Hira mahafinaritra ahy

1. soanja ( 23/10/2006 15:29)
Misy an'ity hira ity sao mba misy mahalala ny tonony azafady.

"Mahaiza misaotra sy mankasitraka
Ny Tompo nahary nifidy anao
Tanatin'ny maro, tanatin'ny tsara misaora.

Niangaram-pitiavan' i Jesoa tokana
Natorony lalana lavorary
Tsiambaratelon'ny avy amin'ny Ray
Misaora."

De tsy tadidiko ny tohiny. Sao mba misy mahatadidy re. Misaotra mialoha.
novalian'i prime ny 08/11/2006 12:27
2. cutie ( 23/10/2006 15:35)
tadidiko we hira katolika io , fa tsy mahay ny tonony za.
3. hery ( 23/10/2006 16:08)
Andininy voalohany ihany no haiko tsianjery

Mahaiza misaotra sy mankasitraka
Ny Tompo nahary nifidy anao
Tanatin'ny maro tanatin'ny tsara
Misaora

Niangaram-pitiavan'i Jesoa Tompo ianao
Natorony lalana lavorary
Tsiambaratelony avy amin'ny ray
Misaora

Isika va re no mahay mifidy?
Isika no tsara mahatehotia?
Isika no hafa noho ireo nania?
Misaora
Fa izy no tsara sy henintsoa
Fa izy hatrizay no nitia mialoha
Niantso mangina ny anaranao
Misaora

(tohizo Pissoa aaaa :-))
4. maso ( 23/10/2006 16:15)
Aleo fa tohizako kely ndray

2- Mba tsarotsarovy irony lasa
Tombatombano izay kinasa
Tsisy tafita raha tsy ny Tompo: misaora
Na teo ny oram-baratra sy ny tselatra
Na teo ny andro sarotra sy ny haizina
Tsy nisy nikemo fa teo lalandava ny Tompo
5. maso ( 23/10/2006 16:18)
3- Fa inona kosa no havalinao
Ny tombom-pitiavany tsy nandao
Nanenika ny fiainanao tontolo? Misaora
Aza misasatra mankalaza
Manandran-tanana ho fiderana
Ilay Tompo tia miahy anao: Misaora
6. vale ( 23/10/2006 16:46)
=D=D=D....tsara tokoa io hira io!!:)
7. kelly13 ( 23/10/2006 17:33)
ndryyy mampatsiaro t@ izahay tao @ KMM zany hira zany! le izy atao mifanarakaraka b (tsy tadidiko ny filaza azy) no tena mmhhh mahafinaritra!!
8. sipagasy ( 23/10/2006 19:09)
mmhhh kay tao koa i kelly13?? dia izao akia injy aiza kouuuuuu?????
9. soanja ( 23/10/2006 20:29)
Tena afapo tanteraka mihitsy. Atolotro anareo rehetra eto zany hira io ho fisaorantsika an'Andriamanitra, izay tsy voatanisa ny fitiavany lalina.
Misaotra anareo nanampy ahy sy nampisondrotra ny iangam-panahiko hidera sy hisaotra ary hankasitraka Azy lalandava.:-*:-*:-*:-*:-*(l)
10. vale ( 23/10/2006 21:20)
soanja:misaotra nahatsiaro, ny ahy indray hatsiarovako ny t@ mbola nianatra tany @ ndry masera taloha io hira io!:):-*:-*:-*:-*
11. cutie ( 23/10/2006 21:27)
ny ahy koa:lol::lol::lol::lol:
12. soanja ( 24/10/2006 02:56)
Vale sy Cutie, itovizantsika zany io ka dia faly aho. Hiraiko matetika io hira io ho fisaorana an'Andriamanitra saingy tapaka eo amin'ny farany haiko eo le izy satria tsy arako ny tonony. Soa fa misy anareo rehetra eto. I thank you.:-*:-*:-*:-*
13. mimich ( 24/10/2006 06:04)
mbola misy and faha 4, ity eto ambany eto ity:
4- Akaro ny vavaka arahin-kira
Akaro ny vavaka ho fihobiana
Ho setrim-pitiavana isan'ora. Misaora!
Atreho ny Tompo manao Sorona
Kalisim-pisaorana avy amin'ny RAy
Ny Ainy natolony mba ho ohatra.Misaora!
14. mimich ( 24/10/2006 06:14)
kelly13:

ndryyy mampatsiaro t@ izahay tao @ KMM zany hira zany! le izy atao mifanarakaraka b (tsy tadidiko ny filaza azy) no tena mmhhh mahafinaritra!!



kelly 13> njy ko nga mpianatr'i KMM, , de oviana!! hihih, mbola mahatadidy an le we Reninan'Atra mpanjaka ny lanitra , Maria Manjaka , anjakao izahay , etc... , de ny 4ème sy ny 3ème le manao beso fisaka refa any am refrain le we Ry Reninay (Ry reninay) , Mpanjakanay (Mpankjakanay) , hihih
15. pissoa ( 24/10/2006 08:39)
Kiiiii - taraiky be zah fa zao vao nahita an'ito :cry::-D:-D:-D

Hery:
(tohizo Pissoa aaaa :))

ny ahy aleo ilay hoe

misaoraaaaaa
misaoraaaaa
misaoraaaaa
misaora !


iny ihany no ataoko
:roll::-D:-D:-D
16. lapino ( 24/10/2006 16:24)
Pissoa, hita mihitsy ndry hoe zatra manao http://www.p800.at/p900/files/mp3/special_ringtones_se_p900_-_katze.mp3 :wink::-D:-D
17. pissoa ( 24/10/2006 16:31)
Ie :wink::-D:-D:-D

( milay be iny =))=))=)) )
18. kelly13 ( 24/10/2006 16:49)
sipagasy mimich>ie tao @ kmm efa ela dia ela, t@ 88 za no niala tao d nande tany @ semigany. ary nareo ovina?
mimich ieuu tadidiko le Renin'Andriamanitra iny
ah la la que des souvenirs kle
19. dailynews ( 24/10/2006 16:51)
tena mba tiako ihany koa io hira io sy ilay ihany koa hoe:"O izany diako, mahitsy hatrany re.." ai ai ai tsara
20. sipagasy ( 24/10/2006 17:07)
kelly13 t@ 86 fa haiko daholo ny tao à semigany hihi sao dia efa tafiaraka tany @ RNS aza isika hihihhi
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.4136