Kandidà iray mpivaro-pananana

1. manantsoa ( 22/10/2006 06:13)
Misy kandidà iray malaza mpivaro-pananana :
- namidy ny ampahany tamin' ny orinasany . Nozarainy tamin' iza ny vola vidin' izany hanaovana asa fampandrosoana ?
- Ho amidiny ilay vorombe manan'elatra . Hozarainy hono ny vola vidin' izany hanaovana asa fampandrosoana .

raha manana fahaizana ampy ve dia tokony hiafara amin' ny fivarotana fananana na inona antony na inona ? raha novarotana ka nahavita hafa lasa matanjakabe dia mba hafa izay.
- Dia mbola ho varotany hatramin' ny ......
novalian'i manantsoa ny 28/10/2006 12:27
2. lagoon ( 22/10/2006 08:19)
manantsoa:

Misy kandidà iray malaza mpivaro-pananana :
- namidy ny ampahany tamin' ny orinasany . Nozarainy tamin' iza ny vola vidin' izany hanaovana asa fampandrosoana ?
- Ho amidiny ilay vorombe manan'elatra . Hozarainy hono ny vola vidin' izany hanaovana asa fampandrosoana .

raha manana fahaizana ampy ve dia tokony hiafara amin' ny fivarotana fananana na inona antony na inona ? raha novarotana ka nahavita hafa lasa matanjakabe dia mba hafa izay.
- Dia mbola ho varotany hatramin' ny ......



Sady tena tsy mitovy t@ zavtra nianarany tany Etazonia io tetika kasainy izao.Manaonao foana ilay bandy io e.
Efa niteny aho fa tsy tsara ho an'ny Malgasy ny botakely sy ny fisaka!!

3. tenagasy ( 22/10/2006 08:23)
Mankamamy!
Tonga de lavatenda na iray metatra avy hatrany ve r'i lagoon?
Domy tapany aho .......
Mirary soa!
4. gernico ( 22/10/2006 08:39)
Aza mihinana ambolony sy mitsara ivelany miampy FANKAHALANA toy io fa io ihany no efa saiky nampihinana'ny maloto anareo sy ny taranakareo raha sanatria ka tsy nisy an'io Rangahy 1 io isika !
Ny fankahalana sy ny tsy fitiavana tavan'olona io ho'aho mba asio fetra ihany fa mahamenatr'olona be mintsy na ny mamaky ilay resakareo eto aza !Za ndray r'reto no mila hilevim-belona marina an !
Raha hataoko MAIVANA BE toy ny sainareo io koa ny saiko sy ny lohako : dia hoy aho mamaly anareo hoe: zara aza izy manan-kamidy toy izay tahaka ireo sasany izay milatsaka ireo ka mieritreritra fa tonga eo vao HANGORONA SY HITSENTSITRA koh !!!!!Iza intsony no azonareo harebireby eto eh ???
Hafa ny omaly sy ny anio razoky ô ! Aza mieritreritra ianareo fa mbola bado foana ireo Malagasy marobe ireo ! fa efa mahay ireo ankehitriny ; satria efa nomena vaovao feno ireo isam-paritra ( t@ alalan'ny fametrahana telephone izany ) , nomena fahalalana koa ireo ( fanomezana kit scolaire ), nomena fampandrosoana maharitra koa (t@ alalan'ny fanaovana lalana sy tetezana )sns.... tsy voatanisa izay vita tato anantin'ny 5 TAONA MONJA fa tsy sanatria 25 TAONA BE IZAO TOY NY AN'NY SASANY izay tsy nahitana mangirana iray noho ratsy akory !!!!Mbola inona indray no tadiavinareo mpanaratsy akoatr'ireny sa efa nifindran'ny aretin'ny sasany koa nareo ka tsy mahita ireny zava-bita mampitolagaga ny iraisampirenena ireny ?????
Ny firenena matanjaka indrindra eran-tany aza manaiky ka nareo moa no mba iza no miseho hitsivalam-pandry eto eh ?Ary maninona moa raha manaraka ny dian'ireo namanareo ireo ianareo ka miala eto antanindrazana koa rehefa tsy levon'ny vavoninareo ny mahita ny fanaovan'ny olona ny tena asany marina eto eh ? toy izay hanakorontana saim-bahoaka eto fotsiny sady manadany calories eo fotsiny koa fa aza mieritreritra ny hahita vokany @ io hevi-dratsy io eto nareo fa aleo miova taranja raha mba te-ho tafavoaka toy ny olona eh !!!!!!
NY MALAGASY TOMPOKO EFA MAHAY NY MAVO RAVINA HO AKIFIKA SY NY VOANJO ANTITRA TOKONY HADIANY fa veloma ianao sy ny fandrebirebenao saim-bahoaka .:lol:


5. manantsoa ( 22/10/2006 09:16)
Tsy arakao izy izany Ra-gernico.
Tsy misy mankahala ny kandida tianao eo e!
F' angaha anisan' ireo mpivaro-pananana koa i lery . Tsy maninona izany fa ny vola vidin'ny teo aloha izany nahavitany lehibe matanjaka .Fa ny an' ilay be diplaoma lazaina eto anie ka tena ritra fongana e....
6. kitjo ( 22/10/2006 09:42)
gernico> kalam iany fa tsy ra8 nge io resahina io e..fa lebota!
7. soanja ( 22/10/2006 13:06)
manantsoa:

Misy kandidà iray malaza mpivaro-pananana :
- namidy ny ampahany tamin' ny orinasany . Nozarainy tamin' iza ny vola vidin' izany hanaovana asa fampandrosoana ?
- Ho amidiny ilay vorombe manan'elatra . Hozarainy hono ny vola vidin' izany hanaovana asa fampandrosoana .

raha manana fahaizana ampy ve dia tokony hiafara amin' ny fivarotana fananana na inona antony na inona ? raha novarotana ka nahavita hafa lasa matanjakabe dia mba hafa izay.
- Dia mbola ho varotany hatramin' ny ......


Ny fanana akory tsy hoe io no fanaperana sy fiadanana. Azo hamidy sy vidiana araka izay ilana azy ary azo zaraina maimaim-poana. Fa tsy hoe ho mandrakizay. Tsy hanaraka antsika any amparadisa akory io an. Aza mifikitra amin'ny resaka materialy.
Raha toa ka nivarotra fanana izy satria manana faniriana hanampy firenana dia izay amiko no mariky ny fitiava-tanindrazana. Foiny ho an'ny tanindrazany ny fananany manokana. Midera azy aho noho izany.
Ny zavadehibe koa anefa dia tsy miankina amizany fa hoe mety hahavita raha ve izy rehefa eo amin'ny fitondrana na efa teo amin'ny fitondrana.


8. manantsoa ( 22/10/2006 13:21)
F'angaha efa nanome vola fananany manokana ho an' ny mpiray tanindrazana azy izy hanaovana asa fampandrsoana ?
- Toy ireny eny Tsaralalana ireny anie : na noho ny tsy fananana na noho ny haitraitra dia fara heriny mivaro-pananana . Ny tena anefa be théorie be rehefa miresaka ohatr'ireny dia efa inona ireny mihitsy.
9. kitjo ( 22/10/2006 16:42)
ka tokony filohampokontany zany no mety aminy fa na hivarotra ny fananany rhetra aza ve izy hampandroso an i M/kara rehetra zany

Efa teo reny no niala sady olona misabaka e!
10. soanja ( 23/10/2006 04:49)
Zah lo tsy maharaka hoe iza le ol resahina fa ny fantatro fotsiny de hoe raha toa ka izay no mety hahatonga azy amin'ny tanjony dia tsy manahy fa amidio daholo ny fananana satria fantany izany ny ataony. Amiko de tsy mampanahy ahy akory na mahantra aho raha toa ka faly ny saiko fa afaka nanao ny anjarako amin'ny tanindrazako.
Zah tsy ho any de tsy hifidy indray fa raha ny fahitako azy dia ny plan hapetraka amin'ny hitondrana ny firenena no zavadehibe. koa de mahereza daholo nareo hifidy.
Ny theorie rehefa misy application ka misy vokany tsara de mandaitra zany.
11. kitjo ( 23/10/2006 06:11)
eeee....
raha ny plan aloha tsy mbola nisy nanao plan ratsy mihitsy fa raha jerena ny plan'ny candidats isaky ny fifidianana dia toa hiova paradisa vetivety Madagasikara fa saingy ...
12. papala ( 23/10/2006 08:08)
gernico sy soanja de tena tsy maharaka forum mihintsy :D,fa mba mihainoa an'ireo milatsaka ho fidina ireo ange e , henoy tsara ny zavatra teneniny fa misy =))=))=)) be mihintsy de hazava ho azy lay forum ?:twisted: sa teneniko lay anarana? tsy iza zany fa ""Herizo Razafimahaleo e""=D=D=D=D
13. Maholih ( 23/10/2006 11:21)

Mba manaraha marina r'ireto vaovao fa manjary tsy maharaka miitsy dia manjary mampime be,za zao mamaky eto dia tena malemy miitsy ny tsinaiko,
14. mandrindra ( 23/10/2006 14:23)
namidiny ny ampahan'ny orinasany, anazy io ka izay tiany hanaovana azy tsy dia hitako loatra ny olana.

ho amidiny ny voromby raha lany eo izy, tsia tsy azon'ny fanjakna amidy iny voromby iny satria tsy fananampanjakna.
15. soanja ( 23/10/2006 15:21)
papala:

gernico sy soanja de tena tsy maharaka forum mihintsy :D,fa mba mihainoa an'ireo milatsaka ho fidina ireo ange e , henoy tsara ny zavatra teneniny fa misy =))=))=)) be mihintsy de hazava ho azy lay forum ?:twisted: sa teneniko lay anarana? tsy iza zany fa ""Herizo Razafimahaleo e""=D=D=D=D


Ok zany fa de hanomboka hanaraka akaiky aho e.:-*:-* Zha anie tsy mitsara hoe iza no tiako sns fa ny hoe hivarom-pnanana fotsiny no tsy hitako izay hitsarana izany ol zany amiko amzany.
Ny hoe resaka plan d'action io tena zavadehibe amiko rehefa mi-etudier ny mpirotsaka ho filoha fa zah tsy manana antoko raikitra hoe ity. Sady eo koa ny fampitahana ny taloha sy ny avaizo ary ny hoe nanao ahoana izy any sy tany amin'ny toerana niasany hafa taloha mba nanao raha ve, nahavita be sns. Fa rah mbola tsy nitondra kosa izy ahoana no ilazantsika fa tsy hahafoaka raha toa ka tany amin'ny zavatra nontantaniny izy nahavita be sy modely tsara.
Mahereza daholo ary mifidy e.


16. kitjo ( 23/10/2006 17:17)
Ka efa teo reny no niala e!
sady raha ohatra anah aloha tsy mila olona vaovao znay mitsy amin izao fa vao hamerina from zero ndray ve
17. xxx ( 23/10/2006 23:50)
Bouddah
18. aokahoahy ( 24/10/2006 06:41)
O zalahy, ny kandidanay sihanaka lahy iny moa tsy nekenareo dia izao : i Ravalo ange ka nidiran-trosa an-tapitrisany maro ny TIKO tamin'ny 2003 satria nanaovana propagandy ny vonan'ny orinasa e, dia zao mbola nividy avion ATR 40 indray. Lebota ange ka efa zatra mivaro-panànana, izy sy Ramaroson
19. kitjo ( 24/10/2006 09:28)
refa ts manana candidat nareo ary d ndao hiaraka aminay e..hiihi
20. rabaradaka ( 24/10/2006 13:17)
I razoky aokahoahy aloha raha ny fijeriko azy efa somary misy voa kely, fa matoa manangona fananana ny mpanana dia hilatsaka ho fidina izay. Fa i Elia ve hahazo 1 %
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.5308