mandingana kilasy

1. tisera ( 19/11/2006 08:32)
hono hoa r'ireto : saika mba hanontany anareo aho hoe raha proposer-n'ny mpampianatra ve ny zaza hoe hampandinganina kilasy (efa izao en cours d'année scolaire izao an! ) nefa nony nafindra izy dia tsy dia à l'aise loatra (mitomany mihitsy an!)dia ahoana ny eritreritrareo : tokony hajanona ao @ ilay kilasy ambany nisy azy sa alefa hiakatra ? mbola bitika kely an: grande section en maternelle dia hoe avy hatrany dia alefa cp . Nandramana nalefa herinandro tao @ cp fa tsy à l'aise dia naverina ao @ gs dia mbola mamerina indray ilay mpampianatra hoe tena tsy adapté @ ilay zaza hono ilay kilasy fa manjary mi-s'ennuyer izy : ilay zaza aloha hanontaniana fa tsy misennuie izany hono izy é! Dia inona no tokony hatao ?
novalian'i tywa68 ny 11/12/2006 16:17
2. Fiffi ( 19/11/2006 09:05)
tokony t@ fidirana no nataony zany fa tsy zao ! normale be raha tsy à l'aise izy satria mi-destabilisé azy zany ! zany koa ve de tsy fantatr'ilay mpampianatra ? de mba @ fomba ahoana mpa no anarahany ny CP efa volana Nov be zao nefa ny fidirana t@ Sept ? tsy mety zany kah ! aleo izy hijanona ao @ CP hiany .
3. kelly13 ( 19/11/2006 16:38)
fiffi ao @ grande section maternelle hoe? :)
za kou d'accord @ i fiffi hoe aleo izy hijanona tao @ kilasy nisy azy iany
4. tisera ( 20/11/2006 05:43)
dia tena mitovy hevitra aminareo roa aho fiffi sy kelly : ny indro kely mantsy dia nampanaovin-drizareo izao test de diagnostic moa tsy tsy haiko tsara n'ny niveau cp ilay zaza dia voavaliny à 90% ilay test ka nony nalefa tao @ cp izy dia milaza ilay maitresse hoe : arany tsara hono ny ao fa mbola somary mitokatokana kely izy etc...nefa ilay zaza ary nandritry ny herinandro manontany foana rehefa hianatra hoe aiza aho ny andeha ao @ gran sa ao @ cp dia ilay mifendrofendro be ireny mihitsy hoe ao @ cp. Dia efa noresahina an'io rrizareo mpampianatra dia hoe : cela va paser hono ne vous inquiétez pas , il lui faut un peu de temps etc... tapitra ny herinandro essai dia notenenina ny mpampianatra hoe aleo ihany izy aloha mijanona ao @ maternelle fa tsy misy mahamaika: fa avy eo frapy kranina be satria nampanantsoin'ny directeur d'école mihitsy .... asa koa angamba ny tena mitavozavoza tsy mahay mandresy lahatra moa ny ankilany tena tsy misy andaharana mihitsy (izy 3 be izao : directeur +institutrices 2)
5. Fiffi ( 20/11/2006 10:03)
tisera:
tena tsy misy andaharana mihitsy (izy 3 be izao : directeur +institutrices 2)
tisera: zao fotsiny an ! an'iza io zaza io ? an'ireo directeur + 2 instits ve ? Donky raha tsy azy de an'ny RAD-ny ny dernier mot !!! fa tsy hoe directeur sy instit ry zareo de hanana ny rariny foana an ! tsy zanany io ! tsy misy lalàna milaza hoe zao ny tian'ny directeur sy ny instit hatao de tsy maintsy arahana an ! raha tsy azo resen-dahitra ry zareo de manantona ny académie !


6. tisera ( 20/11/2006 12:05)
fiffi : izany tokoa é! misaotra @ toro-hevitra !:-*:-*
7. adidy ( 20/11/2006 12:14)
tsy ny fahaizana ihany no ilain'ny zaza any am-pianarana fa ny fiarahana miaina @ hafa koa, ka izy ihany izany dia efa mahatsapa fa ao @ GS no maha à l'aise azy kokoa , dia tsy aleo ve ajaina ny safidiny! Fa ianao RReniny ihany no mahalala! Vao manapa-kevitra ianao dia aza miovaova intsony avy eo fa lasa tsapan'ny mpampianatra koa izany, sady tsapan'ilay zaza!Any aoriana mety handatsa anao ry zareo hoe zaza nahay be io dia very herintaona fotsiny fa aza raharahina!
Za t@ taloha nifampitady mihintsy t@ mpampianatry ny zanako sady de la TPS hatr@ zao CP ilay zaza mbola izy foana no mampianatra fa efa nisy fandrosoana be ny fifandraisanay! Taloha mifamolaka mihintsy isan'andro vao tonga aho dia tsenainy hoe : il ne fait que pleurer ^pleurer dia valiako hoe: et bien, il va pleurer pleurer, dia taty aoriana indray hoe tsy mahay miteny hono (satria ampianarina teny gasy sy vazaha); dia nasiako hoe ary maninona raha mba izay hainy no tenenina!!Fa zao efa mety
8. vahiny2004 ( 20/11/2006 15:42)
Fiffi:

tisera:
tena tsy misy andaharana mihitsy (izy 3 be izao : directeur +institutrices 2)
tisera: zao fotsiny an ! an'iza io zaza io ? an'ireo directeur + 2 instits ve ? Donky raha tsy azy de an'ny RAD-ny ny dernier mot !!! fa tsy hoe directeur sy instit ry zareo de hanana ny rariny foana an ! tsy zanany io ! tsy misy lalàna milaza hoe zao ny tian'ny directeur sy ny instit hatao de tsy maintsy arahana an ! raha tsy azo resen-dahitra ry zareo de manantona ny académie !






Ohatry ny masiaka kosa aloha i Fiffi e, marina fa tsy azy ny zaza fa izy kosa no mahalala ny capacité intellectuelle n'ilay zaza , sady nanao formation momba ny pédagogie . Tsy misy tombony ho an'ny mpampianatra na GS na CP ilay zaza (tsy maintsy hampianariny foana) fa mba hahasoa ilay zaza angamba no ni proposer-ny azy

Tsy maintsy mazana ho an'ilay zaza ny 3 à 4 semaines voalohany raha mandingana izy, tsy ny fianarana fa ny social, nefa ny zaza dia mora mi s'adapte be fa tsy arakaraky ny eritreretitsika

Ny préparation n'ny sain'ilay zaza angamba no tokony hamafisina.

Azo atao koa ny mijery psy pour 1 à 2 séances, satria ireny no mahay miresaka @ zaza sy mi scruter ny tena blocage.

Sanatria tsy manao tsinotsinona ny ray aman-dreny, ny ray aman-dreny no idealy @ fitaizana angamba, fa tsara koa maka hevitra @ spécialistes sy ny efa zà-draharaha e
9. adidy ( 20/11/2006 17:34)
Vahiny2004: za tsy hoe sanatria mi souzy ny fahalalan'ny psychologue, fa raha ilay iray nanao évaluation ny ahy izay; taorian'ny gidraka t@ mpampianatra d'ailleurs dia tsy ao mihintsy, miezaka be mitady hoe satria izay vahiny dia izay izany no tsy "mampahay an'ilay zaza", anontaniana raha mi s'intègre tsara ny Rreny, raha miasa aho ets...; anontaniana raha mahay miteny frantsay ny dadany sy ny mamany tsss...
Raha ny fomba fampianarana dia ilay méthode globale ny azy fa dia ny ahy notairiko syllabique, ny ankizy lasa manao tsianjery fotsiny.. Zao niverina syllabique indray! Ka marina fa nanao formation momba ny pédagogie ireny olona ireny fa izany akory tsy midika fa tsy maintsy mety ny intégrationn'ilay zaza eo @ lafiny socialy, ataon'ny namany hoe "petit" foana izy matetika, velona ny hoe "oh le bébé", tu n'as que 5 ans, nous 6 ans, dia na mahay fianarana be aza izy mety tsy à l'aise
10. vahiny2004 ( 21/11/2006 08:18)
Hananana fomba fijery hafa no mahatonga ahy hiteny hoe psy , tsara ihany mantsy manana hevitra maromaro.

Ohatr'izany koa , izaho manao hoe raha resaka fampianarana , au mois 6 h par jour ny mpampianatra no miaraka aminy, isika ray aman-dreny angamba mampianatra azy 1h isan'andro , donc je suppose hoe izy no mahalala kokoa sur le plan pédagogique.

Sur le plan social : raiso fotsiny indray ary ohatra hoe voatery nifindra ville en milieu d'année scolaire , voatery mifindra école ny ankizy, dia ahoana , tsy maintsy mi s'adapte izy fa tsy ajanonao any @ ville nisy anareo taloha.

Ny changement tsy maintsy hiainany indray andro any, ny zaza no tena mora mi s'adapte indrindra , ka hitako hoe tsara ihany raha manandrana e

De toutes les façons masiaka foana ny ankizy, na tsy nandingana kilasy aza ny zaza dia rehefa hitady izy dia hahita holazaina foana.

Ny zanako nandingana kilasy no mahatonga ahy miteny koa, zaza assez fermé koa (timide na reservé ohatry gasy rehetra) ary hita fa tsy mora mihintsy. 1ère semaine dia ranomaso ( izay nampiteny ahy hoe tsy aleo ve andrasana 3 à 4 semaines), vao mijery azy ny ankizy dia mibitsibitsika ... fa no encourager-na foana izy dia tsy naninona : nazavaina azy fa mianatra tsara izy, plus que les autres matoa afindra kilasy , qu'on est fier de lui ... dia nilamina ihany. Izao izy tsy misy pbm


Na izany aza aloha chaque enfant est unique, tsy ho voatery ohatry ny expérience-ko daholo ny an'ny Ray aman-dreny rehetra.

P.S. momba ny psy : mety systématique tokoa aloha ny azy hoe étrangers ...etc , isika koa mety efa susceptible raha vao resahina ilay côté étranger, intégration ... etc
11. adidy ( 21/11/2006 09:09)
Ny ahy indray tsy ilay quantité ny ora hampianaran'ny mpampianatra no jereko fa ny qualité.
Jereko ny kajy ataon'ny zanako any am-pianarana tontolon'ny andro dia hitako fa tsy azony mihintsy ilay fanazavan'ny mpampianatra nandritra ny adiny 6 tany, dia mahatsiaro frustré izy. Dia rehefa tonga ao an-trano mandritra ilay adiny 1 ianao no tsy maintsy miezaka manenjika an'ilay fanazavana dia mba hainy ilay izy mandrapahatongan'ny ampitso!!Izany hoe ilay principe sy ilay méthode izany no tsy azony tany!!!
12. vahiny2004 ( 21/11/2006 09:37)
Raha izany dia hafa indray ny pbm n'i adidy koa !

Mazava be aloha fa tsy mitovy ilay qualité : 6h izy no any fa 25 zareo ohatra no ampianarin'ilay mpampianatra, dia 1h izy miaraka aminao fa izy irery . Fa tandremo aza sao dia tsy mitovy ilay méthode nareo (arak'io lazainao io) fa sao vao maika mampikorontana ny sainy .

Mety ho sarotra ihany ny toerana misy anao satria mandram-pahoviana ary ianao no hanao ratrapage foana ohatran'io.
13. adidy ( 21/11/2006 11:36)
Amiko ilay hoe 25 no ampianariny tsy problème satria
raha any Dago sy t@ za nianatra tany, 54 à 58 /classe, fa mbo nahay ihany ny tena! Ilay fanaovana rattrapage miezaka aho mampianatra ilay principe sy méthode ny zanako dia rehefa azony ilay izy dia hainy avy eo!. Ny lecture izao vao hainy ny ni-déchiffre ny lettre t@ ilay syllabique dia hainy vakiana daholo izay hitan'ny masony!Dia raha lecture indray izany izao izy dia azo lazaina hoe mahazo tombony mihoatra ny any! Dia ny kajy zany izao mbola tsy azony ilay izy!Ilay izy koa tsy ny androany sy ampitso no tsinjoviko fa ny ho avy, zany hoe mety @ io mpampianatra io izy no hoe tsy mahay fa ny tanjona dia any aoriana izy mahay mamaky teny, manoratra, manao kajy ohatra ny ankizy hafa rehetra na inona na inona fomba nampianarana azy
14. tisera ( 21/11/2006 19:00)
manahirana ilay mitaiza fa dia misaotra ny tsirairay @ toro-hevitra .
Tsara raha tena nety sy ni-réussir t@ zanak'i vahiny ilay nandingana classe .Mba hialana @ ilay syndrôme-n'ny fiovana" angamba dia tena mila suivi sy fifanakalozana be entre ilay zaza , mpampianatra sy ny rar.
Dia mbola mamerina ny rehetra
Ny hevitra tsy azo hono mantsy mmapihazohazo moa ny hevitry ny be mahataka-be ka dia misy hofakafakaina é!
:-*:-*
15. Fiffi ( 23/11/2006 06:46)
vahiny2004:
Ohatry ny masiaka kosa aloha i Fiffi e, marina fa tsy azy ny zaza fa izy kosa no mahalala ny capacité intellectuelle n'ilay zaza ,
an3 kah ! tena tsy masiaka mihintsy zah an ! :) Marina fa izy no mahalala ny capacité intellectuelle n'ilay zaza ....saingy hoy aho hoe....ni-destabilisé azy ny famindrana classe , indrindra fa efa tao @ maternelle izy depuis Septembre ! de efa firy volana avy eo de hoe halana tao fa hafindra classe ? de jereo ireo zavatra nolazain'i tisera ireo ny fijalian'le zaza ....


16. vahiny2004 ( 23/11/2006 07:54)
Tsy mijaly izany izy Fiffi a, tsy hoe rehefa mitomany dia mijaly .

- ny zaza mitomany rehefa miditra maternelle PS ve dia satria mitomany dia mijaly izany, donc tokony hajanona any an-trano ?

- tsy maintsy hiaina changement / séparation ny olona na kely na lehibe ary ny zaza no tena mora mi s'adapte indrindra , mila minimum d'assurance fotsiny izy . Arak'ilay nolazaiko teo, raha toa ve ka voatery hifindra ville en milieu d'année scolaire dia ahoana ?

- transparent @ zaza ohatr'ireny ny changement de niveau. Raha notenenina fotsiny izy izao hoe mifindra atsy @ maitresse atsy ianao , dia tsy tsapany akory hoe efa CP izy fa tsy GS

Amiko aloha tsy épreuve mortelle izany , tsara foana ny manandrana , mi insiste kely si nécessaire

Ndao tsika haka cours any @ super nanny :lol:
17. Fiffi ( 23/11/2006 07:57)
tisera:
nefa nony nafindra izy dia tsy dia à l'aise loatra (mitomany mihitsy an!)
ka raha tsy mijaly izy de tokony avela @ zao hoe tsy à l'iase sy mitomany tahak'zao ve ?


18. Fiffi ( 23/11/2006 08:03)
vahiny2004:
Arak'ilay nolazaiko teo, raha toa ve ka voatery hifindra ville en milieu d'année scolaire dia ahoana ?
raha ohatra ka tsy misy moyen mihintsy fa tsy maintsy mifindra...heu...atao ahoana moa ? ka tsy maintsy io ! '(on ne peux pas faire autrement , pas le choix) saingy le hoe famindrana azy classe tena anatin'ny izao en cours d'année scolaire izao no tiako hamafisina kely kah ! sady tsy aleo ve izy hijanona ao @ classe-ny ? @ zay izy mahay be rehefa @ fidirana manaraka hihihihi


19. vahiny2004 ( 23/11/2006 09:38)
Izaho tsy dia mbola nahita ankizy nasain'ny mpptra nandingana ka tsy dia nahay be taty aoriana . En général ankizy efa hitany fa en avance sy maranitra ireny proposer-ny handingana ireny . Mety hoe 2 mois izy ao anatin'ny groupe des moyens dia avy eo lasa mahay be foana .

Au contraire , raha najanona izy no misy risque hoe mi s'ennuyer ilay zaza, dia tsy manao effort intellectuel intsony

Ny hoe mitomany ? Il a y pleurs et pleurs ! Misy mitomany mihanta fotsiny dia misy mitomany satria marary , ary hain'ny ankizy ny maka ny fon'ny ray aman-dreny @ io . Minoa ahy fa tsy hisy zaza hitomany mandritra ny année scolaire izany a

Tsy hoe masiaka @ zaza aho , fa misy fotoana hoe mila manapa-kevitra , mila miafy kely izy, mila miafy kely ny ray aman-dreny mihaino azy mitomany , fa tsy maintsy atao satria hahasoa
20. Fiffi ( 23/11/2006 10:26)
en cours d'année scolaire hiany hoa no hitako tsy mety raha hamindrana azy an ! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.163