Hoy i Jesosy

21. Achia ( 09/11/2006 12:10)
tsy aleo v izy mivanitika toy izay tezitra e
22. Fiffi ( 09/11/2006 16:37)
ratonga:
sady miésona beuuu :-D:-D:-D, dé izany hono no matonga ireny kotro-baratra ireny=))=))=))
de raha mba te-hamaly le dinika hoe "Hoy Jesoa" ka mahita an'zao de ahoana ?
Marina fa hoe aleo izy mivanitika toy zay tezitra saingy .....


23. cutie ( 09/11/2006 16:50)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 09-11-2006 12:09:28
Lohateny : Re : Hoy i Jesosy
tena tsy azoko mihintsy nareo mivanitika sy miteniteny foana eto an! tsy mba misy fahamatorana mihintsy ve ? Fivavahana sy Finoana ange ny eto fa tsy Hatsika sy lalao eh ! manjary manala ny concentration raha mba te-hamaly fa mba hataovy matotra raha azonareo hatao eh !

8O
24. cutie ( 09/11/2006 16:51)
Mpandefa : Fiffi [ Valio ] 09-11-2006 17:37:07
Lohateny : Re : Hoy i Jesosy
Hoy i ratonga:
sady miésona beuuu , dé izany hono no matonga ireny kotro-baratra ireny
de raha mba te-hamaly le dinika hoe "Hoy Jesoa" ka mahita an'zao de ahoana ?
Marina fa hoe aleo izy mivanitika toy zay tezitra saingy .....

:roll::roll::roll::roll::roll:
25. Fiffi ( 09/11/2006 18:16)
eny aza koh!
26. tsimiandravola ( 09/11/2006 21:58)
:D Ka mandeha tsara ve ny vakiteny ê?
Ka izao ny ahy no fihantsinana ataoko:mba vakio sy ianaro ihany ny ataon'ny mpanohitra mba ahafahanareo manohitra tsara satria "mpiandry ondry" ianareo ry dadapasy sy ry Andriamatoa Diakona isany a!

Let my people go... away:D...ie to be free!, sa ahoana?
http://www.geocities.com/tsinisijesoa/setrimpandavana.html
27. cutie ( 09/11/2006 22:00)
Let my people go... away...ie to be free!, sa ahoana?

:-D:-D:-D:-D:-D
28. LazaDaddy ( 09/11/2006 22:25)
tsimiandravola:
Ka izao ny ahy no fihantsinana ataoko
:-D:-D:-D:-D


29. xxx ( 09/11/2006 22:34)
Ny mandainga sarotra fa ...
30. xxx ( 09/11/2006 22:38)
"quand le fils vous affranchit,vous serez réellement libre" hoy i Jesoa,...i Tsimiandravola kosa mamadika an'izany ka manao hoe "quand vous êtes affranchi de Jesus,vous êtes réellement libre"
31. caprio ( 09/11/2006 23:33)
tsimiandravola:tsy ny fiovaovan'izay voasoratra ao anaty boky anie no midika fa tsy misy Jesosy e ,ohatra fotsiny zao ny mpanoratra iray dia milaza fa i Ra8 dia mpitondra ronono t@ kodiarandroa taloha,za kosa anefa nanoratra fa t@ kodiaranefatra izy no nitondra ronono ary nisy mpanoratra iray nilaza fa nandeha tongotra izy.Dia jereo fa samy hafa ny filazan'ireo mpanoratra ireo fa kosa ny hiarahana manaiky dia samy milaza izy ireo fa mpitondra ronono izy, dia @nao ve zany refa miovaova ny fitantarana dia tsy misy zany ilay olona,dia tahaka izay koa ny momba an'Jesosy,niovaova ny fitantarana fa niara nanaiky ny mpitantara fa Jesosy no tantaraina ka nareo tadiavo izay porofo ny tsy fisian'i Jesosy fa izahay koa manana porofo betsaka fa misy izy dia samia mitana ny teniny
32. prime ( 10/11/2006 14:46)
Mitombina ny fampitandremana ataon'i fiffi, ihomehezo ihany tokoa aloha fa fotoana mbola ahafahana mananihany ny fiavin'i Jesosy izao...

Fa rehefa tonga Izy amin'ny fotoana tsy iandrasana azy dia izay vao ho gaga isika, hoe tonga tokoa :

"Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako." Apokalypsy 2:16

"Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao." Apokalypsy 3:11

[i]"Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena..."[i] Apokalypsy 22:20a
33. xxx ( 10/11/2006 18:18)
tsimiandravola:

Salama!
Izao ary e:Satria amiko dia tsy nisy ara-tantara akory i Jesoa,noho izany tsy tonga ara-piterahana,tsy nisy ara-nofo,tsy maty ary tsy nitsangana sy tsy niakatra any an-danitra,noho izany dia tsy ho avy.
Efa ho 20 siècles izao no nilazany resaka toy izany fa mbola tsy tonga ihany ingahirainy.Akoho tsy naneno toy izay ve tsy lasan'ny kary ê!
Sa araka ny nolazain'i Elie tamin'ny mpanompo "baal":antsoy mafy ihany ny andriamanitrareo sao mbola resin-tory .I Jesoa kosa angamba mbola resin-tory ka tsy mieritreritra ny hidina.

Vangio ny vohikala http://www.geocities.com/tsinisijesoa/tsinisijesoa.html



ndry, mampalahelo izato ianao, manaiky sy manome ny lelanao sy ny tenenao am-piasain'i devoly. Tsy mbola nisy fotoana ianao niasa tao aminao Atra? Tsy mbola nisy andro ianao nahatsapa fa tsy lavorary ity fiainana ity raha tsy miaraka sy manaki-po aminy.
34. Zina ( 10/11/2006 18:45)
Mitombina ny fampitandremana ataon'i fiffi, ihomehezo ihany tokoa aloha fa fotoana mbola ahafahana mananihany ny fiavin'i Jesosy izao...

Fa rehefa tonga Izy amin'ny fotoana tsy iandrasana azy dia izay vao ho gaga isika, hoe tonga tokoa :


Ity ilay zavatra niseso t@ andron'ny NOA (safon-drano) ko ka.. hitovy otran'iomihitsy anie e
35. xxx ( 10/11/2006 18:51)
Toy ny fihavin\'ny mpangalatra hoy jesosy ny fihaviako, ary na izy aza tsy mahalala ny fotoana fa ny iray izay any an-danitra ihany no mahalala ny fahatongavany. Miambena hatrany,mampieleza ny soratra masina, manaova soa, omeo izay mamgataka aminao, omeo hery ny namana aman-tsakaiza mba hanankina ny fiainany amin\'ny tompo sy hitory ny filazan-tsara. Tano ny finoana, omeo hery ireo mbola misotro ronono satria mbola kely ny finoany. Ahoana no hanaovana izany? Amin\'ny fijoroana vavolombelona milaza ny fiainanao ary ny soa sy ny fitiavan\'Atra anao ka namomjeny sy namelany ny heloka rehetra izay nosasany tamin\'ny ran\'ny zanany.\"nomeny ny zanany lahy tokana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana fiainana mandrakizay.\" Mino fontsiny ihany dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.Tsy mila vola ny famonjena fa maimai-poana. Zavatra dimy no tsarovy toy ny ratsan-tanan-tsika.Mamaky baiboly isan\'andro. Mivavaka ho anao,ny olona mila vonjy sns.Mandalina ny lazain\'ny baiboly ary mampiantra azy amin\'ny fiainana.Mitadidy ny tenin\'Atra mba ho ampinga hiarovana anao amin\'ny fahavalo sy ny satana.Ny farany dia mianatra ny teny ao amin\'ny baiboly.
36. Zina ( 10/11/2006 22:20)
xxx a mampalahelo ianao tsy mba manome ny ps-nao nefa moa izy ty safidy...
Izaho aloha dia faly mihitsy manoro an'izay haiko ka izay tia mamaky izay soratako tsara izay tsy tia an'azy samy irery izany SAFIDY daholo ny fiainana

37. dailynews ( 13/11/2006 00:14)
LazaDaddy:

Hoy i Jesosy: "Ho avy faingana aho amin'ny andro sy ora tsy ampoizinareo" (Daddy translation)

=> Raha mahatsapa tena fa Kristianina isika dia mino izany teniny izany ary miambina sy mivavaka mandrakariva. Izany tokoa ve anefa no ataontsika laharam-pahamehana eo @ fiainana andavan'andro?


Marina izany. Tokony izany no atao laharampahamehana isanandro saingy isika kristiana indraindray mora lavo ary tena mila mitandrina satria dia tadidio fa ny fahavalontsika ilay devoly dia madehandeha tahaka ny liona miherona mitady izay harapany.
Ny zavatra tsy tian ny devoly voalohany indrindra tsy ny titre izay hananatsika ao ampiangonana, na pasitera, na diakona, na mompera, na masera, na mpiandry, na mpandray....fa ny atahorany dia kristiana tia mivavaka. Ary io vavaka io indrindra no attaquer ny voalohany indrindra eo amin ny fiainana kristiana.

Tsy afenina fa ny tena indraindray dia kamo mivavaka..ary nisy fotoana aza aho naharitra amambolana tahaka ny nitokona tsy nivavaka fotsiny izao sady tsy nahazo aina mihitsy aho isanandro satria tsy nivavaka anefa dia tsy nanankery hivavahana.

Ny zavatra fanatro dia izao, hoy ny Tompo hoe: raha mangataka zavatra zavatra araka ny sitrapoko ianao hoy Izy dia ataoko izany.
Dia hoy aho hoe..hmm..sitrapon ny Tompo ny mivavaka..donc aho izany mila mangataka Aminy hoe ampio aho hivavaka.
nivavaka ary aho isa maraina..Tompo a..tena kamo be aho hivavaka aleo tsorina(zoky sy namana hono io Tompo io donc azo hiresahina ny zavatra rehetra tokoa)..anefa hoa tsy sitrakao izany fa ampio aho hivavaka....
dia ny ampitso indray dia nanohy....maharitra herinadro aho nanao io vavaka io foana isanadro( ary aza mitsahatra mihitsy raha tsy mahazo)....nangataka ny Fanahiny Masina aho hampahery sy hameno ahy hahatonga ahy hotia vavaka sy hivavaka. Tadidio: " "tsy aminkery na amin ny fahatanjahana fa amin ny Fanahiko hoy Jehovah"(zakaria 4:6) ny dikan izany ihany koa dia ny fanaovana ny sitrapon Atra rehetra tsy vitako raha tsy mangataka ny heriny aho manao azy.
Dia izay no noteneniko...Tompo a. omeo herin ny Fnahinao aho hivavaka...fa lazaiko anareo fa herinandro taorian io rehefa avy namerimberina nanao ilay vavaka foana aho..Ny tompo dia mahatoky ary tsara... dia niverina ny herimbavako h@ izao.

Rehefa mivavaka ihany koa dia angataho ny Tompo mba tsy hiverindalana mandrakizay ianareo fa haharitra h@ fahafatesana amin ny fianarahana Aminy...mbola lavitra ezaka ny dia ary ny lalana lava be...tsy vita irery io fa mila Azy, mila ny Fanahiny hanampy.

Koa rehefa tonga ilay fotoana izay hiverena ny Tompo dia vonona ny tsirairay fa tsy hanao tahaka ilay virjina dimy izay tsy ampy ny diloilony.

mahereza daholo aza. Tadidio fa ny vavaka dia tena zava dehibe mihitsy ary antoky ny aina. Tsy ny titre mihitsy no maha inona na inona....tsara saingy tsy ampy raha tsy misy vavaka ary tokony hanan ny olona rehetra ao ampiangonana izany fa tsy hoe ny pasitera na ny mompera ihany. Atra niantso ny zanany rehetra hanana fifandraisana manokana Aminy fa tsy ireo olona ireo ihany.





38. prime ( 13/11/2006 10:37)
zina, xxx, daily> Misaotra anareo mitondra fanazavàna...
39. dailynews ( 13/11/2006 15:52)
:wink:
40. xxx ( 14/11/2006 10:44)
prime:

Mitombina ny fampitandremana ataon'i fiffi, ihomehezo ihany tokoa aloha fa fotoana mbola ahafahana mananihany ny fiavin'i Jesosy izao...

Fa rehefa tonga Izy amin'ny fotoana tsy iandrasana azy dia izay vao ho gaga isika, hoe tonga tokoa :

"Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin'ny sabatry ny vavako." Apokalypsy 2:16

"Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao." Apokalypsy 3:11

[i]"Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana Aho. Amena..."[i] Apokalypsy 22:20a



Ny ahy indray aloha tsy dia tiako loatra ilay endrika "mampatahotra" omena ny Tompo e. Izy ve dia ho tezitra raha mihomehimehy isika, tsy midika hoe tsy miambina izay mihomehimehy

Tena marina fa tsy dia tiako ilay image n'ny Tompo masiaka ometsika azy matetika: manasazy ohatra ... Tsy izany mihintsy Izy amiko , "be fitiavana" ve dia hasiaka hoy nareo ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0521