Kandidà iray mpivaro-pananana

21. kitjo ( 24/10/2006 13:46)
ndao hanao volontaire hifidy azy fa mampalahelo..lol

nefa mahavita villa milay be ange ilay vola holaniana hilatsahana fa tsy azoko mitsy e! efa fantatra izao fa tsy hahazo 1% akory ..te ho vedety nefa "the another way wrong"....lol
22. fijo ( 24/10/2006 23:01)
gernico an,aza manamaivana saina ny hafa fa tsy tsara izany.ary manaraha tsara koa izay zavatra misy fa tena ao ambadin'i sahondra indry na elahy.fantatrao ve iza io olona resahana eto io???? fantaro aloha izay vao manao vava be toa io
23. gernico ( 28/10/2006 11:51)
Hay ve ka izany io eh ! nareo koa anie mba tsy mangarahara mintsy e! aiza moa ny sasany no tsy tonga de miaka-pofona avy hatrany !
Ny anay manko lero vavan'ny maika hilaza ,sofin'ny maika hihaino iny ka tonga de ny anankandriamasony avy hatrany fa tsy be be resaka toy ilay milaza fa hoe tsy maintsy ho lany .
Ka io lehiretsy efa mazava tsara amintsika io fa samia fotsiny mihentsika an ; ny entana efa voa-ary ao antokantrano aza itadiavany lalana hamarotana azy ka vao maika fa hoe aiza indray isika no hahita refa avy eo ? Vava-kisoa misy sira io hono ka asakasak-intsika hihinana azy eh !tandremo folo mandifitr'olona fotsiny sanatria sanatria kenda vao hoe domy aho ranoatra !
Ny an'ny Lahimatoan'Iarivo Behoririka sy ny raozy vitsivitsy maniry ao anantiny no vitany nandritry ny 25 taona dia milaza izy fa NAHAVITA BE , ary ny ankehitriny kosa raha tsy hijery afatsy ny boulevard de l'europeen sy Masay , bi-pas,..... de mba tokony ho firy taona izany isika vao tokony hahita ireny vita ????????????
Aza adino mihintsy ny fanarenana an'i FATIHITA sy ny fanoloana an'iLAY TETEZANA MITSINGEVANA / IVOLOINA natao fakana harena t@ mpiray tanindrazana fahiny.
Ankehitriny indray hitan'ny tsy mataho-tody fa efa mazava sy FOANA NY TROSANY dia avy indray izy mitady hanao ny hagaigeny eto . Azafady aho ny havako fa any @ digue ny lalako an ! Aza itsahinao re ny lambako fa hariva ny lalako eh !
Manaiky aho ary tena manaiky eto @ fo fa nanao promesse ity fitondrana misy ankehitriny ity , saingy azo lazaina kosa fa NANAO IZAY HO AFANY TOKOA IZY fa tsy ni-promesse fotsiny ihany ary Antananarivo koa hono tsy vita indray andro eh !
Anjaranao zay mahalala no mampiditra ao ambala ireo ondry mitady hania ... ka entano ny mpiray tanindrazana tsy mandadyharona mba ho tonga saina tsara ka tsy hanaonao foana fa ANDRO IRAY MIANTOKA NY ANDRO IAINANA MANARAKA IO 03 DEC IO .
Mazotoa daholo ary dia refa avy eo indray an !
24. manantsoa ( 28/10/2006 12:27)
Mankalaza Ra-gernico a!
Mba asaivo mandalo eny Anosibe Antananarivo ireo kandidà rehetra mifaninana amin-dra8 , indrindra fa ireo efa nanana andraikitra ambony teto amin' ny firenena.
Ireny no anisan' ny zava-bita e .......
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0628