Nahoana kay isika gasy no matim-boninahitra e?

1. DONGAKA ( 26/12/2006 15:51)
Rehefa tena mbà nandinika aho dia ny ankabezantsika gasy dia matim-boninahitra avokoa!


Raha misy fifaliana na fahoriana ohatra ka manome tso-drano dia misy ny an'ny sasany asiana hoe :avy any @ Commissaire R...Général r....Médécin chef Ra...fa raha tsy asiana an'izany angaha tsy ho fantatr'olona e!

Raha manao marche arriére izany ianao ka voadona tsy fidiny ny fiarany : ialahy angaha tsy mahalàla ahy izaho miasa ao @ BANKY BFV SG ao ANTANINARENINA ! izaho miasa ao @ ministére de l'intérieur...teny ratsy tsy teny ratsy..

Ny filoham-pirenena rehetra hatrizay dia tsy maintsy tononina hoe Atoa FILOHA na Mr LE PRESIDENT ,nefa ny frantsay raha manao interview dia tonga dia hoe : JACQUES CHIRAC ...FRANCOIS MITTERAND..

Ny CHEF na cadre iray ao @ orin'asa dia matetika tsy maintsy asiana tompoko na sefo !



Na ny filoham-pokotany sy ny lehiben'ny voirie aza dia mikentrona raha vao tsy asiana PREZIDA

Aiza ihany izy ity e?
novalian'i Kwasi ny 15/03/2007 23:45
2. booboo ( 26/12/2006 15:58)
Tsy matim-boninahitra zany amiko fa matik'ambo / endrika fanajana ihany koa ho an'ny olona itenenana azy akaraka ny tranga misy.

3. pissoa ( 26/12/2006 16:12)
Ekana booboo !
4. Tenio ( 26/12/2006 16:40)
hihihi
5. soanja ( 26/12/2006 16:47)
DONGAKA:

Rehefa tena mbà nandinika aho dia ny ankabezantsika gasy dia matim-boninahitra avokoa!


Raha misy fifaliana na fahoriana ohatra ka manome tso-drano dia misy ny an'ny sasany asiana hoe :avy any @ Commissaire R...Général r....Médécin chef Ra...fa raha tsy asiana an'izany angaha tsy ho fantatr'olona e!

Raha manao marche arriére izany ianao ka voadona tsy fidiny ny fiarany : ialahy angaha tsy mahalàla ahy izaho miasa ao @ BANKY BFV SG ao ANTANINARENINA ! izaho miasa ao @ ministére de l'intérieur...teny ratsy tsy teny ratsy..

Ny filoham-pirenena rehetra hatrizay dia tsy maintsy tononina hoe Atoa FILOHA na Mr LE PRESIDENT ,nefa ny frantsay raha manao interview dia tonga dia hoe : JACQUES CHIRAC ...FRANCOIS MITTERAND..

Ny CHEF na cadre iray ao @ orin'asa dia matetika tsy maintsy asiana tompoko na sefo !



Na ny filoham-pokotany sy ny lehiben'ny voirie aza dia mikentrona raha vao tsy asiana PREZIDA

Aiza ihany izy ity e?


Misy an'ilay filana na needs nataon'i Manslow milaza amin'ny antsakany sy andavany izany "voninahitra" izany.
Isany zavatra takian'ny olombelona izany ka mahasambatra azy raha tanteraka io.
Misy anefa ny mitaky be loatra ary misy ny antonony ary misy ny tsy mitaky mihitsy. Miankina amin'ny fahatsapan'ny atidoha daholo izany.


6. ikaretsaka ( 26/12/2006 17:27)
ny ao anaty tete mihitsy no mitondra an'io e..
atao akory dongaka f'izay no mahasalama azy an
7. andry08 ( 26/12/2006 20:53)
Tsy Maslow akia fa tsy manslow no nanao ilay besoin an!(mihinambary aza misy latsaka).:)
8. andry08 ( 26/12/2006 20:53)
Maslow mantsy e!
9. andry08 ( 26/12/2006 20:54)
Pyramide de Maslow io an!
10. adidy ( 26/12/2006 21:15)
Indraindray ilay izy mankaleo! Nefa rehefa dinihana koa dia isan'ny valeurs gasy hoe fanajana ny hafa, fanajana ny tena! Dia indraindray aho antra hoe rehefa tena tsy misy ilay vola miditra dia any sisa no hamenoana azy! Dia nefa indraindray rehefa mandinika ny fomba fiainana vazaha dia mahateny hoe izay na tsy manam-bola aza mba ilay voninahitra na ilay hambo no sisa izany e!(fierté sy honneurs)
Azo lazaina koa hoe fifampifehezana ao anaty fiaraha-monina miaraka @ lafiny ratsy sy tsara: teneno ahy hoe inona ny asanao na ny ataona dia jereko raha afaka ho tiako ianao! Dia rehefa mandinika ny fiarahana @ vazaha nefa dia toa izany ihany koa no ataon-jareo!
11. Ruby ( 27/12/2006 02:01)
dia raha vao tsy antsoina hoe madama sy ramose dia tezitra, ..... hihihihi. izany ny culture ntsika ka tsy hita izay hilazana azy. fa culture mila voninahitra izany.
izay tsy feno hono no mikobana e...
12. papounette ( 27/12/2006 08:24)
Za ndray mieritreritra hoe tsy de resaka hoe matimboninahitra le izy fa:
- fanajana,
-ary faharoa betsaka no nijaly na nihafy vao tonga @le toerana na le tanjona de rariny sy hitsiny izay raha antsoina @ le diplôma ananany.
Ohtra:Msé l'injenera na Msè le Jénéraly....etc etc tsy voatanisa.:P:P
13. tywa68 ( 27/12/2006 10:13)
Na gasy na vazaha, rehefa faly sy ravo @ fiainany dia tsy miandry antsoina hoe msé l'injenera ê ! fa tonga d tian'olona @ toetrany ary tsy mila mampiseho hoe nanao an'itsy fianarana itsy na hoe miasa atsy sns ... na be vola na tsia ... :lol:
14. Hubert ( 27/12/2006 12:33)
Ny fijeriko azy indray de mbola tarazo navelan'ny fanjanahantany, satria anie t@ izany andro izany raha vao tsy manome haja vazaha mandalo hono, na ny drapeau frantsay atsangana; ka tsy manao jeriatrika, d'efa mihinana firy andro any an-tranomaizina, na fara-faharatsiny voan'ny karavasy hem!.
Ie: lova napetraky ny fanjanahana io re-oll ô!
Donc, anjaran'ny tsi.1.1 no mijery, izay mahasoa azy na ny mifanohitra amin'izany.
Tsara ho fantatra anie, fa hatr@ zao mbola misy ny matahotra vazaha raha miditra birao. Inona no antony? le saina mbola voazanaka fona e!
15. xxx ( 28/12/2006 06:36)


Somary hamerina kely le sujet ray tary zay aho manambony tena ny olona avy any Ambohimalaza de notsipihiko eo tsy resaka firazanana ihany no itrangan'izany fa nyfiaraha -monina andavanandro tehanamafy fotsiny aho zany hoe ny olona iray afaka mirehareha noho nytoerana misy azy , ary zony zany araka ny tenin'ny namana ao ambony ao hoe olona nianatra izy , nandalo fiainan-tsarotra lalina ka tojo izay niriany sy tanjona tadiaviny de normal izy raha manao zany , ny olona nianatra kosa ve de afaka hifampitaha @ tsy nianatra ?

ary mety koa tsy hoe matim-boninahitra fa fanajana sy lalan'ny fiaraha -monina daholo zany ,
sika miaina ao anatina sté fa tsy hoe olona irery akory

NY hitako ratsy fotsiny de ny manimbazimba sy manao tsinontsinona ny hafa refa mba lasa lavitra na tafita enao , mahay mametraka ny tenany @ toerana misy azy de zay , manaja ny tenanao en tant que hoe olona "ambony " ary mampisy vidiny sy lanjany ny maha-olona ny olona sasany de mendrika anao tsara @ zay le toeram-boninahitrao
16. nikopol ( 28/12/2006 14:16)
toa resaka vazaha daholo ireo resahan'i Dongaka ireo! :-D
17. Fiffi ( 28/12/2006 15:27)
papounette:
Ohtra:Msé l'injenera na Msè le Jénéraly....etc etc tsy voatanisa.:P:P
heu...ohatran'hoe afahafa zany lazaina hoe Msé l'ingénieur zany na hoe Msé jénéraly ...:-D fa raha ohatra ka samy hifanaja de hatao fotsiny hoe "tompoko"
Marina aloha fa mijery vao2 @ télé aza de ny olona tsy miteny an'zany hoe Mr....Chirac na le Président ...fa tondé @ anarany nefa tsy midika zany hoe tsy fanajana azy...zany hoe misy fotoanany daholo ny hilazana an'le Mr fa tsy isakin'ny hanonona ny anarany .


18. lemenakely ( 30/12/2006 16:36)
Jacques Chirac est en visite à MADAGASCAR hoy ny mpanao gazety ...Fa raha ny mpanao gazety malagasy angamba no misy miteny hoe mitokana ny orin'asa TIKO vaovao ao MAHAJANGA i RAVALOMANANA ....asa angamba izay hiseho ny ampitso
19. lapino ( 30/12/2006 17:22)
nikopol:

toa resaka vazaha daholo ireo resahan'i Dongaka ireo! :-D

Eny hoà !
Ny frantsay hono no tsara ... ndana mahazo any lety e! :wink:
20. soanja ( 30/12/2006 17:55)
lapino:

nikopol:

toa resaka vazaha daholo ireo resahan'i Dongaka ireo! :-D

Eny hoà !
Ny frantsay hono no tsara ... ndana mahazo any lety e! :wink:


mba halanareo zao vazaha frantsay zao kah.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2758