Ny fahasambarantsika Vehivavy

41. kanto10 ( 04/12/2006 20:03)
za aloha sambatra raha ohatra ny vadiko ka tia ahy ohatran'ny fitiavako azy e, ohatra hoe tsy manana secret amiko mihitsy, miteny ny marina foana na de mankarary ary ny maheno an'izany indraindray
42. bilakarenjy ( 04/12/2006 20:40)
Amiko indray ny tena fahasambarana ao an-tokatrano ho an'ny mpivady dia ny mpivady mahay miombona .
Ny fiombonan'ny mpivady dia midika fifanarahan-tsaina tanteraka satria izay mahazo ny iray dia midona @ iray ,ka rehefa miombona ny mpivady dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra .
Manjaka be ny fifandeferana eo satria manaja ny fitiavan'ny iray ny andaniny ,dia toy izay koa ny ankilany .


Tsy avela hitongilana mihitsy ny tombony ho an'ny iray fa samy mahazo tombony sy fahafinaretana ary fahasambarana @ izay atao daholo ny mpivady ,fa raha vao ny iray no atao mahazo fahasambarana dia efa mitsiry eo sahady ny fitiavan-tena .

Noho izany dia ny fahasambaran'ny iray dia tokony ho fahasambaran'ny iray koa .Izay mihatra @ iray dia mihatra @ iray koa .Ny mandeha ila tsy mety mihitsy ao an-tokatrano fa miteraka fifanolanana ho an'ny mpivady tanteraka .

43. cutie ( 04/12/2006 20:48)
Mpandefa : bilakarenjy [ Valio ] 04-12-2006 21:40:25
Lohateny : Re : Ny fahasambarantsika Vehivavy
Amiko indray ny tena fahasambarana ao an-tokatrano ho an'ny mpivady dia ny mpivady mahay miombona .
Ny fiombonan'ny mpivady dia midika fifanarahan-tsaina tanteraka satria izay mahazo ny iray dia midona @ iray ,ka rehefa miombona ny mpivady dia mandeha ho azy ny zavatra rehetra .
Manjaka be ny fifandeferana eo satria manaja ny fitiavan'ny iray ny andaniny ,dia toy izay koa ny ankilany .


Tsy avela hitongilana mihitsy ny tombony ho an'ny iray fa samy mahazo tombony sy fahafinaretana ary fahasambarana @ izay atao daholo ny mpivady ,fa raha vao ny iray no atao mahazo fahasambarana dia efa mitsiry eo sahady ny fitiavan-tena .

Noho izany dia ny fahasambaran'ny iray dia tokony ho fahasambaran'ny iray koa .Izay mihatra @ iray dia mihatra @ iray koa .Ny mandeha ila tsy mety mihitsy ao an-tokatrano fa miteraka fifanolanana ho an'ny mpivady tanteraka .

=D
44. Papoose ( 05/12/2006 07:11)
booboo:

Papoose > hihihihihi


ka ny ahy tonga dia fintiniko @ fahasambarako manana azy dia milamina io :-D
45. booboo ( 05/12/2006 07:52)
Papoose > amen ! hihihihihihi
46. Papoose ( 05/12/2006 18:25)
booboo:

Papoose > amen ! hihihihihihi



allleeeeeelllluuiiiiiaaaaaaaaaaaaaaaaa!!!!:P
47. diamondra27 ( 06/12/2006 09:35)
Soanja: io indray aloha dia tsy misy ifanomezantsiny fa samy manana izay hahitany fahasambarana; fa amiko ny baiboly dia mitaiza tokoa, Elle est toujours d'actualité ary raha manaraka sy mino ianao dia hahita izany fahasambarana izany.
Tsy misy ifanerana mihitsy ary tsy afaka manery anao ny hanao izany aho.

Indraindray manko dia mandeha araka ny fisainantsika isika ary ekena daholo na dia zavatra tsy tokony hekena aza.

Ex ity an:Sambatra ve zao ianao raha toa ka mahita an'i vadinao mikoroso fahana milona ao anatin'ny drogue,toaka sns... satria lazainy fa izany no mahasambatra azy?

Mety tsy mifankahazo ny resaka fa ny tiako lazaina @ resaka baiboly sy ny vhv dia izao hoe:isika no lakile, io lakile io mila hamboarina isaky ny porte fa tsy mitovy, de chacune zany mahalala ny mahasambatra azy , de zay no zavadebe.Miditra ao @ le varavaran'ny fahasambarany.
48. dailynews ( 06/12/2006 22:02)
faly aho rehefa mahita azy mamaky baiboly sy mivavaka fa tsy variana eto @ PC loatra.
faly aho rehefa tiany ny loka ataoko e:D:D
faly aho rehefa manampy ahy ao andakozia izy indrinrda fa mahandro ilay loka tiako.
faly aho rehefa manamboatra ny simba ato antrano izy.
faly aho rehefa mahatsiaro ny anniversaire- ko izy.
faly aho rehefa falifaly izy miverina avy any ampiasana.
faly aho rehefa, mbola betsaka ny mety hahafaly ahy....:D:D



49. soanja ( 07/12/2006 06:44)
diamondra27:

Soanja: io indray aloha dia tsy misy ifanomezantsiny fa samy manana izay hahitany fahasambarana; fa amiko ny baiboly dia mitaiza tokoa, Elle est toujours d'actualité ary raha manaraka sy mino ianao dia hahita izany fahasambarana izany.
Tsy misy ifanerana mihitsy ary tsy afaka manery anao ny hanao izany aho.

Indraindray manko dia mandeha araka ny fisainantsika isika ary ekena daholo na dia zavatra tsy tokony hekena aza.

Ex ity an:Sambatra ve zao ianao raha toa ka mahita an'i vadinao mikoroso fahana milona ao anatin'ny drogue,toaka sns... satria lazainy fa izany no mahasambatra azy?

Mety tsy mifankahazo ny resaka fa ny tiako lazaina @ resaka baiboly sy ny vhv dia izao hoe:isika no lakile, io lakile io mila hamboarina isaky ny porte fa tsy mitovy, de chacune zany mahalala ny mahasambatra azy , de zay no zavadebe.Miditra ao @ le varavaran'ny fahasambarany.



Diamondra, lasa dialogue le izy saingy mamela ahy indry hanazava tsara ny fahasambarako dia amin'izay mety hazava amin-dry ny tiako hambara.

Ny tokatrano ry Diamondra dia mipetraka eo ambonin'ity zavatra TELO LOHA ity:
Fitiavana, Fifampitokisana ary Andriamanitra.

Ny hevitro dia hoe raha olombelona aho dia misy antony ny nanamboaran'Andriamanitra ahy ary raha tanterako io missions napetrak'Andriamanitra amiko io dia io no fahasambarako.

Tafiditra tao anatin'io missions io ny Tokatranoko, izay misy ny vadiko sady tiako no tia ahy. Misy ny fifampitokisana ary miorina ao anaty finoana iray dia Andrimanitra mahery ary be fitiavana. Io Andriamanitra inoanay dia Fanahy ao anatinay ary miasa isanandro mampiezaka anay hifankatia lalindalina kokoa isanandro isanandro ary ny omaly tsy mitovy amin'ny anio fa miha lalipaka ary ny hanaparitaka izany fitiavana izany any amin'ny hafa.

Te hanome anao ny resaka vehivavy ao amin'ny baiboly aho saingy tsy ampy ny fotoana saingy hanao izany kosa aho rehefa malalaka mba ampisehoako anao nahoana aho ny tsy mampiditra baiboly ao anatin'ny fahasambarako. Efa nomeko anao moa ny antony. fa raha raisina fotsiny i Leviticus 12:1-8 dia hitanao ao nahoana no mandingana pejy aho rehefa mamaky baiboly.

Ireto no nanampiako ny Fahasambarako ao anaty tokatrano
tiako raha miady mafy ny lehilahiko sy miketriketrika foana ny atidohany mba handrombaka ny fitiavako na tsy miova aza aho fa tia azy foana.
- tiako koa misy zavatra mitondra ny fitiavanay ho feno hetsika sy hafaliana (adventures to die for in our love)
-Ary tiako hiteny amiko foana izy fa zah ny Andriamanitra keliny eto ambonin'ny tany.

zany hoe raha baingona dia tsy misy idiran'ny toaka sy ny rongona na zavamahadomelina sns satria zavapona izany sady tsy mitondra mankaiza. Ka raha saina mandinika sy mahalala izay mahasoa dia tsy hitranga izany. Sady tsy olona ohatra ahy no hanambady olona tahak'izany.
Fa dia fanehoan-pitiavana mahery vaika ary miovaova fa tsy boring ho ahy no tadiaviko satria zah die fantatro fa tsy tia zavatra monotone. Ka raha fantany (ilay vadiko) izay dia fantany ny tokony hataony fa tsy ho diso fanantenana aho. I am wild at heart as a woman. Eo ampanomezana ahy izany izy dia ho sambatra lavita noho izaho. Hatramin'izao aloha dia sarotra ny mandainga fa afapo aho amin'ireo ary isaorako an'Andriamanitra izany satria ny hoe Fahasambarana aloha dia tsy misy amin'ity fiainana ity. Fa mety any ankoatra angamba.

50. tywa68 ( 07/12/2006 08:19)
Soanja : efa afa-pò zany enao dia zay no tena azo atao hoe fahasambarana !
Tsy manala ny baiboly zany satria matoa enao nahavita an'ireo dia tojo olona mendrika anao sy notazaina ohatranao anaty ny finoana kristiana.
51. fiderana ( 07/12/2006 12:30)
hoy diam:

Mahandro sakafo isanandro sy manasa lamba: aiza kosany de izy no ampanaovina an'izany fa tokony mba hifampizarana ilay izy. Raha tsy miasa ilay lhl dia tsy maninona fa raha miaasa izy de mbolaampanaovina an'io isanandro ve? Rehefa mba mandray anjara izy dia ataoko fa ampy izay, ohatra hoe: rehefa week-end.


ie zah ilay mahandro sakafo mety ho vita ihany fa ny mian-tsena sy ilay manasa lamba kosa aloha hatao ihany fa mba hataonareo ilay mian-tsena dia zah manankarama mpanasa lamba, tena mba hifonana iny raha iny no tsy mahasambatra, mba raiso ilay fifonana fa ho sambatra ianareo, marina ê!.
52. tywa68 ( 08/12/2006 09:55)
fiderana :-D:-D:-D mety ihany anie zany ê !
53. diamondra27 ( 09/12/2006 15:29)
soanja: ny ahy koa aloha ny principe-ko efa nambarako teto io fa sans confiance il n'y a pas d'amour(l)(l) ary refa tsy misy ny fitiavana dia tsy misy ny fahasambarana.

Le fombafomba fitiavana fotsiny 'zany no tsy hitovizantsika.

Dia mahità fahasambarana daholo e

:-*:-*:-*:-*
54. adidy ( 10/12/2006 22:12)
Mitovy hevitra aminareo aho @ fifandraisan'ny mpivady!
Fa ny isan'ny manome fahasambarana ahy, dia rehefa avy miasa reraka be nifampigidragidra @ havantsika vazaha dia mahita an'ilay piso kely 2 manao hoe bisu maman, na neny! Mahita fa faly ramose! Dia ny mahandro sakafo matsiro ho an-dry lerony! Na ilay fiarahana ao an-trano aza dia efa mamy be!Mety hoe zavatra kely fotsiny izany dia mahasambatra!
55. diamondra27 ( 11/12/2006 07:14)
adidy: wééé , zay mihintsy , tsy miandry zavatra goavana vao ho sambatra fa avec un rien d'efa afaka hahasambatrarefa tsy ankasarotana ny fiainana.
56. kala ( 11/12/2006 14:02)
diamondra27:

soanja: ny ahy koa aloha ny principe-ko efa nambarako teto io fa sans confiance il n'y a pas d'amour(l)(l) ary refa tsy misy ny fitiavana dia tsy misy ny fahasambarana.

Le fombafomba fitiavana fotsiny 'zany no tsy hitovizantsika.

Dia mahità fahasambarana daholo e

:-*:-*:-*:-*


=D =D =D =D =D =D :-* :-* :-* :-* dia misaotra sy mankasitraka

bilakarenjy > zany mihintsy! :* :* :* :* :* manokana


57. bilakarenjy ( 12/12/2006 08:33)
kala> merci a!faly be fa nahazo :*:*:*:*
58. lektsolo ( 03/02/2007 17:58)
Raha ny fahasambarana feno sy tanteraka alo no tadiavina eto an-tany de ho sarotra ny hahita azy.Anjaran'ny vevavy na ny lelahy no mitrandraka sy mahita ny tian'ny vadiny.Fihetsika kely zay heverina fa tsy misy dikany defa mety hiteraka fahasambarana ao anaty,oh:oroka kely mifangaro sitraka,:*.Mahaiza mifandefitra @ zavatra rehetra,tsy misy tonga lafatra zany e!fa hitsikio ny fiainana de hitsiky aminao izy.Raha samy miasa ny mpivady de tsarovy fa @ hariva (@6ora)sy ny alina no mba fotoana hihaonany ka mba mahaiza manararaotra fa fotoana kely no mba hiahaonan'ny mpianakavy e!halaviro toy ny fasambao ny zavatra rehetra mety hanimba ny fahasambarana @ fotoana kely hihaonana.zay no mba hevitro
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0423