fangatahana fanampiana

1. sipagasy ( 13/10/2006 07:38)
Miarahaba ny rehetra e!

Mba manoratra ho antsika diaspora ny tenako fa misy izao toe-javatra izao e!

Misaotra mialoha ho an'ireo hanohana ny antso!


A N T S O

Ny Vondron'ny tia tanindrazana tsy miankin-doha amin'ny any ivelany manandratra ny fiandrianam-pirenena tarihin'ny
OTRIKAFO dia tsy ampy vola hirotsahan'ny kandidany ANDRIANJAKA Jaonah amin'ny fifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika ny 03 / 12 / 06 izao.
Koa manao Antso Avo aminareo Malagasy tia tanindrazana aty andafy hanampy azy sy ny kandidany.
10 000 euros ny vola ilaina (caution firotsahana hofidina).
Raha misy olona 100 manome 100 euros tsirairay avy dia azo ny 10 000 euros;
Raha misy olona 200 manome 50 euros tsirairay avy dia azo ny 10 000 euros.
Izahay vondron-kerin'ny tia tanindrazana tsy miankin-doha amin'ny any ivelany manandratra ny fiandrianam-pirenena dia mampanantena anareo te hanampy anay fa raha sanatria tsy tafarotsaka ny kandida atolotray dia haverinay ny vola fanampianareo.
Aza fady,arotsahy ao amin'ity kaonty bankera ity ny vola atolotrareo,Tompoko :

Relevé d'identité bancaire / IBAN
Titulaire du compte : Mr ou Mme ANDRIANJAKA
Barakani Ouangani (BFC)
Rue Covalessennce
97600 Ouangani

RIB Identifiant de compte national
187 19 00091 10918636500 10
(code banque) (code guichet) (N° de compte) (clé RIB)

IBAN Internarional Bank Account Number
( FR76) (1871) (9000) (9110) (9186) (3650) (010) Bank Idetification Code (BIC)
( BFCOYTYTAXX )

Aparitaho amin'izay olom-pantatrao rehetra ity mailaka ity.
Aza fady,raha mandrotsaka vola fanampiana ianao dia mba ampahafantaro ny mailaka batsola@wanadoo.mg

Amin'ny anaran'ny Birao Foiben'ny OTRIKAFO :
ANDRIANJAKA Jaonah,
RAKOTONDRASOAVA Georges,
RAMANANA Jean Bienvenu
RAJAONARISON Jean Edouard
ANDRIAMIHAJA Solonavalona
RAJAOBELINA Léon

Manantitra fisaorana feno mialoha Tompoko . Masina ny Tanindrazana.


novalian'i xxx ny 12/12/2006 14:48
2. xxx ( 13/10/2006 07:59)
Fa inona no antony handaniana 10 000 euros nefa tsy ho lany akory ?? Tsy aleo ve atokana amin'ny zavatra hafa ny vola ?
3. diamondra27 ( 13/10/2006 08:02)
:lol:
4. eprom ( 13/10/2006 08:27)
Sao de atsy @ hatsikana no tokony hisy ity sujt ity?:D
Koa bandy milaza azy ho sarotiny @ fiandrianampirenena koa any kômôro no atao banky? de raha antoka 10000€ aza tsy ananana , aiza no anaovana bileta?
sa tokony atao any @ informatika koa izy ity? Otran'ny pishing manko izy ity. Mety kaontin'i Mamadou io de refa very ny volanareo de hoe any @ andrianjaka.
5. Ralay ( 13/10/2006 08:34)
sipagasy> Sarotra ny hanampy olona tsy fantatra ny momba azy sy ny programa-ny @izany hilatsaka ho fidiana izany ka amiko raha nanankevitra ny hilatsaka io olona io dia tokony efa ela no nanao fampahafantarana azy ka miala tsiny aho raha tsy afaka hanampy.
Sarotra koa ny hangatahana fanampiana @ dispora nefa tsy afaka mifidy ireo olona ireo.
Ka dia mirary azy hahita mpanampy be dia be aho na izany aza.
6. jefra ( 13/10/2006 08:46)
Zaho d notehanampy ary saika tonga d handrotsaka ilay 10.000e :lol::lol::lol: nahita hoe sipagasy no mila vonjy. Tany am bankiko aho d nanontany hoe hoviana ity tonga any? Mila 48-72h ouvrable hono. Izay izany vo tonga any Komoro. D mbola harotsaka any Dago avy eo. Ny daty farany anefa rahampitso 14 Okt. D tonga saina aho hoe TENA jono akaiky ity fa aza tandremo:evil::evil::evil::evil::evil::evil::evil:
7. booboo ( 13/10/2006 09:01)
:-D
8. mandrindra ( 13/10/2006 09:11)
:-D:-D
9. ftma ( 13/10/2006 09:29)
izaho aloha hanampy raha sipagasy na ralay no milatsaka e :wink:
10. sipagasy ( 13/10/2006 10:42)
Misaotra ireo namaly sy nihanihany aloha e!!!

Raharaha ny fiandrianam-pirenena fa tsy hatsikana akory, tsy izay milatsaka ho fidiana rehetra akory ny tokony ho voafidy, fa kosa misy ny fampahafantarana ny fisian'ny OTRIKAFO, izay ataoko fa tsy hain'ny diaspora loatra ny dikany.......
11. mandrindra ( 13/10/2006 10:48)
mba hazavao ary hoe inona no dikany raha toa ka tsapanao fa maro no tsy mahay azy
12. caprio ( 13/10/2006 12:08)
Zay ilay adihevitra @tsisy dikany fa raha misy dia mandrotsaha ary raha tsisy dia manginà fa nareo eto wa ohatran,ny faly hifanankiana fotsiny
13. lost ( 13/10/2006 13:07)
Za kosa alou miala tsiny fa ra andé anambady aho ataoko angamba efa misy kely iadiana iany ato amiko
zany we ny fanomanana ny mariazy sy ny ol asaina d lanjalanjaiko we otrinona ny vola lany ka miankina ny hanangonako ilay vola no hamerako ny datin'ny mariaziko d @ zay aho no vonona @ entimanana rehetra ka mbola tsy ampy alou ny vola d miandry aho ra tsy we angamba bevoka ilay sipa d natao tsy satry ilay izy,ka miala tsiny ra miteny we vao lany prezida i ra8 d efa tokony niomana ianao @ rehetra mba anananao fotoana malalaka eo @ koja2 reetra(eo @ 4ans eo ny mandatny)ka ity androany ka niazakazaka ny ol d iny ko ianao namaky takotra amiko resaka izany fa aleo ilamina fa ra za otran'azy mipirina mora2 fa ra ny vola arotsaka aza tsy anananao d aiza ny anaovana praopagandy nefa iny no tena ilaina vola,ra ampitahaina @ reo sasany mampiasa helico sy ny 4x4 d ianao ande in taxibe sa posi2 tô manonofy razoky zany!!
14. Samoana ( 13/10/2006 13:29)
sipagasy:

Misaotra ireo namaly sy nihanihany aloha e!!!

Raharaha ny fiandrianam-pirenena fa tsy hatsikana akory,


Izany indrindra no tokony imasoan'n'ny otrikafo @ fampahafantarana ny statut-ny @ ankapobeny aloha izay vao miditra @ lalindalina kokoa fa tsy tonga dia milingilingy mirotsaka ho FILOHAM-PIRENENA :wink:! Ny tenako izao efa diaspora elaela ihany fa tsy mbola nahare izany otrikafo izany. Misy "namana" ato ve ny iray @ ireo anaran'ny mpiandraikitra ao aminy sa diaspora tsy dia tia miditra serasera ry zareo ?!


15. malalatinasoa ( 13/10/2006 13:38)
caprio:

Zay ilay adihevitra @tsisy dikany fa raha misy dia mandrotsaha ary raha tsisy dia manginà fa nareo eto wa ohatran,ny faly hifanankiana fotsiny



Ahoana moa no androtsahanao vola @ zavatra tsy fantatrao?? sa vola adala tompo na tsy nisasarana ka dia ariana @ zavatra tsy fantatra :?. Noho izany ilaina ny adihevitra.

Manohana ny hevitry mandrindra mitady fanazavana ny fikambanana OTRIKAFO, ny ataony, ny devises, aiza no mety ahitana info momba azy na ny website?? Serieux ve ny olona ao sa manakory, sao sanatria ohatry ny mpanao politika sasany mitady ny irika rehetra hamenoana paosy.
Kanefa tsy efa tara be @ katesizy ve ilay antso? :cry:
16. sipagasy ( 13/10/2006 15:21)
NY otrikafo dia manasokajy ny tenany hi isan'ireo mpomba ny rian-kevitra tia tanindrazana, mandla ny Fiandrianam-pirenena ary mitsipaka ny fiankinan-doha @ any ivelany,



Efa misy boky nivoaka ihany any madagasikara raha tsy diso aho ny voalohany mitondra ny lohateny hoe "fanehoam-pijery" ary ny faharoa kosa dia "vaha olana mahomby",

Marina fa tsy dia fanatra loatra ny OTRIKAFO satria t@ taona 2000izy no nijoro @ fitsofana indray ny AFON'NY FITIAVAN-TANINDRAZANA eo @ mpiara belona malagasy ary indrindra eo à taranaka.
.
Misy fandaharana matetika @ TV malagasy na koa @ Radio mikasika ny "programme" ndry zareo @ izao fotoana izao.






Mbola misaotra ihany hoy aho teo ho an'ireo izay mamaly eto e!
euuhhhh, mety tsy misy mpikambana eto ry zareo ao @ OTRIKAFO fa izaho manoratra dia anisan'ny zanaky ny 1 @ mpiandraikitra ary monina ivelan'i Madagasikara.
17. papounette ( 13/10/2006 15:26)
[quote=sipagasy]
A N T S O

Ny Vondron'ny tia tanindrazana tsy miankin-doha amin'ny any ivelany manandratra ny fiandrianam-pirenena tarihin'ny
OTRIKAFO dia tsy ampy vola hirotsahan'ny kandidany ANDRIANJAKA Jaonah amin'ny fifidianana izay ho Filohan'ny Repoblika ny 03 / 12 / 06 izao.
Koa manao Antso Avo aminareo Malagasy tia tanindrazana aty andafy hanampy azy sy ny kandidany.
10 000 euros ny vola ilaina (caution firotsahana hofidina).
Izahay vondron-kerin'ny tia tanindrazana tsy miankin-doha amin'ny any ivelany manandratra ny fiandrianam-pirenena dia mampanantena anareo te hanampy anay fa raha sanatria tsy tafarotsaka ny kandida atolotray dia haverinay ny vola fanampianareo.
Tena mialatsiny ry sipagasy fa tsy azoko ny tinao hotenenina:Tsy miankindoha @ any ivelany iza ty lazainjy e?diaspora ve?sa iza sa inn sa aiza?
Faharoan'zay sanatria tsy tafarotsaka aôna ny candidat atolotrareo fa tena tsy azoko e!!!!f'angà nareo tsy efa niomana efa ela.Tsy sûr @zavtr ataonareo akory ange nareo zany e!Ohtrany mtady hanao vonjy tavan'andro fotsn.
Za tsy diaspora fa na de zany maha lasa eritreritra be lôtra le antso alefanjy.Marine e!
18. landii ( 13/10/2006 15:32)

AZA KIVY ANKY SIPA GASY AN

NY MANAO ZAVATRA HONO TSY MORA EH

BONNE CHANCE
19. sipagasy ( 13/10/2006 15:34)
papounette maha lasa eritreritra ahoana??? hazavao hoe???

raha any madagasikara ngamba ianao no mipetraka dia efa hitanao na henonao t@ tv na radio ny mikasika ny OTRIKAFO marina fa tsy zanaka padesma (pisodia...) ny OTRIKAFO, ka tsy manana finiavana ny hiankin-doha @ firenena vahiny hita ny lesoka @ izany ny "accords de bretton woods" sns izay traso tokony alohantsika nefa tsy hita misongadina ny zavatra vita taminy, toa ny mpanana ihany no mpanana ary ny fari-piainan'ny malagasy tsy vaky volo toa mikorosy ambany ihany.

Fiandrianam-pirenena tsy hiankina na @ iza na iza no takian'ny OTRIKAFO. Ary izay ny fikasana ihany koa.

raha mitady ireo boky ireo ianao dia misy any @ mpivarotra manerana ny nosy any madagasikara na koa manoràta manokana aty amiko fa omeko anao ny adresse sy tel mety ahazahoana ihany koa ireo boky ireo izay varotan'izy ireo @ vidiny mirary tokoa.
20. papounette ( 13/10/2006 16:03)
Aty mada za.Fa za alo aki sipagasy tena mpanarabaovao sy mba tia2 politika fa tsy mbola naheno ny momba an'io antoko io mitsy na de indray mande.
Njy zao miteny hoe tsy hiankindoha de nefany de zao sahady nareo d'efa mangatabola @ol @zavtr ataontsika hoe minimum et primordial.Fa firy nareo ao anatin'ny le antoko.Maninnn raha mba avy ao alo no manao ze mety zay vô mangataka @'ol.
Tena désolée akia fa tsy convaincant le zavtr ataonareo.
Fa na de zany aza mahereza e!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0814