MAMOY FO VE IANAO? MISY TOROHEVITRA ITY SAO MAHASOA

21. ikaretsaka ( 02/12/2006 06:27)
niryna:

Izay mamorona lalana ao am-piangonana ka tsy voasoratra
ao anaty baiboly dia foronin'ny olona daholo izany


Ny baiboliste no miteny izany fa raha inoako ilay lalana hoe avy amin'andriamanitra de inona ny olana? sa tsy mety fa tsy ao anaty baiboly?


niryna:
..Aiza ianao mahita sinoa miankanjo?


angah atsy miakanjo moa ny sinoa? (joke)




22. Achia ( 02/12/2006 06:28)
ra ohatra moa izany misy olona lasa Kristiana dia tokony ho fomban'iza no tokony harahinio olona io ?
23. tywa68 ( 02/12/2006 08:49)
benangy > hita mihitsy hoe faly enao : mahafinaritra ny mizara ô !

D manantòna any zay te-hahafantatra sy te-hahita fa tsy hanenjika fotsiny eto hoe sekta !

Ny fomba fiakanjo indray dia anjaran'ny tsirairay no mieritreritra hoe hanembatsembana no aleha any ampiangonana sa tena hiangona ! (sa hijery namana ?:lol:)
24. dailynews ( 02/12/2006 20:04)
niryna> mitovy hevitra aminao aho.

ampiako ihany koa. mametraka io fanontaniana io aho raha ny marina tsy ho ahy fa ho fizarana eto.
araka ny lazainao dia ny zava dehibe dia ny zava dehibe dia mitory an i Jesoa ary izay ihany no tokony himasoana fa tsy ny zavatra ety ivelany.

raha amiko manokana ny fomba fiakanjo dia izao: raha fiangonana tsy mahazaka olona mipataloha no handehanako dia tsy mipataloha aho mba tsy hanisy fahanafitohinana ny mpino sasany. Raha tsy mahazaka maquillage ny mpiangona ao dia tsy manao aho mba tsy ny maquillage ko no hahatonga ny olona hiverindalana na ho lavo. satria dia ny lalanan ny fitiavana no mamehy ny kristiana. tahaka ny ao @ romana 14..raha ny fihinanako na tsy fihinanako sakafo manokana no mahatafintohina olona ao @ ilay fiangonako..dia tsy hihinana aho noho ny @ Jesoa fa tsy noho ny amiko satria tiako izy ireo handroso fa tsy ho variana noho ny amiko.... ary raha ny fomba fiakanjoko no mahatafitohina ilay olona dia hiakanjo tahaka ny olona ao aho ho fampandrosoan ny filazantsara fa tsy ny hanafintohina olona.

ny zavatra ihany kosa tiako lazaina dia izao: ny lalanampiangonana tahaka izany dia mila hitandremana satria ny olona ao anatin io fingonana io dia manana tendance matetika hitsara indrindra ny mpino any @ fiangoanana hafa izay tsy manao tahaka ny ataony.

raha resaka pataloha: misy ny teny hoe" aoka ny vehivavy tsy hanao fitafian dehilahy..." tsy tadidiko hoe aiza no misy an iny.... fa kosa..inona moa ilay fitafian dehilahy??? Jesoa anie nanao robe e....tsy mbola nanao pataloha izy..koa inona izany ilay fitafian dehilahy? sns......

sy ny isa sy ny sisa......mbola azo tohizana.



25. tsimiandravola ( 02/12/2006 23:19)
Dailynews:
tahaka ny ao @ romana 14..raha ny fihinanako na tsy fihinanako sakafo manokana no mahatafintohina olona ao @ ilay fiangonako..dia tsy hihinana aho noho ny @ Jesoa fa tsy noho ny amiko satria tiako izy ireo handroso fa tsy ho variana noho ny amiko....

=))=))=))=))=))=))=))
Tsara aminao mihitsy ry DN no tsy mankany amin'ny fiangonana "halehako" ,sao lasa variana fotsiny noho ny hakantonao(l) aho=))(l)(l)
26. dailynews ( 04/12/2006 02:36)
i tsimiandravola dia tsy miangona. hors sujet izany.
27. majesty ( 04/12/2006 07:21)
tsimiandravola:

Tsara aminao mihitsy ry DN no tsy mankany amin'ny fiangonana "halehako" ,sao lasa variana fotsiny noho ny hakantonao aho


Ary sao de le tsy manao ankanjo fa miborisana ireny ary no ao amin'ny fikambanan'i tsimiandravola ao:lol:,mba andefaso sary ihany mba jerena!
28. xxx ( 04/12/2006 17:48)
majesty..tena kozy marina izany. Ilay karazana temple tahaka tao @ film an i Tom Cruise sy Nicole Kidman iny angamba no handehanany(eyes wide shut). Tandremo izany. GRRRRR 8-)
29. mpanota ( 06/12/2006 09:03)
Kay veh baratin ohatr'izao fotsiny no hita ato eh
Tsy mbola maharesy lahatra ahy mihitsy hatramin'izao

Zay olona rehetra izao hanao interpretation ny baiboly avokoa , tsy fantatra intsony hoe aiza ny marina eh
30. Rasiligaoma ( 06/12/2006 19:13)
mpanota:

Zay olona rehetra izao hanao interpretation ny baiboly avokoa , tsy fantatra intsony hoe aiza ny marina eh



Marina izany: misy ato de mi paraphrase fotsiny fa tsy fantany akory sy halalaininy akory..
Adika betement fahatany fotsiny fa sty hay akory ny ten avotoatsiny, na hoe ho an'iza no nanoratana azy , sns
I Pasitera ve ohatra no manana probleme dia ny zavatra nataon'i Paoly tamin'ny Barnabasy no paraphraser-na?

aleo ho an'i pasitera izay an'i pasitera de ho an'i paoly izay ho an'i paoly e
31. dailynews ( 08/12/2006 15:44)
Tsy haiko loatra hoe inona ny pb eto fa ny antony hizarako dia izao:

Matoa mizara na mitory ny olona iray dia satria izay ny "norme"n 'Atra @ filzantsara, izany hoe ny olona rehetra izay mihevitena ho kristiana dia tokony hizara, hifanome courage ho an ny efa mpino ary hizara ho an izay tsy mpino mba ho mpino.

Jesoa niantso ny disciples hanao disciples, na hiantso ny mpianatra hanao mpianatra. Fa tsy niantso ny mpianatra hanao spectateurs ao ampiangonana fotsiny ihany, samy natsoina daholo.(maranaha Ahy hoe Izy ary hataoko ho mpanarato olona ianareo, manaraha ahy ary ataovy mpianatra ny firenena rehetra)

Misy tenina mpanompon Atra malaza izay nilaza hoe: "ny fitoriana ny filazantsara hoy izy tsy vita raha tsy lasa mpitory ny olona toriany"

tsy sanatria fifaninana ny eto( hoy ny olona iray tatsy ambadika tatsy), fa kosa fitiavan ny hizara izay mba kely fantatra, mba hahazo hery ny tsirairay ary hahafantatra ihany koa hoe: ny zava dehibe indrindra @ Atra dia ny famonjena ny fanahin ny olona iray @ alalan ny finoana sy ny fanarahanaan I Jesoa mba tsy ho very izy rahatrizay miala eto antany.

ny zavatra tsy maintsy atao foana fotsiny, na iza na iza mizara hevitra eto dia izao: mifanaraka @ TA ve?? izay ihany. Averiko indray, ny mpino tao beria( fa tsy atena, azafady), na dia i paoly apostoly aza no nitory dia tsy nino avy hatrany izy ireo fa kosa nandinika ny TA hatrany heo marina ve izany. Koa na I DN na i ranona na i ranona no mba mizara eto ary na iza na iza any ampiangonana. ny zava dehibe dia mijery foana hoe marina ve izany sa diso, fa ny tanjona dia ny ho an ny famonjena ny fanahiko sy ny fanahin ny olona hafa fa tsy ny fandresendahatra olona hiditra @ fiangonana iray sns...



32. ikaretsaka ( 08/12/2006 16:39)
dailynews:

Jesoa niantso ny disciples hanao disciples, na hiantso ny mpianatra hanao mpianatra. Fa tsy niantso ny mpianatra hanao spectateurs ao ampiangonana fotsiny ihany, samy natsoina daholo.(maranaha Ahy hoe Izy ary hataoko ho mpanarato olona ianareo, manaraha ahy ary ataovy mpianatra ny firenena rehetra)


fa ny tena faotantsika eto ange de toa samy efa namaky sy nandalina TA aby isika no mifampitory e
de samy mi interpreter ilay izy araka izay objectif tiany hahatongavana...

Ny efa mpianatra sy ny efa mahalala no jonointsika sy aratsiantsika .. mampatsiaro an'ilay tantara ana panakarena andrasiligaoma manao oe


Rikoriko ity mpanan-karena iray nandalo ka nahita mpanjono iray mivalampatra matoritory eo akaikin'ny lakana fanjonoany, sady mifoka sigara:

- Maninona ela no tsy manjono intsony? Hozizy ilay mpanankarena

- Efa ampy ny trondro azoko androany izay kah. namaly ilay mpanjono.

- Dia maninona no tsy manjono trondro maromaro intsony?

- Dia ataoko inona anefa? Hozy ilay mpanjono izany mba nanontany

- Amidy mba ahazoan'la vola, dia amin'izay afaka ovain'la mandeha motera ity lakan-kelinao ity, ahafahanao mandeha lavidavitra any anaty rano any mba ahazoana trondro ngeza sy maromaro. Dia mahafaka mividy arato vaovao koa elah. Ireo arato vaovao ireo dia hampiditra vola be any am-paosinao satria manamaro ny trondro azonao. Dia mahafaka mividy lakana roa aza enao avy eo, no lasa mpanefoefo otranah!

- Dia maninona amin'izay zah rehefa manam-bola be?

- Amin'izay enao afaka mipetrapetraka tsara, mankafy ny fiainana.

- Dia heverin'la ho inona izany io ataoko izao io
?


33. dailynews ( 08/12/2006 18:00)
saingy tsy ikaretsaka irery no eto.

izaho ihany koa dia mahazo zavatra vaovao avy eto sy fampaherezana avy @ olona sasany. ny fianarana mitohy... tsy misy olona afaka milaza fa efa feno.

34. ikaretsaka ( 08/12/2006 19:36)
fa tsaratsara foana ny mijery aloha vao mitory sao manao ohatran'io mpanakarena io ianao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6151