Ny anjely.Efa nahita olona ve ianao ka anjely ilay izy?
41. prime
(
26/12/2006 14:13)
niryna:... sao dia mba tsy anjely izany fa "conscience humaine" sy "6ème sens"? ny anjely mantsy tena Andriamanitra mihitsy no maniraka azy amin'ny mission iray na asa iray... fa na ireny jiolahy be ireny aza, ilay efa tena gagilahy sy tena fetsy mampiasa an'ireo "forces mentales" ireo...
Mety efa samy nahita daholo isika na nahatsapa fa tsy dia nitandrina.Diniho kely ary manomboka izao fa misy anjely roa karazany manaraka antsika, ny iray ilay anjelin'ny fahazavana,mitari-dalana manao ny marina sy mahitsy, ny iray ilay anjelin'izao tontolo izao,izay mitady ny lalana haingana sy mailaka.Io matetika ny lalana alehan-tsika satria manao ny marina sarotsarotra ihany indraindray.Aty ny lalana hoy ilay anjely tsara, ny iray miteny hoe aza mandeha any fa aty aleha.Samy manana ny safidy izany isika ka isaky ny manao zavatra dia hoe ity lalan-tsara ity no alehako.Andramo anie e ary rehefa misy feo mibitsika ao an-tsain-tsika dia iny voalohany iny arahina fa tsy diso lalana ianao.Te ahita porofo ianao? Rehefa maheno feo mibitsika ao anaty ianao dia aza manaraka iny lalany iny,jereo izay mitranga rehefa avy eo dia mba tantarao anay.
43. niryna
(
08/01/2007 03:20)
Tantarao anay hoe ilay anjely fantan\'i soanja izany?
Raha mikasika ny eritreritra indray dia mahita zavatra maro ao amin\'ny fiainako,na dia ny lalana tokony alehako isan\'andro aza dia misy feo mibitsika foana aho.Maro ary tsy ho voatanisa saingy afaka manome ohatra izay tadidiko aho.Nandeha train aho ka misy karazany maro ilay izy,ny mandeha tsy mijanona toerana ary ny mijanojanona.Nahita ity mijanojanona aho na local dia misy mibitsika hoe mandehana amin\'io.Ny fisainako iray miteny hoe tsy aleonao mandeha amin\'ilay mailaka amin\'izay ianao dia tonga vetivety.Efa nolazaiko anareo tery ambony fa izay feo mibitsika ahy voalohany ihany no arahako.Kanjo aho nony tonga tany an-trano naheno vaovao tamin\'ny TV sy radio fa nirehitra ilay train ary tsy nisy afaka nandeha ny train hafa tao aorian\'io fa tavela daholo.Teo aho vao nisaotra an\'Atra satria raha nijanona niandry ilay iray aho dia tsy ho tonga any an-trano mihitsy raha tsy ela.

44. niryna
(
08/01/2007 03:40)
Nisy misionera nandeha toerana iray ary tsy tian\'ilay firenena nandehanany izy ka nanam-pikasana hono ry zareo ny hamono azy ary efa tafavory daholo ny vahoaka kanjo tsy nisy sahy nitifitra azy ireo olona mpanohitra fivavahana ary dia nalefa fotsiny izy.Ny ampitso dia nanantona an\'ity misionera ny iray tamin\'ilay mpamono ary nilaza taminy fa betsaka loatra ny miaramila niambina azy ka naleo najanona ny ady satria tsy ahatohitra ireo fahavalo.Gaga ilay misionera ary nanontany hoe miaramila taiza?Ireo marobe nanodidina anao hoy ilay iray!Nony niverina izy dia nijoro vavolombelonany fisian\'ny anjely.Iza izany ireo miaramila niaro ilay misionera ireo kanefa ilay misionera tsy nahita na iza na iza?
Nisy vehivavy narary mafy irery tao an-trano ka tonga nandombaravarana ity zazavavy kely niantso olona hamonjy ilay ramatoa, niantso ambulance ilay rangahy ka rehefa niverina nody soaman-tsara ilay ramatoa dia nisaotra ity mpamonjy ary dia lasa ny resaka hoe soa ihany fa nisy iny vavikely iny nalefanao hiantso ahy.Nataon\'ilay rangahy ny mombamomba ity zaza sy ny akanjo nanaovany ary dia namoha ny fasiana akanjon\'ilay zanany vavy ilay ramatoa ka izay notenenin\'ilay rangahy hatramin\'ny kiraro dia hitany tao daholo ary hoy ilay ramatoa fa an\'ilay zazanany ireo kanefa hono io zaza io dia vao maty iray volana lasa.Fanontaniana ,iza izany ilay zaza nanao akanjo mitovy ny zanany efa maty?Ary iza no naniraka io zaza io haka ity olona namonjy ilay narary:roll::?:

45. niryna
(
10/01/2007 16:59)
Asa ianareo raha efa nahita ilay film hoe \"City of Angel\" Tsy fantatro fa tena toana ny foko ary mahavariana ahy.Film fotsiny moa iny fa mahatonga saina ahy amin\'ireo efa nisehon\'ny anjely koa ilay izy:oops::roll:
46. xxx
(
14/01/2007 18:37)
Nanolon-tena hono ity vavy iray ka andeha atao batisa saingy nony tonga ny fotoana nihemotra izy.Noresahin'ilay mpitondra izy ka natao batisa ihany ary raha vao vita izany dia nianjera izy.Tsy nahatsiaro saina raha tsy ela.Vao nihiratra ny masony dia nisy olona nandohalika teo akaikiny nisaotra ny Avo.Rehefa nitsangana izy dia tsy hitany teo intsony ilay olona.Nitady ilay olona izy fa tsy hitany mihitsy.
47. niryna
(
15/01/2007 05:13)
vale:
dia be dia beeeee zany ny anjely ety an-tany raha izany e!!!
Maro izy ary amin'ny fotoana tsy am-poizina no manantona sy miaro antsika.
Nisy olona iray nandeha teny amoron'ny lalam-by hono ka tsy naheno mihitsy izy hoe misy lamasinina mandeha.Nisy feo niantso azy hoe miala teo ianao ary niala izy kanefa noho nierika nijery ilay vehivavy izy dia tsy nahita.Mety ho feo na olona mivantana no re na hitantsika.