Ny fahasambarantsika lehilahy

21. lapino ( 07/12/2006 13:51)
xxx:
ny fahasambaran'ny lehilahy aloha tsy azon'ny vehivavy tsapain-tanana ...
Mba lehilahy normal ve no mandrara ny vehivavy amin'izany le ? :roll:
22. soanja ( 07/12/2006 14:19)
Ry Lehilahy zah mino fa rehafa sambatra ilay vehivavy iarahanareo dia sambatra ianareo fa tsy hisy intsony ny menomenona na kiredy. :-D:-D:-D:-D

Raha ny fitazanako azy satria vehivavy aho dia: the guy needs to hunt, he is gone to kill the beast then he is back to feed the crowd. Rehefa tanteraka ireo dia mahatsiaro sambatra izy, indrindra ka raha mahalala mankasitraka ilay vehivavy.
23. simplex ( 07/12/2006 20:31)
lapino: :-D:-D be loatra lesy le sariny tato ho ato ;-):-P:-D:-D

cutie: dunno, maybe the killing kind: Ms judge me all the time ;-):roll::oops::-*:-*
24. cutie ( 07/12/2006 21:16)
:roll::roll::roll::roll:
25. xxx ( 08/12/2006 06:18)
iza koa no hiteny eo? :°):@
26. tywa68 ( 08/12/2006 09:53)
soanja = mba adikao anay azafady fa tsy mahay teny anglisy zahay ! misoatra mialoha !
27. soanja ( 08/12/2006 13:30)
tywa68:

soanja = mba adikao anay azafady fa tsy mahay teny anglisy zahay ! misoatra mialoha !


Mila mahatsapa toy ny lehilahy fa izy no HERO: Misy ny filana ao an-tokatrano: noana ny rehetra. Nahatsapa izy fa mila mandeha mihaza, vetivety aminy ny mandeha mamono an' le biby ary tsy maintsy matiny vao amelany, avy teo entiny mody iny hatao sakafo ho an' ny rehetra, ka amin'iny ny vehivavy tokony hidera azy sy hankasitraka azy amin' ny lafiny rehetra ary n'aiza n'aiza. RahA misy io dia afapo ny lehilahy ary mety hahatsiaro sambatra izy.


28. soanja ( 13/12/2006 03:16)
Ra-Pat, Manaiky an'io ve ianao sa tsia satria ianao anie no nanokatra ny hevitra e? Lasa aiza ndray ary izy teo.
29. tywa68 ( 14/12/2006 11:36)
Merci Soanja an ! tena marina tokoa !
30. naritsimba ( 14/12/2006 13:34)
soanja> ny ankabeazan'ny vhv @ izao fotoana dia ny hifaninana @ lhl no tanjony nefa tsy te ho tompon'andraikitra mivantana @ ao an-tokantranony fa mbola miandry ny lhl ihany ny ankamaroany.
31. soanja ( 14/12/2006 14:21)
naritsimba:

soanja> ny ankabeazan'ny vhv @ izao fotoana dia ny hifaninana @ lhl no tanjony nefa tsy te ho tompon'andraikitra mivantana @ ao an-tokantranony fa mbola miandry ny lhl ihany ny ankamaroany.


Marina ny anao ry Naritsimba, fa tokatrano idealy no resahiko eo ambony.
Izay no mahavoa ny tsy fandinihana momba ny tokatrano amin'izao fotoana mantsy ka. Sarobidy io tokatrano io ary ny fahasambaran'ny rehetra no katsahina miaraka. Rehefa tia dia misy ny fifandeferana fa tsy manao adin'ny be saina sy be sandry. Ny fitiavana manjaka manko dia manome endrika fankasitrahana hatrany ny tsi-1-1 amin'ny lafiny rehetra. Raha misy ny fifaninana dia mitady hanimba ilay tokatrano izay ny iray na tsy misaina tsara izy fa entin'ny hambom-po.
Eo ny ilana ny open communication raha mahatsapa ny iray fa tsy dia milamina loatra, na misy fiovana. Ka raha amin'iny no tsy mahalala miresaka dia voatery hatao veloma le lehilahy fa any ankafa izy hialokaloka. Farany izay tsy tian'ny lehilahy ny vehivvay be menomenona ny fahitako azy fa na hiresaka an'io zavatra tsy zaka io aza dia atao ampitivana hatrany koa. Mahereza mikatsaka ilay fiadanana e. :-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*



32. naritsimba ( 15/12/2006 06:28)
soanja> tena marina ny lazainao hoe ny faran'izay tsy tian'ny lhl indrindra dia ny fimenomenomana sy ny fiheverana azy ho tsy mahavita azy @ zavatra rehetra izay ataony, ny vhv mantsy dia raha vao misy zavatra atao ka tsy mifanaraka @ eritreriny na tsara ataonao na ratsy dia mimenomenona foana.
Aza gaga raha toa ny lhl lasa manorina lasy any an-kafa.
33. tywa68 ( 15/12/2006 09:18)
ny fahasambaran'ny lhl dia "miova²" ê :-D:-D zarany aza misy excuse hoa !
34. naritsimba ( 16/12/2006 18:15)
izaho dia sahy miteny fa mahavita ary nahavita ny adidy noraisiko teo @] ankohonako, fa indrisy mbola voakiana satria tsy hanao intsony aho raha mbola misy koa ny fanakianana ahy avy @ olona tsy mahavita azy, eny na dia ny olon-tiako aza.
Aza manakiana ahy raha toa tsy hahavita ny vitako, sy tsy, hahatanteraka izay eritreritrao, fa ny ahy na iza vehivavy na iza sahy miteny fa mahavita na fomba na fanajana, na fitiavana sahioko ny mifaninana aminy.

Iangaviako ho an'izay nametraka an'ity lohahevitra ity, aza ampitoviana ny lehilahy rehetra, satria samy manana ny toetrany ny tsirairay.

MISAOTRA TOMPOKO
35. soanja ( 16/12/2006 18:56)
Rha ny fahitako azy zah manokana kosa aloha ry Narintsimba fa tsy idiran'ilay idealin'ny rehetra satria tsy itovy koa ny zavabitan'ny vehivvay tsirairay dia miankina main'ny isan-tokatrano io.
Zany hoe tokony samy mahavita ny rehetra ary samy manao izany amin'ny fony sy ny fitiavana ilay tokatrano. Ny zavadehibe dia ny fahaizana mankasitraka ny tsirairay.
Ohatra hoe : zah alina mody be fa nisy fivoariana ary amin'ny 11 alina vao miditra ny trano. Ny vadiko sahirana nikarakara iny sakafo iny. Ka na tsy masaka tsara aza iny sakafo iny dia izao no teneniny eo amp-servevana ahy eo: "Hohano amim-pahalemem-panahy fa io no vitako androany." Dia hoy aho hoe : "matsiro be izay namboarin'ny tananao fa misaotra nikarakara." Ka na dia tsy teliko aza le sakafo dia faly izy fa nankasitrahako ny ezaka nataony.
Toy izany hatrany. Fankasitrahana sy fifampitokisana no tokony hanjaka ao anaty fitiavana, dia milamina ny tokatrano. Fahasambran'ny vehivavy sy lehilahy miaraka io resahiko io.
Ry vehivavy eto aho milaza fa alaviro ny fomenomenomana fa halan-dry zalahy.:D:-*:-*:-*:-*
36. naritsimba ( 19/12/2006 06:44)
soanja> misaotra fa hay ve tena tsapanao marina fa anisan'ny tianay lehilahy ilay tsy vomenomenona e!
tsiky de ampy io eh!:D
37. soanja ( 19/12/2006 23:57)
naritsimba:

soanja> misaotra fa hay ve tena tsapanao marina fa anisan'ny tianay lehilahy ilay tsy vomenomenona e!
tsiky de ampy io eh!:D


Io menomenona io no fositra ka. Io anefa de malaky aminay vehivavy. Mila ezaka ny rehetra.
zah rehefa te hitaraina mba tsy hitenenako hoe himenomenona dia somary asiako feo miangoty de kopy izy fa misy message ao fa tsy ampahatezarana fa ampitiavna hatrany sady tsy miverina indroa le resaka fa indrapa ihany dia vita. Raha olona mandinika koa dia mahazo indraipa koa fa tsy mila averina indroa akory. Communication is the key.
izya le fandehany e.


38. naritsimba ( 21/12/2006 11:58)
soanja> misaotra e!
39. soanja ( 21/12/2006 15:27)
naritsimba:

soanja> misaotra e!


Naritsimba>:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*

40. naritsimba ( 22/12/2006 06:41)
soanja> naninona ary ianao no tsy hitako t@ nipetraka teny Ankatso, raha hitako an tonga dia nalaiko vady hihihi:*:*:*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078