Mamaly vavaka ve Andriamanitra.Mijoro vavolombelona

1. niryna ( 06/12/2006 07:03)
Maro ireo naman-tsika miroaroa ny sainy rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava.Mba afaka ny hijoro ho vavolombelona ve ianao fa mamaly vavaka Atra? Na taminao izany,na namana na olom-pantatra? Tantarao anay hoe mba hampahery ny namana izay tsy manana fanantenana ka izay ataony dia toa tsy mety avokoa.
novalian'i prime ny 03/01/2007 10:37
2. mpanota ( 06/12/2006 08:19)
Marina izany eh mba atoroy sy porofoy anay mihitsy hoe raha mamaly vavaka marina Andriamanitra , dia mba lazao azafady hoe : Atra iza? amin'ny ahoana no famaliny vavaka ?.......:twisted:
3. booboo ( 06/12/2006 09:10)
mamaly mihoatra lavitra noho zay angatahana aza izy kouh...ouz ny baiboly :°)
4. sonwin ( 06/12/2006 09:20)
niryna> mamaly vavaka Andriamanitra fa tsy vaosoratra ao anaty baiboly ilay valiny. Ka raha hiteny aho dia sao dia hoy nareo hoe omeo ref na koa hoe aiza ho aiza ao anaty baiboly izany!:°)

Fa izao ilay izy: Izay rehetra nangatahiko dia nomeny ahy avokoa refa hitany fa mahasoa satria tsy irery za mivavaka fa miaraka amin'ny fiangonana (Lamesa), ny olomasina sy ireo mpino efa nodimandry ary indrindra i Masina Maria. Miaraka mivavaka izahay rehetra ireo dia tanteraka avokoa ny kinasa. Izay maro no basy hoy ny fiteny Malagasy, dia sady ataonay limozy mihitsy an!
5. pissoa ( 06/12/2006 09:23)
Hihihi, kalou tampoka kou zany hitady ref vao miverina eto :roll::-D:-D:-D
6. booboo ( 06/12/2006 09:34)
:-D
7. majesty ( 06/12/2006 09:55)
bdb fa aleo refaveo alou fa mbola andeh hikaly fa noana b
8. hery ( 06/12/2006 09:55)
Ianao ve tsy mahatsikaritra rehefa ilay vao mifoha maraina iny?
Misaora azy fa mbola nifoha tao indray.
9. ftma ( 06/12/2006 10:04)
Izaho aloha mahatsapa fa mamaly vavaka Andriamanitra, mivaha ho azy ny olana rehefa mangataka ny fanampiany.
"Andriamanitra tsy manampy izay tsy manampy ny tenany" mila fiezahana avy @ tsirairay koa izany
10. xxx ( 06/12/2006 12:57)
za aloha de mino fa mamaly vavaka atra araka ny teneninilay namana eo ambony oe zay zavatra rehetra angatahinao aminazy de azonao avokoa, satria mbola kely vao 10ansaho de efa nangataka taminazy oe mba tolory anahako @age de 16ansko ny olona zay homenao ahy ho vadiko, de nomeny tokoa zany fa mila mangataka aloha ianao fa misy valiny le izy fa somary ela2 aloha e! de nomeny ahy le olona fa mbola tsy niaraka taminazy aho t@zay fa mbola mpnamana fotsiny de age de 25ans aho nanambady de izy iany no vadiko, fa tsy zay ihany no nangatahiko taminazy fa bdb fa tsy ho voatanisako anareo eto, fa ra manam_pinoana ianao de mamaly vavaka izy, andramo ange
11. radriana ( 06/12/2006 14:03)
Niryna sy mpanota,
mbola tsy managataka akory ianao dia efa mamaly avy hatrany izy satria fantany fa ilainao izany, ohatra ny tenin'i Hery hoe, vao mifoha ianao amy maraina dia misaora azy fa izy no nampifoha anao indray. Ny essentiel rehetra efa omeny anao fa arakaraka ny angatahinao indray sao kosa ianao mangataka vola be alatsany avy any andanitra, tsy izay no nomeny fa ny sainao sy ny vatanao ahafahanao mitady vola. Tsarovy ny problème rehetra dia tsy maintsy misy solution ay amin'Andriamanitra.
12. nolalaina ( 06/12/2006 14:52)
Manana finoana fa ho valiny ny vavakao!! mbola tsy mangataka aza enao dé efa hainy ny soa sy ny mety @nao!!

13. Rasiligaoma ( 06/12/2006 15:53)
arakaraka ny finoanao ssy ny fomba fivavakao sy ny fangatahanao io..
ary miankina bebe kokoa @ sitrapon'ilay mpamaly vavaka
14. dailynews ( 06/12/2006 17:47)
ie, mamaly vavaka Izy, h@ zavatra kely ndrindra ka h@ lehibe indrindra izay mba takatry ny saiko.
fanasitranana(tongotro narary, nify narary), fitadiavana parking rehefa feno be iny ny toerana hijanonana, t@ nitabataba be ny mozikan ny mpifanolobodirindrina ka nangatahiko Izy mba hampijanona ilay mozika be mandra pahalasan ilay vahiniko natory tao @ ilay efitrano tena naheno ilay izy ary dia nijanona tokoa. ...vao tsy ela daholo ireo no nitranga..

misy ihany koa anefa ny vavaka izay mbola tsy nivaly(fivavahana ho an ny olona mba hitodika @ Atra) fa ny finoako dia hivaly ilay izy satria mifanaraka @ sitrapon Atra( raha mangataka zavatra araka ny sitrapoko ho Izy dia ataoko izany)..fa ny ataoko dia mivavaka mitohy isanandro mandrapahazoako azy sns...
15. Rasiligaoma ( 06/12/2006 18:46)
mamaly izany izy fa araka ny sitrapony fa tsy voatery araka ny sitraponao
matetika mantsy ny mahavoa ny olona dia mangata-bavaka aminy nefa tsy mety mahazo dia tezitra sy manontany tena.. nefa tsy izay ny sitrapon'andriamanitra aminao
16. ikaretsaka ( 07/12/2006 05:13)
bravo rasiligaoma:-*
17. majesty ( 07/12/2006 05:15)
Ary raha havadika ndray le fanontaniana,atao hoe,tsy mamaly vavaka ve Andriamanitra,mijoroa vavolombelona:(
18. ikaretsaka ( 07/12/2006 05:42)
:D tsotra

za aloha mijoro fa indraindray tsy novaliany ny vavako e...
fa ny ahy ny principe ko rehefa mivavaka de izay tiany io fa tsy izay tiako!
19. Fiffi ( 07/12/2006 06:55)
niryna:
Mba afaka ny hijoro ho vavolombelona ve ianao fa mamaly vavaka Atra?
Tsy hitanareo na tsapanareo ve fa tena namaly ny vavaka nataonao Andriamanitra iny ianao vao mifoha vao maraina iny ? Dia aleo hisaorana Izy nanome antsika indray ny andro androany.........


20. soanja ( 07/12/2006 13:54)
niryna:

Maro ireo naman-tsika miroaroa ny sainy rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava.Mba afaka ny hijoro ho vavolombelona ve ianao fa mamaly vavaka Atra? Na taminao izany,na namana na olom-pantatra? Tantarao anay hoe mba hampahery ny namana izay tsy manana fanantenana ka izay ataony dia toa tsy mety avokoa.


Ie, Mamaly vavaka Andriamanitra fa tsy izay rehefa hangatahinao akory fa izay hitany fa mahasoa anao. Vavolombelona hijoro amin'izany dia ny tenako. Hatramin'izay dia nifikitra taminy foana aho ary tsy kivy tamin'izay niseho satria izay rehetra nandalo dia lesona nomen'Andriamnianitra ahy. Natorony ahy ny lalana mazava ahafahako mandalina Azy sy hitia Azy ary hidera Azy. Notsimbininy aho tamin'ireo diako ireo. Fa ny tena isaorako azy manokana dia ny fanokafany ny masoko fa tsy Voagejan'ny fijery iray ny saiko ka afaka hivelatra hanompo azy amin'ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainana.
Mahereza hatrany mikatsaka ny momba Azy fa tsara Izy.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4334