Harena tsy isasarana fa saingy (...)

1. majesty ( 16/11/2006 12:01)
Misy tovovavy mbola tanora zay eo akaikinay eo,ngamba eo ho eo amin'ny 27 taona eo ho eo izy,manana mpanampy izy ka ny mahasarika ny manodidina dia ny fahatezan'ny mpanampin'ity tovovavy ity fa dia saika misolosolo matetika,ny antony dia izao,rehefa nanontaniana ity mpanampy iray efa niala dia nilaza fa manao "pacte amin'ny satana" ity ramatoakely ity,ka isan'alina dia miantso2 sy miteny amin'ny fiteny tsy fantatra rakalakely,ary fotoana fohy aorian'izay dia misy zavatra migodogodona sy mitabataba be ao an-tranony,ka na ny manodidina aza maheno azy io isak'alina.Netin'ny tahotra an'io zava-miseho io ireto mpanampy ka izay no tsy nahatamana azy ireo,ary io kalakely io amin'zao dia milaza fa io zavatra tompoiny io dia ahatonga azy ho mpanefoefo mihintsy ary efa manomboka ho hita taratra eo amin'ny fiainana izany fananany harena izany ankehitriny.Ahoana ny hevitrareo,na sao dia misy liana ny te hanan-karena fa toa io no fomba tsotra,manao pacte amin'i satana.
novalian'i Achia ny 15/12/2006 18:08
2. Fiffi ( 16/11/2006 12:21)
majesty:
]Ahoana ny hevitrareo,na sao dia misy liana ny te hanan-karena fa toa io no fomba tsotra,manao pacte amin'i satana.[/i]
aleko hiany mahantra .....manaraka ny lalan'ny fahazavana , eny na dia feno embûche aza ! "fa ianao no amiko"


3. Achia ( 16/11/2006 15:50)
:°) miakohofa eto anatrehako dia homeko anao zao tontolo izao hoy satana t@ 'i Jesosy , tena gravy nedala a !
4. dailynews ( 16/11/2006 17:10)
possible ny manakarena rehefa manao pacte amin i satana saingy izao kosa..tsy hanome zavatra gratuit anao mandrakizay izy, fa misy fiantraikany ratsy ary tsy hita velively ny haratsiany any amin ny fiananan ilay olona iny ilay izy ary raha tsy aminy dia hatrany @ 4e generation-ny. tahaka ny resaka fangalana odinkarena ihany io. GRAVE BE.

ny vidin io dia mety alainy any amin ny fahasalaman ny olona iray , na ny zanany, na ny fianakaviany. na mety hiantraika any amin ny zavatra maro isankarazany any amin ny fiainany......tsy mijanona eo io ary tsy hijanona raha tsy tapaka mihitsy ilay pacte izay nataony.( @ anaran i Jesoa moa no hanapahana izany, resaka manompo fanahy io donc ny solution dia ny fanapahana azy amin ny resaka fanahy hafa dia ny fanahin Atra izany)


iza koa no hiasa ho an izany ramatoakely izany....
5. pissoa ( 16/11/2006 17:51)
tsy azoko zany manao pacte amin'i satana zany fa mba azavao ze mahay :oops::oops::oops:
6. dailynews ( 16/11/2006 18:27)
raha tsotsorina dia tahaka izao:
hanompo anao aho ry satana fa en echange aho omeo harena sy voninahitra.
7. pissoa ( 16/11/2006 18:33)
Izany azoko ka, fa ny tiako tenenina dia oe aiza le satana ? na manao sonia taratasy ve ? sns :oops:
8. majesty ( 17/11/2006 05:30)
Pissoa:le hoe aiza satana,mora hita izy ka,ohatra hoe any @ ireny toerana lazain'ny olona fa masina ireny (doany)na amin'reny olona lazaina fa tsindrian-javatra (misy tromba,itoeran'ny fanahy ...)dia misy fombafomba atao dia rehefa mahantateraka an'zay fombafomba izay ianao dia izay ilay hoe vita fanarahana taminy dia afaka mangataka izay ilainao.
9. Fiffi ( 17/11/2006 05:31)
dailynews:
raha tsotsorina dia tahaka izao:
hanompo anao aho ry satana fa en echange aho omeo harena sy voninahitra.
zany hoe @ fomba ahoana no hanomezan'ny satana an'io harena io ?


10. majesty ( 17/11/2006 05:34)
Hoy fiffi:

aleko hiany mahantra .....manaraka ny lalan'ny fahazavana , eny na dia feno embûche aza ! "fa ianao no amiko"


Feno embûche ahoana aki???
11. ravatorano ( 17/11/2006 10:16)
ka maninona moa rah fantatry ingahy majesty fa mety izany no tsy manao pacte amin i satana izy sady izay tovovay kely eo anilany hitany isan andro na ny fivoaran ny harenany aza
misy antony ao satria tsy mety izany fa aleony lavitra mahantra toy izay hanompo satana izany
sa tsizay razandry lah*
12. nikopol ( 17/11/2006 10:42)
Satana karazany inn ary zany mampiteny tsy fantatra amin'ny alina zany no sady mampanakarena ?

:lol:



13. pissoa ( 17/11/2006 11:09)
misaotra an'i Majesty amin'ny fanazavana. Hay ve ireny izany e, zah nieritreritra oe misy taratasy hifanaovana sns :oops:

niko : mety le mividy mpivaro-tena reny angamba :-P:-D:-D:-D
14. prime ( 17/11/2006 13:45)
O ry majesty a... ianao indray no hitory ny fanarahana an\'i satàna eto an...:roll:
15. dailynews ( 17/11/2006 13:49)
Fiffi:

dailynews:
raha tsotsorina dia tahaka izao:
hanompo anao aho ry satana fa en echange aho omeo harena sy voninahitra.
zany hoe @ fomba ahoana no hanomezan'ny satana an'io harena io ?



tsoriko andry fa tsy tia ny hiresaka anazy ity loatra aho sao sanatrian izany misy manandrana..hitandry ihany ny olombelona....fa ny zavatra tiako ho lazaina fotsiny dia ireny efa hita ao amin ny baiboly ireny dia mba afaka manome ihany koa i satana ary afaka manao fahagagana ihany koa izy(tadidio ilay tantara tao amin ny lapan i farao sns..) noho izany dia afaka manome harena tahaka izany koa izy....
ny mila tadidiana fotsiny dia tsy ho gratuit mandrakizay izany satria izy dia ny planina -ny dia efa voalaza ao amin ny TA hoe ny hanimba sy handringana ihany no ao antsainy fa tsy ny hamelona, mihitsy na ny hanasoa...fa raha manome izy izay dia minoa ahy fa ilay rain ny lainga tsy hanome gratuit, laingany izany... fa any amin ny ain ilay olona, na ny fianakavian ilay olona nanompo azy na ny toy izany ilay olona no mi payer rehefa avy eo....
jaona 10:10" Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hamono ary handringana..."







16. prime ( 17/11/2006 14:03)
Io ambaran'i majesty io d efa maro no niaina azy ary mijoro vavolombelona mihitsy aza ny olona nanao izany taty aoriana... fa ny ahy izao ny irariako raha misy olona niaina izany ka afaka mijoro vavolombelona eto no tena tsara...
17. Achia ( 17/11/2006 15:14)
Ao anatin'ny apokalipsy ao koa ary toa misy milaza hoe : hiasa izy ary ho ambinina , ny dragona no nanome hery ny bibidia . Ka raha izany tena manome mitsy ilay satana a !
18. Fiffi ( 17/11/2006 15:34)
majesty:
Feno embûche ahoana aki???
feno embûche hoy aho satria ny ratsy tsy tery lalana ary ny fakampanahy etsy an-daniny koa ...


19. bichette ( 18/11/2006 12:59)
raha manompo an'i satana nareo na manandrana fotsiny dia veloma mandrakizay ny royaume de Dieu ka tandremo !
tandremo koa fa satana hozizy ny baiboly dia rain'ny lainga ka raha mamapanantena anareo zavatra izy, na mi promettre dia tandremo fa tsy sur fa ho izany tokoa.
ny harena eto amin'izao tontolo izao koa dia ephemere, mora azo mora manjavona sady ny fiainana eto antany anie ka fandalovana fotsiny e, ka tsy aleo ve mikatsaka ny harena avy any an-danitra ? izay mandrakizay ?
20. Fiffi ( 18/11/2006 17:41)
tandremo zany fa.....
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0097