Ny temoin de Jehovah sy ny Adventiste

1. yonikafopl ( 27/10/2006 19:47)
Hono ho aho, ireo finoana roa ireo ve kristiana sa tsia,raha tsia, inona no mahasamihafa azy amin'ny finoana kristiana?, misy ifandraisany amin'ny fivavahana jiosy ve ireo (juif).

2. Fiffi ( 27/10/2006 20:00)
mahaliana be le fanontaniana fa aleo hiandry zay mahafantatra .
3. cutie ( 27/10/2006 21:32)
aiza aza bedada hamaly :lol::lol::lol::lol:
4. simplex ( 27/10/2006 21:49)

toa samy kristianina reo. Tsy haiko tsara fa ny advantista klou sabotsy no mivavaka e. Ny Temoin ndray toa alahady. Tsy dia samihafa loatra refa samy tsy mande mivavaka doly :-D:-D

Ny jiosy indray le manao satroka kely antsasaky ny loha reny izy. samihafa mintsy...
5. cutie ( 27/10/2006 21:55)
ny jiosy koa toa tsy mihinana kisoa, de ny adventisata koa :lol::lol::lol:
6. Fiffi ( 27/10/2006 22:04)
na i marozevo , na i mandalo :)
fa misy mahafantatra ato kah !
7. soanja ( 27/10/2006 23:33)
yonikafopl:

Hono ho aho, ireo finoana roa ireo ve kristiana sa tsia,raha tsia, inona no mahasamihafa azy amin'ny finoana kristiana?, misy ifandraisany amin'ny fivavahana jiosy ve ireo (juif).




Tena manakaiky ny finoana Jiosy ny finoan'i Adventista raha resaka arahan'ny lalan'ny mpino toy ny fanajana ny andro sabata ohatra, ny tsy finanana kisoa sns saingy izy Kristianina fotsiny fa ny Jiosy dia Jiosy zay. i Jehovah no Andriamanininy dia tsy mino afa tsy izay izy.


8. Achia ( 28/10/2006 06:25)
:°)
9. diamondra27 ( 28/10/2006 07:36)
yonikafopla: raha ny momba ny adventiste aloha de ity misy site iray mety hahasoa ny hahafantarana ny momba azy http://www.guadadvent.org/lecon_sabbat.asp

de bon sabbat ho an'ny rehetra sady sabotsy rahateo androany.

10. jentilisa ( 28/10/2006 07:37)
Ireo finoana roa ireo dia samy niainga avy tamin'ilay fiandrasana lehibe natao tamin'ny taona 1848. Nisy nilaza manko tamin'io taonjato io fa araka ny kajikajy dia amin'io taona io no hiverenan'i Jesoa eto an-tany indray haka ny azy...kanjo moa dia tsy tontosa izany na dia efa niandry teny an-tampon-tendrombohitra aza ry zareo.

Rehefa tsy tonga ary ilay nandrasana dia be no niverindalana (diso fanantenana ka lasa tsy nino intsony...na nivadi-pinoana). Ny hafa kosa mbola nandinika sy nikajikajy ihany na nijery ny fahamarinana hafa. Dia nisy ary vondrona nahita hoe ary sabata io kay sabotsy. NIsy indray nahita hoe ilay Jesosy voasoratra ato tsy ilay lazain'ny fiangonana hatramin'izay k'ty. Ny azo nomarihina dia lasa nirona bebe kokoa tamin'ny fanajana Sabata ny sasany sady miandry fatratra an'i Jesoa ho avy indray. Io fiandrasana fatratra ny fihavian'i Jesoa io moa amin'ny teny litorjika dia hoe "advento". Ny advento moa ao amin'ny fandaharam-piangonana kristiana maro dia ny alahady efatra mialoha ny noely na krismasy indrindra. Ary io advento io no nihavian'ny teny hoe advantista.

Tany ampiandohana ny advantista dia nirona bebe koka tamin'ny hoe Jesosy Ho avy amin-kery sy fahefana fa zary nandingana ilay Jesosy efa nandalo teto an-tany tamim-panetretena.

Ny vondrona faharoa kosa dia mbola niandry ilay fihavian'i Jesoa indray tamin'ny taona 1914. Izy ireo indray dia mbola nitoetra nivavaka ny alahady ihany tamin'ny ankapobeny.Nahita koa ry zareo teo am-pandinihana fa be dia be ny zavatra fanaon'ny fiangonana no mifanohitra tanteraka amin'ny hitany ao anaty baiboly. Tsy ekeny ilay Jesosy be volombava sy manao volo misasaka an-tampon-doha iny. Izany hoe amin'ny ankapobeny dia ilay sarisary atao no tsy ekeny.Tsy ekeny ihany koa ilay hazofijaliana miandrika lakroa fa pôtô ihany no tena izy hoy ry zareo. Laviny ny maha-Andriamanitra an'i Jesosy. Io resaka ra io moa dia tena tsy ekeny hoe sotroina (amin'ny alalan'ny Eokaristia na fandraisana ny fanasan'ny Tompo). Asa inona koa ny zavatra hafa.

Ary ny vondrona fahatelo izay tsy voalaza kosa dia ireo izay nirona bebe kokoa amin'ny finoan'ny Baptista saingy fivorina ankalamanjana sy mihoby mafy amin'ny mozika sy ny tehaka ary ny haleloia mameno ny baiboly nefa toa tsy heno loatra any amin'ny fiangonana ara-tantara.
11. yonikafopl ( 28/10/2006 10:58)
Misaotra amin\'ny valiny nomenareo tsirairay avy.
nametraka io fanontaniana io aho, ny tena tiako ho fantatra dia hoe misy ifandraisany amin\'ny fivavahana jiosy ve ireo?

Ny tsirairay ngamba samy nahalala ny ady nisy teo amin\'ny Liban sy Israely, ka ny libanais raha vao misy resaka ifandraisana amin\'ny israely dia tonga de halany,tsy te hiherika sy tsy te haheno momba ny israeliana zareo.Ry zareo Libanais rehefa hiresaka aman\'olona, na hi engager olona hiasa dia ny finoany no anontaniany voalohany,ka raha vao finoana misy ifandraisany amin\'ny israely dia tonga dia black liste. Na any ampiangonana aza, katolika na protestanta, rehefa mamaky ny Soratra masina, dia tsy azo atao mihintsy ny mamaky izay misy tantara israely.
Ka mba hahalalako izay havaliko ny olona manontany ahy, no antony nametrahako ny fanontaniana.
Misaotra.
12. Achia ( 28/10/2006 12:03)
Ry zalahy Libanais nge zany tsy dia mandinika loatra ra izany e ! fa inona moa no tena finoana any ry fopl any liban no tiako lazaina a !?
13. xxx ( 28/10/2006 15:12)
Yonika ô ! tena zay ve no tanjon'ise tamin'ny nanokatra 'ty dinika 'ty :?::-P:-P
14. Fiffi ( 28/10/2006 15:47)
yonikafopl:
Na any ampiangonana aza, katolika na protestanta, rehefa mamaky ny Soratra masina, dia tsy azo atao mihintsy ny mamaky izay misy tantara israely.
nefa de anaty baiboly misy tantaran'Israely ?


15. Zina ( 29/10/2006 01:31)
Ny adventiste ny dikany dia oe miandry ny fihavian'ny Jesosy:
La seconde venue du Christ est la bienheureuse espérance de l'Eglise, le point culminant de l'Evangile. L'avènement du Sauveur sera littéral, personnel, visible et de portée mondiale. Lors de son retour, les justes morts ressusciteront; avec les justes vivants, ils seront glorifiés et enlevés au ciel, tandis que les réprouvés mourront. L'accomplissement presque complet de la plupart des prophéties et les conditions actuelles qui règnent dans le monde indiquent que la venue du Christ est imminente. Le jour et l'heure de cet événement n'ont pas été révélés, c'est pourquoi nous sommes exhortés à nous tenir prêts à tout moment.
Ireto avy ny croyance ny adventiste:
http://www.faculty.umb.edu/alexandrine_noel/AlexINFO/AdvCroyances.htm
16. Zina ( 29/10/2006 01:40)
ny temoin de jehovah ndray dia tsy itako mihitsy izay hitovizany @ adventiste
17. narima ( 29/10/2006 08:01)
mba manana ambara keky aho dia hamaly. Ny temoin de jehovah dia tsy kristianina satria tsy mino ny famonjen'I Jesosy Kristy, ary izy reo dia mihevitra fa ry zareo ihany no tena manana fifandraisana @ Jehovah Andriamanitra. Ny Adventiste kosa dia Kristianina fa mbola mitazona ny lalàna t@ TT araka ny fahalalako.
18. Achia ( 29/10/2006 08:44)
Amiko ndray aloha ny temoin de kristiana ihany e ! fa eo @ ilay adventiste oe mitana ny lalàna t@ TT fa ohatra ny inona avy zany lalàna tazominy zany
19. majesty ( 30/10/2006 10:01)
jentilisa: tsy 1848 le daty fa 1844(nandinika ny faminanian'i Daniela ry zareo no nahatonga an'io fahadisoam-panantenana io)
yonika:Temoin de Jehovah:tsy manaiky ny maha Atra an'i Kristy noho izany dia tsy kristiana
Adventista:manaiky ny maha Atra an'i Kristy,noho izany dia kristiana saingy ny mha samihafa azy amin'ireo fiangonana kristiana hafa dia izy milaza fa tsy mbola lany andro ny didy folo ka tokony mbola hankatoavina,ka mahatonga azy ireo mbola mitany ny fivavahana amin'ny andro Sabata.Ahitana fitoviana eo amin'ny fivavahana Jiosy ny Adventista raha ny fombafomba ara-pivavahana no jerena saingy tsy JIOSY
20. prime ( 30/10/2006 10:44)
http://fr.wikipedia.org/wiki/Adventisme

http://fr.wikipedia.org/wiki/T%C3%A9moins_de_J%C3%A9hovah

Misy fifandraisany @ fivavahana jiosy avokoa ireo... Na ny fivavahana silamo aza misy fifandraisany @ fivavahana jiosy...

Ny adventista no fikambanana kristiana...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2683