Ankoatry ny kristiana,mba liana ny finoan\'ny hafa izahay

41. niryna ( 13/12/2006 05:48)
Misaotra ry Ikaretsaka a!Fivavahana dia tsy azo didiana ny olona saingy raha mahalala ny marina kosa isika dia anjaran-tsika no manoro azy,mbola misy olona maro tsy mahafantatra ny tantaran\'i Jesosy Kristy.Mampiely ny filazan-tsara no tokony hataon-tsika,mino izy tsara ,tsy mino izy efa vita ny adidin-tsika.Ny toetra, ny fomba rehetra izay tokony taratra hitan\'ny aty ivelany
sy ao anatin-tsika, no ilay ahafantarana ny tena Kristiana fa tsy eo amin\'ny molotra fotsiny Liana ny olona mijery ny fifaliana misoratra amin\'ny tava ka mahatonga azy hanontany tena sy hanaradian\'ny tena
42. ikaretsaka ( 14/12/2006 03:39)
raha hoe olona tsy mahalala mihitsy ilay 1 dia tsy maninona, fa ny tena tssy mety sy mampalahelo dia ilay olona samy efa mahafantatra matetika no mifampitory..
Indrindra ny samy kristianina.. dia avy eo mifanaratsy..de miady an-trano.

efa samy mahafantatra, samy mino, ny fomba finoany fotsiny no samihafa, ampy angamba izay fa ny fanerena ilay olona hampifanaraka ilay lalam-piainany hitovy amin'ny anao dia tsy mety
43. Rasiligaoma ( 14/12/2006 16:12)
izay indrindra..
matetika ary fanaon'ireo atao hoe sekta dia isika samy kristianina no arendrarendrany atsy sy aroa sy ampiadiany amin'io baiboly baiboly io
44. soanja ( 14/12/2006 20:38)
ikaretsaka:

raha hoe olona tsy mahalala mihitsy ilay 1 dia tsy maninona, fa ny tena tssy mety sy mampalahelo dia ilay olona samy efa mahafantatra matetika no mifampitory..
Indrindra ny samy kristianina.. dia avy eo mifanaratsy..de miady an-trano.

efa samy mahafantatra, samy mino, ny fomba finoany fotsiny no samihafa, ampy angamba izay fa ny fanerena ilay olona hampifanaraka ilay lalam-piainany hitovy amin'ny anao dia tsy mety


Misy fomba fiteny azy mazava hoe : "Tsy mba hipasoka ny efa malama aho." zany hoe raha mbola misisika le olona dia izy mihitsy no manana problem na communication na tsy mandray na mamaky serasera.


45. ikaretsaka ( 15/12/2006 01:03)
ka ny mampalahelo sy tsy azo ange de hoa fa maninona no manao iznay fomba izany e?
ny an'ny sasany dia efa fantatra izao ilay olona fa kristianina, mino an'i jesoa... de mbola i jesoa sy ny kristianisme ihany no toriany @ le olona...:roll:

lasa mampianjera indray ange raha ny efa malama no mbola pasohana ry zareo e
46. soanja ( 15/12/2006 02:35)
IKA> Izay no mahaolombelona antsika ka.
Nataon'Andriamanitra tsy mitovy ny DNA. (De hisy sahy hilaza koa fa tsy mino ny DNA satria tsy ao anaty Baiboly??? refa avy eo.)
De nataony tsy mitovy ny toetsaina matetika. Dia nisy nampitoviany ihany satria nomeny koa ny atao hoe fahaizana sy fahazahoana fahaizana. Saingy tsy nataony mitovy ny habenny atidoha ary nataony mitovy sy tsy mtovy indraindray ny tantara sy ny toerana niainana. Dia ireo no tena mi-jouer role amin'le olona eo.
Ny hany hatsarana azo iafiana momba izay dia nomeny ny cmpassion isika. Ny fahatsapana fa tsy mitovy isika mianakavy ary izay indrindra no tokony ifandraisantsiak rehetra akaiky satria izay no fahafahana tsara indrindra afahantsika rehetra miodina mamokatra zavara tsara iray na maromaro ary goavana, ary indraindray mety ho ratsy koa.


47. ikaretsaka ( 15/12/2006 04:23)
dia miverina @ ilay resaka mpanankarena sy mpanjonon-drasiligaoma


Krizy ity avaram-pi iray nandalo ka nahita mpanjono iray matoritory eo akaikin'ny lakana fanjonoany, sady mifoka sigara:

- Maninona ela no tsy manjono intsony? Hozizy ilay mpanankarena

- Efa ampy ny trondro azoko androany izay kah. namaly ilay mpanjono.

- Dia maninona no tsy manjono trondro maromaro intsony?

- Dia ataoko inona anefa? Hozy ilay mpanjono izany mba nanontany

- Amidy mba ahazoan'la vola, dia amin'izay afaka ovain'la mandeha motera ity lakan-kelinao ity, ahafahanao mandeha lavidavitra any anaty rano any mba ahazoana trondro ngeza sy maromaro. Dia mahafaka mividy arato vaovao koa elah. Ireo arato vaovao ireo dia hampiditra vola be any am-paosinao satria manamaro ny trondro azonao. Dia mahafaka mividy lakana roa aza enao avy eo, no lasa mpanefoefo otranah!

- Dia maninona amin'izay zah rehefa manam-bola be?

- Amin'izay enao afaka mipetrapetraka tsara, mankafy ny fiainana.

- Dia heverin'la ho inona izany io ataoko izao io?



zavatra efa hain'ilay mpanjono sy efa vitany aby no natoron'ity nanoro azy
48. soanja ( 17/12/2006 03:22)
Achia:

alefaso ry soanja a ! fa ny indro kely a ! ny ankamarohan'ireny ol manao sikidy sy ny karzany ireny a ! mivoakalina ny fiafarany :{


Niresaka momba ny sikidy sy ny zanahary isika ka mba tsy hisiana'ny fahadisoam-panantenana dia araho ao amin'ny blaogiko manaraka rahampitso alahady ny momba an'io. www.blaogy.com ary i Soanja no mpanoratra azy. Mazotoa mamaky daholo rehefa rahampitso zany hoe afaka adiny 10 aty aminay. Izaho tokoa de nivoaka alina saingy tsy namosavy an.


49. niryna ( 01/01/2007 21:13)
Io blaokinao io no nojereko fa izay vao voavaliko ny fanontanianao ,miala tsiny aky ry Soanja a.
Ny musilman indray dia maro manerana izao tontolo izao ary indrindra any Egypta.Any no anisany toerana iray tena be mpanenjika indrindra ny kristiana,tonga saina aho hoe fa nahoana aza? Tany no nialan\'ny zanak\'Israely izay nandevozin\'ny Egyptiana an-taona maro koa mety ho izay no antony.Mino an\'Atra izay hivavahan-tsika izy ary ny anarany moa dia samy hafa araka ny toerana misy ka allah no antsoiny azy na avy amin\'ny teny abba na abaray angamba. Saingy ny azy manana zanaka vavy telo ny atra ary ny an\'i kristiana zanaka lahy tokana.Mazava ho azy fa raha miteny izy hoe atra mitovy ny an\'ny kristiana dia tsy izy izany.Izay tsy manaraka io fivavahana io dia vonoiny ary tsy ny kristiana ihany fa ny indo dia nodorany velona tao an-trano izy rehetra.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5583