Ny eto Dago indray............

1. niryna ( 13/12/2006 07:30)
Tsy vitsy amintsika no efa nitety farintany, misy kanefa mbola tsy nahita ny rehetra.Tantarao ny toerana nandehananao ,inona no zavatra tsy fahitanao tany an-kafa,ny fomba, ny fiovana, ny fialamboly, ny olona,
ny mahasamihafa azy
novalian'i niryna ny 19/01/2007 19:05
2. soanja ( 13/12/2006 14:31)
Aha lavabe ny tantara raha hosoratana eto daholo. Raha zah nareo de lasa mihitsy mitety fa tsy miandry olona hitantara satrai hafa ihany ny miaina azy directe eo. "Katsaho I Madagasikara fa tsara." Soanja
3. Ruby ( 14/12/2006 01:44)
soanja zany manambola fa tsy ny olona rehetra no manambola:roll:. Mba manontany fotsiny izy. Za aloha majunga e. Majunga efa tsara be zao ny eny @ boro.
4. soanja ( 14/12/2006 14:48)
Ruby:

soanja zany manambola fa tsy ny olona rehetra no manambola:roll:. Mba manontany fotsiny izy. Za aloha majunga e. Majunga efa tsara be zao ny eny @ boro.


Ruby a, azafady aky a. Tsy manambola akory aho fa mba tsetsetra tsy aritra ny ahy iny ka raha toa mandiso fanantenana dia avereno amiko.
Ny tiako tenenina anie dia isika Malagasy tsy mba tia manao fizahan-tany e. Na ny manam-bola aza fa dia tavela amin'ny toerana iray. Mitady foana isika toerana misy havana vao handeha hamangy fa tsy sahy mi-explore irery de ny vazaha no mahalala ny tanintsika noho isika. Ny zavatra tsapa amin'ny teorana iray dia iainana mihitsy vao tsapa ny mahasamihafa azy sy mahatsara azy. Manentana ny rehetra aho izany e.
Tsy dia lafo ny frais taxibrousse rehefa mandeha manao izany fa vonona ny hifanosihosy fotsiny. Lafo kokoa ny vidina credits lany amin'ny telephone anatin'ny 4 bolana ohatra. Mila planina fotsiny ilay izy sady asian calcul sy fiafina raha te hahatratra tanjona iray.
Mora ny sakafo amin'ny hotely gasy matetika eny an-dalana na tonga any. Ny hotely gasy koa tsy mihoatra ny 80.000 fmg raha ny tsotra. De atao hoe telo andro ihany ary toerana iray taona iray.
De toy izany hatrany. Aza hadino mihisty manao vacances fa ialaina io amin'ny fiainana efa ho lava sy rotoroto ity. Fa ny zavatra tsapa any dia tsy voavidim-bola aman-karena.
Ka aiza ary no iatombohantsika ho resahina ary?
-Mananjary?


5. niryna ( 14/12/2006 16:37)
Izaho aloha dia manosika io ny eto Dago indray e.Mbola betsaka ny olona tsy nahita tany ary raha nandalo teto Dago izahay dia nahita fihovana maro.
Antananarivo, lasa manomboka miakanjo tsara daholo ny olona na mahantra aza. Nanomboka madio ny tanana ary nanjary nisy toerana fanasiana fako. Nitombo avo folo eny ny olona ary iny 67 ha taloha iny dia arabe daholo,izao izay aleha dia olona ,tsena, fiara.
Toamasina, toerana mba nafinaritra,izao vao miditra ny tanana ianao dia fako miavovo no tazana eo,io indray aloha dia lasa nitrontrongy ny fari-piainana e.
Ny arabe dia namboarina ary ny fiara no betsaka noho ny olona.Feno trano mijoalajoala sy mpivarotra eto Dago.Ny karana moa dia tsy ferana fa na ny tena aza mila tsy mahay teny gasy noho izy.Ilay toerana 13 mai dia lasa toerana fitsangatsanganana ,mahafinaritra ery ny mijery azy.Ny institue de Pasteur dia tsy niova.Ny fitadiavana kabone no tena mampijaly.Ny sakafo matsiro daholo fa saingy mankarary kibo.Mivalana sy marary foana izahay rehefa mitsidika any Dago.Tsy maintsy mihinana fanafody vao afaka mandeha any.Ahoana ny trondro no tsy misy intsony fa lasa toerana hafa no hakana azy? Io Tanjombato io dia mba nahafinaritra ny miantsena eny amin\'ny magazin lehibe,misy ny mitovy aty ivelana saingy ny vidiny dia mitovy ny vidin\'ny sakafo aty ivelany ihany koa.USA io ivelany io. Ny 4 A dia tsy mahita ilay matory eo ambanin\'ny tetezana ianao.Ny mpandroba dia betsaka, ny teorana dia toe hetihety daholo fa tsy misy malalaka intsony.Mahafinaritra ny mijery ilay taxi mitovy sy ny taxi-brousse miaraka amin\'ny mpamily manao kiravaty.Izay aloha no vaovao hitako e, mety tsy mahaliana anareo mipetraka eo fa izahay aty ivelany dia liana.Tantarao raha mahita fiovana hafa koa ianareo.
6. Fiffi ( 14/12/2006 17:01)
ny ahy zao ny tena mahaliana ahy de ny hijery ny mombamomba an'i niryna . :)
7. fasaly ( 14/12/2006 17:10)
:-P zà tsy nietsiketsika tao tanà mitsy :°)tsy tiko ny mi voyage am fiara fa matahotra lozam-piarakodia:-P
8. Ruby ( 14/12/2006 17:34)
mba mivoaha tao hono ry niryna a, efa mba impiry izya fiffi no nanotany hoe iza ianao.
ny zavatra azonay androany izao de hoe mipetraka any USA ianao ary mety ho vehivavy ianao. :P
9. booboo ( 14/12/2006 17:37)
Fiffi > eka ouz
10. niryna ( 15/12/2006 15:12)
Efa voalazan\'i Ruby io ry fiffi fa vehivavy aho.Inona no mahaliana anao, raha resaka fivavahana dia antsoy aho fa na indray andro tontola aza aho miresaka aminao dia tsy leo, aiza koa no misy ankizy lahy kely izany,tsy ho bedin\'i mamanao eo ve ianao tsy manao devoir? Tsy hitanao foana ve ny vehivavy miteny aky ry niryna ? Izao indray aza e.Ny gasoil-ny fiara no tena manempotra ary ary ny torimaso dia misy elanelany adin\'ny valo rehefa lohataona any ary adin\'ny fito rehefa ririnina.Izany hoe miova ny famantaran\'andro aty aminay in-droa isan-taona 1 0ra ataondro aty aminay @9 0ra alina any Dago.Izahay vao avy nifoha ianareo andeha hatory.Mba nahafinaritra ahy koa ny mijery ireto ankizikely manao akanjo mitovy,sady lasa alavitra ny fahaizan\'ny ankizy miteny frantsay noho ny TV.Indro kely,ho anareo izay mananjanaka dia asio fetrany ny fijerena TV indrindra ny mijery manakaiky ny ecran fa be simba ny mason-jaza any.Izay koa no voatsikaritro.
11. booboo ( 15/12/2006 15:49)
Niryna > mba fenoy tahaka ny an'ny be sy ny bobaka kosa ny mombamomba anao fa zahay ve nameno aby kouh...ifankafantarana fotsiny na lainga vary raraka aza tsy quoi hihihihihi :°)....:-*
12. Fiffi ( 15/12/2006 16:45)
niryna:
Efa voalazan\'i Ruby io ry fiffi fa vehivavy aho.Inona no mahaliana anao, raha resaka fivavahana dia antsoy aho fa na indray andro tontola aza aho miresaka aminao dia tsy leo,
niryna: ka zay indrindra manko an ! @ fomba ahoana no hihantsohiko anao nefa ny momba anao aza tsy feno akory ?
booboo: f'ita hoa eh ! :)


13. Zina ( 15/12/2006 20:17)
Ny gasoil-ny fiara no tena manempotra

ao an-tana io dia mahafaty mihitsy , tsy mba mazoto ny mandeha firy ao ahorehefa mande any... any ambanivohitra fona no aleha...
14. niryna ( 16/12/2006 04:18)
Izaho tsy mijery na nijery izay momba ny olona any.Alefaso any amin\'ny ankamantatra ary ry fiffi fa lany andro amin\'ny tsy misy dikany eo isika.Izay mbola te-aheno ny vaovao hafa teto tana.
15. Fiffi ( 16/12/2006 09:01)
niryna:
Izaho tsy mijery na nijery izay momba ny olona any.Alefaso any amin\'ny ankamantatra ary ry fiffi fa lany andro amin\'ny tsy misy dikany eo isika.
aiza kosa de hoe lany andro @ tsy misy dikany isika ?
Nga tsy hoe namana daholo ny eto ? samy gasy koh ! Ny ahy manko ary mino koh zah fa ny namana rehetra eto mba samy liana avokoa ny ahafantatra hoe @ iza no hiresahiko io ?
M'enfin.....rehefa tsy tianao moh zany hatao ahoana eh ! (sao lasa HS eo zah)


16. adidy ( 16/12/2006 13:14)
Izaho dia manohana tanteraka @ fiffi! Mahaliana ilay resaka tanàna eto M/kara fa mety mahaliana kokoa aloha ny mahafantatra namana vaovao!
Ohatra zao Fiffi , teraka t@ 1936!!:°)
17. niryna ( 17/12/2006 18:19)
Ny eto amin-tsika,ny alika dia mirenireny eny,sady manao maloto toy ny ataon'ny olona sasany eny rehetra eny,tsy misy ho bangoina na diovina ny nifiny,na hoentina any amin'ny dokotera.Ny any ivelany dia mitondra alika vao maraina ny olona, rehefa aorian'ny 9 am dia tsy maintsy mifatotra fa tsy hoentina amin'izao. Raha manao maloto eny an-dalana izy dia tsy maintsy fafana fa raha tratra dia mandoha sazy $350.Rehefa marary dia hoentina any amin'ny dokotera ka lafo noho ny fitsaboana olona ny vola aloha ary matetika fanafody hohanin'ny olona ihany omena azy.Manana borosy nify ary hoentina any amin'ny veterinera tapahina ny volony,ny hohony.Misy savony fanasana volo manokana.Mahay mitady vola ny olona o!
18. Fiffi ( 17/12/2006 22:04)
adidy: :wink:
19. niryna ( 24/12/2006 05:09)
Ny fihavanana no tena zava-dehibe, ary na havana alavitra aza dia havana ihany no fitondra azy
20. niryna ( 30/12/2006 02:16)
Ny alika mirenireny eny dia velona ary tsy dia misy miraharaha firy,tsy mbola nahita olona kosa aho nanasa na nampandro alika.Mahari-pery ny olona ary manana faharetana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3302