fangatahana fanampiana

21. sipagasy ( 13/10/2006 16:34)
Marina ny anao ry Papounetty aloha ann, tsy misy ifanomezan-tsiny ny tsy fahafahan'ny tsirairay hanome fahafaham-po ny antso aloha e! sady mba nataoko ihany koa ho fampahafantarana io OTRIKAFO io koa, kay izany na ianao any an-toerana aza tsy mahay ny fisiany akory nefa mba hitako t@ gazety ihany i dadanay injainjay hihihihihi manazava ny mikasika ny zavatra ataonjy zareo ao e!

Misaotra e!!!
22. lost ( 13/10/2006 17:46)
dadan'i sipagasy ngah ilay ilatsaka???:lol:8O
23. Fiffi ( 13/10/2006 17:48)
:roll:
24. sipagasy ( 13/10/2006 19:08)
tsy ny dadako kannn

raha mijery ny mombamomba ahy ianao dia hahita ny anarako sy ny mopmba ahy ary ho hitanao ao fa tsy ny dadako ny hilatsaka.
25. sipagasy ( 13/10/2006 19:09)
izaho anie mpampita hafatra e!
26. fijo ( 13/10/2006 20:03)
lery io milaza fa tsy mila miankindoha amin'ny aty ivelany.isika hitadiavany fanampiana anefa aiza????ary sao fia manomboka sahady aza ny fanambakana kle
27. sipagasy ( 13/10/2006 20:25)
mmhhh tsy azon'i fijo ilay izy fa tsy mampaninona kannn, ny diaspora anie no resahina e! ary ny fanampiana tsy ilainy dia ny "accords de bretton woods" fa dia hita fa fandevenana ny firenena ho @ trosa fotsiny. Jereo anie e! ny vola tonga nefa ny zava-bita tsy misy ny fianakaviana mahantra miha mahantra ihany, ny mpanana miha mahazo vahana @ 4x4 ihany koa, dia eo ilay olana anie e! mankaiza marina ilay firenena???? vakio hoa ny bokiny aloha izay vao ........
Mazotoa daholo e!!!, Misaotra ihany koa.
28. fijo ( 13/10/2006 20:29)
azoko tsara ka,nanaraka ny hevitr'io antoko io aho?fantatro fa tsy tia famatsiambola vahiny izy.kanefa rah amisaina kely fotsiny,dia ahita,fa isika tsy hoafaka ny tsy ihindram bola izany aloha,raha mbola izao,toekarena misy any izao.ka lasa fanadalana olona le izy
29. sipagasy ( 14/10/2006 06:18)
mmhhh, izao indray ary, fony isika mbola faha mpanjaka, dia nitana laharana ambony t@ toe-karena sns nifaninana t@ Japon mihintsy aza, aiza isika izao vao niditra ny mena sofina???????? tsy ary @ laharana faha 7 miala avy any ambany???? noho ny inona ny nahatonga izany???? nga ireo mena sofina ireo nikatsaka ny hahasoa ny firenentsika???? ny hanapotika ny FIANDRIANAM-PIRENENA aza no nikatsahiny @ zarazarao hanjakana nampisy ny foko 18 ho nisy teto amitsika, nefa ny "slogan" (miala tsiny tsy tadidiko @ teny malagasy ny filaza azy) an'Andrianampoinimerina manao hoe "ny ranomasina no valam-parihiko"...... jereo sy vakio boky tantaran'ny Andriana, misy "tome" maromaro.
30. Fiffi ( 14/10/2006 08:05)
Nahita an'ity lahatsoratra ity aho ka de halefako eto !

Vondron-kery tia Tanindrazana : Miantso ny Malagasy hanampy ny kandidàny .

Narilala
13-10-2006
Nanao antso sy fanambarana, ary nangataka fanomezan-tanana amin’ny Malagasy mpiray firenena aminy ny vondron-kerin'ny tia tanindrazana miara-dia amin’ny fikambanana Otrikafo.

Tsy ampy vola hirotsahany amin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Repoblika atao ny 3 desambra ho avy izao mantsy ny kandidany, Ingahy Andrianjaka Rajaonah, ka tsy misalasala ny manao antso ry zareo. Manandratra ny fiandrianam-pirenena moa ry zareo ireto, ka tsy miankin-doha, na mitady na manambitamby amin’ny any ivelany (frantsay, banky mondialy iraisam-pirenena, fmi sy ny hafa ) ka ny Malagasy no antsoiny hifanohana sy hanampy azy. Vola 25 tapitrisa ariary (125.000.000 fmg ) moa no hotadiavina amin’izany, ka raha ny tombatombana mba nataon’izy ireo, raha olona miisa 5.000 no manome 5.000 ariary avy, ny mihoatra an’izany no tena tsara dia feno ilay 25 tapitrisa ariary.

Etsy Andravoahangy ambony, 6, lalana Paul Rafiringa na (II l 3) Antananarivo moa no hanaterana an’izay vola fanoloran-tanana izay, ka efa nanaovan’izy ireo fisaorana dieny mialoha ho an’ny tia tanindrazana. Anio amin’ny 12 ora alina moa no fe-potoana farany tsy maintsy hametrahana ireo taratasy firotsahan-kofidiana.
La Gazette de la Grande Ile
31. papounette ( 14/10/2006 08:43)
Misôtra betsaka Fiffi a!:-*:-*
Amiko rehefa tsy manambola de mipetraka e au lieu de jouer dans la cour des grands.
Managombola de rehefa @ fifidianana manaraka milatsaka.Na amidy ny fananana,ny tany,ampanaovina fahafolonkarena koa ny mpikambana ...etc de mahita an'io vola io de milatsaka e!
32. Fiffi ( 14/10/2006 09:08)
:):-*
33. bobby ( 15/10/2006 07:26)
Tadidio ry zareo fa raha any comores le oll mila mailo sika a!
Ampatsiaivina fa ny Comoriens sy ry Cotiti anisany nigafy tao dago
34. xxx ( 15/10/2006 07:47)
misaotra an'i naina_6 t@ info lol
35. Fiffi ( 15/10/2006 20:24)
Fiffi:
Etsy Andravoahangy ambony, 6, lalana Paul Rafiringa na (II l 3) Antananarivo moa no hanaterana an’izay vola fanoloran-tanana izay, ka efa nanaovan’izy ireo fisaorana dieny mialoha ho an’ny tia tanindrazana.
nga hoe any comores zany ? io ilay adiresy koh !


36. papounette ( 16/10/2006 05:09)
[quote=sipagasy]
Titulaire du compte :
Mr ou Mme ANDRIANJAKA
Barakani Ouangani (BFC)
Rue Covalessennce
97600 Ouangani

Tsy any Comores anga io?Hi!hi!hi!hi!:oops::oops::lol:
37. Fiffi ( 16/10/2006 05:43)
Fiffi:
Etsy Andravoahangy ambony, 6, lalana Paul Rafiringa na (II l 3) Antananarivo moa no hanaterana an’izay vola fanoloran-tanana izay,
de tsy aiko indray aloha zany fa io no ao @ gazety ! sa ve io no ho an'ny any Dago de ny aty ivelany io hoe comores io ?


38. soanja ( 16/10/2006 06:15)
Mila fiomanana ny atao hoe firotsaka ho filohan'ny firenena fa tsy zavatra maimaika. Ka matoa tsy ampy vola amiko handrotsahana ny candidature dia mety tsy ampy plan. De ahoana izany rehefa tena mitondra firenena?
39. xxx ( 16/10/2006 07:30)
Fiffi:

Fiffi:
Etsy Andravoahangy ambony, 6, lalana Paul Rafiringa na (II l 3) Antananarivo moa no hanaterana an’izay vola fanoloran-tanana izay,
de tsy aiko indray aloha zany fa io no ao @ gazety ! sa ve io no ho an'ny any Dago de ny aty ivelany io hoe comores io ?






samy marina daholo ireo adiresy ireo kann
40. Fiffi ( 16/10/2006 17:55)
xxx: ah ! ok ! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1964