Tiava ny fahavalona

1. niryna ( 13/12/2006 07:21)
Raha vao mahita ilay fahavalonao fotsiny ianao dia tezitra.Ny tenin\'i Jesosy anefa miteny hoe tiava ny fahavalona, mivavaha izay manao ratsy aminao.Ahoana no fomba hampiarinao izany amin\'ny fiainana satria maro ireo olona izay manome fanafitohina isan\'andro kanefa ny tena mba olombelona ihany fa tsy anjely ary rehefa miteny ireo olona mila vonjy ny tena hoe mamela azy dia izao no avaliny.\" Izaho tsy mitovy aminao hoy ry zareo.
Alefaso aza ny adi-hevitra fa be ny olona mila vonjy sao dia mba mahomby antsika ny hevitra nampiasanareo
novalian'i methode ny 11/03/2007 16:48
2. soanja ( 13/12/2006 13:53)
Efa nitranga be dia be teo amin'ny fiainako io ka ny hany azoko ambara dia ny mivavaka mangina ho an'ilay olona ary tsy mitazona alahelo aminy mihitsy. Zany hoe ny ao anatinao no diovy fa aza mireritreritra ny momba azy. Mahaiza mamela heloka fa io no tian'i Kristy voizina amin'izany, indrindra ilay mitsotra ao anaty hoe "ataoko ahoana fa tsy fantany izay nataony, na hoe na fantany izay nataony dia azy sy Andriamanitra izany fa tsy ataoko manimba ny ao anatiko."
Rhefa mivavaka mamngina ho an'ila olona tokoa mantsy ianao ary tsy ovanao ny fifandraisana aminy zany hoe mitsiky sy miarahaba rehefa mahita zay dia hahatspa izy fa miys Andriamaniatra ao anatinao ary miova ho azy izy satria misy ny taratra avy amintsika. Eo ko anefa ireo izay vao maika maizina sy tezitra noho izay famirapiratana ao anatinao izay. Dia tsy maninona, ianao sambatra foana fa madio ao anaty sady manana an'Andriamanitra.
Raha atao moa ka misy ny famonoana noho izany dia tsy maninona koa fa vonona ho Maritiora ny tena Kristianina.
"Izay lalovanao tarafo ilay hazavan'Andriamanitra ao aminao." Soanja
3. booboo ( 13/12/2006 14:51)
Sarotra beeeeeeee amiko ny hitia ny fahavaloko zany. Na izany aza, dia ataoko an-doha foana lé hoe "mamelà ny helokay tahaka ny hamelanay sy meloka taminay". Io teny io no manampy ahy hiroso @ famelana @ fo & saina madio lé oul. Rehefa vita kosa zay, dia tsy mifandray aminy intsony aho satria fantako fa raha mifanerasera aminy indray zà dia hivadika :evil: noho ny tsiaro ny raha nataony...
4. cutie ( 13/12/2006 21:39)
sarotra marina
indrindra we hy hivavaka ho azy
jamais :-D
5. ratonga ( 14/12/2006 09:09)
cutie: mivava ho azy fa tsy fantany izay ataony:-D:-D:-D na odiny fanina:wink:
6. methode ( 14/12/2006 15:10)
Izay mahasarotra azy izay indrindra no mahatsara ny hanatanterahana azy ko! Rehefa tanterakao io de zay le fahasambarana. Hatramin'izao aloha de mbola tsy misy ny hoe tena fahavalo ka tsy haiko! Ny tsy mifankahazo fotsiny no misy dia avy eo milamina. Sarotra le manao dingana manantona voalohany fa rehefa tena sahy kay tsy misy olana akory ary mahatsiaro hafaliana anaty avy eo. Efa imbetsaka niainako io.
7. booboo ( 14/12/2006 15:17)
Sarotra le manao dingana manantona voalohany fa rehefa tena sahy kay tsy misy olana akory


hihihihihi tsy sarotra zany ny manantona oul kah : manao vona zay tiatiana eo dia ahantona @ hazo na poutre ... :°)
8. cutie ( 14/12/2006 21:32)
hihihihihi tsy sarotra zany ny manantona oul kah : manao vona zay tiatiana eo dia ahantona @ hazo na poutre ...

:-D:-D:-D:-D
9. cutie ( 14/12/2006 21:33)
Mpandefa : ratonga [ Valio ] 14-12-2006 10:09:09
Lohateny : Re : Tiava ny fahavalona
cutie: mivava ho azy fa tsy fantany izay ataony na odiny fanina

aleo izy tenany ihany no mahita we tsy fantany ze ataony :lol:
10. pissoa ( 15/12/2006 08:51)
Ny fananana "fahavalo" matetika dia vokatry ny ataon'ny tena ihany - fa tsy noho ny nataon'ilay fahavalo. Rehefa miresaka amin'ny namana any dia hoe "Tsy tiako iny satria izao sy izao ..." ;) ( :lol: ) Dia avy eo tsy ny olona hitantarana valamaty fotsiny no resy lahatra amin'ilay lainga be fa ny tena koa :( Rehefa atao nefa ny fandinihana, dia zavatra iray ihany no nataon'ilay "fahavalo" (amin'ny ankapobeny) raha misy fa ny ambiny dia hitatra sy vokatry ny "imagination" an'ny tena fotsiny. Raha izy sariaka be amin'ny vadinao no antony tsy hitiavanao azy, dia ajanony amin'izay - fa aza manao laza masaka oe nodominy izaho teny an-tsena ... nefa tsy nodominy akory :-w:-D:-D:-D (Cf fiaraha-monina andavanandro sy fiaraha-monina an-tserasera amin'ny tranga toy io :lol: )

Ny fomba hitako hitiavana ny "fahavalo" dia ny fahaizana manaiky io hadisoan'ny tena be fanitarana io, sy ny ratsy hafa. Rehefa mahay manaiky izany isika dia hihatsara eo imasontsika ny "fahavalo".

[size=8px]MIVAVAHA HO AN'NY TENANAO RAHA MANANA FAHAVALO IANAO FA METY HO IANAO NO PROBLEM - FA TSY FANTATRAO FOTSINY IZAY ATAONAO.[/size] :lol:
"Un bien portant est un malade qui s’ignore."
11. booboo ( 15/12/2006 10:02)
Ny fananana "fahavalo" matetika dia vokatry ny ataon'ny tena ihany - fa tsy noho ny nataon'ilay fahavalo.


Tsy ekeko zany teneninao zany.
Ohatra : -nisy namono ny isan'ny fianakaviana, oul fantatra teo an-tanana ihany, ary t@ fomba feno habibiana ary nariany tany andava-pirianga lay faty. Dia noho ny nataonay mianakavy ve zany ?

-nanao izay hahafaty ny reny niteraka ny tena ny havana maromaro, dia noho ny nataonay tao ve zany nefa efa voaporofo fa tsy diso zahay na kely aza ?

Aza afangaro ny fahavalo sy ny olona tsy tiana...
12. pissoa ( 15/12/2006 11:00)
Zay ngambany no nanoratako oe matetika fa tsy oe izy rehetra :°):-D Izany oe ny olona iany "matetiaka" no mamadika ny "olona tsy tiany" ho "fahavalony" :-D:-D:-D
13. xxx ( 15/12/2006 11:24)
izaho miombo-kevitra @ pissoa , ny vy tsy mikitrana irery, matoa nisy ny olana dia ny anankiroa no nahatonga azy fa tsy ny iray fotsiny, donc mila mandini-tena sy manao hetsika en fonction n'izay koa

ary raha mamaky ny tenin'i soanja hoe "ataoko ahoana fa tsy fantany izay nataony, na hoe na fantany izay nataony dia azy sy Andriamanitra izany fa tsy ataoko manimba ny ao anatiko." dia toa ohatran'ny hoe ilay ilany ihany no diso
14. soanja ( 15/12/2006 15:13)
xxx:

ary raha mamaky ny tenin'i soanja hoe "ataoko ahoana fa tsy fantany izay nataony, na hoe na fantany izay nataony dia azy sy Andriamanitra izany fa tsy ataoko manimba ny ao anatiko." dia toa ohatran'ny hoe ilay ilany ihany no diso



An an diso be ny fandraisanao azy zany. Raha tafiditra ao anatin'ilay nanao hadisoana aho dia vetivety amiko ny mifona , mangatam-pamelana amin'ilay olona na dia samy nanao diso aza. Tsy mety amiko ny manam-pahavalo. Ary tiako ny tsy hananan'olona alaohelo amiko.

Fa ny ohatra raisiko ohatra dia olona iray mitady hangalatra ny vadiko, maniry mafy ny hisarahanay. Ataony daholo izay fomba hikotiny azy sy hanambolambolana azy. Zah tsy maharaka ohatra fa any ambadika any no mitranga ny rehetra. Ataony izay hanaratsiana ahy , hay zah ity tena tsy tiana na halany mihitsy. Raha azony atao dia nopoizininy aho na nasiany fanafody gasy.
Ka raha amin'iny fotoana iny ohatra no fantantro izany, izay tsy misy hadisoako na ny kely fa izy no mialona ahy sy maniry izay momba ahy dia io no ataoko. Io ambony noteneniko io.
De ho faute-ko ve raha tsara tarehy noho izy aho. De ho hadisoako ve raha eny an-tanako ny zavatra tadiaviny. De ho hadisoako ve raha tiany ho faty aho. Tsia mahatsapa aho fa fahavaloko izy saingy tiaviko hatrany satria mahantra ara-panahy ary hanao ezaka aho handraisany ahy ao anatiny ka ataoko izay azo atao rehetra.
Matetika ary efa nisy dia mifona izy ary lasa namako tena namako. Tsapany ilay Andriamanitra ao anatiko ary hanaraka izany modely izany izy. Fahazavana lalandava no tokony tsilovinao na dia amin'ny fotoana tena maizina aza ary tadidio fa mahery io hazavana io. Ny MahaKristianina anie dia ampiharina isanandro fa tsy hoe rehefa mivavaka ihany e.


15. vegas ( 15/12/2006 16:09)
Tiavina angamba alou mety ho sarotra. Fa raha ny hoe "imehezo ny fahavalona" de mora tena mora.
16. cutie ( 15/12/2006 21:38)
:-D:-D:-D:-D:-D
marina zany ry vegas
17. niryna ( 16/12/2006 05:11)
Araka ny tsirairay io mitia olona io.Ny baiboly anefa mampianatra antsika ny ho tia ny fahavalo.Tsy misy raharahiana izy bikany,volany sns fa ny mivavaka ho azy no atao.Rehefa mino tokoa ianao fa afaka mamela olona aho dia mamela.Firy ny zavatra nataoko kanefa A/tra namela ahy ahoana moa aho no tsy hamela
azy.Sarotra ny manala ny zavatra ratsy nataony taminao,saingy mora kosa ny mamela raha madio ny fonao.Ahoana tokoa moa no hifonako an\'Atra izay tsy hitan\'ny masoko fa hinoko kanefa ny olona hitan\'ny masoko izay mitovy ahy tsy amelako heloka.Voafatotra ao anaty gadra aho ka ny tenako ihany no afaka mamahy an\'io.Na izaho na izy no diso,ny fandeferana no tena zava-dehibe.Io no dingana voalohany amin\'ny famelan
-keloka sy mitia ny fahavalo.Tsy voatery hiresaka aminy intsony ianao saingy madio ny fo fa tsy manana alahelo aminy .Aza adino ny mivavaka ho azy sy ho anao.Tsy mbola nangataka famelan-keloka tanteraka ianao na tsy mahatoky tsara fa mamela heloka A/tra matoa ianao mbola miteny hoe iza koa no h.....
18. methode ( 17/12/2006 11:15)
booboo: Tsy mora le manantona olona ka! Sady mavesatra be no mampalahelo le masony mipitrapitra! Sadam aza mbola tsy sahy ahantona hatramin'izao ko! lol
Teny diso tsy mba kabary io e!
Mety le fitiavana mihitsy angamba no tsy mbola mahaza tsara! Ny fanasaziana fahavalo ko ange mety ho fitiavana azy e, raha ohatra ka fanitsiana azy hiala amin'ny ratsy izany. Ny fanekena fotsiny ny ataon'ny fahavalo na izay tsy mifankahazo aminao mety ho endrika fitiavana azy.
19. niryna ( 17/12/2006 19:06)
Sarotra ny mitia ny fahavalo saingy mihezaka ny tena.Ny tena manahirana azy dia tsy miteny ianao ataony ho resy ,miteny ianao tsy maharesy lahatra azy.Amboarina ihany ny fo hoe aza asiana sira akory,kanefa izy vao maika manisy dipoavatra, dia ahoana no atao.Mivavaka azy foana aloha no ataoko e fa miverina ilay nataony na dia efa namela azy aza ny tena satria hitariny ilay izy.Mety hoe izay mangina hono volamena kanefa tsy miteny ny tena vao maika mampitombo ny tsy fitiavany an'ny tena izy.Hoy aho hoe ny alika no manenjika fa tsy henjehina sa ahoana
20. niryna ( 17/12/2006 19:29)
Tsy isika lehibe ihany no mila mianatra mitia ny fahavalo fa hatrany amin'ny ankizy mihitsy no ampianarina mifona rehefa manao fahadisoana.Be ny zaza mihetraketraka kanefa ny rar tsy miteny ilay zaza na manitsy azy fa tsy mety na diso ny ataony.Raha vao kely izy dia efa zarina ny mianatra mamela na mifona fa diso ,rehefa lehibe izy dia mahay mitia ny fahavalony mora foana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1385