MAMOY FO VE IANAO? MISY TOROHEVITRA ITY SAO MAHASOA

1. benangy ( 01/12/2006 11:39)
MBOLA TSY NAHITA FIANGONANA TENA MITORY NY FAHAMARINANA TOY NY AO AMIN'NY FM.FOI AHO RY ZAREO A! MISY FITANDREMANA NY DIDY FOLO , MAONTINA TSARA NY FITAFY , TSY MIBILAGY AMIN'NY RESAKA FAHAMASINANA , TENA MARINA E! BE IHANY IZAY EFA HITAKO IZAY FA ITY NO TENA NAHITAKO IZANY ATAO HOE MITORY TSY MISY ANKANAVAKA , IZAY VOALAZA AO AMIN'NY BAIBOLY IHANY NY ANDRY ZAREO NO TORIANY AMINAO ARY DIA MISY NY VALIMBAVAKA .AZONAO ATAO NY MAMETRAKA FANONTANIANA SY MIANATRA TENIN'ANDRIAMANITRA .
TOROHEVITRA ALOHA NY AHY E !MARINA FA SAMY MILAZA NY AZY FA TENA DADANY AVOKOA FA ALEO IHANY MANAO NY SITRAPON'ANDRIAMANITRA SY TENA MAHALALA NY MARINA
MANANA RADIO RY ZAREO AO 107.4 Mhz RADIO FM.FOI NO ANARANY
MAHEREZA E! HO AN'IZAY MAMOY FO , TIA ANAO JESOSY
2. besoiiin ( 01/12/2006 11:55)
Hitady an'i Jesosy v ianao??? mandiniha tena lalina fa tsy lavitra izy fa ao anatinao raha tena mino sy manoa azy ianao, ianao ato amiko ary izaho ao aminao hoy izy.... raha any @ desert de sahara izany izaho no hamoy fo d ahoana????
3. xxx ( 01/12/2006 12:40)
miala any ndray ny secta
4. soulhasina ( 01/12/2006 12:43)
Zao Ralah ah , rehefa any an-danitra a , tsy misy anaram-piangonana zany ,tsy fantantr'Andriamanitra akory izany fa ny azy dia izay mino an'i Jesosy zanany izay nohomboina teo amin'ny hazo fijaliana rehetra dia hiaina sy hifaly miaraka aminy .Araka ny teny maro ao amin'ny Testamenta Vaovao izay tsy ho tanisaiko eto. Ka raha tena nandray an'i Jesosy maimaim-poana ianao ka mahatsapa hoe misy soa be dia be tsy hay refesina azonao avy amin'ny zany dia JESOSY irery ihany toriana . Raha handany fotoana hanoratra ihany ianao dia ny fahasoahavany sy famonjeny toriana ! Fa mampifandrafy sy mampiady io anaram-piangonana sy fikambanana io.

Tahian'i Jesosy Tompo ianao :)
5. majesty ( 01/12/2006 12:59)
diso fanantenana be za nahita an'le loha-hevitra,ataoko fa hoe MAMOY FO VE IANAO,MISY TOROHEVITRA ITY SAO MAHASOA...mamonoa tena:D
6. booboo ( 01/12/2006 13:05)
hihihihihihi
7. Fiffi ( 01/12/2006 13:23)
hihihi
8. prime ( 01/12/2006 13:42)
Benangy> Pasitera Benjamina moa no mpitarika ao r'ise? mpiara-niasa t@ Pasitera Mailhol ilay sakaiza iny fahiny... samy "adventiste dissident"...

Ie dia mazotoa fa nahita fahasoavana izany ise raha ao @ FM FOI no nihaonan'ise tamin'i Jesosy...
9. diamondra27 ( 01/12/2006 13:52)
prime: Pastera Benjamina?
Anarana hono tanimboanjo ka mba manontany aho hoe: sao dia ilay pasitera tao Montrouge France izany kay
10. prime ( 01/12/2006 14:18)
diams> tonga soa ise... ela2 an...
tanimboanjo angamba fa pasitera toa tsy dia mpivoaka loatra any ivelany izy...
11. Achia ( 01/12/2006 15:43)
piba ve ty ry nangibe sa inona a!? :°)
12. Fiffi ( 01/12/2006 16:05)
tsy hay intsony .....
13. dailynews ( 01/12/2006 20:40)
benangy> azoko ny tianao lazaina ary hisaorako ianao. mahereza sy mahareta h@ farany

fa ity fotsiny misy tsetsatsetra tsy aritro, inona aloha ilay akanjo hoe maotina e. ny atahorako fotsiny dia raha vao mahita olona tsy manao akanjo tahaka ny fiakanjo izay hanaovanareo ao ampiangonana dia mitsara ny olona izay tsy manao izany.... tandremo fa ilay olona tsaraina sao dia olona manana ny Tompo ihany koa. ary raha tsy manao izany moa dia hialako tsiny.

Misy mantsy ny mitsara ivelany hoe satria i ranona manao maquillage na manao pataloha( vehivavy io) na manao short dia tsy maotina, na manao jean na manao kavina, na manao akanjo mena sy mainty..... angamba tsy jerena @ izany no tsy maha maotina ny olona iray sa..???

azafady fa mitsatsaingoka fotsiny aho an..mba mivily lalana kely fotsiny aho satria tsy ity loatra ny message nao angamba fa mba tsetsatsetra iny fotsiny ihany.

14. MTN ( 01/12/2006 21:43)
ohatra ny mamoy fo aho izany fa andeha aloha hiaino radio
hevitr'akoho izany, sady maha-omby
15. simplex ( 01/12/2006 22:25)
MTN,
:-D:-D:-D

dailynews,
misy ramatoa zao ny akanjony maintsomaintso transparent be, tazana be mintsy mintsy ny soutifs-ny. Tena tsisy fivavahana vanona mintsy fa tany doly ny mason'ny kil :°)
mety hoe tsy maotina io ;-) saingy hoe misaotra an'A/tra lehibe, soa fa nisy azy :-D:-D
16. ikaretsaka ( 01/12/2006 22:43)


misy ramatoa zao ny akanjony maintsomaintso transparent be, tazana be mintsy mintsy ny soutifs-ny.Tena tsisy fivavahana vanona mintsy fa tany doly ny mason'ny kil


Ny tokony nitarihan'iPastera na i Mopera ny fivavahana t@ io izany de tokony hisaotra anándriamanitra ry zareo fa mbola nomeny maso mahiratra sy saina mahay mandinika aby ny mpivavaka mijery ny anaty akanjonílay madama
17. dailynews ( 02/12/2006 01:42)
izany mitaratra be zany kosa tsy lasa e... fa maninona ny hoe soa fa nisy azy?
18. ikaretsaka ( 02/12/2006 04:46)
ka moa tsy hisaotra an'Andriamanitra ianao fa nomeny saina mahay mahafantatra sy mahatsapa ary nomeny maso mba ahita izany??

Ny jamba sy ny olona tsy mahatsapa sy manamarika an'izany intsony aza efa tsy fidiny!
19. niryna ( 02/12/2006 05:43)
Aza mitsara hono mba tsy ho tsaraina.Na any am-piangonana aza dia feno ny fitaovana am-piasainy ny satana ka na diakonina, na mpitarika tanora ary izay rehetra manao asa soa ao dia mety ho voafingana, jereo ny pasitera, izy no tarigetran'ny devoly voalohany indrindra ary tena mampalahelo indraindray, ny monpera,sy ny frere,firifiry no nitory azy ireo fa nikasika ny zanany lahy.Aza gaga isika raha misy mahatohana ny toetran'ny mpitarika tanora,betraka ny herin'ny satana ao.Ny fiangonana rehetra dia efa nomen'i Jesosy didy vaovao satria na nisy aza ny didy folo dia tsy misy na iray aza mitandrina an'io.Didy vaovao no omeko anareo dia ny HIFANKATIAVANAREO.IZAY TSY TIA NY MPIRAY TAMPO AMIN'NY DIA TSY HO TIA NY RAY IZAY ANY AN-DANITRA.Tsy misy didy ao @baiboly milaza hoe izao no tsy maintsy akanjo anaovanareo.
20. niryna ( 02/12/2006 05:52)
Izay mamorona lalana ao am-piangonana ka tsy voasoratra
ao anaty baiboly dia foronin'ny olona daholo izany.Misy ny fiangonana tsy maintsy manao sarindoha daholo ny olona, tsy mahazo manao pantaloha.Ny baiboly milaza fa manao akanjo maontina. Tsy mandaha izany aho, fa raha toerana feno sinoa ve no hitorianao teny tsy mandositra hatramin'ny voalavo.Aiza ianao mahita sinoa miankanjo?
Vitsy.Jesosy dia maty teo amin'ny hazo fijaliana nisolo ny helo-tsika taloha, ankehitrina ary ny ho avy.Anjaran
ny tsirairay no mametra azy ao am-pony ka manaiky sy mino fa Izy no tompon'ny tenanany ary manana fo madio tanteraka tahaka ny fony.Tsy ny fanaovana ny toy izao hono hoe no atao hoe tena fiangonana, ny fiangonana dia tsy ny trano fa isika izay mpino an'i Jesosy ary izy no lohan'ny fiangonana.WE are the church and Christ is the head of the church
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.942