Ny eto Dago indray............
21. ikaretsaka
(
30/12/2006 03:00)
Izaho moa amin'ny maha "ikaretsaka" ahy de mba nambinin'Andriamanitra ka afaka "nikaretsaka" lavidavitra ihany.
Fa ny ahy ny nanaitra ahy dia ny fomba fivavaka...
na Finoana sy denomination 1 aza (ohatra hoe katolika) dia na mitovy az any litorjia dia samihafa ny fankalazany azy eran-tany...
ohatra ny an'ny gasy rehefa fotoanan'ny fizarana fihadanana dia @ iny no mifandray tanana dia mandihindihy... ny an'ny @ Mompera pedro moa dia tena kermesy total mihitsy, ny any atsimo (bara sy mahafaly) dia misy ankitsoka sifflet sy ankihorakoraka be .
Ny an'ny Mainty hoditra aty USA dia mahatety fiangonana mihitsy ianoa mizara ilay fiadanana.. ny an'ny fotsy hoditra moa dia mifandray tanana ...
Ny an'ny japonais dia miondrikondrika be mila efa ho vita mihitsy ny gymn an'ny maraina fa ze hita de hihondrehana aby
ny an'ny Filipin dia atao mifandoana ny loha...
ny gasy any avaratra indray dia mifampi hug be...
Ny anay hatrany Tserabeeee moa she tonga amin'io fotoana io dia mifandray tanana aloha manao Bozoro.. de raisina @ tanana 2 ny tanan'ilay olona eo akaikinao.. izy koa mandray ny tanananao 2 de ahotsakotsana elaela eo...
izay vao mifandray tanana sy manao ilay mifampitantana de mandihindihy!

22. ikaretsaka
(
30/12/2006 03:01)
niryna:
Ny eto amin-tsika,ny alika dia mirenireny eny,sady manao maloto toy ny ataon'ny olona sasany eny rehetra eny,tsy misy ho bangoina na diovina ny nifiny,na hoentina any amin'ny dokotera.Ny any ivelany dia mitondra alika vao maraina ny olona, rehefa aorian'ny 9 am dia tsy maintsy mifatotra fa tsy hoentina amin'izao. Raha manao maloto eny an-dalana izy dia tsy maintsy fafana fa raha tratra dia mandoha sazy $350.Rehefa marary dia hoentina any amin'ny dokotera ka lafo noho ny fitsaboana olona ny vola aloha ary matetika fanafody hohanin'ny olona ihany omena azy.Manana borosy nify ary hoentina any amin'ny veterinera tapahina ny volony,ny hohony.Misy savony fanasana volo manokana.Mahay mitady vola ny olona o!
za manana namana any dago... manana alika fa manao an'ireo voalazanao ireo koa ny alikany any..
io miankina @ ilay tompony
23. niryna
(
01/01/2007 03:04)
Izay misy ny razambe ihany no fiangonana tsy maintsy aleha indrindra ny zanaka lahy.Manaraka moa ny vavy.Toa tsy mba naheno olona aho hoe tsy mahita fanahy masina ao amin\'ilay fiangonana izahay ka nifindra.Toa tsy maintsy mijanona ao foana koa.Indraindray dia mifaninana ny mpiangona indrindra ny zanak\'ampielezana amin\'ny fanomezana voka-dehibe satria tononina ao am-piangonana ilay izy,omena sakafo koa ireo kanefa raha ny tena izy,efa manana ny ampy ny olona tonga mamangy ilay fiangonan-drazana,na sakafo hiraisana,na ny toerana hisakafoanana aza dia atokana ilay vahiny,samy noana daholo ihany koa tokony havadika indray hoe ireo olona mahantra tonga ao am-piangonana isan\'alahady ireo no zaraina zavatra na ba kiraro, na vatomamy na zavatra kely ilaina amin\'ny andavan\'andro.Izaho koa aloha tsy dia tia ilay tenenina ao am-piangonana ny adidy amin\'ny voka-dehibe,manao fanomezana ao amin\'ny mangina fotsiny fa Atra mahita izay atao fa misy dia midedaka loatra.Afaka miteny fotsiny ny vola voahangona ny mpilaza vaovaom-piangonana.Ny fandaharana koa dia tena lava-be mihitsy ary ny rakitra dia misy efa ho in-efatra indraindray.Tokony jereny fotsiny izay ilaina.
24. ikaretsaka
(
01/01/2007 06:05)
niryna:
zay misy ny razambe ihany no fiangonana tsy maintsy aleha indrindra ny zanaka lahy
:? hay koa ve misy an'izany??
mety @ protestant angamba izany fa ny anay toa tsisy anzany ko
25. niryna
(
03/01/2007 17:29)
Ilay toe-tsaina mihitsy no tsy mety mihova e,tsy maninona anie ny mamangy ny fiangonan-drazana fa rehefa tsy misy fanahy masina sy tsy mahita fifaliana ianao vao avy niangona,na atao hoe voky dia lany andro fotsiny eo.
27. niryna
(
06/01/2007 02:23)
Matsiro daholo ny sakafo satria tsy dia misy zezi-bazaha firy ary kely daholo ny habehan\'ny voankazo.Misy fotoana ny akondro tsy toy ireny taloha ireny intsony fa mahia kely.Mety tsy nanondrana intsony angamba ny avy atsinanana.Mamy be ny fary ary ny kaky dia ngeza sy matsiro.Ny zavoka dia izay aho vao nahita zavoka ngeza sy matsiro.Tsy hita intsony ireny goavy teny amoron-dalana alaina fotsiny ireny fa tapitra alain\'ny olona hamidy.Raha misy mahazo dia misy olona hiankihinana.Mahari-pery koa ny olona aty ary saika ahitana zavatra daholo rehefa mitady zavatra an-davanandro ohatra hoe hazokely,toa alaina na tsindrohana eny rehetra ny zavatra kely .Mifanohitra ny any ivelany toy ny hitako dia ngezabe daholo ny zavatra hamidiny.Avo telo na efatra ny haben\'ny aty amintsika satria tena be zezibazaha hany ka ngezabe daholo ny ankabiazan\'ny olona.:wink::wink:
29. niryna
(
19/01/2007 19:05)
Ny eto dago sarobidy ny fifankatiavana ary miara-paly sy ory ny fianakaviana:P