Ny temoin de Jehovah sy ny Adventiste

41. dailynews ( 02/11/2006 12:47)
zina> andraso aky fa mbola tena manana zavatra lazaina be dia be momba ity aho famintinana ho ahy sy izay mpamaky hafa ary fanampiny izay tadiavindry tetsy ambony ary mety ho lava be eto, ka hanoratra article momba ity aho satria ahitako fa betsaka ny mila mahalala hoe aiza no mijoro sy tsy hahatsiaro tena ho voafatotry ny lalana fa handeha ambany fahasoavana sns...(io indray aho fa mitady ho be resaka sahady hihihihi), ary ihany koa tsy te hanao discussion lava loatra eto momba ito zavatra ito aho fa tsy izaho sy ianao irery no efa niresaka izany koa noho izany dia ataoko any amin ny blaogy ko.
rahampisto na rahafakampitso aho no afaka manatitra azy eto. koa aza miala ary aloha an

achia> lalina aky izany fanontaniandry izany:D:D:D, ao fa rehefa vita ilay article soratako dia indry ihany dia afaka mamaly izay tiandry hanontaniana.
42. dailynews ( 02/11/2006 12:52)
prime>:wink:
43. prime ( 02/11/2006 13:15)
daily> efa voavaly izany ve raha ny hevitrao ny fanontaniana?
44. dailynews ( 02/11/2006 17:12)
tokony efa ho voavaly io saingy samy hafa karazana ny olona ka misy ny olona sasany izay mila fanazavana bebe kokoa, ary tsy misy maharatsy an izany. ary mbola betsaka ihany koa tsinona no azo hambara. fa tsy androany aloha araka io nolazaiko teo ambony io.
45. prime ( 03/11/2006 08:35)
dailynews> nefa raha ny anaranao tena androany mihitsy zao no fanirianay...:lol:
fa dia mazotoa ary...:)
46. dailynews ( 04/11/2006 03:14)
tokony mivadika weekly izany aho raha izany amin izay ara potoana :D:D:D
47. xxx ( 04/11/2006 04:41)
tj dia tsy mino jesosy ho zanak'Atra, tsy mino koa izy fa iray ihany ny ray, ny zanaka ary ny fanahy masina. Tsy mino ny fanomezana ra na transfusion izy. Tsy manaraka ny teni'i Jesosy izy izany hoa tiava ny namana tahaka ny tenanao. Vakio ny baiboly, tsy mitovy ny an'i tj satria nanasorany ny teny ary izay tiany nampiana dia nampiny. Raha marary mila fanampiana izany ny zanaka izay tianao dia aleo ho faty eo fa tsy hanome ra izy. Izay no anjarany hoy izy, misy ny dokotera ary nomen'Atra fahasoavana ireny hamonjy olona, be fadifady sy finoana ry zareo, porofo izany fa mbola manaraka ny jiosy izay testameta taloha no arahany. Ao paris no tena ahitanao izany hoe tsy mahazo manambady afa-tsy tj ihany ianao,moa va tsy ny jiosy ihany. Tsy mankalaza ny nahaterahan'i jesosy izy marina fa fetin'ny tsy mpino ny krismasy ary tsy andro nahaterahan'i jesosy io saingy afaka manokana andro iray isika hiarabana azy"happy birthday jesus!" ny Adventista dia tj no niandohany saingy tsy nifanaraka toy ny katolika sy protestanta satria ny katolika nomorona finoana maro ka nanala ny sasany tamin'ny didy folo dia nizara ny didy hafa ho tonga folo. Inona koa izany hoy ianao ? Aza miankohoka amin'atra hafa, izaho Atra saro-piaro, aza miankohoka amin'ny sary vongana. Nesorin'ny katolika io satria ry zareo miankohoka ny maria virjiny, ny olo-masina efa maty , mandoro zava-manitra, kao ny Adventista dia namorona didy tsy mihinan-kisoa na efa foana daholo aza izany afatsy ny hoe tsy mahazo mihinana ny fanatitra amin'ny sampy,ny fijangajangana, ny biby tsy nalatsa-dra. Toy ny akoho maty voan'ny barika, tsy nisy nanala na nandidy ny tendany nanalana ny ra, biby voadonan'ny fiara ka tsy nisy ra nivoaka fa tonga dia maty, Jereo Asan'ny aposoly 15.
Raha te andresi-lahatra ireo tj sy adventista ireo izany ianao dia jereo ny baibolin-tsika fa tsy ny azy
satria izay tiany ihany no teneniny ary nanasorany ny baiboly kanefa hoy ny teny dia izay voasoratra dia voasoratra, teny tsy azo analana na anasorana ny baiboly. VAKIO JAONA 1:1-8
TENY=ATRA=JESOSY=FIAINANA=FANAZAVANA=MAZAZA
IREO IZANY DIA MANAMBARA FA ANDRIAMANITRA=RAY=ZANAKA=FANAHY MASINA.
48. yonikafopl ( 04/11/2006 22:39)
prime :wink:
49. Zina ( 05/11/2006 00:11)
quote]ny Adventista dia tj no niandohany saingy tsy nifanaraka toy ny katolika sy protestanta satria ny katolika nomorona finoana maro ka nanala ny sasany tamin'ny didy folo dia nizara ny didy hafa ho tonga folo[/quote]
Tadiavo ny porofo oe???? Tsy misy idiran'ny adventiste @ temon de Jehovah mihitsy...
Adventista dia namorona didy tsy mihinan-kisoa na efa foana daholo aza izany afatsy ny hoe tsy mahazo mihinana ny fanatitra amin'ny sampy,ny fijangajangana, ny biby tsy nalatsa-dra.

odry zany ko dia tsy mahita ho lazaina mihitsy, ahona no fomba amoronana fotsiny amin'izao mba tiko ho ita ny porofo...
Zany oe ny adventista ko za no namorona oe tsy mahazo mijanganjanga????? tsisy fototra mihitsy ny anao
Raha te andresi-lahatra ireo tj sy adventista ireo izany ianao dia jereo ny baibolin-tsika fa tsy ny azy

ka inona ary io baiboly-nareo io???? mba lazao oe..
Ny zavatra marina mantsy dia mitovy ny Baiboly rehetra.. protestanta, methodista, baptista, lutheriana etc....adventista ko raha tianao apetraka eto izy..

Jereo Asan'ny aposoly 15.
afohezo kely inona no tianao lazaina ao @ Asan'ny apostoly 15...
satria izay tiany ihany no teneniny ary nanasorany ny baiboly kanefa hoy ny teny dia izay voasoratra dia voasoratra, teny tsy azo analana na anasorana ny baiboly.

raha lazainao fa ny adventista no manala izay tiany to otran'ny contradictoire be ilay lazainao satria ry zareo manaraka ny baiboly?????

Tsy mitombona izay lazainao.. tsy mahagaga ianao raha manao ps xxxxx

50. prime ( 06/11/2006 07:22)
yonika> tsy azoko...:lol:
51. dailynews ( 07/11/2006 21:11)
mialatsiny fa izay ity lahateny ity vao vitako fa mbola betsaka ihany koa ny adidy amandraharaha. lava be tokoa ka enga anie nareo tsy ho leo be. fanampin ny resaka tetsy ambony moa izy ity.
http://dailynews.blaogy.com/
52. prime ( 08/11/2006 12:16)
misaotra daily...
53. dailynews ( 08/11/2006 13:47)
:wink:
54. prime ( 10/11/2006 13:33)
Ka tsy efa voavaly amin'izay v ry yonika?:lol:
55. yonikafopl ( 10/11/2006 18:18)
prime efa azo lazaina fa nisy valiny ka.
Fa ny mahagaga ahy dia izay rehetra nosoratako teto hatramzay, dia tsy nisy nivoaka daholo, mais c pas grave,za mamaky izay voalaza. Asa ity na hiseho indray na tsia kalou.
56. prime ( 13/11/2006 08:58)
yonika> Zany v? tsara manoratra @ mpandrindra ianao raha izany... Izaho koa mantsy efa tratran'izany ihany indray mandeha dia gaga ihany avy eo satria lava2 ilay voasoratra no voafafa...
57. Mpino ( 18/11/2006 21:09)
Tsy marina ny filazana fa TJ no niandohan'ny Adventiste satria samy manana ny tantarany ireo.
- Ny TJ tsy mino an’I Jesosy ho zanak’Andriamanitra
- Ny Adventiste, arak’izany anarany izany dia “Miandry ny fiavian’I Jesosy “ fanindroany.
Raiso ary ny baibolinareo ary jereo ao ireto zavatra lazaiko manaraka ireto

1er : ZAVA-PADIANA (Fa nahoana ?)
Raha ny marina dia tsy natao hihinan-kena akory isika olombelona fa hazo manitsam-boa no sakafo idealy natokan’Andriamanitra ho antsika Noho ny safo-drano anefa (izay vokatry ny fahotantsika ihany) dia namela an-dra-olombelona hihinan-kena Andriamanitra. Ary noho ny maha « FITIAVANA » Azy dia navahany izay azo sy tsy azo hanina amin’ireo biby.

Mahay noho Andriamanitra namorona anao ve ianao (izay « CREATURE ») ka sahy hilaza fa tokony izao sy izao no haninao

Ary raha ny hoe efa « azo hanina ireo zava-padiana satria efa nodiovin’Andriamanitra » dia DISO TANTERAKA satria tsy izany no hevitry ny fahitana izay niseho tamin’ny Simona Petera fa ny fanomezana alàlana hifanerasera amin’ireo jentilisa nanantona an’Andriamanitra
Vakio ary avereno vakiana ny Asan’ny Apostoly Toko faha 10 (andininy rehetra) izay mitantara an’i kapiteny Kornelio ( Jentilisa - Romana) nasain’Andriamanitra nampiantso an’i Simon Pierre (Jiosy) mba hampianatra azy ny tenin’Andriamanitra.
Fahitana (vision) : Acte 10 Chap 11 à 16
Heviny (Signification) : Act 10 Chap 28

Fankatoavana (Obéissance) no tatiavina amintsika olombelona ka diso ve ny adventiste raha mankatoa ka manaraka izany torohevitra (consigne dietetique) izany ?. En plus torohevitra avy amn’Andriamanitra .

Na izany aza dia tsy nilaza, na milaza, na hilaza ny Adventiste fa didy na condition de salut ny fihinanana na ny tsy fihinanana izao sy izao.


2ème : NY DIDIN’ANDRIAMANITRA (Lany andro ve ?)
Ny BAIBOLY dia ny fitambaran’ny Ancien sy Nouveau testament fa tsy ny Nouveau ihany akory. Ary tsy natao ho an’ny Jiosy irery ihany akory ny tenin’Andriamanitra fa ho an’ny rehetra.

Inona moa no navalin’i Jesosy raha nanontaniana Izy ny amin’izay lehibe indrindra amin’ny didin’Andriamanitra ?
Ireto roa manaraka ireto no namintinany azy :
- Tiava ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra ……
- Tiava ny namanao ….
Ary mbola azo fintinina hoe “FITIAVANA FARATAMPONY” (amour agape)

Dia ho takatry ny sain-kelintsika olombelona ve raha ireo teny famintinana roa ireo ihany no nilazan’Andriamanitra ny didiny e:?.
Misaora Azy nanome detail (Didy folo).
Jesosy rahateo dia nilaza mazava tsara fa tsy tonga hanafoana fa hanatanteraka ny didy
=> TSY FOANA NA NANESORANA NY DIDIN’ANDRIAMANITRA

Na dia efa mazava tsara (NOIR sur BLANC) izao aza ny voasoratra ao amin’ny Baiboly (jereo ny baibolinareo) dia mbola sahintsika olombelona ihany ny ;
- MANOMPA AN’ANDRIAMANITRA amin’ny filazana fa ny PAPA no solotenan’ny zanak’Andriamanitra ety an-tany (fa tsy ny fanahy masina)
- MANOVA NY DIDINY ka sahy ankitsirano izao milaza fa ny andro voalohany (Alahady: izay nitsanganan’I Jesosy tamin’ny maty) fa tsy ny faha fito (Fa sabatan’I Jehova ny andro faha fito ..) no nasain’Andriamanitra hitsaharana.

Marina fa na aiza na aiza ary na amin’ny fotoana inona dia mety hiderana an’Andriamanitra saingy matoa nataony anisan’ny didy folo izany dia tiany avahana amin’ny andro rehetra satria (jour de repos par excellence)
· Nitsahatra Andriamanitra tamin’ny andro faha fita
· Nahemotra ny fanosorana (embeaumage) ny fatin’I Jesosy satria mitsaika ny andro faha fito
· Nitsahatra tsy nandatsaka mana, tany an’efitra, Andriamanitra isaky ny andro faha fito ary nandritry ny 40 ans hanamarihany manokana izany andro izany
· …..


CONDITION DE SALUT : Izay MINO (Finoana fa Andriamanitra no nahary izao tontolo izao ….) sy VITA BATISA (Madio mangatsakatsaka, tsy misy pentin’ny fahotana ) NO HANDOVA NY FANJAKAN’NY LANITRA

Ny FANAHY MASINA (paraclet izay nalefan’I Jesosy hisolo azy ety an-tany) sy ny famindrapon’Andriamanitra no hanampy ny olombelona hahatanteraka izany.

FAHOTANA : Fandikana ny didin’Andriamanitra.

IZAY MINO sy NATAO BATISA kanefa TSY VITA BATISA dia tsy handova ny fanjakan’ny lanitra satria tsy vita indray andro ny fanaovana batisa fa ny androm-piainanao iray manontolo

Arovy tsara ny jiro narehitrao (NATAO BATISA) tsy ho faty (VITA BATISA) mandra-pahatongan’I Jesosy amin’ny andro farany


58. xxx ( 20/11/2006 07:37)
Sectes ireny fa aleo tsy dinihana fa efa mitapy daholo ny olony
59. Mpino ( 20/11/2006 17:32)
xxx:

Sectes ireny fa aleo tsy dinihana fa efa mitapy daholo ny olony


Aiza re izany ry xxx ?
Kibokiboin'ny marina voalaza ao amin'ny Baiboly ve ianao ka valy boraingina sisa atao.Na ny dikan'ny hoe "Sectes" aza toa tsy fantatrao akory.
60. Zina ( 20/11/2006 20:12)
Kibokiboin'ny marina voalaza ao amin'ny Baiboly ve ianao ka valy boraingina sisa atao.Na ny dikan'ny hoe "Sectes" aza toa tsy fantatrao akory.

betsaka mihitsy ny otran'io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3085