Ratsan-tanana mampiasa saina

1. kitjo ( 25/10/2006 12:37)
Niady hevitra izany izahay ato efa hatry ny ela tsy mbola voavaly foana

Inona kay ny anaran'ilay ratsan-tanana anelanela'ny fanondro adala sy ny akihikely @teny gasy?
novalian'i kitjo ny 04/11/2006 06:40
2. lapino ( 25/10/2006 12:45)
manara-poana
3. Kamoufle ( 25/10/2006 14:48)
ç'est le DOIGT D'HONNEUR......:lol::lol::lol::lol::lol:
4. vale ( 25/10/2006 15:44)
manara-poana ny anarany...
5. ninih ( 25/10/2006 15:53)
izany mintsy io no antsoin' ny gasy hoe manara-poana hono e!
6. Fiffi ( 25/10/2006 16:12)
tsy hoe manarakara-poana ve ?
7. ninih ( 25/10/2006 16:29)
manara-poana kah!
8. kitjo ( 25/10/2006 18:27)
hihihi
eo ndrindra lay mampi doika oe manara-poana sa fanara-poana sa manarakara-poana

misaotra e!

eritra2 fts iny kay tao ihany zany ilay ...ara-poana
9. kelly13 ( 25/10/2006 18:31)
eny tokou e fa maninn izy io no antsoina hoe manara-poana? d maninona ilay lava b no atao hoe fanondro adala? adala v ze tondroin'io ? :?
10. kitjo ( 25/10/2006 18:43)
sao d le refa manambady dia atao eo ny peratra milaza fa manambady d aveo manara-bady d lasa manaranara-poana? hahah

mandefa eritreritra!:roll:

ilay fanondro adala ndray tsy haiko raha misy idirany fa misy olona ilay ataoko oe "misy zavatra inoany" fa tsy ataoko oe "minomino foana" an,
rehefa manondro zavatra (fasana ohatra na toerana lazaina ho fady) dia azo tondroina @fanondro fa @le fanondro adala na avokona daholo ny rantsana...ka tsy haiko oe izay ve sa rehefa manondro adala dia io koa no nampiasaina?
11. Aino ( 25/10/2006 20:58)
raha ny fahatadiavako azy dia manara-poana
akihobe, fanondro,fanondro-adala,manara-poana dia akihokely!!
izay moa ilay izy? de mba ahoana koa ny fanoratana azy tsy izay aho vao mba nanoratra azy hatr@ izay nahalalako azy de tsy hay hoemety sa tsia.:roll:
12. simplex ( 25/10/2006 21:13)
kelly13:
d maninona ilay lava b no atao hoe fanondro adala? adala v ze tondroin'io ?

izao le finoanoam-poana @ fanondro adala:

ra @ fanondro adala enao no manondro lanitra ka ataonao eo imason'ol iray, d tsy maintsy ho tezitra io ol io.
Andramo anie e ;-):°):-D

Aza haparitaka fa manjary misy makobo an ;-):-*
13. cutie ( 25/10/2006 21:19)
simplex, tapaka ny tsinaiko =))=))=))=))=))=))
14. simplex ( 25/10/2006 21:24)
8)8)
nandaitra nga le izy,
sa kou ndry minomino foana :-P:°):-*
15. cutie ( 25/10/2006 21:27)
ra @ fanondro adala enao no manondro lanitra ka ataonao eo imason'ol iray, d tsy maintsy ho tezitra io ol io.

io e =))=))=))=))=))
16. vale ( 25/10/2006 21:57)
cutie:lol::lol::lol:nareo tsss=))=))=))=))=))
17. cutie ( 25/10/2006 22:20)
i simplex ihany io namoan-tsampona io e :-D:-D:-D:-D
18. mimich ( 26/10/2006 06:32)
manara-poana no fahalalako azy. Avokòny tsi-1-1 anie ny ratsan-tananareo ee, de izy io an!!rehefa avonkona ny ankihikely na ilay fanondro adala de manaraka ho azy izy fa tsy afaka mitsotra toy ny rantsana rehetra. de toa izay no maha manara-poana azy raha tsy diso aho.
19. kitjo ( 26/10/2006 07:17)
hihihihi
marina!

Aino: ho ahy ndray reto ny fomba fanoratro azy,
ahitsiho ry reto an:
ankihibe- fanondro- fanondro adala- manara-poana/fanara-poana(raha io izany)- ankihikely
20. pika ( 26/10/2006 10:00)
manara-poana e
kitjo marina io
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3216