Metisy!

1. vale ( 26/10/2006 14:31)
Miarahaba e,
Hono hoà mba lasa ny saiko e, raha gasy izany no metisy dia gasy ve izy sa vazaha, ny fandraisan'ny olona azy? (raha ho antsika gasy ohatra dia inona no tonga dia fandraisana io olona io? hoe gasy ve izy sa vahiny, ) ihihihi, ny ahy aloha dia raha mahita gasy metisy dia tonga dia eritreretiko hoe vazaha izany ilay olona e ianareo no asa? (ps:reflexe-ko t@ zaho mbola tany m/kara io) :wink:
novalian'i Fiffi ny 06/11/2006 18:41
2. dolby ( 26/10/2006 14:44)
Ny anay taloha ny metisy dia tena hafa kely ny fandraisana azy satria vao miteny hoe metisy dia hoe tsara tarehy : nisy metisy sinoa kely izay, nisy metisy karana sns.

Dia amin'io maha metisy azy io raha hoe gasy ny ampahany dia ilay fihaviana iray no nandraisana azy fa izany hoe 'abordable' , izany hoe raha metisy sinoa dia raisina ohatran'ny hoe sinoa nefa azo resahana, sipaina, vadiana...


Toy izay .
3. cutie ( 26/10/2006 14:46)
gasy daholo ny fandraisako azy aloha e , raha mipetraka ao Dago le metisy .:lol::lol::lol:
4. xxx ( 26/10/2006 14:52)
raha metisy gasy/frantsay ohatra dia
- gasy rehefa any Frantsa
-vazaha rehefa any M/car ,

satria miavaka @ rehetra foana ny physique-ny (mainty pour être vazaha, trop clair pour être gasy)
5. ninih ( 26/10/2006 15:07)
fangaha tsy ny ray no mitondra ny anarany e? raha gasy ny rainy de gasy no mi-domine. fa raha vazaha ny rainy de vazaha izy izany. fa tsy hoe vazaha pure fa metisy. ihihihihi
6. vale ( 26/10/2006 15:13)
xxx:

raha metisy gasy/frantsay ohatra dia
- gasy rehefa any Frantsa
-vazaha rehefa any M/car ,

satria miavaka @ rehetra foana ny physique-ny (mainty pour être vazaha, trop clair pour être gasy)
io fijerin'i xxx io koa ny ahy tany m/car, tonga aty indray dia gasy daholo ny fandraisako azy! hihi!!


7. vale ( 26/10/2006 15:15)
cutie: hihihihi, ny ahy indray ny mifanohitra ny fijeriko azy -tany m/car) fa tonga aty ny fandraisan'ny vahiny azy de gasy foana, ihihihihi:wink:
8. vale ( 26/10/2006 15:18)
ninih: ie hihihi
9. dailynews ( 26/10/2006 15:30)
xxx:

raha metisy gasy/frantsay ohatra dia
- gasy rehefa any Frantsa
-vazaha rehefa any M/car ,

satria miavaka @ rehetra foana ny physique-ny (mainty pour être vazaha, trop clair pour être gasy)

ohatran'ny mitovy hevitra aminao aho. fa tsy haiko fotsiny hoe maninona ianao miafina anefa ilay lohateny tsy dia hoe misy zavatra tokony hiafenana akory.

10. dailynews ( 26/10/2006 15:35)
ny olona metisy koa anie trano hipetrahany io vatana io fa ny sainy ao anatiny no mitondra azy e. raha tsy minamana amin ny gasy mihitsy izy no sady tsy miteny gasy dia tahaka ny efa very ilay maha izy azy izay..lasa vazaha tanteraka no fahitako azy.
fa na dia vazaha be aza ny eto ivelany anefa izy miteny gasy, gasy namana, fomba sy fanao dia hitako hoe gasy izany.
11. kally ( 26/10/2006 15:54)
Marina io tenenin'i Dailynews io, tsy ny endriny loatra no mitondra azy fa ny fiteniny. tsaroako nisy namanay avy any anindrana izay, manga ny masony, mena ny volony, dia vazaha izao izy raha hitanao e! sady le vazaha rahateo no fiantsoanay azy, dia indray mandeha samy niresadresaka teo izahay dia hoy ilay namanay iray hoe "hay ve gasy ity le vazaha ity e?, jerena ohatry ny vazaha mihitsy!!!":lol:
12. Fiffi ( 26/10/2006 15:57)
fa nahoana no tondé foana raha vao miresaka hoe metisy de vazaha zay ? izay olona teraka ka tsy mitovy fihaviana ange de metisy daholo eh ! ohatra fotsiny karana sy gasy ? de metisy inona zany ?

13. vale ( 26/10/2006 16:00)
daily: :)izay ve lay hoe ny fitenin'ilay no mitondra an'ilay izy?:wink:
14. dailynews ( 26/10/2006 16:07)
Fiffi:

fa nahoana no tondé foana raha vao miresaka hoe metisy de vazaha zay ? izay olona teraka ka tsy mitovy fihaviana ange de metisy daholo eh ! ohatra fotsiny karana sy gasy ? de metisy inona zany ?



fomba firesaka io fiffi a, fa mety metisy fihaviana hafa izy, azonao soloina io vazaha io ho sinoa, na karana araka izay hitiavanao azy.

15. dailynews ( 26/10/2006 16:12)
vale:

daily: :)izay ve lay hoe ny fitenin'ilay no mitondra an'ilay izy?:wink:

ie, ny mahatonga ahy miteny izany dia noho ny fahitako ny amerikana angamba, ry zareo dia manaiky tanteraka fa rehefa teraka eto ianao na mainty na fotsy na sinoa na latino na inona na inona fiavianao dia amerikana ianao izay rehefa miteny ny fiteniny tys misy accent ary manana nationalite amerikana ary mitovy fomba fisainana sy fomba fanao amin izy ireo.

fa izao kosa.. raha resaka race indray dia tahaka izao.... raha fotsy hoditra ianoa no misy ra mainty dia aminy izay dia mainty hoditra foana ianao na fotsy be tahaka ny inona aza....
ny misy ra asiatika sy ny latino dia tahaka izay ihany koa sns...


16. dailynews ( 26/10/2006 16:16)
hay azafady fa hay moa amintsika gasy no niaingana...aza jerena ary izany ny ilay zavatra vao nolazaiko teo fa fomba fijery hafa iny.
17. Aino ( 26/10/2006 17:30)
ny ahy dia gasy ihany no fandraisako azy. na fotsy be nanahaka ny vahiny az any endriny dia gasy ihany rehefa hoe metisy.
18. vale ( 26/10/2006 18:19)
Fiffi:

fa nahoana no tondé foana raha vao miresaka hoe metisy de vazaha zay ? izay olona teraka ka tsy mitovy fihaviana ange de metisy daholo eh ! ohatra fotsiny karana sy gasy ? de metisy inona zany ?


Fiffi: ka ilay metsisy vazaha no resahiko eto aloha e!:lol:


19. vale ( 26/10/2006 18:27)
kally: hihihihihihihi:oops:
20. vale ( 26/10/2006 18:31)
daily: tena marina mihitsy koa ilay hoe na fotsy be tahaka ny inona koa aza oh le ol ka misy rà hafa, na vazaha na latino, sns, de vahiny izay @ ndry zareo (ny aty frantsa koa manao an'io,:°) ihihihihi):-*
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4483