Litorjia

21. lapino ( 17/10/2006 19:53)
Bibilava:
... fa ny mpitsara anao dia tsy i Jehova na i Jesoa ,fa ny mpino sy ny mpanaradia azy.
:!: TSIA !
:arrow: Avelao Jehovah no hitsara.
22. cutie ( 17/10/2006 19:56)
I Pasitera Laza dia tsy reformateur de l'Eglise fa tendence integriste ao amin'ny protestantisme.Izany hoe conservateur.Izany hoe tena manohitra an-kitsirano ny hevitr'i Brian McLaren ny olona toa an'i Pasitera Laza.

:-D:-D:-D:-D:-D
23. lapino ( 17/10/2006 20:16)
LazaDaddy:
... fa lasa fomba no arahina fa tsy finoana.
Marina io !
Ary io fombafomba io :
- no lasa iainan'ny kristiana, dia lasa voasaron'ny endrika ivelany ny tena foto-pinoana, ka zary hadinon'ny olona
- no mahatonga fifanavahana amin'ny samy kristiana, ka lasa resaka "appartenance" amina vondron'olona manana "identité" miorina ety an-tany fotsiny sisa ny maha-kristiana, fa very ny maha mpirahalahy
- no lasa amaritana ny maha Kristiana, izay efa "médiatisé" be, ka manjary mamono ny asa fitoriana ny famonjena
- no nahalasa mpianatr'i Pastera sy Mompera ny olona antsoina hoe "kristiana", kanefa hoy i Jesosy hoe: "Ataovy mpianatro ny firenena rehetra"

... etsetra ...

Tsy manana vahaolana mivaingana haroso aloha aho, kanefa mahatsapa trangan'olana noho ilay fombafomba.
24. soanja ( 18/10/2006 13:20)
Ao anatinao ao dia misy toerana iray tsy voafaritra nefa koa ivo ny fiainanao. Io ilay Fanahy (spirit). Ao no tokony hisy ny fiangonana na fitambarana amin'Atra. Ao ny tempoliny. Ka tokony miainga avy ao daholo ny fanampoana an'Atra sy ny firesahana aminy ary ny fitsimbinana ny hafa.
Ka raha mifantoka ao ianao rehefa mivavaka de tsy voavilivily akory.
25. booboo ( 18/10/2006 13:43)
Soanja > ié saingy tsy ny aby aby no mifantoka rehefa miara-miangona dia zay no tsara hisian'ny litorjia.
26. prime ( 18/10/2006 14:27)
Raha ny fijeriko aloha tsy ny litorjia no manimba ny olona na mampivily azy hanaotao foana fa satàna sy ny forongony izay tsy mipetra-potsiny koa miasa mafy na dia eo anivon'ny fiangonana aza...

Ny sekoly indray d efa misy avokoa...
27. soanja ( 18/10/2006 16:01)
booboo:

Soanja > ié saingy tsy ny aby aby no mifantoka rehefa miara-miangona dia zay no tsara hisian'ny litorjia.


Ny fahatongavana amin'ny fifandraisana amin'io ivo na spirit io anefa de mila fifantohana akaiky sy milamina (focus, concentration) ka azo lazaina fa isan-karazany ny fiaingana hiditra hikatsaka an'io dia ao ny litorjia, ny yoga ary ny vavaka amin'ny mangingina ao anaty chapelle, fandehanana any anaty natiora sns. Miankina amin'ny tsirairay. Samy manana ny fomba nanamboaran'Atra azy isika rehetra amin'ny toetra sy fombafomba ahafahana mianatra na mifandray amin'ny hafa aty ivelany ary ny ao anaty indrindra indrindra.
Ohatra misy ny mahay miresaka aminy rehefa mihira sy madihy ohatra. Anjaran'ny tsi-1-1 fotsiny mitady hoe ahoana ny hanamorana azy. Rehefa mifantoka ka mifandray amin'io ivo io dia sasapoana i Satana. Refaha tsy misy ny fifantohana dia tonga moramora i Satana misisika. Noho izany ilaina ny fifandraisana matetika amin'io.


28. pissoa ( 18/10/2006 18:47)
Raha ny hevitro dia isan'ny mampiseho ny fisian'ny Fiangonana ny Litorjia. Raha samy haka ho azy any anaty ala - na hijanona eo amin'ny computer - na hipetraka eo ambony carpet - sns fotsiny mandritra ny andro iainany ; na hoe izaho izao no tiako atao ary izay ataon'i koto tsisy koà ... dia misy ve ny "Fiangonana" ? Inoako nefa fa sitrak'Andriamanitra ny hiangonana sy hiombonan'ny zanany rehetra. Vao maika tsara aza angamba raha misy hoe isika rehetra dia mba hivavaka ho an'izao sy izao androany ...

Raha ny Litorjia fantatro amin'izao dia mitarika antsika HIARAKA ho amin'Andriamanitra : mifona Aminy - manome voninahitra Azy - mihaino ny Teniny - mamelona ny finoana Azy - mihavana - mandray ny Tenany - ... Tsy misakana antsika hanana sekire ( :-D:-D:-D ) miaraka amin'Andriamanitra koa nefa io. Afaka atao foana ny miresaka mitokana Aminy. Ka sao isika no tokony hovaina na havaozina raha misy ny tsy mety fa tsy ny Litorjia ?

Ka araho ao "anaty" (na ze tianareo hiantsoana azy na finoana, na fo - na tsy fo :-D:-D:-D) ny Litorjia ... Rehefa hoe Fifonana dia ezaho ho tena fifonana tokoa. Rehefa hoe Manome voninahitra an'Andriamanitra dia miezaha manome voninahitra an'Andriamanitra tokoa ... fa tsy hoe zah tsy tia an'ito fa toy izao no tiako :roll: ... Aza mianatra misitaka :-D:-D:-D
29. soanja ( 19/10/2006 04:06)
Rehefa tena hivavaka i Jesoa dia lasa izy nankany amin'ny mangingina na any amin'ny desera. Dia any izy no miresaka manokana amin'i Ray na mivavaka sy manao fifadian-kanina sns. Noho izany tsy voatery ao anaty litorjia ny fiderana an'Atra sy ny fifandraisana aminy.
Misy olombelona tia mifandray miaraka ary manao ceremony na rituals ka ao anatin'iny ny fanompoana an'Atra. Ary tena mivavaka tokoa ry zareo satria manao iznay amin'ny fo. Ao koa anefa ny seho aty ivelany fotsiny fa ny manadino ny zavadehibe dia ny ao anaty.
Ny fanahy masina dia ao anatinao ary Atra mijery izany amin'ny maha ianao irery fa tsy ny maha firahamonina na group na tahak'izay anao.
Ka na dia ianao irery aza no mivavaka any anaty natiora dia tsy misy maharatsy azy. Ny zavadehibe dia mifandray amin'Atra ianao n'aiza n'aiza ary ny fampiharana azy kosa dia amin'ny mpiara monina sy ny olombelona rehetra. Dia ny FITIAVANA sy FANAOVAN-TSOA ary ny FANETRETENA.
Any amin'ny fitsarana dia mandeha tsirairay avy ny olona fa tsy mbambaray akory.
30. prime ( 19/10/2006 10:23)
Tena \"important\" be io lazain\'i soanja io satria ny rafitry ny fiainana miaraka amin\'ny Fanahy masina mihitsy sy ny toerana raisiny eo @ amin\'ny fiainan\'ny mpino...
Fa na izany aza tsy antony kosa izany ry soanja an, hoe hanovana litorjia... ny lazainao mantsy fiainam-panahin\'ny tsi11 izay tena fototra... fa ny litorjia indray tena fomba manokana iarahan\'ny rehetra miara-mitodika any amin\'Andriamanitra @ toerana iray, amin\'ny fotoana iray, amin\'ny fomba iray... izay tena ankasitrahan\'Andriamanitra...
31. soanja ( 19/10/2006 14:10)
Takian'Andriamanitra mihitsy ny hivoriantsika sy hiarahantsika manotrona sy manompo azy ka. Ary tena tsy misy maharatsy ny litorjia , fa zah dia tena mankasitraka an'io mihitsy. saingy eo ampanaovana Litorjia dia ny ao anatinao no zavadehibe fa tsy ny fombafomba aty ivelany.
Raisiko ohatra , tamza mbola kely dia misy an'ireny fotoana fanamasinana any ampiangonana ireny. Dia misy anle zavamanitra dorana, ny rano voahasina atsipitsipy eny amiko sns. Dia mahatspa aho fa sambatra na masina rehefa mahatsapa azy nefa tamireny tsy fantatro hoe inona ny hifandraisan'iny zavatra iny amin'ilay ao anatiko mangina izay te hiresaka be amiko.
Izao efa lehibe izao aho dia mahafantatra fa ny fo nay rehetra miara manotrona sy miankohoka ary midera no zavadehibe. Noho izany ilaina ny litorjia fa tsy hitako izay hoe ovana sa tsia satria tsy ny ety ivelany no zavadehibe fa ny ao anaty. Asa na azon'ny Prime ny tiako resahina.
32. prime ( 20/10/2006 10:17)
Azoko kah... misaotra
i Laza mantsy ery am-panombohana no mampiditra hoe tokony ovaina na ny marimarina kokoa hoy izy hoe avaozina ny litorjia fa manjary fomba fotsiny sisa...
33. soanja ( 20/10/2006 13:21)
Amiko anjaran'ilay mpitondra fivavahana no manamafy an'io fifandraisana ny ao anaty io. Tsy de hitako voatonona loatra manko izany rehefa manao ilay litorjia fa de las fahazarana. saingy tsy voatery ho izay akory fa ny fahaizan'ilay mpitory teny no tena mampisy lanjany ny fiaraha midera an'Andriamanitra. ilana fahaizana sy fahamasinana ny fitoriana ny tenin'Andriamanitra amiko.
34. xxx ( 21/10/2006 05:23)
Ny zavatra tsapako tamin'izao nandeha nitsidika ny tanindrazana dia nisy fihovana ny fivavahana ary nia-tsara. Porofo izany fa nisy dingana narahana teo nitondra ny fivavahana. Hindro kely kosa anefa fa ny fandaharana dia tena lavabe mihitsy. tokony misy fotoana hitenenana sy hamitinina ny fandaharana, feno loatra ny vaovao-piangonana tokony hatao peta-drindrina
izay vaovao hafa fa manao resaka lavareny fontsiny hany ka tsy mifantoka firy amin'ny fiderana an'Atra. Hoy ny hira taty aoriana izahay any Paoly, na any kaisara. Mbola toy izany ny aty amin-tsika, mivavaka amin'ny sampy, masina maria virjiny, maria magdalenina, ireo dia olona masina ary hajaina saingy tsy misy hifandraisany amin'ny filana vonjy amin'Atra mihitsy na kely aza, mangataka sy mivavaka ary mitalaho amin'Atra isika? Misy Fanahy Masina izay miharo antsika ka izy no mitondrany fitalahoan-tsika amin'Atra sy Jesoa Kristy mivantana, io no tokony am-pianarina ny olona, raha mitory teny ny pastora dia ny ao amin'ny baibooly ihany no tokony ho voaboasany fa tsy mivona izy. Ny pasitera dia tsy tokony hanao politika mihitsy. Hitory ny filazan-tsara no fahasoavana lehibe nomen'Atra ho azy koa raha manao politika izy dia aza gaga raha mivoana ny fiangonana eto mada. Samy nomen'Atra fahasoavana avy isika tsirairay avy koa isika rehetra no tokony hiezaka hitory ny filazan-tsara ary tsy ny fidirana ny fiangonana isaky ny alahady akory no tena zava-dehibe, ny mampiseho ny manodidina fa zanak'Atra isika. Tsarovy fa Satana dia manana ny miaramilany koa ao am-piangonana koa aza gaga raha be ny mpiangona alahady ary mamgalatra akoho ny alatsinainy. Mila fianarana soratra masina isika ary anjaran'ny tsirairay no mamaky ny baiboly isan'andro ary mihezaka ny hanaraka izay voasoratra. Tsarovy fa tia antsika Jesosy, izay nanao ny sorony teo amin'ny hazo fijaliana mba hamony antsika, tokony tsy hisy intsony izany ny fanaovana izao karazana fetin'ny hasaramanitra sy ny karazany izay manaraka ny fomban-drazana satria hoy Atra hoe Izaho no Jehovah Atrao, izao irery no hiankohonanao, Atra saro-piaro aho. Koa raha manaja sy mankalaza ny fety izay mamono omby, mandeha eny ambonin'ny tendrobohitra, mitahy ny razana ao atsimo sns, sns, pasitera manao politika, fiangonana tsy maintsy manao akanjo lavabe daholo , na manao sarin-doha, tsy mahazo manao pataloha, na manao lokomena. Ireo rehetra ireo dia fombafomba izay
nataon'ny fariseho koa aza gaga isika raha tsy misy fanahy masina ao am-piangonana hiangonan-tsika fa fahazarana fontsiny ihany.
35. zozefa ( 21/10/2006 16:31)
ny tsy azoko ain'ilay litorjia de izao: taiza Izy (Andriamanitra io) no nilaza fa rehafa mihira de mitsangana? rehefa hamaky ny evanjely de mitsangana, na rehefa miteny an'izao ny mpitarika de tsy maintsy izao no avaly azy? sns
36. soanja ( 22/10/2006 12:44)
zozefa:

ny tsy azoko ain'ilay litorjia de izao: taiza Izy (Andriamanitra io) no nilaza fa rehafa mihira de mitsangana? rehefa hamaky ny evanjely de mitsangana, na rehefa miteny an'izao ny mpitarika de tsy maintsy izao no avaly azy? sns

Raha tsy lehibe tao anatin'ilay finoana ianao dia tsy hahazo azy mihitsy kah. " Miara mitsaoka anao izahay Andriamanitra! Miara midera ary miara mankalaza." Tsy izany ve no lafatra indrindra tadiavin'Andriamanitra amintsika? Miombona sakafo mahasoa ao Aminy. Raiso ho positive ny fiainana ary ankalazao izay soa ao anatiny. Soanja.

37. zozefa ( 22/10/2006 13:10)
soanja>>>>
marina hoe tsy lehibe aho ao amin'ny finoana, tsy maninona izany, tsy mbola tara loatra, fa manaiky aho fa tsara ny midera Azy, zavatra tiany aza izany, tsara ny miara-mankalaza Azy sady Izy rahateo no mitaona izany "Miderà an'i Jehovah ry firenena rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra"PS117:1
fa le hoe rehafa miara-midera Azy ianareo de izao no tsy maintsy tenenina sy averimberina, izao no tsy maintsy fihetsika atao rehefa miteny an'izany teny izany, angamba tsy nanery an'izany Izy!!! sa nanery Izy fa za marina no tsy lehibe eo amin'ny finoana ka tsy nahalala izany???
38. soanja ( 23/10/2006 05:10)
zozefa:

soanja>>>>
marina hoe tsy lehibe aho ao amin'ny finoana, tsy maninona izany, tsy mbola tara loatra, fa manaiky aho fa tsara ny midera Azy, zavatra tiany aza izany, tsara ny miara-mankalaza Azy sady Izy rahateo no mitaona izany "Miderà an'i Jehovah ry firenena rehetra; Miderà Azy, ry olona rehetra"PS117:1
fa le hoe rehafa miara-midera Azy ianareo de izao no tsy maintsy tenenina sy averimberina, izao no tsy maintsy fihetsika atao rehefa miteny an'izany teny izany, angamba tsy nanery an'izany Izy!!! sa nanery Izy fa za marina no tsy lehibe eo amin'ny finoana ka tsy nahalala izany???


Ny tiako tenenina dia hoe "Tsy lehibe tao amin'ILAY finoana fa tsy hoe tsy lehibe tao amin'ny finoana." Zah mino fa mamapinoana ianao matao niresaka anio eto kah.
Zozefa a, tsy zavadehibe ny ety ivelany amiko, ny ao anaty no tena izy ka na hiara hiankohoka sy hiara miteny na samy manao izay tiany atao toy ny an'i Pantekotista ohatra sns dia tsy manahy. Mino aho fa faly Andriamanitra rehefa samy manompo sy midera azy isika amin'ny fomba mahamety ny saintsika fa tsy zavatra hafa no tompointsika.

39. zozefa ( 23/10/2006 19:44)
soanja>>>
azoko ny fomba fijerinao, mitovy isika ny amin'izay, ok!
40. soanja ( 23/10/2006 20:30)
zozefa:

soanja>>>
azoko ny fomba fijerinao, mitovy isika ny amin'izay, ok!


:-*:-*:-*:-*:-*:-*:-*


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0964