Ny fahasambarantsika Vehivavy

1. soanja ( 03/12/2006 20:46)
Inona izany no mba zavatra tiantsika hita ao an-tokatrano na amin'ny fiarahana dia atao hoe afapo isika ary sambatra. Ohatra raisiko dia hoe vady toy ny ahoana ny mety mahasambatra anao?
Raha hiteny ianao hoe tokatrano milamina dia hazavao hoe tokatrano milamina ahoana? ny fanaka ao an-trano ve no Kaompile sa ramose mihitsy no nanamboatra ilay fanaka vao hoe tsara ilay izy sns.
Raha lehilahy tsara fanahy dia mba hazavao hoe tsara fanahy ahoana? toy ny ahoana ny lehilahy tsara fanahy aminao? tia vavaka? Mahandro sakafo isanadro sy manasa lamba ho anao sns?
Raha zanaka manaja Ray aman-dreny. Zanaka manaiky izay rehetra teneninao ve zany?
Mino aho fa manampy ny lehilahy ity lohahevitra ity.
Malalaka ny sehatra.
novalian'i lektsolo ny 03/02/2007 17:58
2. diamondra27 ( 03/12/2006 21:03)
lava be 'ty resaka fahasambarana ity fa aleo aloha ny namana hilaza ny heviny.

Ny tiako lazaina fotsiny dia tsy hahita olona idealy ianao raha izay no hahasambatra anao fa ny fahaizanao mi-apprécier izay zavatra manoloana anao no hahasambatra anao.

Ex: raha misy vhv izao tiany ny vadiny manolotra voninkazo ho azy izay novidiana tany antsena, nefa raha sendra ny patsa iray tsy omby vava dia mba nioty voninkazo tany @ lalana izay nandalovany ilay lhl dia nomena ilay ramatoa, hahay hi-apprecier izay ve io ramatoa io sa zatra le oe: tsy maintsy le any antsena no tadiaviny?
Eo no mipoitra ilay hoe: mahatsiaro sambatra na tsia.

...
Mbola hitohy
3. fasaly ( 03/12/2006 21:57)
refa sambatra de sambatra kou!:wink:
4. Fiffi ( 03/12/2006 22:01)
ny ahy aloha de zany hoe hasambarana zany de tena ho sarotra marina ny hilazana azy eto ....saingy raha mijery an'ity hira ity zah de ...hummm...hasambarana marina !
Atao ahoana moa,ahoana tokoa,
Ny filaza aminao ny hasambarana,
Miaina anatiko ao,
Ahoana moa ny fiteny,
Rah izao rehetra izao dia zava-poana,
Raha tsy eo anilanao.
Foiko, tsy tsaroako akory,
Ny amiko rehetra rehetra,
Ny amiko, ny taniko, ny kilalao

'Zay rehetra sitrakao lazao
Ho tanterahiko avokoa,
Sambatra aho tena sambatra,
Mitoetra eo anilanao,
Ampy ve ny fiteny,
Hilazako ny fitiavako,
Fa 'zao tontolo izao no foiko noho ianao
5. fasaly ( 03/12/2006 22:43)
ny fahasambaran'ny mpivady dia ny fifankatiavana tsy misy fetrany , ny fanekena ny hadisoan'ny rairay avy, fifanajana, fifanampiana, ny fifampikolokoloina, ny fahaizana miara miaina tsy dia misy disadisa lotra, fa tsy ilaina materialy complet feno hatreny am plafonds.....mihonona amzé hananana ,fahaizana mifanidni-kevitra sy manapa-kevitra am zavatra hatao rehetra, mifanoha-tsy ho lavo zay ny fahasambarana amiko.....:wink: euhhh mbola misy maromaro fa kalou hieritreritra
6. salmo ( 03/12/2006 23:22)
Ny fahasambarantsika lehilahy mou zany dia: tsy fanekena any ity vazo ity http://www.youtube.com/watch?v=iOhqydiL_ak&mode=related&search= :-D:-D
7. Papoose ( 03/12/2006 23:22)
Fiffi:

ny ahy aloha de zany hoe hasambarana zany de tena ho sarotra marina ny hilazana azy eto ....saingy raha mijery an'ity hira ity zah de ...hummm...hasambarana marina !
Atao ahoana moa,ahoana tokoa,
Ny filaza aminao ny hasambarana,
Miaina anatiko ao,
Ahoana moa ny fiteny,
Rah izao rehetra izao dia zava-poana,
Raha tsy eo anilanao.
Foiko, tsy tsaroako akory,
Ny amiko rehetra rehetra,
Ny amiko, ny taniko, ny kilalao

'Zay rehetra sitrakao lazao
Ho tanterahiko avokoa,
Sambatra aho tena sambatra,
Mitoetra eo anilanao,
Ampy ve ny fiteny,
Hilazako ny fitiavako,
Fa 'zao tontolo izao no foiko noho ianao




hira v io sa tononkalo? dia raha hira dia an'iza kay e?
8. cutie ( 03/12/2006 23:23)
hiran'i Railovy ngambany :lol:
9. cutie ( 03/12/2006 23:24)
Jerome Randria ka:lol:
10. lapino ( 03/12/2006 23:47)
salmo:
Ny fahasambarantsika lehilahy mou zany dia: tsy fanekena any ity vazo ity http://www.youtube.com/watch?v=iOhqydiL_ak&mode=related&search= :-D:-D
Izany hoe ny fahasambaran'ny vehivavy dia ny tsy fahasambaran'ny lehilahy :roll::-D:-D


11. Zina ( 03/12/2006 23:55)
ny fahasambarana itako tena izy dia ilay voady natao t@ mariazy tanteraka....
12. diamondra27 ( 04/12/2006 01:34)
salmo: :-*:-*:-*:-*
zay ahay , miombokevitra @ salmo t@ity fa mbola tsy ampy io
13. soanja ( 04/12/2006 01:40)
Zina:

ny fahasambarana itako tena izy dia ilay voady natao t@ mariazy tanteraka....


Ka inona zany le voady natao taamin'ny mariazy izay rahatsy mahadiso. Aty aminay mantsy izao ny mariazy dia tsy atao vakiteny amin'ny boky vakiana na le voady lazain'i Mopera dia mamerina fotsiny le mpivady , fa ny mpivady mihitsy no manamboatra izay voady tiandry zareo hanorenana ny tokatranony avy any an-tranony any dia vakiana eo. De samihafa be mihitsy ny fovoakany eo.
Ohatra iray de hoe: Ny voady ataoko aminao dia ny hamela anao vadiko hanao izay tianao atao rehetra , ary sambatra aho rehefa tanteraka izany ka hitako fa sambatra ianao.


14. soanja ( 04/12/2006 01:44)
Ny nahatonga ahy nametraka an'ity mantsy dia mahita aho fa betsaka ny vehivavy no mitaraina ao anaty tokatrano ao. De hoy aho hoe de tsy mba hitan'ilay lehilahy ve ny tokony ho fahasambaranao alohan'ny nidirana tao no de ho diso fanantenana loatra ianao no tonga tao.
De tsy misy mihitsy ve ny azo horiranana amin'izany? fa de fijaliana daholo.
sao kosa ary mba misy ihany ilay zavatra mahasambatra hafa fa tsy voateny fotsiny na tsy henony.
15. cutie ( 04/12/2006 01:59)
sao kosa ary mba misy ihany ilay zavatra mahasambatra hafa fa tsy voateny fotsiny na tsy henony.

mety tsy voatady koa de tsy hita :lol:
16. soanja ( 04/12/2006 02:06)
cutie:

sao kosa ary mba misy ihany ilay zavatra mahasambatra hafa fa tsy voateny fotsiny na tsy henony.

mety tsy voatady koa de tsy hita :lol:


Tsy azoko ny tian'i Cutie tenenina eto. Mba hazavao kely anie aky o.


17. cutie ( 04/12/2006 02:37)
ka mety tsy notadiavina koa le mahasambatra hafa de tsy hita ka :lol:
Mazava ve zay :lol:
18. Papoose ( 04/12/2006 02:51)
cutie:

Jerome Randria ka:lol:


toa manana jerome randria ato fa zah zany koa kay tsss, ndraso ary henoina e!thx oh
19. cutie ( 04/12/2006 02:52)
ok:lol:
20. niryna ( 04/12/2006 04:33)
Miankina amin\'ny mpivady tsirairay io, misy ny mifamosaka ny ao am-pony ,misy ny loham-pianakaviana ka hajaina ka na miso diso aza ny teniny dia tsy sahy manintsy ra-vehivavy.
Ho an\'ny vhv sambatra izy raha ohatra ka tsy manana ahiahy,ka tsy ny vola no tena zava-dehibe fa:
1-ny fifankatiavan\'izy roa no tena ilainy.Faran\'izay kely @ lhlhy fa tiany.Oh:mifanohina sy miady hevitra ,mpinamana,mifanitsy, mifampitantana eny an-dalana maka fiara na mitazona ny tanany, na mametraka hafa ao telecel.Jerevana kely fa rehefa alalinina tsara.
2-Rehefa mifandaniandro miaraka.Mety ho zava-dehibe ny asanao fa ny fikarakaranao ny vady aman-janaka dia tena sarobidy, mahita lehilahy maro aho tsy mba mandany fotoana ny vadiny na ny zanany,na dia manontany akory.Ny vhv dia lany fotoana ao an-trano na miasa aza,ka mila manana fotoana iarahina @ra lhl
3-Rehefa mampiseho azy fa manantanteraka ny voadinao ianao.Ny vhv rehefa tia dia tia tanteraka ka mampiseho azy fa ianao ny anteherany tsy misy tahotra na ahiahy fa miaro azy rehetra.Rehefa tezitra tsy misitaka fa miteny ny ao am-po,ny vhv miteny.
4-mandray anjara ao an-trano fa tsy avela ho azy irery ary miaraka mampifaly ny tena,cine, mivoaka, vakansy, miantsena sns.
5-miezaka ny manao izay tratra amin\'ny fitadiavana fa tsy kamolahy, tsy mamporisika ny vhv ny hanam-bola betsaka ,fantany fa miezaka ka ny vhv dia mahita azy ny fahasarobidiny eo aminy.
Rehefa mia-antitra ny tena lasa ny ankizy tsy ny fananana zavatra lehibe na trano beno mahasambatra fa ny fifandaniana ny andro miaraka isan\'andro.Lhlmitohy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2443