Marc Ravalomanana ah! sady bogosy no mpanana ah!

1. kitjo ( 14/11/2006 17:26)
misy harary fo amin'io njay zao..ihihhi

ce ke j'aime c'est tout!

http://www.tim-madagascar.org/article.php3?id_article=1281
novalian'i kitjo ny 20/11/2006 12:04
2. lagoon ( 14/11/2006 18:32)
:-*
3. lanto ( 14/11/2006 18:33)
Tsy haiko aloha fa ny paosiko ihany no hitako :))
4. kitjo ( 14/11/2006 18:35)
nndriiii
za aloha mahita ny manodidina e!

5. salmo ( 14/11/2006 18:52)
Tsy ti hanay zany. Haleo ihany ny anay http://www.logomovil.com/polifonicas-89029.html
6. kitjo ( 14/11/2006 18:58)
nndrriiii..ty vazaha taratasy!

heverinao ho rehareha ve izao?
7. lanto ( 14/11/2006 19:47)
kitjo> ny ahy no hitako hoe foana, ny azy raha feno azy kou !!!!
8. Fiffi ( 14/11/2006 20:29)
kitjo: ka i salmo ange ka miseho azy tsy ho gasy eh ! espaingouin hono izy ! :-D:-D:-D
9. Zina ( 14/11/2006 20:48)
kitjo [ Valio ] 14-11-2006 18:26:16
Lohateny : Marc Ravalomanana ah! sady bogosy no mpanana ah!
misy harary fo amin'io njay zao..ihihhi

ce ke j'aime c'est tout!


Y a pas a chiquer kosa aloha tena bogany nedala hihihih
10. sipagasy ( 14/11/2006 20:53)
lanto:

kitjo> ny ahy no hitako hoe foana, ny azy raha feno azy kou !!!!



mmhhh mlle lanto toa miha maro ihany ny antsika no foana e!?????, sa tsy mahita tsara ny masoko???
11. fijo ( 14/11/2006 21:57)
ary tsy be kobo lery nefa lazaina fa mameno paosy sy mihinana??????
12. tywa68 ( 15/11/2006 09:39)
Midika zavatra be ny titre ê = izy ihany no mety eo @io fonction io ê !
13. akama2006 ( 15/11/2006 10:35)
io ve dia bogosy ? manana aloha eny!fa le bogosy kosa aloha tsy any e!:-D
fa ahona hono no nahpanana azy ity e!misy mahalala ve ny tim ato o!
14. tywa68 ( 15/11/2006 11:35)
ny tsy misy atao ihany no manontany sy mitsiriritra ny hareny ! ary ny asa nataony ve mba hitanao ?
15. kitjo ( 15/11/2006 11:44)
16. kitjo ( 15/11/2006 11:47)
sipagasy> hay njy ko mihaino hira foana otsa anah?

hihihi...politika iany kay no tsy nitovizantsika :-*
17. akama2006 ( 15/11/2006 13:33)
tywa> ary ny hafetsena ratsy sy fanaovana osoka nampigadra azy ve tsy hitany toi?
18. kitjo ( 15/11/2006 14:46)
Kandida mafy ady no betsaka

Toa tsy nisy olana tamin'ireo kandida mpilatsaka ho fidiana amin'ny volana desambra izao ny nandrotsaka ilay vola 25 tapitrisa Ariary, natao antoka ho amin'io fifidianana io, saingy tsy araka ny nampoizina ny fisehoan-javatra rehetra hatreto.
Niainga tamin'ny fanotana bileta ho an'ny mpifaninana isan-karazany, dia efa kofona ny mpilatsaka satria teo vao nahatsapa fa tsy kilalaon-jaza ity resaka ity. Napoitra avokoa ny tetika mba hanakanana ny fifidianana isan-karazany toy ny maha-tsy ara-dalàna ny datin'ny 3 desambra sy ny fanaovana ny bileta tokana, kanefa io miroso tsy misy tohika io ny fampielezan-kevitra. Rehefa natao ny fandinihana dia hay kandida mafy ady avokoa no miatrika ny lalao, satria tsy misy olona izay tsy milaza fa mahihitra avokoa ry zalahy amin'ny lafiny maro. Tsy ho tanisaina eto ireo, fa sahia miatrika izay efa natomboka mba hahafantarana izay tena fitiavan'ny vahoaka anareo e.


naivo kely.
madagascar tribune

efa miova loko ko Tribune nohon'ny tsy tonga i vatokely le!
19. Lejim ( 15/11/2006 18:22)
Ny tanintsika dia tany mahantra, andalam-pandorosoana. Iaraha-mahalala angamba izay. Tsy voatery hanan-karena sy ho milliardaire doly ny olona vao hanana zo feno eo amin'ny fiaraha-monina!

Ny remarque hoe, "kandida mafy ady no betsaka" dia remarque pauvre. Angamba any amin'ny tany mandala oligarchie any izany remarque izany no manan-danja fa tsy aty amin'ny tany mandala demokrasia. Ankatoaviko ny herim-pon'ny kandida izay nandrotsaka ny kely mba ananany, ny herim-pony sy ny herin-tsainy, noho ny fitiavany ny tanindrazana.

Amin'izao setrasetran'ny kandida sasany mi-geste amin'ny vola be izao, dia rariny raha misy olona saika mba hilatsaka nefa kivy ho azy satria tsy ho lany mihitsy izy raha ny volany no jerena.

Raha ny olon-drehetra anefa no nanana toe-tsaina otran'izay dia mety kandida unique no iafarantsika. Kanefa izany kandida unique izany dia manamaivan-danja ny demokrasia.

Na dia mbola mora rebireben'ny vola aza ny toe-tsain'ny vahoaka Malagasy maro, mbola mino aho fa tsy zava-poana ny ezaka ataon'ireo "kandida mafy ady" ireo satria manome lanja ny demokrasia izy ireo!

Aza adino koa fa ny kandida mafy ady dia kandida mahafantatra tsara ny situation atao hoe mafy ady izany, tsy toy ny olona sasany izay mieritreritra fa adala ireo tsy manam-bola, na ireo olona izay mieritreritra fa ny fahefana dia natao ho an'ny mpanefoefo.

- 0ligarchie # democracie.
Raha amiko manokana dia tokony novaina io system izay mangataka ny kandida rehetra handrotsaka vola be izay vao afaka milatsaka ho filoham-pirenena.
Tokony ovaina amin'ny fanangonan-tsonia izy io. Dia izay olona te-hilatsaka hofidiana dia asaina manangon-tsonia otran'izao sy izao!

(nadikako tsotra avy tato amin'ilay hevitra iray hafa fotsiny izy satria tiako averina eto) :°)
20. kitjo ( 15/11/2006 19:04)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0528