Coup d'etat!

21. Samoana ( 18/11/2006 10:46)
hoy ny akama :
tsy mba nahare ny fanomezana don ho any any atsimo mihintsy anagha i Samoana



ny akama nahare fa i samoana nandray anjara mivantana sy nanome ary mbola mitohy manome @ endrika tsy miseho gazety hatr@ izao:wink:
i samoana na avy ao Tanà aza tsy mifidy olona miara-miasa aminy, na Ra8 ny anarany na ...Raveloson rehefa tsapany fa @ fo tsy misy takalony no hanaovana izany:wink:
ary i samoana manantena ny akama tsy himeme ny toe-draharaha mampalahelo miseho noho ny tsy fitovizan'ny fisainana:)
22. akama2006 ( 18/11/2006 10:54)
i ra8 ihinambe ve izany laziny samoana hoe iomehezako izany sa iza e????

samoana> impiry moa no efa nisy depuis an80 ny fitadiavana fanoavan dons toa iznay mikasika ny tany antsimo???

tsara be raha mandray anjara mivantana i smoana,mitovy iznay isika,ka dia teneno i ra8 debout na i manan koa,mba homana dieny ziao fa raha miala eo izy dia ho sahirana !
23. rabaradaka ( 18/11/2006 11:08)
Zao no marina, misy mpanambola any ivelany any (aleo tsy lazaiko ilay firenena) nanakarama an'ingahy Jeneraly Fidy. Io vola io no saika hanaovany propagandy dia izao lazainy hoe hanonganany fanjakana izao. sambory any rangahy io Fidy io dia anateronareo sakafo eny Tsiafahy
24. akama2006 ( 18/11/2006 11:21)
rabaradak> mety ho sylla no anterana sakafo eny koa!ra8 efa tafatsoka amin'izay fotoana izay!:-D:-D:-D:-D:-D:-D
25. Fiffi ( 18/11/2006 11:35)
Niditra amin'ny fanonganam-panjakana ny jeneraly Andrianafidisoa omaly rehefa tsy afa-po amin'ny trangan-java-misy eto Madagasikara, ka io no làlana iray no fantany fa haingana ahazoana ny fanjakana. Tapa-bolana sisa dia higadona ny datin'ny 3 desambre hanaovana ny fifidianana no mitranga ilay fanonganam-panjakana ataon'ny manam-boninahitra ao amin'ny tafika. Ny jeneraly Andrianafidisoa dia nanambara fa voafehiny tanteraka ny vondron-tafika eny Ivato ary ao ihany koa ny foiben-dry zalahy mpaka fanjakana ireto, ary nanomboka nandrenesan'ny olona maro io fanambarana omaly io, dia nizarazara be ny hevitra teo amin'ny vahoaka sy ny mpanao politika. « Tsy ny fanjakana alaina ankeriny no heverina fa ahafahana manarina ny firenena » hoy ny ventson'ny maro teny rehetra teny satria iarahana mahita ny vokany any amin'ireo firenena nisehoan-javatra tahaka izao, fa ady an-trano lava no nanjaka ka zary farahidiny ny mponina tao amin'ilay firenena.
Ny kandida izay nahavita antsakany sy andavany toy ny fanotana bileta sy ny efa lany vola be ihany koa, dia manamafy fa tsy ny herisetra no fangalana fahefana fa aleo raisina amin'ny alalan'ny latsa-bato ataon'ny vahoaka io toerena hanompoana ny tanindrazana io.
Fanonganam-panjakana iny no nataon'ity jeneraly iray ity sy ekipany, inona no fepetra raisin'ny fitondrana foibe manoloana izao ? Andro vitsy lasa izay, dia nanambara ny Praiministra lehiben'ny Goverenemanta fa handray ny andraikiny ho an'ireo minia hanakorontana eto amin'ny tany sy ny fanjakana ary iza no tsy nahatsiaro ilay teniny hoe « Tandremo sao mitomany raha tratranay manakorontana eo ». Hanao ahoana ihany koa ny akon'ireo eo anatrehan'ny vahoaka, sy ny firenena any ivelany ? Saika isan'andro no ahitana ireo karazana hotakotan-kevitra miaro herisetra eto amintsika ka niainga any amin'ny fiheverana fa tsy ara-dalàna ny datin'ny 3 desambra, nitohy tamin'ny filazana fa tokony hovana ny lalàm-pifidianana sy ny maro tsy voatanisa. Ny hita aloha dia misy karazan'olona tsy maintsy miseho foana isan'andro, ary izao mitarika any amin'ny zava-doza izao, satria tsy maintsy hisy akony ratsy eo anivon'ny vahoaka ny tarehin-javatra tahaka izao na azony ilay fahefana notsiriritiny na tsy azony.
Amin'ny ora hanoratanay ity lahatsoratra ity, dia mbola tsy tonga eto an-tanindrazana ny filohan'ny repoblika, ka hanaiky hifampizara ny fahefana amin'ireo jeneraly milaza fa eo ampelan-tanany ny fahefana ve ny tenany? Ny azo hambara aloha hatreto dia tsy hilaozan-tantara hatrany eto amintsika ka asa na mbola hazaka ireny ny atidohan'ny gasy na ahoana fa ny anio no ahafantarana ny tohin'ny tantara.
26. xxx ( 18/11/2006 11:48)
mba fiangaviana ô : http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m455e55f64a468
27. akama2006 ( 18/11/2006 11:59)
wait and see
28. oufouf ( 18/11/2006 12:34)
f'angaha .... alao hanao é ... asa efa nisy zavatra nitranga ohatran'io tao antananarivo t@ ny andron' ny FRS....... izany FRS izany dia tena ary fomba t@ ny fitaovana nefa nanao ahoana ....?? alao hiady é ... na zana-dambo na zakak'iza alao hanao !
29. kitjo ( 18/11/2006 13:14)

tsy nahavanona in in akory e!
tokon to d samborina any fts alou reny d gadraina dol...aleo hilamina ny tany sy ny fanjakana handeha ny asa d @ fifidianana manaraka ndray lerony avoaka atao evaluation

ra vo mbola manondrana d averina ndray!
hahahhaha

akama an> ts hainao ngah le oe ra misy mangataka sakafo aza trondro no omena fa fintana?
30. akama2006 ( 18/11/2006 13:27)
kitjo> mbola vao manomboka kosa uilay lalao e!tsy i lalao iray akoryan!vao andro iray iny no lasa ary mbola hisy maromaro ny ho avy!:?:?^^:-*
31. tywa68 ( 18/11/2006 14:15)
Ny tsy misy atao ihany no manana hevi-dratsy hanakorontana ê ! soa fa vitsy ny tsy misaina (ary tena tena tokony samborina), fa manimba ny fiainam-bahoaka !
32. bonazy ( 18/11/2006 14:59)
tsy ilaina intsony amin'izao fotoana izao "izany DIRECTOIRE MILITAIRE" izany ary izao endrika coup d'état Militaire voalaza izao na fampisehoana izao na tsy tanterahina aza dia tsy ilaina mihitsy,fa voa maika handetika lalina dia lalina ny firenena satria fihemorana,ary ny tena marina dia fihetsikin'ny kanosa,fa ny miaramila dia nofanina hiaro ny tanindrazana amin'ny fanafihana avy ivelany ,hitandro ny filaminam-bahoaka ary hiaro ny aina sy ny fananan'ny tsitairay ary ny lalàna,fa tsy natao hamdromba-pahefana akory,koa misy mpanafika vé i Madagasikara?sa tsy milamina ny tany sa misy voina mihatra eo amin'ny firenena ka mihatra amin'ny 90 isan-jato ny mponina? tokony hijanona any an-dakazera ny miaramila ry sakaiza na olom-pirenena aza fa tsy tokony hirotsaka any amin'ny resaka sivily sy politika,voaofana hankato sy hiaro ary hampiatra lalàna araka ny lalàna velona ny Miaramila ka tsy tokony hanampatra hery....koa iaraha ahita ny tohiny



Nahitsin'i hery
novalian'i bonazy ny 18/11/2006 23:53
33. akama2006 ( 18/11/2006 15:03)
oouuuuuuuuu8O8O8O8O8O8O8O!


tokony ho andakzery?tsy tokony hihetsika?miaro ny mpanafika????etc.....!ouuuuuuuuuu8O8O8O8O8O

ka inona no maha misy minisitra miaramila raha izany????ouuuuuuuuuu!inona no hilana ministry ny atitany raha iznay?ouuuuuuuuuuuuuuu!inona no hilana any miaramila sa raha tsy mety atao hey famortana ry zalahy dia hoe posy aloha fa nareo tokony tsy manao an'izany fa manaova ondry ihany aloha!

ouuuuuuuuuuuuuu!mbola vao olona iarya aza no miteny toa io dia efa valaketraka nareo fanatika maika fa apres 3 dec hoe marobe tsy tambo isaina ny hanao toa io angamab dia ho lasa adala!:}:}:}:}
bonne chance ary e!
34. bonazy ( 18/11/2006 15:13)
o ry akama 2006,izahay tsy fanatika ry akama,fa izahay tsy tia korontana sy ra mandriaka,tsy midika akory izany hakanosana,na tahotra fa fitsinjovana ny malagasy sy ny tanindrazana ary indrindra fifanajana,ianao angaha tsy mamaky tsara ny nolazaiko hoe"natao hiaro ny tanindrazana sy ny lalàna ny miaramila"ny ministeran'izireo dia natao hiahy azy amin'ny andraikiny eo anivon'ny firenena ry sakaiza fa tsy natao hanapotehana ny firenena sy ny mpiray tanindrazana ,fa tsy an drangahy irery akory i Madagasikara fa any izay rehetra mahatsapa fa Malagasy,ka tia an'io tany io
35. kitjo ( 18/11/2006 15:38)

fa tsy ratsy kosa le vadin Pete @le sary an..hihiihh
ts haiko na le izy misompirana
36. xxx ( 18/11/2006 16:18)
ouuups izaho moa tsy mahay ireo olona ireo fa nataoko fa injy akia ry kijto kouuuuu @ ilay izy misompirana mihintsy ohatran'ny hoe mpirahavavy ianareo 2 vavy eo hihihihihi
37. Fiffi ( 18/11/2006 17:18)
:-D:-D
38. kitjo ( 18/11/2006 18:19)
wuuhoo

ary manja iany kay za..hihhiih
39. kitjo ( 18/11/2006 18:20)



ataovy raha sahy

....:^) .....
40. sipagasy ( 18/11/2006 18:40)
kitjo:

wuuhoo

ary manja iany kay za..hihhiih



mmhhhhhhh fa iza akia no sahy milaza fa tsy manja injiko??????, avereno injay anie ny sarinjiko e! tena gasy ka manja kouuuuu
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078