Tsy mahita tory fa mivadibadika !

1. niryna ( 13/12/2006 07:25)
Mahita toro-hevitra ve ianareo rehefa tsy mahita tory ny olona. Inona no atao na sotroina.
novalian'i niryna ny 07/01/2007 04:38
2. tywa68 ( 13/12/2006 07:42)
Misotro ronono mafàna dia tsy alefa ny télé fa mijanona anaty maizina sady tsy asiana hazavàna.
3. ari.malala ( 13/12/2006 08:04)
manaova dite veromanitra (citronnelle) dia tony tsara ny saina
4. tywa68 ( 13/12/2006 10:14)
dia milalao sy manao sport ê !:D
5. fiderana ( 13/12/2006 12:18)
tywa68>> manao sport ao ampandriana ve?, hevitra koa aloha iny ê!, sady mahomby:-D:-D

niryna>> misotroà consomme 2 na 3 , izany hoe somary dôzy kely fa tsy diso dôzy akory, dia ho hitanao fa @ 6.30mn maraina ianao ao ho taitra:oops:
6. fiderana ( 13/12/2006 12:24)
fa izao raha manana aretina toy ny haretim-po na aretin'aty tsy mety ilay consomme, tandremo an!....
fa ilay manao sport ngaha no mety.
7. xxx ( 13/12/2006 12:39)
ireto misy zavatra vitsivitsy azo atao :

- raha vao te hatory dia mandeha raha azo atao fa tsy miandriandry
- tsy atao mafàna ny loha, ny vatana atao mafana tsara
- tsy manao bain alohan'ny matory
- mihinana chocolat kely (barre de chocolat) alohan'ny hatory
- mamaky boky tsisy dikany eo am-pandriana (tsy mahabe sentiment izany : mampalahelo, mahasosotra na mahafaly loatra)
- manao activité physique tsara @ atoandro, na dia mivezivezy eran'ny trano fotsiny aza

Informations t@ laboratoire du sommeil ireo
8. fasaly ( 13/12/2006 13:06)
ho fanampin'ny efa voalazan'ny namana sasany dia aza alefa lavitra ny saina, miezàaha tsy mieritreritra nin nin refa hatory fa zà koa manana blem torimaso otrzany fa refa tsy mieritreritra nin nin de tafatory ihany:wink: korazy e!
efa namoaka dinika momba ny toriamso aho ery ambanimbany ery fa jereo:wink: efa feno torohevitra bdb ao:-*
9. simplex ( 13/12/2006 13:30)
sao d mba mifanohitra kosa le hoe tsy manao bain alohan'ny atory sa hoe manao douche fa tsy bain. za refa manao douche tonga de raim kely de mahita tory.

fika fanaoko:


- le douche teo
- atao mafana ny tongotra
- mamaky boky @ zay, ra elabe mbola tsy mahita tory ihany d le baiboly kely soratra kely ireny vakiana @ zay fa 5 min ra ela

- ra eny ampovoanan'ny torimaso no taitra ka tsy mahita intsony, de misotroa dite veromanitra asivo tantely fa hummm efficace. Lazaindry zalah (radoko isany) fa tsy dia tsara loatra ony ny misotro veromanitra matetika...
- ra mbola tsy mahita tory ihany d ndana mijery tele fa efa tsy ho any mintsy zany :-D:-D
10. soanja ( 13/12/2006 14:01)
Mivavaka tsara alohan'ny hatory. Raha manambady moa izany dia manao ny adidy aman'andraikitra takin'Andriamanitra amintsika ho fanehoam-pitiavana raha mazoto. Mampahita tory be io. Mamaky boky milamina mikasika ny fitoniana sy ny fahasambarana ao anaty. Asio ronono mafana na dite peppermint eo akaikinao eo dia iny sotroina rehefa tena hatory. Mifikira tsara eo amin'ny sandrin'ilay nofidinao hatory hiaraka aminao dia good nite.
11. ikaretsaka ( 13/12/2006 14:21)
ny manao sport kely alohan'ny matory io aloha no hitako heo mety
na io ilay sport "adidy" na io sport sport @ zao (mihazakazaka kely, mivezivezy miaatra sy midina ny trano alohan'ny dodo)
dia tsy mieritreritra zavatra hafa mampitaintaina intsony .. dia mamaky bokim-bavaka le kely soratra kely ireny na manao toko saple (raha katolika) fa lasa foana io

Soanja> eo an-tratrany fa tsy eo an-tsandriny ka 8-):lol:
12. fasaly ( 13/12/2006 14:25)
raha ny sport alohan'ny matory tsy efikasy amiko fa vao maika miridridy be nefa une heure de sport aza izany:wink: fa lay maka douche mafàna elaba iny aloha tena mamizana ihany koa fa toundé de te hatory be e!
13. soanja ( 13/12/2006 14:38)
ikaretsaka:


Soanja> eo an-tratrany fa tsy eo an-tsandriny ka 8-):lol:


Tsy haiko ry IKaretsaka fa toa midongodongona zany ny lohako sady mitongilana be zany ny hatoko rehefa matory eo an-tratrany ka aleoko ilay ondana malemilemy tsara iny ihany no iondanako, fa ny tanako kosa tena mihazona sandry muscle tsara sady tsy voaelingelina izy. Tonga de dodo be refa avy eo fa milamina ny tanana.


14. Zina ( 13/12/2006 23:59)
dite a la menthe tena mampatory indrindra
15. Zina ( 14/12/2006 00:00)
adiniko:
compte les moutons hihihihiih
16. patrick2002 ( 14/12/2006 01:03)
Marina daholo ireo voalaza ireo ,fa ny tiako ho lazaina fotsiny dia ny fototry ny tsy fahita-tory dia probleme eo @ nerf, ka 2 no fototry izany na ianao tsy mitombona ara-tsaina ,na ianao misy karazana kakana (vers) manelingelina ny lohanao Oh cysticercose.
Eo @ tsy fitombenana ara-tsaina no matetika antony tsy fahita-tory, angoissé, manana doute, mandalo probleme ny fiainananao ,tsy manana confiance en soi,stressé.
Raha ireo no fototra ,dia marina ny voalaza etsy ambony fa izay efficace aminao atao, manao sport ,mamaky boky ,se distraire, faire l'amour :lol: izany hoe izay hazahoany sainao fahatoniana.
17. Zina ( 14/12/2006 01:32)
bref,
mila relaxena ny saina:)
18. mimich ( 14/12/2006 06:02)
mitandrema amin'ilay dité veromanitra fa oh tsy de tsara hono izy io ho an'ny olona manana olana am fo sy ny tosi-drà.
Misotro rano tsotra mafana tsara (asiana na tsy asiana siramamy fotsiny) alohan'ny hatory , de mba mandrevy kely (zavatra tsara an!!)eo de raiki-tory hihi.
ikaretsaka > toko saplé , hihi , tena marin'iny ka, za de mpanao azo io de tsy haiko tsony izay niafarany rehafa avy eo fa raiki-tory
19. diamondra27 ( 14/12/2006 12:37)
niryna:

Mahita toro-hevitra ve ianareo rehefa tsy mahita tory ny olona. Inona no atao na sotroina.

za ry reto tena misaotra an'Atra fa tena mahita tory tsara mihintsy a!na atoandro na alina na maraina ze tianao angatahina amiko fa de sur commande e!
mety hoe: tsy misy hiasana loha angamba fa refa vita ny asa de vita, tsy mila entina mody any antrano ze problème any.
Ny ao antrano indray dia ataonao izay mampandeha azy.Refa misy olana dia mitady solution.
Refa tsy mahita solution de manala azy kely eto de miramirana avy eo de tonga ny aingam-panahy. Tsy mila manasaro-javatra.
Fa rehefa te-hatory aho dia tonga dia mandeha matory fa tsy mila hoe: andraso afaka 15mn , iny matetika no mi-déregler an'ilay envie de sarotra be ny mi-regler azy avy eo.
Fa manampy betsaka raha te-hatory ianao dia ipihina daholo ny internet, TV , radio , tsy misotro zavatra maha- excité alohan'ny hatory toy ny café sy coca etc
De io lazain'i Simplex io no haingana indrindra: mamakia baiboly.
Tokony ho fantatrao ny cycle de sommeil-nao.
De aiza @ireto no misy anao:
sommeil calme et profond
sommeil agité
sommeil paradoxial
etc....


20. rasoul ( 14/12/2006 12:57)
atoroko hevitra ve nareo refa tsy mahita tory e! zao no ataovy: rehefa tsy mahita tory de mitsangana eo ambony fandriana de sasao daholo ny lamba @ zay miadana ianao refa maraina ny andro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4598