Tiava ny fahavalona

21. xxx ( 19/12/2006 10:50)
soanja:


An an diso be ny fandraisanao azy zany. Raha tafiditra ao anatin'ilay nanao hadisoana aho dia vetivety amiko ny mifona , mangatam-pamelana amin'ilay olona na dia samy nanao diso aza. Tsy mety amiko ny manam-pahavalo. Ary tiako ny tsy hananan'olona alaohelo amiko.

Fa ny ohatra raisiko ohatra dia olona iray mitady hangalatra ny vadiko, maniry mafy ny hisarahanay. Ataony daholo izay fomba hikotiny azy sy hanambolambolana azy. Zah tsy maharaka ohatra fa any ambadika any no mitranga ny rehetra. Ataony izay hanaratsiana ahy , hay zah ity tena tsy tiana na halany mihitsy. Raha azony atao dia nopoizininy aho na nasiany fanafody gasy.
Ka raha amin'iny fotoana iny ohatra no fantantro izany, izay tsy misy hadisoako na ny kely fa izy no mialona ahy sy maniry izay momba ahy dia io no ataoko. Io ambony noteneniko io.
De ho faute-ko ve raha tsara tarehy noho izy aho. De ho hadisoako ve raha eny an-tanako ny zavatra tadiaviny. De ho hadisoako ve raha tiany ho faty aho. Tsia mahatsapa aho fa fahavaloko izy saingy tiaviko hatrany satria mahantra ara-panahy ary hanao ezaka aho handraisany ahy ao anatiny ka ataoko izay azo atao rehetra.
Matetika ary efa nisy dia mifona izy ary lasa namako tena namako. Tsapany ilay Andriamanitra ao anatiko ary hanaraka izany modely izany izy. Fahazavana lalandava no tokony tsilovinao na dia amin'ny fotoana tena maizina aza ary tadidio fa mahery io hazavana io. Ny MahaKristianina anie dia ampiharina isanandro fa tsy hoe rehefa mivavaka ihany e.






Ka tsy nolazainao feno ilay izy fa atsasany fotsiny no nolazainao teo koa
22. niryna ( 25/12/2006 03:41)
Izy indrindra,tsy voatery ny ho tianao ny zavatra hananany na ny akanjony na izay mety mahasorena anao mijery azy,ny mitia azy fotsiny no atao amin\'izay malefaka ny fonao satria miverina foana ny nataony isaky ny mahita azy.Koa raha afaka mifampiteny aza vao maika tsara ka miteny tsotra ho tsy manampotoana handaniandro amin\'ny tsy dikany aho fa mamela ahy ary izaho efa namela anao,iza moa iza no tsy hamela izay zavatra kely tsy dia misy dikany iny,Atra efa namela ny fahotako rehetra.Izay no atao hoe \"we have to humble ourself.\"manaiky ny hanetry tena sy diso ary mamela azy na tsy fantatrao izao aza izy fa diso,dia aza adino ny mivavaka azy mandrakariva indrindra raha mifankahita matetika ianareo an!
23. vahatra22 ( 29/12/2006 07:33)
ny a indray d izao fotsiny: miezaka mandefitra ny tena na d tsy mety ary ny ataon' ilay olona! ny fandeferana izany no zava-dehibe e! d ny fifamelana: satria tsy misy tsy diso , ka na misy ary ny ady d tokony hifamela , ary tsy tokony hanao am-po: satria izay tia ady olom-boto fa izay to fo mpamosavy!
24. niryna ( 05/01/2007 19:23)
Mety ny toetranao no tsy tian\'ny olona ka manangona fahavalo ho an\'ny tenenao ianao saingy matetika dia ny fahavalo no tonga mandrato anao.Halany fotsiny izao iano.:evil:
25. xxx ( 12/01/2007 19:28)
Tsy misy fanafody afatsy ny tsy miresaka azy fotsiny ary mivavaka ho azy
26. methode ( 18/01/2007 12:48)
Amiko aloha dia misy avy amin'ny roa tonta foana no mahatonga ny olana na dia mety ho tsy fanahy iniana aza.
27. Zina ( 23/01/2007 02:40)
misy dikany roa ny fahavalo eto:
1 - ilay fahavalo izay lazainareo rehetra
2 - ilay fahavalo izay contre ny tenin'andriamanitra
ireo amiko no tian;i Jesosy lazaina...

sa ahona oi nareo?
28. cutie ( 23/01/2007 02:53)
vahatra22 [ Valio ] 29-12-2006 08:33:37
Lohateny : Re : Tiava ny fahavalona
ny a indray d izao fotsiny: miezaka mandefitra ny tena na d tsy mety ary ny ataon' ilay olona! ny fandeferana izany no zava-dehibe e! d ny fifamelana: satria tsy misy tsy diso , ka na misy ary ny ady d tokony hifamela , ary tsy tokony hanao am-po: satria izay tia ady olom-boto fa izay to fo mpamosavy!

Tena mbola miezaka manao an'io hatramizao fa mbola tsy tafa foana :oops:
29. LazaDaddy ( 23/01/2007 03:12)
niryna:
Raha vao mahita ilay fahavalonao fotsiny ianao dia tezitra.
Satria ianao mety mandray azy ho fahavalo. Ny maha fahavalo azy anefa mifanohitra @ izay satria izy no mandray anao ho fahavalo.:)

niryna:
maro ireo olona izay manome fanafitohina isan'andro
Hevero ho voafitak'i Satana izy ireny dia tsy ho tafitohina aminy amin'ny maha olona azy ianao.:)

niryna:
kanefa ny tena mba olombelona ihany fa tsy anjely
TSIA! Ataoko fa fanamarinan-tena andrebireben'i Satana antsika fotsiny izany! Raha olon'Andriamanitra dia manana ny Fanahiny tokoa. "Tsy izaho intsony no velona hoy i Paoly fa i Kristy no velona ato anatiko" :wink:
30. niryna ( 23/01/2007 07:43)
Misy fahamarinana ny anao satria raha tsy manana an'i kristy ao am-pony tokoa izy tsy hanana famelana.Ny ampinga haingana sady mahomby indrindra amiko dia ny mivavaka ny fahavaloko ary tena hitako ny fiasan'ny fivavahana.:D
31. methode ( 27/01/2007 11:40)
niryna: Diniho kely ihany aloha ilay lohahevitra sao dia tokony ho any amin'ny fivavahana sy finoana no misy azy! Toa fanazavana mantsy no betsaka fa tsy dia vavolombelona loatra. Tsy izay niainan'ny mpamaly matetika fa fanazavan-kevitra sy tsikera!
32. niryna ( 29/01/2007 06:11)
methode:

niryna: Diniho kely ihany aloha ilay lohahevitra sao dia tokony ho any amin'ny fivavahana sy finoana no misy azy! Toa fanazavana mantsy no betsaka fa tsy dia vavolombelona loatra. Tsy izay niainan'ny mpamaly matetika fa fanazavan-kevitra sy tsikera!


Misaotra
33. cutie ( 30/01/2007 00:25)
Tiava ny fahavalona

za zao efa niova
lasa tsy misy olana tsony eo aminay roa tonta ( le heveriko ho fahavaloko io ) :lol:
34. niryna ( 30/01/2007 05:35)
cutie:

Tiava ny fahavalona

za zao efa niova
lasa tsy misy olana tsony eo aminay roa tonta ( le heveriko ho fahavaloko io ) :lol:


:D:D:D
35. xxx ( 16/02/2007 07:54)
Hoy aho hoe mivavaha ho an'ireo manenjika anao ry niryna,nitombona teto tokoa ilay nosoratanao hoe tiava ny fahavalonao.Mbola ho avy ny andro hiantsoan'Andriamanitra azy ireo ka izy ireo indray no hijoro vavolombelona.Mazoto niryna,mila anao izahay fa betsaka ny zavatra tianay ho fantatra mikasika ny fivavahana.Mba nisy olona aza nandalina fivavahana nizara maimaipoana.
36. niryna ( 17/02/2007 06:27)
[quote=soanja]
Efa nitranga be dia be teo amin'ny fiainako io ka ny hany azoko ambara dia ny mivavaka mangina ho an'ilay olona ary tsy mitazona alahelo aminy mihitsy. Zany hoe ny ao anatinao no diovy fa aza mireritreritra ny momba azy.

Izany mihitsy.
Mahaiza mamela heloka fa io no tian'i Kristy voizina amin'izany, indrindra ilay mitsotra ao anaty hoe "ataoko ahoana fa tsy fantany izay nataony, na hoe na fantany izay nataony dia azy sy Andriamanitra izany fa tsy ataoko manimba ny ao anatiko."

Misaotra aky a.Nampahery a :o

Eo ko anefa ireo izay vao maika maizina sy tezitra noho izay famirapiratana ao anatinao izay. Dia tsy maninona, ianao sambatra foana fa madio ao anaty sady manana an'Andriamanitra.

Ato amin'ny serasera ireo no tena hitako

"Izay lalovanao tarafo ilay hazavan'Andriamanitra ao aminao." Soanja

Ka izany no tsy nahakivy ahy raha notenenin'ireo fahavalo manova anarana maro hoe anarany no mba toy izao sy toy izao.Mamela azy rehetra amin'ny foko tanteraka aho ary mahatsiaro faly sy sambatra aho fa misy hifikirako ny finoako an'A/tra ny fisian'izy ireo ato.:P:P:P




37. mitia5 ( 22/02/2007 10:49)
tena mora ny miteny fa sarotra tanterahina fa de ho entina am-bavaka zany e!
38. niryna ( 23/02/2007 01:32)
mitia5:

tena mora ny miteny fa sarotra tanterahina fa de ho entina am-bavaka zany e!

Marina mihitsy io teninao io.Toa ireny mitsambikina mikipy ireny.Eritrereto ange fa raha misy olona mivadika aminao, ny fahatezerana no betsaka ary dia mampitony fo aho aloha e.Mangalatra ny volako,nomena fampatokisana nampanaovana zavatra kanjo lanin'izy mivady daholo ilay vola.Hifamela? Hatezerana no mibahana ao an-tsaiko voalohany,lasa ny blem ny mpivady.Avy eo mifampitony fo ary mifampiresaka fa tsy misy fahadisoako na ny ahy na ny an'ny vadiko.Ny teniko azy mivady nininana ny volako fotsiny dia tsy matoky azy intsony aho ary tsy ho tompon'andraikitra intsony izy.Mamela azy aho fa Atra no mamaly ny ratsy nataony taminay.Mazana izany ary very vola izany izahay,hitory ? Fianakaviana ihany, saingy sitrana kosa ny foko fa tsy nitazona alahelo azy aho ary tsy voatery hatoky azy intsony,very koa ny volako ary raha mamerina moa izy tsara,raha tsy mety mamerina avelako any iny fa hiasa indray aho hanarina ny nalainy.Apetrako eo amin'Atra ny fiaianany mba tsy hanaiky ho andevozin'ny satana ary ny fiainanay mivady mba hanana-fo hamela azy mivady:cry::cry:.

39. pimaso ( 06/03/2007 12:01)
...mba hinananao ny hamamin'ny fiainana miaraka aminy...
40. soanja ( 11/03/2007 15:51)
niryna:

Raha vao mahita ilay fahavalonao fotsiny ianao dia tezitra.Ny tenin\'i Jesosy anefa miteny hoe tiava ny fahavalona, mivavaha izay manao ratsy aminao.Ahoana no fomba hampiarinao izany amin\'ny fiainana satria maro ireo olona izay manome fanafitohina isan\'andro kanefa ny tena mba olombelona ihany fa tsy anjely ary rehefa miteny ireo olona mila vonjy ny tena hoe mamela azy dia izao no avaliny.\" Izaho tsy mitovy aminao hoy ry zareo.
Alefaso aza ny adi-hevitra fa be ny olona mila vonjy sao dia mba mahomby antsika ny hevitra nampiasanareo


Ity fanehoana ity no tena sarotra indrindra amin'ny mahaKristianina saingy io koa no maha manam-pinoana antsika.
Raiso ho ezaka ilay izy sady ampitivana koa fa tsy forcer-na akory satria raha tsy izay mantsy dia lasa lasa tsy amin'ny fo ny fananterahana azy zany hoe lasa mamikata ny tenanao ihany ianao satria io no takian'Andriamanitra ohatra nefa tsy eken'ny sainao fa atao fotsiny.
Andriamanitra koa mantsy mahita ny ao anatin'ny fo tsy miloaka ary izy dia mpamindrafo lalandava.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1299