ventsom-hahatsiarovana

1. sitlo ( 10/12/2006 15:08)
Manina ny tanin-drazako aho izany.

Mahantra ny taniko fantatro izany
Kanefa ny taniko taniko ihany
Tsy haiko atakalo tsy asandako harena
Fa ahy ny taniko ilay Nosy mena

(l)
novalian'i Bakobako2 ny 20/12/2006 19:55
2. rakotoline ( 10/12/2006 18:07)
:oops:tena tsara fa tohijo ary aza mijanona eo e,maereja tsy misy toy dago anié ratena izy e,zany no matonga ny vahiny ho tia an'idago kely ny malagasy veloma:!:
3. pissoa ( 10/12/2006 18:23)
Gasikarako

Tiako ianao ry Gasikara, tanindrazana lalaiko,
Ka hasandratro ao am-poko sy loloaviko ao an-tsaiko.
Ka raha misy faniriana tsara indrindra mba tononinko
Tsy ho an'iza fa ho anao ry nilantsahan-tavoniko.

...

Rado

http://serasera.org/vetso/index.php?rub=vetso/vetso&vid=v415d8434eb29f ny tohiny :)
4. sitlo ( 10/12/2006 18:37)
Tahionao ry Zanahary
'Ty Nosindrazanay ity
Hiadana sy ho finaritra
He! Sambatra tokoa izahay
5. Samoana ( 10/12/2006 20:16)
fa aiza moa ny tanindrazan'i sitlo :lol:?
6. sitlo ( 10/12/2006 21:11)
Ho an'i Samoana,

Any ilay Nosy mamy izay,
Tanindrazana nihaviana,
Nolalaiko hatrizay,
Na dia vesaram-pahoriana.

Diam-penin'i sitlo

7. sitlo ( 10/12/2006 22:26)
Ho an'i Kalamitia

Mba mamiko mba mamiko,
'Ty vovokao ry taniko,
Mba fafiko mba fafiko,
'Ty rivotrao milanto,

'Lay feom-balihinao eh,
Sy 'lay feon'anjomara
Tsy andriko tsy andriko
Ho avy aho ry Gasikara

sitlo
8. xxx ( 11/12/2006 03:48)
Tsy dia be mpitia ity pejy ity na dia mahafinaritra ihany aza satria masiaka ny mpamorona azy
9. Fiffi ( 11/12/2006 07:06)
:roll:
10. malalatinasoa ( 11/12/2006 11:23)
za kou gaga be hoe mbo misantimaka ihany kay rastilo njainjay :D
11. kelly13 ( 11/12/2006 11:55)
mask dol reny nanaovany tatsy reny mdrrrr
12. Samoana ( 11/12/2006 12:41)
Ny ankamaroan'ny Namana
Avy any Ambohimanarina
Sitlo indray matetika
Avy any Ambohimandetika ! ( mpandetika namana:D)


..Saingy toa mba niova fo lery
Misantimaka fiteny
Zanak'ondry ? Ambodia ?
Mask tokoa ve ireny :wink:?
13. sitlo ( 11/12/2006 13:03)
Ho an'i Kelly13 sy Samoana

Misaotra anao ry Samoana
Sady nisafo no nilako
Sanatria raha za no hifona
Ze apoakany eo hozakaiko

Zanak'ondry fa ambodia
mety ho eny mety ho tsia
Ny hafatra no enoy tsara
Za tsy hanjavon'ho tantara

sitlo
14. kelly13 ( 11/12/2006 13:06)
miciiiii eeeeee :)
15. sitlo ( 11/12/2006 13:12)
Ho an'i Andrea

Tany voahodidin'onja
Mitomara-batosoa
Vao topaza-maso monja
Dia mambabo fo tokoa
...
Zazavavy iray mihaingo
Meva mahate ho tia
Ka ny helony dia laingo
N-dravinala sy rofia
...

tsy tadidiko ny mpanoratra
16. Samoana ( 11/12/2006 13:21)
Hafakely mintsy le sitlo bic :
manoratra foana, tsy mety lany fika:D

17. kala ( 11/12/2006 13:31)
:roll::roll::roll:
18. MTN ( 11/12/2006 14:57)
Izao koa izany toa manina nahita ity. Ary misy tena manan-talenta ilay olona an.
19. Fiffi ( 11/12/2006 15:52)
hatraty io an ! :)
20. nolalaina ( 11/12/2006 16:04)
Zay mou dé mamaky zé vôsoratra fotsiny kou!! :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4597