Porofo fa tsy ho lany i Ravalo

1. ronaldo09 ( 25/11/2006 15:14)
Raha natao ny fandinihana dia tsy ho lany mihitsy ity rangahy ity stria:
Antananarivo:izy aloha no fav ,zany hoe ny ankamaroan'ny Mpifidy ao@ity faritany ity dia hifidy azy.saingy aza hadino fa ao koa i Ratsirahonana izay mamim-bahoaka ,eto dia tombanana ho 40% no vato azony
Fianarantsoa;Tsy hahita mangirana mihitsy izy satria tena mangidy hoditra amin'i Fianarantsoa indrindra moa fa ny faritry sud est iny.Eto dia i Pety sy Herizo ary Lahiniriko no tompon'ny salegy .Tombanana ho 2% ny vato azony eto
Toamasina ;Aoka fotsiny fa dia tena any amin'ny tsy mahay maka izy satria i Rolland eto no hanjaka,tombanana ho 0'90$ no vato azony eto.
Toliara:tena tsy tia azy maizina ity faritany ity satria tsy nisy zava-bitany tany ary fanenjehana ny zanak'ity faritany ity no nataony .I Lahiniriko no tompon'ny laka eto ary vitan'i Lahiniriko ny 85% eto i pety no faharoa ary i Herizo no fahatelo,tsy hay hoe ho firy no ho azony fa na 0,05 %tsy ho hitan-dRavalo any.
Antsiranana, hatramin'ny 2001 dia anisan'ny faritany atahorany i Diego ary resy foana izy tany ,i lahiniriko sy Herizo no hanjaka eto .Hahazo raha hahazo izy any @0,50%
Mahajanga ;Aoka fotsiny fa i Ratsirahonana no tian'ny mponina any na ny zanaky ny filoha teo aloha dia tsy hahita mangirana any fa i Ratsirahonana no hahazo ny 50% any i herizo no faharoa ary hifanahatsahana i Pety sy Lahiniriko,tombanana ny hahazo 1'5 % izy eto.
Raha atao zany ny famintinana dia tsy hahazo mihoatry ny 10% izy eran'ny Mada .Fa izy moa efa vonona ny hangala-bato ka mety afaka hampisy ny tsy misy
Raha ireo tarehimarika ireo no jerena dia ireto kandida ireto no hita lany ny tanjany
1-Lahiniriko
2-Ratsirahonana
3-Herizo
4-Pety
Mamangy amin'ny fahoriana anareo mpomba an-dRavalo ary aza misosoka alahelo intsony tompoko.
Nanao ny filazana :NY MALAGASY TIA TANINDRAZANA IRAY MANONTOLO
novalian'i moi ny 04/12/2006 07:07
2. manantsoa ( 25/11/2006 15:21)
Tsara rehefa mahay manambony moral e ! Mahaiza koa anefa manisa fa sao lazaina ho mangalatra i Ra8 raha ny mifanohitra amin'ireo no hiseho .
3. xxx ( 25/11/2006 15:21)
Izany ve?
4. ronaldo09 ( 25/11/2006 15:21)
Vaovao marina io ry akama e!
5. kitjo ( 25/11/2006 15:24)
tsy koi e!
manaiky zay raha io tokoa no ho eo.
milay le manambony morale ronaldo an!

hovaliako ty hafatra ty @4dec!
6. ainga ( 25/11/2006 15:24)
Porofo ? Porofo inona ary ? Tombatombana angaha hoe, satria mbola ho avy io fa tsy efa vita, ka porofo ahoana.
Manaraka izany, "mamimbahoaka Ratsirahonana "? Porofoy amin'ny fihaonana ao Tana fa aza manao affiramation gratuite !
Toa izany ny zavatra hafa lazainao. Pok'aty.

Ary adinonao daholo ny meeting rehetra vitan-dRa8 manerana an'i M/kara. Zara raha misy olona ô ?
7. kitjo ( 25/11/2006 15:28)
samy manana ny atao hoe "porofo' koa aloha io e :-D:-D
8. Fiffi ( 25/11/2006 15:37)
ronaldo09: eissssyyyy eee ! mila miandry ny 3 desambre enao de azonao ny porofo kah !
9. kelly13 ( 25/11/2006 15:51)
porofo zany ange ka zvt hita mivaingana e! fa tsy katsetsohana eto hoe wariwaraaaaaa!!!!!
refa mamaky ny resaka ataon'i bazylou sy ronaldo za d heveriko fa za no taraiky @ daty hoe vita ny fifidianana @ 3 decembre, kay tsika androany mbola vao 25 novembre! 8O
10. maditra ( 25/11/2006 15:57)
:-D:-D:-D:-D

Sao dia tapaka lalan-dra eo indray ry ronaldo fa tsy dia mitombina anie ny calcul-n'la zany e! Namana lesy zah ka tsy afaka manoro ivoho an'la ka avaozy kely ilay calcul sao dia... :-D
serieux anie zah izany
11. lagoon ( 25/11/2006 16:47)
Izoa no atao hoe:"REVIn'EXILES" fa tsy revin-gadra intsony.

:-D:-D:-D
12. Rainikarabo ( 25/11/2006 16:55)
ronaldo09:

Raha ireo tarehimarika ireo no jerena dia ireto kandida ireto no hita lany ny tanjany
1-Lahiniriko
2-Ratsirahonana
3-Herizo
4-Pety
Mamangy amin'ny fahoriana anareo mpomba an-dRavalo ary aza misosoka alahelo intsony tompoko.
Nanao ny filazana :NY MALAGASY TIA TANINDRAZANA IRAY MANONTOLO



OKay, mahafinaritra rehefa ambony ny moral hiatrika ny fifidianana. Io aloha tsy misy fahoriana ho anay raha sanatria tsy lany Ra8 e! ny tanindrazana mandroso no zava-dehibe ary zahay manaja izay safidin'ny be sy ny maro. Aza dia "ory" loatra anefa ise raha tsy araka io eritreritr'ise io ny zavatra hitranga. Aza mihinana sira sy zavatra matavy dieny izao sao hiakatra ny tosi-drà;-)
13. kitjo ( 25/11/2006 17:44)
hahahaha

zay ndray no tsitako ry rainikarabo!
14. colar ( 25/11/2006 18:06)
tsy maintsy hisy ny grevy e,nizaniza lany eo,
ambiansy b njay eny am 13 mai fa we iza no hikabary sy ahavita hitarika ol,za mifidy an dra8 fa io poltika b loha io tsy tiko,mila alamina io fa zay no tena ray aman dreny,zavatra mila calma fotsiny d milamina ny tanana,zay mitabataba omeo bonbon d mangina,fa tsy we gadrao,sambory,tsssssss,tsy zany mintsy,ry fidy,pety,, voninahitsy, reny tena mila omena bonbon fotsiny d 1er tour d vita e,zay ange ny poltika e,ra za ra 8 antsoiko daol zay mety mba misy poid d vita io fa tsy we akory zay teny am 13 mai retra,hisy hamaly njay mantsy we aiza no hisy seza ho an retra e,azo foronina ny seza refa mitondra enao,
15. kitjo ( 25/11/2006 18:23)
mandany vola zany ry colar an!
marina e..camaraderie..

refa mitolona @fo tsy tokony hiady varotra seza raha tena nitolona ho an'i Madagasikara fa tsy ho ana olona!

13mai oe? tsy mandany ftoana ve izany?
laozana nde hi grevy ndray ve?
16. vahatra22 ( 27/11/2006 16:33)
aza mahay vava e! tandremo ary so torana ra vitan-dravalo 1er tour eo io!
17. madera2 ( 29/11/2006 18:16)
tsy misy ambara
18. xxx ( 29/11/2006 18:51)
any russe ve lesy elà no manombanombana ny fifidianana aty dago ry ronaldô? tena tsisy devoir nga elà? toa ilaozanlà manofy fotsiny eo? de tsy menatra koa elà miteny hoe ny malagasy tia tanindrazana, nefa elà ary tsy aty dago akory, aza miteniteny foana fa mahamenatra antsika gasy e
19. moi ( 30/11/2006 04:56)
Mba tombatombana koa ity arosoko ity :
Hoy Ra8 tamin'izy nitsidika faritra tsy tia azy izay :
Ataoko ny làlana, aoriko ny sekoly, ampianariko ny ankizy... dia ho tiany ho azy aho.
Izay no fehin'ny fiadin-dRa8 ; tsy dia manisy resaka famaliana be izay manao ratsy azy. Toa somary manaraka ilay didim-pitiavana ara-tSoratra Masina hoe "Tiava ny fahavalonao", "Valio soa ny ratsy"
Fomba fiady tsy fomban'olona ny azy ka ho hita eo e !
Ka hoporofoin'ny 03 dec na tsara na ratsy ny vitany e !
20. sasa ( 30/11/2006 05:37)
ny 03 decembre no hanambara an'azy e! aza be vinavina fotsiny fa sao d ho tapaka lalan-drà eo raha tsy mifanaraka amin'io ny vokatra eo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0446