Ny temoin de Jehovah sy ny Adventiste

21. soanja ( 30/10/2006 15:02)
Tsy fantatro ny baibolin'i Adventista fa ny baibolin'i TJ de misy mahasamihafa azy ny amin'ny baiboly protestanta sy ny baiboly katolika. Ka asa na iza no manana ny marina fa miresaka ry zareo hoe teo amin'n fandikana teny Hebreo na ilay teny hafa nampisain'i mpaminany tamizany ho teny Anglisy alo no fantatro dia nisian'ny lesoka.
ka ny fahamarinana dia ao amin'i Kristy ny fahitako azy fa aza variana loatra aminzay soratra satrai iny nosoratan'olombelona.
22. jentilisa ( 30/10/2006 15:51)
ny baibolinn'y TJ nampifanarahiny tamin'ny finoany ka nanesorany na nanovany izay tsy mifanaraka aminy
23. dailynews ( 30/10/2006 17:21)
Ie, ny kely mba fantatro ihany koa araka mba fanampiana ny efa voalazan ny namana sasany ihany dia ny TJ dia tsy mino an i Jesoa ho Atra ary tsy mino akory ny fanavotany sns izay nataony fa aminy dia tahaka ny mpaminany ihany Izy izany hoe mitovy lahatra amindry mosesy sy sy elia sns izany anefa ny tenin Atra dia milaza eto ambany fa:

Raha te hihavana amin' JEHOVAH Atra dia mila mandalo an i JK => "..aoka isika hanan fihavanana amin Atra amin alalan i JK tompontsika"
=> Jaona 14:5 " Hoy Jesoa taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana , TSY MISY mankany aminy Ray hafa tsy amin ny alalako"
=> Jaona14:9 " ..Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; ko nahoana no anaovanao hoe asehoy anay ny RAY? tsy mino va ianoa fa Izaho ao amin ny Ray ary ny Ray ato amiko?.."

Ary koa ilay JEHOVAH izay resahina aza dia efa nametraka an i JK hanana toerana ambony tokoa tsy tahaka andry elia sy mosesy izay mpaminany ihany fa=>
jaona 1:3 " Izy, (ny Teny, Jesoa io) no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra izao na dia iray aza"

famintinana=> izaho manokana izany dia tsy mino fa kristiana ny TJ satria izy dia tsy mpanaradia an i Kristy izay Izy Jehovah Atra mihitsy no efa nametraka Azy teo amin ny toerana maha hoe Izy no nahariana izao rehetra izao sns...ary amin ny alalany no hahitana ilay JEHOVAH RAY.

ny adventista indray dia mino aho fa kristiana izy ireo saingy ny fombafombampivavahana avy ety ivelany no samihafa araka ny efa voalazan ny namana sasany.
ohatra ny sabata sy ny kisoa sns....

resaka sakafo=>

Romana 14: 2-3 "ny anakiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anakiray kosa dia malemy finoana ka mihinana zavamaniry ihany. AOKA NY MIHINANA TSY HANAMAVO NY TSY MIHINANA; ary AOKA NY TSY MIHINANA TSY HANAMAVO NY MIHINANA, fa Atra no efa nandray azy. .....
Mation 15:11 => "tsy izay miditra amin ny vava no mapahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin ny vava, izany no mahaloto ny olona"

raha ny marina izany na mihinana totozy aza aho ka ataoko ho an ny Tompo ny fihinana izany dia azoko hohanina tokoa saingy hihinana totozy ve aho??? tsia angamba.

resaka andro sabata=>

Romana 14: 5 "ny anakiray manaony andro anakiray ho mihoatra noho ny andro sasany; ary ny anakiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Aoka samy hatoky tsara ao amin ny sainy avy izy ireo. ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an ny Tompo ary ny mihinana dia mihinana ho an ny Tompo ary ny tsy mihinana dia tsy mihinana ho any Tompo. sady misaotra an Atra koa izy."

famintinako=>

amiko izany na mihinana kisoa na tsy mihinana ary na mandeha miangona sabotsy na lahady na alatsinainy rehefa ataoko ho an ny Tompo izany rehetra izany dia izay no zava dehibe sy ankasitrahin ny Tompo.
fombafomba avy ety ivelany ihany ireo, fa ny Tompo rehefa tonga any andanitra tsy hanontany hoe iza no nihinan kisoa ary iza no tsy nihinana? iza no niangona alahady ary iza no sabotsy? ny fantatry ny Tompo dia hoe nanaiky ahy JESOA sy nandray ahy ve ianao t@ tany ambonin ny tany....



24. dailynews ( 30/10/2006 18:21)
fanampiny kely. raha ny fahafantarako ny judaisme indray dia hatreo amin ny testamenta taloha ihany no hinoany. mbola miandry ilay mesia izay ho avy izy fa tsy ninoany hoe i Jesoa ilay mesia izay tonga 2000 taona mahery kely izay ...

izay ihany ho haiko anefa efa zava dehibe izay angamba hahitana hoe aiza ho aiza izy ireo....
25. Zina ( 30/10/2006 20:23)
dailynews a ea resaka be natao teo ireho.
Ny sabata: Io dia andron'Andriamanitra io (The day of the Lord) ka rehefa te hanaraka isika tsara rehefa tsy hanaraka - CHOIX koa io...
Exodosy 20: 10, Mark 2:27 Isa: 58 13, 14
sy ny kisoa: io lazain'ny Mat 15:11 io dia tsy literaly io betsaka mihitsy ny versets ao @ baiboly parabole na symbole ka tsy tokony juste mifikitra @ verset iray mila mitady versets hafa hi-appuyer an'io...
Romana 14: 2-3 "ny anakiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anakiray kosa dia malemy finoana ka mihinana zavamaniry ihany. AOKA NY MIHINANA TSY HANAMAVO NY TSY MIHINANA; ary AOKA NY TSY MIHINANA TSY HANAMAVO NY MIHINANA, fa Atra no efa nandray azy. .....

ity indray dia miteny momban'ny jentilisa io fa tsy momban'ny sakafo...
26. Achia ( 30/10/2006 20:42)
dailynews:

fanampiny kely. raha ny fahafantarako ny judaisme indray dia hatreo amin ny testamenta taloha ihany no hinoany. mbola miandry ilay mesia izay ho avy izy fa tsy ninoany hoe i Jesoa ilay mesia izay tonga 2000 taona mahery kely izay ...

izay ihany ho haiko anefa efa zava dehibe izay angamba hahitana hoe aiza ho aiza izy ireo....



Fa nga moa ny baiboly jiosy tsy misy Isaia , faizy mitsy no efa tsy te ahalala ilay Mesia tonga teo @ , oa @ Isaia mantsy no misy ny fanambarana ny fiaviany i Mesia io a !
27. Zina ( 31/10/2006 03:35)
Romana 14: 2-3 "ny anakiray mino fa mahazo mihinana ny zavatra rehetra izy, fa ny anakiray kosa dia malemy finoana ka mihinana zavamaniry ihany. AOKA NY MIHINANA TSY HANAMAVO NY TSY MIHINANA; ary AOKA NY TSY MIHINANA TSY HANAMAVO NY MIHINANA, fa Atra no efa nandray azy. .....

Tsisy idiran'ny sakafo mihitsy ny dikanio. Celui qui a la foi eclairee ne doit pas mepriser les scrupules de conscience du faible... Momban'ny finoana no tiany lazaina eto... vakio anie ny Rom.14: 1 dia itanao ny dikany... mila mamaky ny contexte rehetra rehefa mamaky baiboly...
28. Fiffi ( 31/10/2006 06:12)
hummmm! tena mahaliana be ny mamaky ireo zavatra rehetra nolazainareo ireo an!
29. ranini ( 31/10/2006 08:12)
mafinaritrta aloha le hevitrareo ary zay mitsy no martsara ny dinidinka toy izao.
izao no fiandohan'ireo finoana roa ireo.niara-nadinika ny Baiboly i Barbour sy C.Taze. I barbour nino fa ho avy @ 1848 io i JK ary ho hit maso nanao kajy hafa izy taty aoriana fa hoavy i JK nefa moa Tsy tonga iany; izy no nampianatra an'i C;Taze ny baiboly .nandeha ny fotoana nisy zvt tsy nifaneken'izy ireo dia ny hoe TONga nofo JK refa miverina ;moa Taze nanao hoe tsy hita maso izy, teo koa le hoe divinité ny Jk, izay ny fivavahan rehetra no manaiky an'izay,Dia nisaraka ary izy Roalahy de izao hitatsika izao;Ny Adventiste mbola mitan ny heviny ny @ fiverenan'i Kristy hitaz maso, nyTJ efa mino fa efa tongaz i JK t@ 1914 ary lasa mpanjaka.Manaiky koa izy ireo fa @ alalan'ny JK iany no ahazoan ny Famonjena.satria maty mba hamonjy ny olona retra izy .Tsy midika anefa fa tsy kristianina izy ireo ra tsy mivavaka @ JK.ny azy no marina satria aniie Jesosy nampianatra nivavaka hoe"RAINAY IZAY ANY AN-DANITRA" tsy midika izany fa ilaina ny mivavaka @ Jk.JK anie mpanelanelana @ olona sy Jehovah noho izany de @ Jehovah irery iany no tokony hivavaka faz @ anaran'i JK.mbola maika za fa tohizako refa avy eo.
30. majesty ( 31/10/2006 09:47)
hoy i dailynews:

amiko izany na mihinana kisoa na tsy mihinana ary na mandeha miangona sabotsy na lahady na alatsinainy rehefa ataoko ho an ny Tompo izany rehetra izany dia izay no zava dehibe sy ankasitrahin ny Tompo.
fombafomba avy ety ivelany ihany ireo, fa ny Tompo rehefa tonga any andanitra tsy hanontany hoe iza no nihinan kisoa ary iza no tsy nihinana? iza no niangona alahady ary iza no sabotsy? ny fantatry ny Tompo dia hoe nanaiky ahy JESOA sy nandray ahy ve ianao t@ tany ambonin ny tany....


Na ny alika na ny voalavo ary ve zany ho azo hanina refa atao @ anaran'ny tompo izany,sao d mba samihafa aza zany Jesosin-tsika zany8O
31. prime ( 31/10/2006 12:23)
Miverina amin'ny famakiana lalàna isika raha mitohy izao adihevitra izao...
32. ranini ( 31/10/2006 13:51)
sty misy teny mitsy ao @ baiboly fa tokony hitandrina sabata na tsy ihinanan biby maloto ny kristianina.ary tsy mila mitandrina andro toy ny sasany fa refa mety de zay. ny hoe mivavaka lahady ny tj de diso satria misy ny mivavaka sabotsy.tsy mitandrina sabata rizareo no tsy mifady biby zany fa ny rà sy ny fijangajangana ary ny sorona @ sampy no tsy ataony.
33. dailynews ( 31/10/2006 17:11)
majesty> hihihi, nareo koa reto mba mandray antendrony kah..sur fa tsy hisy olona hihinana izany kosa e, raha tsy hoe efa misy hadalana angamba fa ny tiana asongadina dia ilay hoe: na kisoa io na omby io, tsy izany no zava dehibe tokony handanian ny kristiana rohindoha. fa araka ihany koa ilay lazain i ranini io.
Achia> aleo aloha indray izay mahay azy hilaza betsaka momba io mba tsy hilazako zavatra diso fa io ihany no haiko, ary tsy manana fotoana loatra aho izao handinihina indray ny resaka judaisme,.
zina> hazavao bebe kokoa hatrany ny tianao lazaina fa raha ilay romana 14 no teneninao fa tsy momba ny sakafo mihitsy dia tiako izany ianao hilaza amiko hoe inona ary no teneniny???
tadidio fa manankarena ny TA ary manana hevitra fonosina maro izy isaky ny situation izay misy. Ohatra: resaka jamba sitrana, raha jerena fotsiny izao dia hoe manasitrana ny marary ny Tompo, raha jerena hevitra ara panahy dia hoe manokatra ny mason' ny olona izay jamban izao tontolo izao ny Tompo iznay hoe ny jamba ara panahy ary mbola afaka manao izany sns...hazavao amiko ary ny hevitra ara panahin io. Ary tadidio fa raha misy ny hevitra ara panahy tsy afaka milaza ianao fa tsy miteny mivantana ihany koa ny Tompo. Manankarena ny tenin' Atra ka tsy afaka ferantsika.
raha ny marka 2:27 no tianao dia vao maika aza io manamafy ny romana 14:5 sy ny romana15:6 fa an i Tompo ny andro sabata. Ny fariseo izay voafehin ny lalana no niresaka aminy teto izay mitady fotsiny ihany ny hanenjika an i Jesoa sy hitady izay hirika kely indrindra aza hi critiquer na azy satria hoe tsy manaraka lalana I Jesoa. Matetika io no miseho ao amin ny testamenta vaovao, Jesoa na ny mpianany manasitrana andro sabata izay tsy azo atao indrindra raha ny lalana no jerena, anefa dia naseho ny Tompo izany hanambarana fa Izy no zava dehibe fa tsy ny andro sabata fa rehefa atao ami ny anaran ny Tompo dia izay no zava dehibe. Ny olona sitrana no zava dehibe fa tsy ny famatoran ny lalana. Izay hazavainy bebe kokoa raha mamaky ny epistily nosoratan i Paoly ianao. Ambonin izany dia hoy ny Romana 13:10:" ny fitiavana no fahatanteraha ny lalana"...noho ny fitiavana ireo narary no nanasitranan i Tompo t@ andro sabata fa tsy hoe noho ny lalana hoe tsy mahazo manasitrana ny sabata dia tsy ataony ilay izy..NOHO NY FITIAVANA. Ary raha tianao araka io voalaza io dia voafehi ny fitiavana ny lalana: satria aho tia dia tsy angalariko ny vadin ny namako; satria aho tia, dia tsy vonoiko ny namako; satria aho tia dia tsy hitady vavolombelona mandainga aho hiampangana ny namako; satria aho tia dia tsy hifosa na hiteny ratsy ny namako; satria aho tia dia .......
ary raha ny fihinana henakisoa sy fandehanana miangona andro sabotsy na alahady araka ny efa TA nomena etsy ambony dia noho ny fitiavana ilay Tompo no hanaovana ireo, raha hohaniko ny sakafo ka isaorako ny Tompo na henakisoa io na henomby io na zavamaniry fotsiny ihany rehefa hisaorako ny Tompo dia izay no hankasitrahany. Rehefa mahatsiaro ny Tompo aho amin ny andro izay natokako manokana ho Azy na lahady io na sabotsy io dia izay no ankasitrahany. Tsy tokony fatorana amin ny lalan intsony ny olona fa Jesoa aza efa nanasitrana ny andro sabata izay tsy azo atao mihitsy averiko ihany raha ny bokin ny lalana no jerena.
Ary en plus, raha hanaraka lalana anie...na ny fahotana aza izany mbola tokony hamonoana biby hahazoana ny rany ho fanatitra e, anefa izany dia efa vita ny Tompo t@ hazo fijaliana sns...
omeko TA ary ianao hanampiako azy indray raha tsy ampy ireny.
Romana 14:6 (momba ny andro sy ny sakafo)
Romana 14:20(sakafo)
romana14:14 (sakafo)Asa:10: 13-15(sakafo, tantaran i korneliosy)
marka2:27 (andro- an ny Tompo io andro io ary ny azy dia lalanan ny fitiavana)sns.........

34. Zina ( 31/10/2006 21:11)
Dailynews a lava be ny manazava azy fa jereo eto
misy ny rehetra mihitsy izay fanontaniana manitikitika itako
http://www.amazingfacts.org/media/radio/question_archive.asp?tName=All#
35. pissoa ( 31/10/2006 21:30)
:-D:-D:-D:-D:-D
36. dailynews ( 01/11/2006 15:15)
zina> misaotra nanome an ity fa misy zavatra interessants betsaka. na izany na tsy izany io resaka sabata io dia tsy hiteny betsaka intsony aho fa tsy nandresy lahatra ahy ilay izy satria dia efa betsaka ihany koa ny fampianarana hitako ny momba io ary efa niresaka betsaka momba io sy nanazava lava sy lalina ary nandresy lahatra lavitra noho io ka tsy ampiako intsony ny amin izay. saingy isika moa tsy hiady hevitra mandrakizay ny amin ny hoe mihinana sa tsy mihinana ary lahady sa sabotsy...satria efa nazavaiko teto, sy ny TA rehetra nomeko anao ireo, ary mino aho fa tsy io ihany ny fanazavana momba azy fa mbola afaka mandinika ny fampianarana momba ny lalana ihany koa. fa efa betsaka ny olona niady hevitra momba io teo alohantsika ary tsy izaho sy ianoa no farany fa mbola hisy ny manaraka.
ny zava dehibe dia ny fitoriana izao an I Jesosy Kristy fa Izy no lalana sy fahamarianana ary fiainana ary tsy misy tonga any amin ny Ray hafa tsy amin ny alalany. ny fihinana sy ny tsy fihinana dia aleo hijanona amin izao fa choix nao izany no tsy hihinana kisoa sy ny hiangona sabotsy dia tsy maninona izany, tsy maha tsy kristiana anao izany.( (miteny izany aho satria noho ny zavatra azoko amin ny lazainao avy eto)
ary fampatsiahivina farany tiako lazaina izay adinoko dia niresaka momba ny parabole sy ny symbole sns ianao, hamapatsiahiviko anao fa raha mandinika ny soratra masina ianao dia mahita fa JK no tena nampiasa io parabole io ary hitanao any amin ny filazantsara tahaka an i matio, marka, lioka, jaona izany. ary raha mijery ny epistily nosoratan i paoly ianao ao amin i romana, korintiana, filipiana sns..dia jereo fa miresaka mivantana amin ireo olona ao amin ireo toerana ireo izy fa tsy nanao tahaka an i Jesoa hoe: ohatra: nisy lehilahy iray nanana zanaka roa, na nisy lehilahy nanana ondry 100 ary very ny iray, na nisy vehivavy nanana farantsa, na nisy olona namafy, na.......tohizo.
tsy hiresaka momba ity intsony aho ary tsy izaho no handresy lahatra anao fa ny TA ihany koa tiako hojerenao akaiky mihitsy io Romana 14 io sy ny marka 2:27, ary ny tantara rehetra misy an i Jesoa miresaka amin'ireo fariseo sy sadoseo momba ny sabata sy ny lalana sns.....
ary farany lazaiko anao fa na miangona lahady sy mihinana kisoa aza aho dia tsoriko aminao fa ny fanaovako ireo dia ho an ny Tompo ary tsapako sy fantatro fa eo amin ny fiainako Izy. tsy hitako intsony izay lazaina fa choix marina io araka izay efa nolazianao.
lava koa izany resako izany.....hihihi, aleo aho handeha amin izay ary e. mazotoa.
pissoa> fa inona aky no mampihomehy?
37. Achia ( 01/11/2006 17:30)
Andraso fa misy fanontaniako kely @ daily ito aloha fa i Jesosy ve aloha nihinana kisoa e !? na ireny zava-padiana ireny e !
38. Zina ( 01/11/2006 17:45)

Dailynews a,
Tsisy maharatsy ny fitazomana an’izay fantatra-tsika ny momban’ny Baiboly.
Itako ianao fa tena mihezaka ny hanaraka ny TA mihitsy ary tena tsara izany. Nefa kosa isika tokony tsy hi-base @ took sy andininy iray ao @ baiboly fa mila manao recherche
be dia be mba hanamafisana an’ilay izy.
Tsy laviko ilay lazain’ny Rom. 14 indrindra ny faha 6. Ary betsaka mihitsy ny olona juste mi-basé an’io fotsiny nefa tsy mety izany raha tena te-hanaraka ny dian’ny Kristy isika dia mila mamakafaka ny rehetra, mila curieux oe ahona no nahatonga an’itsy sy eroa mitady recherche any @ encyclopdie oe taiza no nihambon’ity fisarahana ity. Mijery ny ancienne histoire rehetra etc…. Dia avy eo amin’izay miteny oe iza sy aiza marina no tena izy?
Tsy miteny aminao aho oe ny ahy no marina, na hoe ny an’ny adventiste, na Katolika no marina. Ny tiko lazaina dia isika mila mahafantatra betsaka mihitsy ny baiboly (ary tsy misy afa tsy ny baiboly ihany) mitady ny tena fahamarinana. Raha itanao fa ny anao no marina tsy azo lavina mihitsy izany tsy midika oe zay ilay izy dia tsy hanao fitadiavana intsony aho. Asa aloha samy manana ny fisainany ra-olombelona. Ny ahy raha ohatra mbola itako fa misy fanazavana mitombona ka tena manaraka tsara ny baiboly dia iny no arahiko… hatramin’izao aho aloha dia mbola tsy nahita hafa…

Ary matoa aho hametraka an’ireto toko sy andininy ireto tsy milaza oe ny hay no marina fa mametraka azy eto mba ho fanampiana an’izay efa ato….
Ny momban’ny sakafo : efa lazaina ao @ Levitikosy 11: 8
Ary hoy koa ilay lazain’ny Isaia 66: 15-17

Ny momban’ny Romana 14 (ny momban’ny izay ho hanina) io dia mila fihanarana ny momban’ny olona t@ andron’ny korintiana taloha t@ andron’ny Paul. Ny fatatro kely dia ry zareo dia mbola jentilisa (pagan) ary mbola manao sacrifisy na biby pour leur Idol avy eo ataon-ndry zareo sakafo izay ambony ao @ tempoly ny jentilisa.
http://www.amazingfacts.org/media/radio/question_archive.asp?tName=Health

Ny momban’ny Sabata indray: Exodosy 20: 8 Mahatsiarova ny Sabata hanamasina azy.. raha jerenao tsara tsisy afa tsy didy faha 4 io ihany no nasian’Antra oe mahatsiarova…satria fantany fa ho adinon-tsika ny Androny izay lazain’ny Mark 2: 27, Mat 12:8 ko, Isaia 58: 13,14 Ezek. 20: 12 Jeremia 17: 19-27 betsaka mihitsy milaza ny sabata.
http://www.sabbathtruth.com/sabbath_changed.asp

Tamin’ny Jesosy maty andro faha firy izy no maty - Ny zoma dia inona no nataony t@ sabata – nitsahatra izy - nitsangana izy t@ andro voalohany. Jereo Mat 28:1, Mark 16, 1, John: 20: 1… Izy ary nanaja ny Sabata ko tsika ndray ve no tsy hanaja?

Atsika ny safidy Andriamanitra Izy tsy hanery antsika, SAFIDY daholo ..Antsika fotsiny no miheritreritra….

39. rabaradaka ( 02/11/2006 08:02)
Ny an'i jentilisa misy marina fa ny Témoin de Jéhovah dia tsy kristiana ary azo ambara ho anti-christ izy ireo. Ny advantiste indray dia azo heverina ho kristiana saingy diso manaraka ny dogme izay efa tokony hojeren'ny lalàn'ny fiangonana ankehitriny
40. prime ( 02/11/2006 12:16)
Izaho kosa mitovy hevitra @ dailynews... fa ny tena fototr\'ity lohahevitra ity raha tsy diso aho toa tsy resaka fifandresen-dahatra ny @ andro sabata sy ny hanina raràn\'ny lalàna tsy hohanina fa fanontaniana mamakafaka araka ny fanirian\'i yonika ny mahakristiana na tsia ny advantista sy ny vavolombelon\'i Jehovah ary ny fifandraisan\'ireo @ fivavahana jiosy...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009