Mba ho lalindalina kokoa ny adihevitra

1. hery ( 29/11/2006 09:30)
Nasiana fanovana kely ny teto amin'ny dinika serasera mba ho lalindalina kokoa ny adihevitra.

Mety ho tsikaritrareo eny ilay fanovana.

Hamafisina fa tsy misy sivana eto rehefa manaraka tsara ny fitsipika.

Hery
novalian'i DotMG ny 04/12/2006 08:34
2. fasaly ( 29/11/2006 11:21)
ok!:°) inona aloha lay hoe lalinadalina koakoa!!! matotra sy hentitra veuh zany!????:roll::°):wink:
3. Fiffi ( 29/11/2006 13:32)
mety zay mihintsy ! fa tena ilaina io kah ! :)
4. diamondra27 ( 29/11/2006 14:45)
lazao direct eto zany fiovàna zany fa tsy hitako raha azo atao ô?
5. kitjo ( 29/11/2006 19:40)
Mbola tsy nijery aho fa vinavina ty mba noeritreretiko tokony natao tato fa natahotra aho hilaza azy sao lazaina manao sivana ndray..

mmhhhh...

mety oe asiana fetra ny isan'ny hevitra vaovao apetraka rehefa miditra sa?

Andraso amzay hojerena ary!
6. hery ( 29/11/2006 20:53)
:-)

kitjo> nahita sopapa taiza?
7. ikaretsaka ( 30/11/2006 04:55)
hmmm fa feperana ahoan aindray?
8. hery ( 30/11/2006 07:55)
Tsy afaka mametraka hevitra vaovao roa ao anatin'ny 30 minitra ny olona iray

- Afaka mamaly ny hevitra
- Afaka manoratra @ lohahevitra hafa.

Ny antony?
- Lasa karazana spam ilay izy. Manjary feno hafatr'olona iray eo amin'ny pejy fandraisana ao amin'ny namana dia tsy hita ny hevitry ny olona hafa.
- Manjary tsy misy mamaly akory ilay hevitra dia efa tonga indray ny hevitra vaovao hafa. Raha te hanoratra dia tohizo aloha izay hevitra efa eo satria ny ankamaroany dia mitovitovy ihany.

Tsy famerana na sivana izany:
- Any amin'ny forum hafa dia misy soratra mihitsy hoe raha vao miverina ny hafatra na efa misy resaka mitovitovy aminy ao amin'ny forum dia fafaina... Isika mbola tsy manao an'izany.


:-) mazotoa hatrany
9. mimich ( 30/11/2006 08:47)
za koa dia nahatsikaritra an'io , indrindra moa fa tato anatin'ny fotoana fampielezan-kevitra izay an!! misy de manararaotra mamoaka ny fihetseham-pony amin'ny fanohanana na fandavana olona iray.
hay nisy fepetra noraisaina zany =D=D=D
10. kitjo ( 30/11/2006 16:29)
hery> :wink:
Efa naniry an'izay mitsy za satria misy resaka interessant any aloha dia misy migafy fts mandefa hafatra tonga d feno ny page iray dia zara raha misy valiny 1 na 2 avy fts sisa...

Mety mitsy io k!
Amin' izay manko izay tsy te hamaly dia mifindra fts aloha na mijery hafatra hafa!

efa nanipy teny kely za tany anaty forum tany ka saika ataoko eto @ Momba ny takelaka fa natahotra aho sao ndray lazain'ny sasany fa mampanivana eo!
11. Fiffi ( 30/11/2006 17:35)
tena mankasitraka an'io aloha raha zah an !
12. diamondra27 ( 01/12/2006 09:04)
fa ity misy adino: ary ilay manao size double atao ahoana? ohatra hoe: size iray ihany fa apetraka any @ rubrique anankiroa samy hafa

jereo ange ity ohatra e!

Eritreritra mandalo
Hevitra mandeha : FAMINANIANA
Isan'ny hevitra : 14

Hamaly ny hevitra

Mpandefa : NYAMPITSO [ Valio ] 30-11-2006 18:04:00
Lohateny : FAMINANIANA
Faly miarahaba antsika rehetra eto amin'ity fiseraserana ty ny tenako .Indro misy zavatra mety mahaliana ny maro ambarako eto androny sady mba efa tokony hiseho koa ny angamba ny zavatra ato anatiko ato fa tsy ho tazomiko intsony.Efa maro manko ny faminaniana nataoko raha ho lazaina hoe izany fa tsy hita moa izay teny tena mahalaza azy fa fikarohana ihany ilay izy saingy hatry izay dia olombitsy ihany aloha no nampahafantarina azy ireo.Ankehitriny ary de alao ny be sy ny maro amizay no hampahalalana satria efa maro ny porofo hita amin'ny fahamarinan'ny fikarohana natao . Zavatra mahaliana ny vahoaka malagasy izao ny fifidianana izay hatrehana amin'ny fahatelon'ny volana desambra ho avy izao, ka eo indrindra no hanaovako izao fanambarana izao

1- Andriamatoa Ravalomanana ihany no hitondra ny firenana malagasy

2- Tsy hisy ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana

Izay te hanontany sy hanoratra na te hahalala zavatra ahaka manoratra aty amiko mail to nyampitso@yahoo.fr
betsaka ny zavatra tiana ambara fa io aloha zao no maika .

Raha mahaliana anao de eo ampanaovana ny kajy momba ny isan'jato ny vao azony zao ny tenako .

De mirary soa ho antsika malagasy tsy akanavaka


sy hoe:

Takelaka mahaliana
Hevitra mandeha : FAMINANIANA
Isan'ny hevitra : 6

Hamaly ny hevitra

Mpandefa : NYAMPITSO [ Valio ] 30-11-2006 17:51:02
Lohateny : FAMINANIANA



Faly miarahaba antsika rehetra eto amin'ity fiseraserana ty ny tenako .Indro misy zavatra mety mahaliana ny maro ambarako eto androny sady mba efa tokony hiseho koa ny angamba ny zavatra ato anatiko ato fa tsy ho tazomiko intsony.Efa maro manko ny faminaniana nataoko raha ho lazaina hoe izany fa tsy hita moa izay teny tena mahalaza azy fa fikarohana ihany ilay izy saingy hatry izay dia olombitsy ihany aloha no nampahafantarina azy ireo.Ankehitriny ary de alao ny be sy ny maro amizay no hampahalalana satria efa maro ny porofo hita amin'ny fahamarinan'ny fikarohana natao . Zavatra mahaliana ny vahoaka malagasy izao ny fifidianana izay hatrehana amin'ny fahatelon'ny volana desambra ho avy izao, ka eo indrindra no hanaovako izao fanambarana izao

1- Andriamatoa Ravalomanana ihany no hitondra ny firenana malagasy

2- Tsy hisy ny fiodinana faharoa amin'ny fifidianana

Izay te hanontany sy hanoratra na te hahalala zavatra ahaka manoratra aty amiko mail to nyampitso@yahoo.fr
betsaka ny zavatra tiana ambara fa io aloha zao no maika .

Raha mahaliana anao de eo ampanaovana ny kajy momba ny isan'jato ny vao azony zao ny tenako .

De mirary soa ho antsika malagasy tsy akanavaka

13. Fiffi ( 01/12/2006 09:27)
ohatran'betsaka hiany ny zavatra tokony hovaina ato fa indraindray tena tsy hay intsony ny fandehany.....
14. kitjo ( 01/12/2006 11:54)
ka io lay fikan' i dot mg

15. DotMG ( 01/12/2006 13:50)
kitjo:

ka io lay fikan' i dot mg


Azafady mba hazavao izany fikan'i dot mg izany ry kitjo.

16. DotMG ( 01/12/2006 14:03)
Tsara ilay hevitra fa tsy tokony hentitra loatra.
Tokony farafaharatsiny mba afaka mametraka hevitra 2 mifanaraka @ lohahevitra 1. Izaho ohatra mahita zavatra mahatsikaiky any an-dàlana any mba tiako hotantaraina, nefa ohatra isaky ny zoma vao mahita tranonkala, dia mety manana lohahevitra 2 na telo aho tiako apetraka indray mandeha dia mila miandry adiny iray aho izany vao mahatafapetraka azy ireo.

Raha ilay mandoto ny pejy fandraisana no olana, tsy maninona na tsy aseho any ny lohahevitra hafa napetrako. Satria ireo lohahevitra napetrako samy ao anaty hatsikana sy lalao ohatra, rehefa mamaky ny iray ny namana hafa dia hitany ho azy eo koa ny hafa.

Misy lafy ratsiny koa ity fepetra ity: Mitarika ny sasany hametraka hevitra any amin'ny lohahevitra diso. Tokony hoe rehefa tsy azo atao ny mametraka hevitra iray indroa misesy loatra dia tsy azo atao koa na miditra lohahevitra hafa aza. Dia voavaha ho azy ilay olana momba ny fametrahana hevitra iray @ lohahevitra 2 samy hafa.

Misy hevitra hafa koa ity fa mila asa goavana be ny fanatontosana azy: Ny mpametraka hevitra (premier posteur) dia omena fitaovana hitsarana (manome naoty) ny valin-teny azon'ny hevitra napetrany. Arakaraky ny naoty omeny no bonus azon'izay mamaly, (mitovitovy @ Q&A ao @ yahoo). Dia eo amin'ny takelaka indray dia atao samihafa loko ny valin-teny arakaraka ny naoty azon'ny valiny. Ohatra, atao mainty sy fotsy izay nahazo naoty kely.
17. DotMG ( 01/12/2006 14:08)
Dia ity koa misy olana iray apetrak'io fepetra io:

Raha misy namana iray izao manana hevitra 2 samihafa momba ny politika, dia voapetrany soa aman-tsara ny iray, nefa maika hametraka ilay faharoa koa izy dia mety ho alaim-panahy hametraka izany @ hafatra efa misy izay tsy misy ifandraisany loatra amin'ny hevitra vaovao akory.

Olana iray hafa koa raha resaka vaovao tselatra: Ny vaovao tselatra dia vaovao azonao tampotampoka ary @ fotoana ahazoanao azy iny mihitsy no tena mbola frais ilay izy ka mila zaraina, nefa izany mety ho voasakana ny fametrahana azy raha vao avy nametraka hevitra hafa ianao.

Teo aho izao nanana vaovao tselatra momba an'itpkl Jeneraly Andrianafidisoa, dia kamo be aho hametraka azy noho ity sivana vaovao ity.
18. kitjo ( 01/12/2006 16:21)
Dotmg> ny tiako lazaina @ le fika oe te hametraka hevitra samihafa @lohahevitra iray ianao kanefa tsy mety le izy dia any@ lohahevitra hafa no apetraka na tsy misy idirany aza

misy indray moa mahavita mamorona pseudo hafa mba ahafahana mamorona!

tsitanao ange ry dotmg fa misy manao abus be any ambadika any e!
19. ikaretsaka ( 02/12/2006 07:11)
tsara ilay hevitra.. saingy izao..

raha mamelabelatra be za de lava loatra ilay famelabelarana dia notapahiko 2 de ahoana ?

Mila miandry 30 minitra izany vao lasa ny tapany faharoa ve?
(ohatra ilay resaka baibolista ireny)
20. tywa68 ( 02/12/2006 09:06)
ouf ! avotra isika marina fa tena mandreraka mihitsy mijery an'ilay size miverimberina ! misaotra an'i hery sy ny ekipany ê :lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3739