Fanambadiana: aoka hitsangana izay mahita ny tsy maha mety i

1. Fiffi ( 07/11/2006 18:06)
Variana aho raha nahita an'ity lahatsoratra ity hoe

aoka hitsangana izay mahita ny tsy maha mety izao
Nisavorovoro Ambohimangakely iray vohitra tamin’ny sabotsy teo. Fa misy inona, hoy ireo olona marobe nameno ny arabe. Hisora-panambadiana ny olona roa, vavy sy lahy. Rehefa teo amin’ny filazan’ny mpanoratra hoe, aoka hitsangana izay mahita ny tsy maha mety izao dia iny vehivavy iray bevohoka nitsangana ary nanondro ilay lehilahy ho soratana ho rain-janany. Niaraka tamin’ny mpisolovava izy.
novalian'i Fiffi ny 17/11/2006 20:38
2. tslem ( 07/11/2006 18:16)
tena loza koa zany,d aôna ono n tohiny ry fiffi ?
3. Fiffi ( 07/11/2006 18:17)

Gaga sy talanjona ny iray trano. Tsy nijanona teo avy hatrany anefa ny raharaha. Raikitra ny fifanandrinana. Najanona mihitsy aloha ilay fisoratana. Dia mba naka ny mpisolovavany koa ilay lehilahy sy ny fianakaviany. Samy nilaza ny zavatra nisy sy nihainana teo ny andaniny sy ny ankilany, ilay hisoratra sy ilay bevohoka. Ravehivavy nilaza fa efa niara-nipetraka taminy nandritra ny fotoana ela io lehilahy io. Namaly ity farany fa tsy marina amin’ny ampahany maro izany satria izy raha naka ny fanamarinam-ponenana dia mazava fa tsy tany amin’ny faritra ipetrahan’ilay vehivavy mihitsy. Manana ny tranony izy. Voaporofo tamin’ny antontan-taratasy hisoratana izany. Niditra an-tsehatra ny mpisolovava. Samy nametrapetraka izay voalazan’ny lalàna mikasika ny fanambadiana izy ireo.
4. Fiffi ( 07/11/2006 18:18)

Niezaka nandamina hatrany ingahy ben’ny tanàna. Efa niantso ny lehiben’ny distrika mihitsy aza izy nangalana hevitra. Io moa nilaza fa hajanony aloha ny fisoratana. Nasainy nandray fitenenana ny roa tonta, solontenan’ny fianakaviana. Nifandimby nanazava ireo mpisolovava. Naharitra elaela ihany ny fandehan-javatra tamin’izay. Mety ve sa tsy mety izao fisoratana izao ?

Farany, nandray ny andraikiny ny ben’ny tanàna ka dia naroso ny fisoratana.

Tany ivelany, hipoka olona nihorakoraka ny arabe. Liana avokoa izy ireo amin’izay ho fiafaran’ny raharaha
5. tslem ( 07/11/2006 18:20)
tahaka ny ho ratsy izy zany e ?
6. Fiffi ( 07/11/2006 18:23)
de tena tsy aiko akia fa miheritreritra zah hoe : tena mba sahy le vhv bevohoka an! ary raha tena le bandy io tokoa moh ny rain'le zaza ?
7. tslem ( 07/11/2006 18:25)
ra tena rainjanany tokou io d mampalahelo b izy ô ?
8. Fiffi ( 07/11/2006 18:30)
tena mampalahelo be ! fa zah hoa miheritreritra hoe matoa le vhv bevohoka sahy nanao an'zany de ao raha....
9. tslem ( 07/11/2006 18:32)
eny tokotrany hoa, misy raha marina ao
10. lost ( 07/11/2006 18:32)
amiko alou mety ny nataon'lay veh bevoka satria meteza nareo eo @ toerany we ol nahabevoka anao lasa nanambady olonkafa mararay iany ny fo!!
D zay fona ny antony mahatonga ireny fanontaniana any Mairie ireny fa matetipitranga zany ka misy mitsivalana fona
11. Fiffi ( 07/11/2006 18:33)
io vhv io ve akia de hanao an'zany fotsiny @ tsy misy antony ? sa fialonana @ le vhv nanambady ?
12. Zina ( 07/11/2006 18:43)
lost [ Valio ] 07-11-2006 19:32:43
Lohateny : Re : Fanambadiana: aoka hitsangana izay mahita ny tsy maha mety i
amiko alou mety ny nataon'lay veh bevoka satria meteza nareo eo @ toerany we ol nahabevoka anao lasa nanambady olonkafa mararay iany ny fo!!
D zay fona ny antony mahatonga ireny fanontaniana any Mairie ireny fa matetipitranga zany ka misy mitsivalana fona

ary raha tsy ilay bandy no nahabevoka azy???? Betsaka mihitsy koa anie ny vehivavy manondrana e tsy azony ilay bandy dia ataony izay fomba hi-venger-na azy.
tokony hanao DNA zany e .....Sa dia miandry an'ilay zaza teraka????
13. Fiffi ( 07/11/2006 18:46)
marina aloha fa bdb ny fika azo hatao handravana ny mariage-n'olona , fa ity indray mitoraka ity kosa aloha an! heu....nahazendana ahy hiany aloha satria tena io le vhv bevohoka ....
14. pissoa ( 07/11/2006 19:31)
Dia vita tamin'ilay andro io ihany ve le soratra ?
15. Fiffi ( 07/11/2006 19:40)
Fiffi:
Farany, nandray ny andraikiny ny ben’ny tanàna ka dia naroso ny fisoratana.
toa vita teo hiany le fisoratana raha arak'io voalaza io !


16. andry08 ( 07/11/2006 20:27)
ndrenestôôô,sonema be!
17. sipagasy ( 07/11/2006 20:37)
mmhhhhh ka mety mbola tia ilay vehivavy bevohoka raha izany ny fisehon-javatra e!!!!!:{
18. Fiffi ( 07/11/2006 21:20)
nefa de tsy nahazo rariny izy......
19. cabot ( 07/11/2006 21:42)
misy hifandraisany @ lay tantaram_piainako t@ lay mariage ny ex-ko mantsy dia natao nangina ary tena nafenina mafy ahy sy zay olona mety hitantara amiko;satria zaho hono tena tia ka sao ahavita scandale;amiko anefa ny fitiavana dia mampanakambo ka rehefa tsy nalainy ianao dia aleo mangina sy manaja tena lay tsy mahavoa avy eo mantsy no tena maha menatra be
20. Fiffi ( 07/11/2006 21:52)
ka ny olana de le vhv ange bevohoka eh !
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1845