambatra ho an'ny rehetra
Ny Fahasoavan'ny Tompo anie hirotsaka amintsika rehetra
Misaotra
xxx > ampitiavana hatrany hatrany.:-*:-*:-*
22. prime
(
29/12/2006 08:29)
xxx> te-hanoro zavatra fohy aminao aho dia izao, mifandray kely amin'izay voalazan'i jentilisa manao hoe, aza variana mampitaha tena amin'ny hafa fa Andriamanitra ihany banjinina dia mifalia amin'izay atolony anao... fa ny tena zava-dehibe hitako ambaranao dia izao, ny olona tena tian'Andriamanitra dia izahàny toetra mafimafy kokoa noho ny hafa, fa angamba tsy tsapanao fa mbola tian'Andriamanitra mihoatra lavitra noho ilay fitiavany an'ilay cousine ny fitiavany anao ka anisany ny itaizany anao ny faharetana sy ny fahatokiana ary ny fanantenana, fa tsy ny finoana fotsiny ihany koa mifahara amin'i Jesosy dia mahereza fa Izy ihany no lalana sy fahamarinana ary fiainana ahitanao ilay tena FIAINANA marina sy feno ary tanteraka...
26. tywa68
(
29/12/2006 10:50)
tsy misy fisaorana ê ! enga anie mba hazoto hijery an'iny isan'andro ohatran'ny fidirana eto @ serasera :D
27. prime
(
29/12/2006 12:21)
Sakafo mahavelona ka dia mahaliana... dia asaina koa ianao hanaraka ireo rohy nomen'i fiffi ireo fa tena mizara aina isanandro...
28. LazaDaddy
(
29/12/2006 12:53)
xxx> raha miteny ianao hoe "Te hanam-pinoana aho" dia azoko ihany
fa ny hoe kosa "Te hanam-pinoana matanjaka aho" mahalasa eritreritra be. ENga anie ka diso ny fihevitro.
fa ny hoe kosa "Te hanam-pinoana matanjaka aho" mahalasa eritreritra be. ENga anie ka diso ny fihevitro.
29. dailynews
(
29/12/2006 17:50)
inona ny tsy mahamety ny finoana matanjaka ry LD?
tadidinao ve ao @ Rom14 sy 15 fa misy miresaka finoana malemy sy finoana matanjaka?
ary misy koa ny kely finoana(hanakianan' I Jesoa ny mpianany hatrany) sy ny be finoana( ilay miaramila manamboninahitra izay noderain i Jesoa sy ilay vehivavy narary nandritra ny 12 taona izay noderain i Jesoa fa be finoana)? tsy aleo ve be finoana sy manana finoana matanjaka?
tena tsy azoko marina e. mety misy zavatra tianao lazaina angamba fa izaho no tsy namaky tsara?

30. Achia
(
29/12/2006 18:09)
xxx a! tsotra fotsiny e! aza mitsiriritra ny fananan'ny namanao , didy fahafiry moa io ? de jereo fa mbola misy ambiny sivy
31. simplex
(
29/12/2006 18:41)
xxx a! tsotra fotsiny e! aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao , didy fahafiry moa io ? de jereo fa mbola misy ambiny sivy
32. Ruby
(
29/12/2006 18:50)
xxx a! tsotra fotsiny e! aza mijoro vavolombelona hiapanga lainga ny namanao, didy fahafiry moa io? de jereo fa mbola misy ambony sivy
33. LazaDaddy
(
29/12/2006 19:28)
DN> sao kosa dia samihafa ny [kely finoana vs be finoana] sy ny hoe
["malemy" finoana vs. finoana matanjaka] ?
["malemy" finoana vs. finoana matanjaka] ?
34. Rasiligaoma
(
29/12/2006 19:34)
dia ahoana ny famaritan'i Lazzadady an'ilay hoe "kely finoana"
dia ilay hoe "be finoana"?
sy ilay hoe matanjaka sy osa?
dia ilay hoe "be finoana"?
sy ilay hoe matanjaka sy osa?
35. LazaDaddy
(
29/12/2006 19:44)
soanja atsy ambadika atsy:
Betsaka ny mpianatro raha vao resahina hoe baiboky tonga de miteny hoe an an tsy mila an'izany izahay fa omeo boky hafa ref.
Soanja> ny tena mampalahelo indrindra dia ny fisandohan'i Satana sy fampiasany "kristianina" hanenjika Baiboly toa an'io. Satria isika mihevitra araka ilay tenin'i Rasiligaoma hoe "raha samy Kristianina tsy misy manenjika Baiboly". Dia arosony @ izay ilay fitaka toy ilay voalazan'ikaretsaka etsy ambony nataoko hoe hevitr'i Satana: "ny mpanenjika Baiboly izany tsisy" hoy ikaretsaka.
Diniho tsara anie io voalazanao io ry Soanja dia ampitahao @ lazain'ireo milaza azy ho kristianina eto @ serasera e! (tsy hiresaka ny athe araka ny nambaranao akory aho) Ny hanjavonan'ny Baiboly no katsahin'ny "namana" sasany eto na dia misalotra "anarana kristianina" aza izy ireo.
- "Fa maninona no Baiboly no atao reference fa tsy Coran"
- "Angaha ny fivavahana sy finoana tsimaintsy kristianisma fa maninona no Baiboly foana no tenenina?"
- "aza asiana resaka Baiboly fa samy mahay an'io daholo isika"
- "samy manana ny interpretation-ny fa aoka tsy hisy hiresaka Baiboly"
36. LazaDaddy
(
29/12/2006 19:47)
azafady fa nifandiso toeranailay saika nosoratako!
Rasiligaoma> ny matanjaka finoana dia tsy haiko faritana fa mba tiako ho fantatra. Izay no mahatonga ahy manotany
Rasiligaoma> ny matanjaka finoana dia tsy haiko faritana fa mba tiako ho fantatra. Izay no mahatonga ahy manotany
37. dailynews
(
29/12/2006 19:56)
LD> ary izaho vao saika hiteny hoe hazavao izany ny hevitrao. Dia andraso jerena any ankafa hoe samihafa ve ireo? hmmm....raha mahita valiny aho dia zaraiko aminao.
38. Rasiligaoma
(
29/12/2006 22:28)
LazaDaddy:
azafady fa nifandiso toeranailay saika nosoratako!
Rasiligaoma> ny matanjaka finoana dia tsy haiko faritana fa mba tiako ho fantatra. Izay no mahatonga ahy manotany
mitovy izany!
39. soanja
(
30/12/2006 00:54)
LazaDaddy:
soanja atsy ambadika atsy:
Betsaka ny mpianatro raha vao resahina hoe baiboky tonga de miteny hoe an an tsy mila an'izany izahay fa omeo boky hafa ref.
Soanja> ny tena mampalahelo indrindra dia ny fisandohan'i Satana sy fampiasany "kristianina" hanenjika Baiboly toa an'io. Satria isika mihevitra araka ilay tenin'i Rasiligaoma hoe "raha samy Kristianina tsy misy manenjika Baiboly". Dia arosony @ izay ilay fitaka toy ilay voalazan'ikaretsaka etsy ambony nataoko hoe hevitr'i Satana: "ny mpanenjika Baiboly izany tsisy" hoy ikaretsaka.
Diniho tsara anie io voalazanao io ry Soanja dia ampitahao @ lazain'ireo milaza azy ho kristianina eto @ serasera e! (tsy hiresaka ny athe araka ny nambaranao akory aho) Ny hanjavonan'ny Baiboly no katsahin'ny "namana" sasany eto na dia misalotra "anarana kristianina" aza izy ireo.
- "Fa maninona no Baiboly no atao reference fa tsy Coran"
- "Angaha ny fivavahana sy finoana tsimaintsy kristianisma fa maninona no Baiboly foana no tenenina?"
- "aza asiana resaka Baiboly fa samy mahay an'io daholo isika"
- "samy manana ny interpretation-ny fa aoka tsy hisy hiresaka Baiboly"
LD> Fa maninona ity resako ity lasa mizevizevy be toy ny resaky ny mamo?