Litorjia

1. LazaDaddy ( 13/10/2006 04:03)
Angamba tokony havaozina tanteraka ny "litorjia" @ ireo fiangonana gasy REHETRA fa nanjary lasa fombafomba ivelany DAHOLO, fa tsy tora-po.

Mety ho tsara raha asiana fanomanana "worship team / worship leaders" ny sekoly ambony fianarana Teolojia.
novalian'i prime ny 29/11/2006 09:21
2. xxx ( 13/10/2006 05:57)
LazaDaddy:
Angamba tokony havaozina tanteraka ny "litorjia" @ ireo fiangonana gasy REHETRA fa nanjary lasa fombafomba ivelany DAHOLO, fa tsy tora-po.
aza variana mitsara foana hoa e !


3. LazaDaddy ( 13/10/2006 06:39)
Ny fanarahan-dia an'i Jesosy dia vokatry ny fo fa tsy fombafomba ivelany. Tsimaintsy arenina izay solafaka na fitsarana no fandraisanao an'izany na fankaherezana, na soso-kevitra. :)
4. hery ( 13/10/2006 07:15)
1. Tena hitanao daholo ve ny Fiangonana Gasy REHETRA?
2. Tena fantatrao ve ny litorjia tokony harahina amin'ny Fiangonana rehetra? (misy mantsy tena ok ny litorjia fa ny olona no tsy manaraka => tsy ny litorjia no havaozina fa ny olona no mila manaraka ny litorjia)
3. Fantatrao ve fa ny atao hoe Litorjia dia Fombafomba http://en.wikipedia.org/wiki/Liturgy ?
4. Ho an'ny Fiangonana Katolika manokana, fantatrao sy efa novakianao ve ilay atao hoe Sacrosanctum Concilium http://en.wikipedia.org/wiki/Sacrosanctum_Concilium izay nandinihana sy nanavaozana manokana ny Litorjia? Misy hevitra tsara noho ireo ve arosonao?

5. booboo ( 13/10/2006 07:23)
Ho an'ny FPMA (fg protestanta malagasy aty an-dafy) dia vao navaozina vao tsy ela ihany koa ny litorjia.
6. prime ( 13/10/2006 08:13)
Hono tokoa ho'aho, sao d ny olona no tokony mila fihavaozana manaraka litorjia koa?
7. HESHA ( 13/10/2006 10:38)
Le izy amiko mba iraisan ny olona finoana no nanaovana ny litorjia, raha samy hanao tora-po daholo ange ry Laza ka tsa hisy raha hanjary ao ampiangonana ao e, marina e, andramo ange e
8. Fiffi ( 13/10/2006 12:57)
prime:
Hono tokoa ho'aho, sao d ny olona no tokony mila fihavaozana manaraka litorjia koa?
ny olona mihintsy no tokony manaraka ny litorjia fa tsy ny litorjia no hoe hovaina na....


9. LazaDaddy ( 13/10/2006 14:46)
hery:
3. Fantatrao ve fa ny atao hoe Litorjia dia Fombafombahttp://en.wikipedia.org/wiki/Liturgy ?
Io mihitsy no tiako ambara saingy tsy te hanafitohina olona aho. Raha ny tena faniriako (faniriako hoy aho) dia foanana tanteraka ny "fombafomba" fa lasa fomba no arahina fa tsy finoana.


10. prime ( 13/10/2006 14:54)
Izay mantsy... mitovy hevitra @ hery sy fiffi ny tenanay
11. Fiffi ( 13/10/2006 18:06)
LazaDaddy: mahagaga hiany zany an ! @ nao zany tsy misy finoana intsony fa de hoe fombafomba fotsiny no hatao ? hummmm ! aza mba henon'ny pretra eran-tany zany fa....
12. zozefa ( 14/10/2006 17:05)
ny ahy ny fanontaniana apetrako de hoe aiza ho aiza ao amin'ny tenin'Andriamanitra no mitaona antsika hanao litorjia,
raha tany amin'ny testamenta taloha de misy mihitsy ny fombafomba tsy maintsy ataon'ny mpisorina sns... mba hahafana manompo an'Andriamanitra, fa ao amin'ny testamenta vaovao tsy hitako loatra ny mitaona antsika hoe tsy maintsy izao no atao,
ny fombafomba tsy maintsy ataon'ny Fiangonana (araka ny voalazan'i Jesoa) de ny Sainte Cène fa ny ankoatran'izay de tsy hitako loatra izay hanarahana azy, sao mihevitra mantsy ny oll sasany hoe rehefa manaraka an'io litorjia io de zay zany no atao hoe kristiana
13. xxx ( 15/10/2006 10:14)
FFKM no mitaona hanao litorjia sa iza ndray!!:D:D:D
Sa JEan PAul III?lol
14. booboo ( 15/10/2006 10:44)
Raha tsy misy litorjia dia samy hanao izay saim-pantany ny be sy ny bobaka ao am-pg. Eritrereto hoe ny sasany mihira, ny sasany mandehandeha sady mingonongona mivavaka, etc. Izay no isan'ny tsara hanasiana litorjia mba hampirindra ny fotoam-pivavahana : fiantsoana, fiderana, fifonana, famelan-keloka, fanekem-pinoana, vavaka, vaki-teny, tori-teny, rakitra, filazam-baovao, tso-drano (ohatra fotsiny ireo).

FFKM no mitaona hanao litorjia sa iza ndray!!
Sa JEan PAul III?lol


Diso hatrany an-dreniny:roll:
15. soanja ( 16/10/2006 06:01)
Ireto avy no hitako zavadehibe amin'ny finoana sy ny fivavahana ka tsy tokony hisaraka fa mitambatra.
-Fitiavana an'Andriamanitra
-Fitiavana ny tena, fitiava namana sy ny fahavalo
-Famelan-keloka ary fanetre-tena.
-Ary fitoniana ao anaty sy amin'ny manodidina tafiditra ao ny natiora sy ny universe.
Ka na anaty litorjia io na ivelany n'aiza n'aiza dia mino aho fa ho faly Andriamanitra.
16. tsimiandravola ( 16/10/2006 08:04)
LazaDaddy:

Angamba tokony havaozina tanteraka ny "litorjia" @ ireo fiangonana gasy REHETRA
Dia hita amin'izao fa olona nianatra teolojia toa an'i Pasitera Laza dia mitetika ihany koa ny hanao ny RE-INVENTION DE L'EGLISE.Porofo izany fa ilay formule teo aloha dia efa perimée,ary tsikelikely dia ho sempotry ny rationalisme.Izany rahateo no manosika ny mpahay téolojia maro mba hi-re-inventer ny Eglise ka ahafahany manohy satria anton-tsakafon-dry zareo io.Aiza ve dia bacc+x années dia ho very maina fotsiny noho i Dan Brown ,sy Cascioli.....

Jereo izao ry Rajakoba lasa nanao politika,ry Ndrema moa dia efa ela no tao amin'ny politika,ary ny 99% n'ny activité n'i Ndrema dia politika sy famadihana palitao fa tsy ny fitoriana ny filazan-tsara velively...

Ry Ramarosandratana moa dia voninahitra sy no tena mampiraikitra azy ao amin'ny Eglizy fa ny conviction =0 (zéro),ry Ra8,resaka politika koa no betsaka fa ny tena andriamaniny dia i "Mamon".Tadidinareo i Benazir Butto tany Inde?Eo ampanaovana ny campagne éléctorale izy dia mody mitsingoloka toy ny silamo,ary sady nanao signe de croix toy ny catho...héhéhé..;

Résumé=maro ny antsonina hoe mpino no tsy mino intsony fa fandrebirebena no betsaka.Ary izaho tsimiandravola dia tsy matahotra ny mitsara satria aho tsy voafehin'ny baiboly amin'ilay hoe aza mitsaratsara foana dia tsy ho tsaraina ianao.

Mbola aiza ê!!!


17. Bibilava ( 16/10/2006 08:29)
Diso kosa ianareo re ry ra-tsimiandravola a!

-I Pasitera Laza dia tsy reformateur de l'Eglise fa tendence integriste ao amin'ny protestantisme.Izany hoe conservateur.Izany hoe tena manohitra an-kitsirano ny hevitr'i Brian McLaren ny olona toa an'i Pasitera Laza.

-Tsy i Ramarosandratana no sefo deban'ny Katolika ankehitriny fa i Razafindratandra Gaetan:mba vangio ao amin'ny site madanaita fa misy ny 450ème anniversairen'Andriantompokoindrindra ao.Ary i Lery hono dia terak'Ambohimalaza.Marina kosa aloha fa tena voninahitra ho an'ny sasany ny fisian'ny homme de pouvoir ecclésiale ao aminy ê! Miseho eto ny resaka pouvoir,farafaharatsiny pouvoir spirituel...

-Tsy maintsy ho voatsara ianao ra-tsimiandravola,fa ny mpitsara anao dia tsy i Jehova na i Jesoa ,fa ny mpino sy ny mpanaradia azy.Ary mahatantesa ny valiny...nefa aza matahotra fa soa ihany ianao fa mivelona amin'ny andro moderna ka tsy ahafahan'ny kristiana mandoro velona anao intsony,ary tsy ahafahany koa mandrirotra anao toy ny nataon-dreo tamin'i chevalier de la Barre.Nefa kosa tandremo ihany ny maka fahalalahana loatra amin'i retsy Silamo sao dia ny ainao no manaraka.(hoy ny zatovo hoe sao dia ny ananinao no fiahanao!!!).

Fa dia izay aloha fa ho hita eo ny tohiny!
18. ravatorano ( 16/10/2006 09:30)
no comment
:{:roll::-D:?:wink:
19. prime ( 17/10/2006 12:56)
Ny fombafomba entina hanaovana fanompoam-pivavahana na fanompoana an'Andriamanitra amin'ny ankapobeny dia tsy ratsy velively ary nentina indrindra hisian'ny filaminana sy ny fahendrena manoloana an'Andriamanitra... fa matetika ny olona no tsy mifantoka fa voavilivily araka izay mahatery azy... ka tsy ilay fomba no tsy mety fa ny olona no matetika manadino ny antony sy ny hanaovana ilay fomba...
20. jentilisa ( 17/10/2006 15:18)
marina izany ra-prime a!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1774