Hoy i Jesosy

41. prime ( 14/11/2006 14:58)
xxx> Fahadisoan-kevitra lehibe ny fiheverana fa rehefa tia dia afaka migalabona manao izay tiana hatao...

Mbola fahadisoana lehibe koa ny fiheverana fa Andriamanitra dia fitiavana ka tsy manasazy... fa nisy ny nahazo fitiavana sy fitahiana nisy toa an'i Joba ohatra? nefa iza no nozahàna toetra mafy indrindra tao @ soratra masina? Andriamanitra anie tsy araka izay fiheverantsika no anamboamboarana ny momba Azy fa Izy mihitsy no manambara ny tenany e... Raha fitiavana fotsiny Andriamanitra dia tsy misy ilàna azy intsony ny asa vitan'i Kristy teo @ hazo fijaliana sy bokin'ny apokalipsy ohatra fa dia voavonjy avokoa ny olona rehetra... Fa nahoana no masiaka dia masiaka no anambaran'Andriamanitra ny momba Azy sy ny fanjakàny ao amin'izany boky izany? ary vanim-potoana rahoviana nefa no resahina ao @ izany boky izany?

Fa hoy ny voasoratra : "Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany." Galatiana 6:7
42. xxx ( 15/11/2006 12:47)
prime:

xxx> Fahadisoan-kevitra lehibe ny fiheverana fa rehefa tia dia afaka migalabona manao izay tiana hatao...



Inona nefa aloha no atao hoe migalabona ? Mihomehy ve migalabona ? Izaho mantsy tsy niteny hoe manao ny tsy tokony hatao .

Raisonnement tsotra be : tsy manao izay zavatra tsy tian'ny olona tiako aho ==> raha tiako ny Tompo dia tsy manao izay zavatra tsy tiany aho

Ny fahalalàna fa mamela heloka ny Tompo dia tsy voatery hitarika foana hoe hanaonao foana satria fantatra fa ho voavela heloka

Raha toa ka tsy mahazo mifaly sy tsy mahazo mihomehy intsony ao @ Tompo dia tsy lasa ka


43. xxx ( 15/11/2006 12:51)
prime:

xxx> Fahadisoan-kevitra lehibe ny fiheverana fa rehefa tia dia afaka migalabona manao izay tiana hatao...

Mbola fahadisoana lehibe koa ny fiheverana fa Andriamanitra dia fitiavana ka tsy manasazy... fa nisy ny nahazo fitiavana sy fitahiana nisy toa an'i Joba ohatra? nefa iza no nozahàna toetra mafy indrindra tao @ soratra masina? Andriamanitra anie tsy araka izay fiheverantsika no anamboamboarana ny momba Azy fa Izy mihitsy no manambara ny tenany e... Raha fitiavana fotsiny Andriamanitra dia tsy misy ilàna azy intsony ny asa vitan'i Kristy teo @ hazo fijaliana sy bokin'ny apokalipsy ohatra fa dia voavonjy avokoa ny olona rehetra... Fa nahoana no masiaka dia masiaka no anambaran'Andriamanitra ny momba Azy sy ny fanjakàny ao amin'izany boky izany? ary vanim-potoana rahoviana nefa no resahina ao @ izany boky izany?

Fa hoy ny voasoratra : "Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany." Galatiana 6:7



voalazanao fa tsy SAZY no nahazo an'i JOBA fa FITSAPANA

voalazanao koa fa ny ratsy ataon-tsika na mahavoa antsika matetika (mijinja izay nafafy) fa tsy Aa mihintsy no hanao zavatra ratsy amintsika . Ny Andriamanitra inoako aloha tsy manao an'izany e
44. Zina ( 16/11/2006 04:07)
[quote]xxx [ Valio ] 10-11-2006 19:51:44
Lohateny : Re : Hoy i Jesosy
Toy ny fihavin'ny mpangalatra hoy jesosy ny fihaviako, ary na izy aza tsy mahalala ny fotoana fa ny iray izay any an-danitra ihany no mahalala ny fahatongavany. Miambena hatrany,mampieleza ny soratra masina, manaova soa, omeo izay mamgataka aminao, omeo hery ny namana aman-tsakaiza mba hanankina ny fiainany amin'ny tompo sy hitory ny filazan-tsara. Tano ny finoana, omeo hery ireo mbola misotro ronono satria mbola kely ny finoany. Ahoana no hanaovana izany? Amin'ny fijoroana vavolombelona milaza ny fiainanao ary ny soa sy ny fitiavan'Atra anao ka namomjeny sy namelany ny heloka rehetra izay nosasany tamin'ny ran'ny zanany."nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay." Mino fontsiny ihany dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.Tsy mila vola ny famonjena fa maimai-poana. Zavatra dimy no tsarovy toy ny ratsan-tanan-tsika.Mamaky baiboly isan'andro. Mivavaka ho anao,ny olona mila vonjy sns.Mandalina ny lazain'ny baiboly ary mampiantra azy amin'ny fiainana.Mitadidy ny tenin'Atra mba ho ampinga hiarovana anao amin'ny fahavalo sy ny satana.Ny farany dia mianatra ny teny ao amin'ny baiboly[/quote/]
Mba iza kay ianao io ry xxx????
45. xxx ( 16/11/2006 07:33)
zina :

Tsy mandà izay lazainareo rehetra anie aho e, fa ny tsy ekeko dia ny fandraisana an'Aa ho toy ny fampitahorana lava . Raha ny fahazahoako ny resaka teo aloha dia tsy tokony hifalifaly sy hihomehy (c.f. prime) izany !!! Tsia !!! Tsy izay mifaly akory dia tsy miambina , tsy izay mifaly akory dia magalabona sy miliba , tsy izay mifananihany akory dia manao zavatra tsy sitrak'Aa!!! NON , ary mino aho fa sitrak'Aa raha faly ny vahoakany

Raha tena tia ny Tompo ianao dia manao izay sitrany d'une manière naturelle ianao ET DANS LA JOIE
46. xxx ( 16/11/2006 08:18)
Ndao ary hasiana sampana Sport ao amin'ny fiangonana,sampana vako-drazana sy art isankarazany....Tsy ho lazain'ny fifohazana indray ve izany hoe zavatry ny tany ka tsy tokony hasiana sirany?
47. prime ( 16/11/2006 12:15)
xxx:
Tsy mandà izay lazainareo rehetra anie aho e, fa ny tsy ekeko dia ny fandraisana an\'Aa ho toy ny fampitahorana lava . Raha ny fahazahoako ny resaka teo aloha dia tsy tokony hifalifaly sy hihomehy (c.f. prime) izany !!! Tsia !!! Tsy izay mifaly akory dia tsy miambina , tsy izay mifaly akory dia magalabona sy miliba , tsy izay mifananihany akory dia manao zavatra tsy sitrak\'Aa!!! NON , ary mino aho fa sitrak\'Aa raha faly ny vahoakany
... Marina ny ambaranao fa Andriamanitra tsy fampitahorana na mampatahotra fa ny filazàna an\'Andriamanitra ho be fitiavana ka ilazàna fa mamela heloka foana no mila fiambenana satria efa tsy avy amin\'Andriamanitra intsony izany...

Ny amin\'ny fifaliana dia Andriamanitra mihitsy no miteny hoe : \"Mifalia* mandrakariva amin\'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia*. [* Na: veloma]\" Filipiana 4:4... ka fifaliana ao amin\'ny Tompo tsy misy maharatsy izany velively, fa hafa ny hoe mifaly, hafa ny hoe maniratsira...

\"[Anatra ho an\'ny tanora fanahy mba hanampoizany ny hihavian\'ny fahanterana sy ny fahafatesana] Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin\'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin\'izay sitraky ny fonao sy izay jeren\'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin\'Andriamanitra hotsaraina ianao amin\'izany rehetra izany.\" Mpitoriteny 11:9... ny fiambenana dia @ izay atao rehetra satria na ny fifaliana na ny atao rehetra dia voambara fa mbola handalo fitsaràna avokoa... izay moa ilay tsy zakanao hoe fampitahorana kanefa dia Andriamanitra no miteny izany fa tsy mamorona aho...
48. xxx ( 16/11/2006 12:29)
xxx:

Ndao ary hasiana sampana Sport ao amin'ny fiangonana,sampana vako-drazana sy art isankarazany....Tsy ho lazain'ny fifohazana indray ve izany hoe zavatry ny tany ka tsy tokony hasiana sirany?



Ny skoto anie manao an'ireo e
Raha ny interprétation n'ny Fifohazana indray aloha dia aleo tsy asiana commentaire fa ny azy fijery hafa mihintsy
49. prime ( 17/11/2006 13:01)
Ny fifohazana no faratampon'ny fenitra fanarahana an'i Jesosy Kristy ka inona kosa moa no maharatsy izany?
50. xxx ( 17/11/2006 13:36)
prime:

Ny fifohazana no faratampon'ny fenitra fanarahana an'i Jesosy Kristy ka inona kosa moa no maharatsy izany?



Fa nahoana no hoe izy no faratampony ?
51. prime ( 17/11/2006 14:09)
Satria ireo no nifoha t@ torimason'ny finoana ka mandray an'i Kristy ho filamatra eo amin'ny fiainana manontolo...
52. xxx ( 17/11/2006 14:30)
ary raha nifoha fa "tsy tia sehoseho" dia ahoana ? (xxx izany e :D )
53. dailynews ( 17/11/2006 16:01)
ilay hoe fifohazana no farantampony kosany aloha...hmm....tsara ny ataon izy ireo kah ary deraiko ary raha tany aho dia nanao fifohazana ihany koa..saingy ny fahitako azy dia tahaka izao..ny finoan ny kristiana rehetra ao anaty fiangonana mihitsy no tokony hifoha tahaka ireo fifohazana ao mkara. fa tsy izy ireo irery....satria ny kristiana rehetra araka ny efa resatsika tao amin ny "fanjakana roa samihafa" dia tokony hafana, fa raha mangatsiaka na matimaty dia efa aloan ny vavan ny Tompo izay na iza na iza no miditra ampiangonana.... tsy ilay titre na dia tsara aza ilay titre ary tokony ho tohizana...
ny resaka sport indray raha ao ampiangonana dia tsy hitako izay maha ratsy azy rehefa atokana amin ny fotoana hafa..ny anay ao ampiangonana izao isaky ny alarobia hariva...
dia samy tonga daholo any amin ny toerana fanaovambaolina, fanaovana tennis, fanaovana ping, hazakazaka, basket sns..dia miara mifaly eo, mitsikitsiky ...fiarahan ny mpino, mivazivazy
satria ny mpino anie tokony hifankahafantara ihany koa e, dia rehefa alahady atoandro dia samy mitondra sakafo dia miara misakafo na ny sasany mifampitarika any amin ny restaurant.......
dia raha tsy mba manao fotoana tahaka izany izy ireo dia ahoana ny fomba hifankahafantarany bebe kokoa?

ny fiainana kristiana anie fiainana olombelona feno e, afaka tsara manao izany rehetra izany ho voninahitr'Atra. na manao art sns....afaka manao hosodoko ny tanora na ny ankizy..dia varotana amin ny exposition ireny hamangonambola ho any filazantsara sns.....
ohatra fotsiny, raha isika eto io izao tsy miditra eto fa hoe resaka internet izany tsy resaka fanahy....dia iza izany no hilaza ny fahamarinana eto raha izany....

sa mety hors sujet aho fa tsy izay ilay tena pb?? azafady raha izay fa izaho angamba no tsy nahazo o ?

54. xxx ( 20/11/2006 10:10)
fifohazana fikambanana sa fifohazana état (hoe "nifoha" t@ finoana )? izay angamba no tena tokony ho fanontaniako .

Tsy maintsy miditra ao anatin'ilay fikambanana ve vao tena hoe "nifoha"
55. prime ( 22/11/2006 10:13)
Ny fifohazana nambarako tsy fikambanana, tsy antokon'olona, tsy toby, tsy mpaminany, tsy mpiandry... tsy izany loatra, fa olona mifoha amin'ny finoana sy ny fitiavana ao amin'i Kristy ka nibebaka ary mandray an'i Jesosy ho tena iray aminy... ny fanapahan-kevitra ho lasa mpiandry, na mpitondra fivavahana, na evanjelistra... dia vokatry ny asan'ny fanahy sisa fa ilay fifohazam-panahy no fototra...

56. xxx ( 25/11/2006 04:16)
lasa mivoana ny resa-tsika. Tsy misy na iray aza fara-tapony.Ianao, izaho, isika dia lasa fara-tapony daholo, tadidio fa izay mitady ho voalohany no lasa farany na ny mifanohitra. Mangataka ny herin'ny fanahy masina mba hitarika antsika amin'ny fiainana andavan'andro,raha mino tanteraka ianao fa miantso anao izy dia ataony tanteraka izany, ny manao ny didiny sy ny mitory ny filazan-tsara no tadiaviny, tsy mila diplona na fahaizana hafa, rehefa mangataka aminy ianao ka mitory ny soratra masina izay kely ananao dia omeny anao izany. Misy fiangonana miangona isan'andro, hoan'ny tanora, hoan'ny lehilahy, hoan'ny vehivavy, hoan'ny be antitra , manao asan-tanana, mampianatra soratra masina, manao sport sns, enga anie ka hisy ny fitarihana sy ny olona hitarika isaky ny sampany fa toy izany ny anay ,na ny tanora izay tsy manambady aza dia manana sampana ihany koa.Ny sampan'ny ankizy sy ny tanora. Ankoatran'ny alahady izany dia misy fianarana soratra masina. Ny maha-samihafa azy ny fiangonana eto amin-tsika dia tsy lavabe-mahamonamonaina ny fandaharana.Io no tokony asiana fiheverana aty amintsika fa lasa mivarina amin'ny raharaham-piangonana fontsiny ny antsasa-manilan'ny fiderana an'Atra.Sa ahoana ?
57. prime ( 27/11/2006 12:11)
xxx> ny maha-faratampony azy dia eo amin\'ny finoana fa tsy eo @ asa... fa izay voalohany tokoa no ho farany... ka ny olona mifoha amin\'ny finoana tsy mijery an\'izay ho voalohany sy farany fa Kristy ihany sisa no banjininy... ny fitoriana filazantsara, ny fianarana soratra masina, ny fanajàna didy sy fankatoavana ny sitrapon\'Andriamanitra... efa vokatra sisa izany (na koa hoe asa) fa tsy filamatra...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.223