Mamaly vavaka ve Andriamanitra.Mijoro vavolombelona

21. prime ( 07/12/2006 14:27)
Nangataka taminy aho mba hamelàny heloko sy handraisany ny fibebahako ary mba handraisany ahy ho isan'ny mpanompony, nekeny izany dia hoy Izy hoe "...tsy ataoko hoe mpanompo ianao fa zanaka mpandova..."

...Nangataka taminy aho hoe tsy manana asa aho fa mba omeo izay sahaza, nekeny izany dia naveriny nianatra aho ary nomeny asa tsara lavitra noho izay noeritreretiko avy eo...


Santionany ireo fa raha hatr@ izay niarahako tamin'i Jesosy izay tsy ho tambo tantaraina ny zava-bitan'Andriamanitra tamiko teo amin'ny fiainako...
22. Fiffi ( 07/12/2006 17:55)
ny ahy indray aloha de tsy ho voatanisako ny valintsoa azoko zay novalian'Andriamanitra t@ vavaka sy fangatahako nataoko azy. Ary tsy hisalasalako mihintsy ny hiteny hoe mamaly ny vavaka zay hataonao Andriamanitra .
23. diamondra27 ( 07/12/2006 18:02)
prime: ^:^

Andriamanitra mamaly vavaka raha mifanaraka @ sitrapony ilay vavaka.

araka io lazain'i prime io Atra dia mamaly vavaka mihoatra lavitra noho izay eritreretintsika.

Izaho manokana dia marobe ireo valimbavaka azoko taminy .Isanandro dia mahita zava-mahagaga foana hoe: andray zany tokoa moa.

Tsy ho be resaka aho fa ho zaraiko aminareo eto ny santionany.

1° vao tsy ela akory izay dia somary najombona kely ny fiainana fa sendra épreuve, valiny nomeny teny nampahery dia nisaintsainana izany ary nekena dia niasa tato amiko.
Tsy inona izany teny izany fa ao @ Isaia 30:15
24. diamondra27 ( 07/12/2006 18:14)
Ito ilay versets azoko: "C’est dans le calme et confiance que sera votre force" (Ésaïe 30.15)
ou encore : "Il est bon d’attendre en silence le secours de l’Éternel" (Lamentation de Jérémie 3.26).

2° Tsy miandry rehefa sahirana ihany aho vao mivavaka Aminy fa @ fotoana maha sahirana ahy kosa dia teo foana Izy. Ohatra: nitady trano aho, nangataka izny antsipiriany hoe: omeo trano akaikin'ny fiangonana, fiasana école, tsena dia nomeny fa tiako ho marihina hoe: efa tena au dernier au moment vao azoko io, izany hoe: tena t@ phase désesperée hoe aiza ihany izy ity? Tapi-dakan-kaleha.

Mbola marobe tsy tambo isaina ny vitany e!

3° Misy manampy eny foana ianao rehefa sahirana.

Mba andramo ange ity e!
Aza mieritreritra izay resaka materiel ianao fa mikatsaha hoe: andeha hanompo ny Tompo aho, lazaiko anao fa manaraka ho azy eny ny materiely.

Ilay Andriamanitro moa izany dia ilay Andriamanitra inoan'ny Kristiana izay voalaza ao @ Baiboly.
Mazotoa daholo e
25. ikaretsaka ( 08/12/2006 03:18)
1) mba nangataka ny hahazo miliara miliara za fa tsary nety nahazo!
2) Mba nangataka ny haharesy foana za refa manao bol na miasa fa tsary nety
30Mba nangataka ny ho voavaly aby ny faniriako sy hanao ze tiko rehetra za fa tsary nety koa!


de hozizy za hoe tena meo ze tinao ary za fa za ko ny be fangatahana eo..
de nomeny fiainana sy saina nahalala za ny farany...

hozizy i Ra jesoa (zany ny fiantsoako azy) hoe izay tian-drabainina ihany io!
ny kapoakany mangidy aza tsy nesoriny rehefa izay ny tiany!
26. Devil ( 08/12/2006 05:55)
27. Fiffi ( 08/12/2006 06:46)

Moa ve tsy rehefa mila zavatra isika zay vao mangataka ? de mivavaka mba ahazahoana an'io ?

De azo hatao ve ny fivavahana fangatahana @ Andriamanitra hoe " Andriamanitra ô ! mba mangataka @ nao aho mba ahazo loka be @ ity "loto" ity , ohatra io an !

De rehefa tsy nahazo an'le loka de ...???

Mahay mivavaka tokoa ve ny olona mba hamalian'Andriamanitra zany vavaka zany ? ..........
28. diamondra27 ( 08/12/2006 13:31)
isanandro dia mamaly vavaka Atra. Na dia @ zavatra madinika indrindra aza fa isika no tsy te hahalala fa miandry zavatra goavana foana vao hoe: misy ny valimbavaka

ity zao misy valimbavaka iray azoko androany.

Mamaly eto @ity site ity aho de mijery site hafa ary nahazo ity fampaherezana ity

http://www.topchretien.com/pensee/

dia voalaza ao ny valintenin'ity size ity
;-)
29. Fiffi ( 08/12/2006 13:48)
zah aloha de mijery an'io isakin'ny misokatra ny ordi.....:)
30. ikaretsaka ( 08/12/2006 16:32)
mamaly vavaka andriamanitra fa mamaly araka izay hitany fa mahasoa antsika fa tsy voetery mamaly araka izay tiantsika...
eo foana no voa matetika ny "mpivavaka"
31. niryna ( 09/12/2006 06:05)
Misaotra antsika rehetra namaly ny antso koa enga anie ka mba hitodidoha hanantona sy hanankina ny fony an\'i Jesosy daholo ireo namana izay miroa ny sainy.Manantona
Azy, aza mitsahatra ny mivavaka na amin\'ny fifaliana na fahoriana,mangataha famelan-keloka tanteraka,ary mahaiza mamela izay nanao ratsy taminao.Maneke Azy ho tompon\'ny tenanao ary mivavaha ho an\'ny olon-kafa fa ianao no manome tsodrano ny hafa,isika mijoro vavolombelona dia mahatonga ny hafa ny hizaha izany Jesosy izany.Ireo voateninareo rehetra ireo dia mihoatra noho ireo ny valim-bavaka nomeny ahy ary ankoatry ny valim-bavaka dia nomeny hery koa aho hivavaka olo-maro isan\'andro.Izay zavatra tsy vitan\'olona hono vitan\'Andriamanitra.Tadidio fa tsy misy mafy noho ny mandan\'i jeriko kanefa rehefa narahana ny finoana dia nirodana ihany.
32. Fiffi ( 09/12/2006 06:32)
(HS kely ity ! niryna: mba azonao fenohina ve ny mombamomba anao raha azo hatao ? ):)
33. maliang ( 11/12/2006 06:05)
Andriamanitra dia mpamaly vavaka hoy Izy:Antsoy Aho dia ho valiako ianao , izay mangataka dia mahazo fa misy antony matoa IZY tsy mamaly dia ireto izany :
1) satria tsy mangataka aminy ny olona
2) diso fangataka
3) mbola misy fahotana tsy nibebahana , tsy nafoy "ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo , ny helokareo no efitra mampisaraka anareo amin'Andriamanitrareo ary ny fahotanareo no mampiafina ny tavany aminareo , ka tsy mihaino Izy "
4)mivavaka mihanahana , tsy mino na miovaova zavatra angatahina
5)manda an'Andriamanitra : satria efa niantso Aho , fa nanda hianareo, efa naninjitra ny tanako Aho , fatsy nisy nitandrina , fa nolavinareo ny saina rehetra natolotra sady tsy nety nanauky ny anatro hianareo.IZAHO KOSA HIHOMEHY RAHA TONGA NY FANDRINGANANA ANAREO, HANDATSA AHO RAHA TONGA NY MAHATAHOTRA , RAHA TONGA NY ZAVA-MAHATAHOTRA ANAREO TAHAKA NY RIVO-DOZAARY NY FANDRINGANANA ANAREO TOY NY TADIO, KA MANJO ANAREO NY NY FAHORIANA SY NY FANGIRIFIRIANA . DIA VAO HIANTSO AHY IZY , FA TSY HAMALY AHO DIA VAO HITADY AHY IZY FA TSY HO HITANY AHO .
Andriamanitra dia mpamaly vavaka fa ny olona no manao izay hahatonga an'Andriamanitra tsy hihaino
34. niryna ( 13/12/2006 06:30)
Im-piry ary fiffi no manontany an\'io foana? Inona no antony
35. tandry ( 13/12/2006 06:42)
niryna:

Maro ireo naman-tsika miroaroa ny sainy rehefa sendra ny patsa iray tsy omby vava.Mba afaka ny hijoro ho vavolombelona ve ianao fa mamaly vavaka Atra? Na taminao izany,na namana na olom-pantatra? Tantarao anay hoe mba hampahery ny namana izay tsy manana fanantenana ka izay ataony dia toa tsy mety avokoa.


tena mamaly vavaka andriamanitra satria raha ny tantarako dia tsy hay lazaina ny soa nataon'ny tompo : 4 taona izay no nanambadiako ,vao niarakaizahay dia efa nisy olana satria be loatra ny mpanenjika , vita ihany anefa ny fanambadiana kanefa nidirantrosa be avy eo teraka ny vadiko ,herinandro taoriana dia maty ny zanako ,izahay roa dia tena nahantra kely tsimanambary aventy 0 nipetraka teny anosizato izahay tsy nahaloa hofantrano fatsy misy asa ny orinasa niasako ka voatery namidy ny entana kely mba ananana lafo atramin'ny fandriana , nidabo tany nanombokateo ,ny fianakaviana dia efa nanomboka maneso sy leo fa mpangata dava ;teo no nanomboka ny valimbavaka satria tao anatinizany dia nivavaka foana izahay mivady :teo no nitahian'andriamanitra anay nisolo ny zanaka maty avo folo heny ny fananana nisy teo aloha nahazo asa vcninahitr'andriamanitra koa minoa fa mamaly vavaka andriamanitra raha tena mivavaka fa tsy manao vavakin'ny kamo mila mitolona ambavaka deraina mandrakizay ny tompo amen
36. Zina ( 14/12/2006 01:15)
andriamanitra dia mamaly ny vavaki'ny rehetra raha miankina,sy mihantehitra @ Andriamanitra isika et en meme temps mila miezaka sy mitolona manampy ny tenan-tsika isika mba hifanaraka @ ny sitrapon'Andriamanitra ahzoany mamaly ny vavaka ataon-tsika.

Amin'ny teny anglisy dia io:
Sure, we need to pray, we need to lean on the Lord, but at the same time, we need to do all that we can within our power, all that is in accordance with God's will, to see that prayer answered.
37. prime ( 15/12/2006 14:57)
Rehefa nandalo fizahan-toetra mafy aho noho ny fandavako mandrakariva ny hanompo an'Andriamanitra tamin'ny foko manontolo rehefa nantsoiny, (nefa izaho dia efa mpino hatry ny fotoana ela, fa be riaria sy variana t@ fitadiavana sy ny ara-nofo) dia nokapohiny mafy ka nigoka ny farahidiny na teo amin'ny fiaraha-monina, na teo amin'ny fiangonana... rehefa niantso an'Andriamanitra aho dia novaliany ny vavako ka nomeny andraikitra sy asa maro amin'ny anarany na eo anivon'ny fiangonana, na eo anivon'ny fiaraha-monina eny fa na eo anivon'ny firenena koa aza... Jesosy tsy mandao araka ny voalazany manao hoe :
"Fa izay tany mifoka ny ranonorana milatsaka aminy matetika ka maniry anana tsara ho an'ny olona iasana azy dia mahazo fitahiana avy amin'Andriamanitra;" Hebreo 6:7

"2 Ry rahalahiko, ataovy ho fifaliana avokoa, raha iharan'ny fakam-panahy* samy hafa ianareo, [* Na: fizahan-toetra]3 satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana." Jakoba 1:2-3

"mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin'ny afo aza), dia amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy;" I Petera 1:7
38. Fiffi ( 15/12/2006 15:11)
niryna:
Im-piry ary fiffi no manontany an\'io foana? Inona no antony
satria mba tiako ny ahafantarana hoe ohatra fotsiny hoe lahy sa vavy enao ? sady ny eto nge ka mpinamana daholo eh !
Na tsy zah irery aza mino aho fa mba te-ahafantatra hoe @ iza no hiresahana eto !! sa misy maha-ratsy an'zany ? :roll::roll:


39. niryna ( 16/12/2006 04:44)
Efa voalazako tery aloha fa vavy aho ary efa hitanao foana ny namana manao hoe misaotra aky ry niryna.Faly amin\'izay fiffi!
Raha izaho indray dia mamaly vavaka toy ny tenenin\'ny rehetra izy.Ny ahy dia vavaka mifangaro zavatra hiseho matetika no asehony ahy.Ohatra olona mila vonjy ka eo am-pivavahana aho dia maheno anaran\'olona.Tonga dia vavahako iny olona iny ary tsy maintsy misy fotoana na hifampiresahiko iny olona iny izay mila vonjy ka rehefa avy miresaka amiko ny momba azy izy dia miafara amin\'ny fivavahana izahay.Asa ianareo na mba tratry izao fa rehefa mandeha eny an-dalana aza ny tena ka manao fana
pahan-kevitra irery dia misy miteny ao anaty ao ka iny no arahako, indraindray aho tsy manaraka an\'iny dia misy zavatra mitranga avy eo ka mifona aho fa diso.Ny fahalalako azy dia io ilay fanahy masina izay miaraka amin-tsika isan\'andro,mitari-dalana antsika ary manoro sy manampy antsika.Io fanahy masina izay nalefan\'A/tra io koa no faly sy ravo rehefa misy olona mpanota iray miverin-dalana
40. booboo ( 16/12/2006 23:36)
lé mombamomba an'i Niryna mbola babangôna fôna ô :°)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4464