Ingahy RAVALOMANANA ve matahotra sa ahoana e?....

21. lapino ( 09/10/2006 19:23)
rakaroka:
Rahateo tsy Antananarivo anie no entina fa i Madagasikara manontolo ka maninona no manao fisainana tsy mihoatra an'Antananarivo toa izany?...
Hadinon'i rakaroka sahady i Toamasina kle! :wink:
Sa araka ny ataon-drakaroka hoe:
misy olona tena "fanatika" tanteraka tokoa ka na ny loko mainty dia lazaina fotsy "tsotra izao!
22. belaza ( 09/10/2006 20:26)
manana ny stratégie any manokana ny pitondra izay tsy takatri rakaroka rahoviana. ary i rakaroka no tsy mahita afatsy Toamasina satria izay no farany takatriny sainy. donc tsy omena tsiny izy satria malagasy mitovy am-tena ihany
23. Stone ( 09/10/2006 21:36)
Tsy matahotra fa misoroka izay zavatra mety ho afitsok'i Pierrot izy.
Ny tena mahery tsy miady amin'adala fa misoroka aloha.
Toy izany koa ny @ i Pety ohatra, inona moa no azon'i Manandafy atao eo raha tsy ny mihomehy fotsiny.
24. lagoon ( 09/10/2006 21:57)
Hafetsena ny fitondrana,hafetsena ko ny fiarovana ny aim-bahoaka.saro-pady ny rà latsaka ary tsy maintsy tandrovana izany.
Hita tokoa fa tena Tsalo i Ra8 satrai fetsy sy nahay niala t@ ilay fandrika "adim-poko" izay nokatsain'i Pierrot raha toa ka gadraina izy.Io "adim-poko" io dia efa nolazain'i Pierrot t@ Chirac fa hapoakany raha toa ka migadra izy.
Ka hisaorana i Ra8 ary hankasitrahana fa kinga saina sy favy.
Io no maha-tsalo ny Tsalo ry zalahy a!
Ary ireny resaka ttsy nalefan'i Pierrot tany @ Washington Post,Chirac,ONu ireny dia tsy fitiavan-tanindrazana fa fitivan-tseza sy fitadiavana adim-poko.

Favy i Ra8 ary izy ihany aloa no hofidianay mianakavy e.
25. xxx ( 09/10/2006 22:47)
Ary toa fanatique Pierrot be ianao izany Rakaroka. bala farany ny adimpoko, izany no manambara fa lany fika ilery. I Deba nge efa nanadrana nanao an'io fa tsy nahavanona, nefa tsy nisy tsy nihaiky an'izany Deba izany, izay nanao ecole de guerre tany Paris mihitsy.
26. xxx ( 09/10/2006 23:13)
azafady @ Rakaroka fa i Vetsoko no tiako tenenina
27. besoiiin ( 10/10/2006 07:26)
mba takatrilisany mou ny antony hoe maninona i pierrot no nifidy hiditra avy any tamatave fa tsy teo ivato??? TENA CANCRE IZAY OLONA TSY MAHATAKATRA NY HEVITRIZANY NA NY ANTONIZANY! k\'ahoana?? iza no tena matahotra? iza no tena rainitetaka??? :-D:-D:-D:-D samy atidoha no ampiasaina e! ka ho hiotantsika eo izay ho mpandresy après ny 3 decembre:lol::lol:
28. piste ( 10/10/2006 09:41)
Ny mazava dia matahotra an'i Pierrot ny Fitondrna é ! Eo ianao milaza fa hosamborina ilay olona raha vao higadona eto an-tanindrazana, nefa hita fa tsy natahotra izany ny iray dia mesure hafa indray no noraisina. Dia mi-ridiculiser ny tenanay ihany ra-Fanjakana amin'izany : Fanjakana kitahorina.
Ary ny fanidina ny aeroport ny Toamasina sy ny Province dia karazana efa famonoana vahoaka sahady izany satria tsy mihodina ny takalo sy ny fizahan-tany.
Ary ny olona tena CANCRE DIA NY OLONA FANATIKA : aNTANANARIVO IHANY VE NO VOAFEHINAO NEFA IANAO FILOHAN'NY NOSY.
Aza mba vendrana ihany !
29. belaza ( 10/10/2006 10:28)
matetika ny olona tsy mahatakatra lavitra no tena NAIF i pierot anie hanakorotana no tanjony e satry izy avy any amlisany(Tamatave) de any no nidirany fetsy nefa ny pitondra ka aleo nody mangina. ho hitanlà eo ny tohiny. tandremo nefa sao dia tapaka lalandrà eo an
30. piste ( 10/10/2006 18:50)
Opinio ohatry rehetraretra ihany izany hoe hanakorontana i Pierrot fa ny mazava dia matahotr'azy ra-Fanjakana. Aza mba fanatika ihany ho'aho fa mba saina no ampiasao.
31. vetsoko ( 10/10/2006 19:48)
tsy miteny mihintsy za hoe manohana an'i pierrot na manohaana an'iza,fa miteny fotsiny ny erreurn'ny mpitondra,ny anareo moa rehefa tsy mitovy hevitra aminareo na tsy mandoka an-dravalo dia manohana an'i radidy izay na pierrot,
raha azo atao dia jereo tsara izay voasoratra dia izay voasoratra ihanny valiana raha mety fa tsy izy ny présjugésnareo matetika,ny ahy anefa mahafinaritra ahy ny mahita hevitra maro samihafa ahitako izay tokony atao
32. fijo ( 10/10/2006 23:17)
raha tahaka andry rakaraoka daholo ny gasy,sy ny mpitondra,dia efa tao anaty ady korontana mada izao.
soa fa tsy toa azy ny gasy rehetra
33. Stone ( 11/10/2006 01:59)
Ka raha atao hoe matahotra aza moa dia inona, qu'est ce que ca fait?
Ny decision dia decision ary misy antony ao.
34. rabaradaka ( 11/10/2006 05:58)
Tsy matahotra i Ravalomanana
35. besoiiin ( 11/10/2006 18:47)
piste:

olona tena CANCRE DIA NY OLONA FANATIKA : aNTANANARIVO IHANY VE NO VOAFEHINAO NEFA IANAO FILOHAN'NY NOSY.
Aza mba vendrana ihany !

:-D:-D:-D iza ary no tena vendrana ry donendrina a! apetrako aminao ilay fanontaniana... mieritrereta alou 2 andro vao mamaly sao ho diso ndray an, na mandehana maka mpanolontsaina.
1- tsy voafehindravalo v i madagasikara ko maninona no vitany ny nanidy ny aeroport n'i tamatave? sa v antananarivo mou iny nakatona iny?
2- tsy voafehindravalo v madagasikara ko naninona no nitsoaka matanjaka niala tany ambodiantafana ilaijamba? sa mou teny ambohimanarina lery no nipetraka???
piste> mbola ampiana v ilay fanontaniana??? aleo alou ireo ihany sao d vaky eo ny zanakatidoha hitady ny valiny. :-D:-D:-D raha mba matsilo saina ingahy dia voavaliningahy ireo afaka herinandro :-D:-D

36. rakaroka ( 11/10/2006 20:19)
Marina dé marina fa rehefa" fanatika" ny olona iray, dia faly manatsara fahatany ny olona iray sy manenjika ny hafa tsy fantany loatra akory! tahaka izay hita eto:
voalohany aloha tsy nisy filazana mihitsy hoe manohana an'ingahy Pierrot aho raha nanatsidika ny resaka.
Ny hetsika atao no tsaraiko fa tsy mety velively:
Tamin'ny namoaka ny hoe sambory ingahy Pierrot 'ngaha rizareo tsy nieritreritra ra mandriaka
ka samborina comment aza izy e?...
Eo amin'ny lalana rehefa mandray fanapahan-kevitra dia tsy tokony ho sadasada toa ny fijerinareo izao. Ny fahahenterana tompoko no mampisy "valeur"-ny Décision raisina. Ka rahefa maka décision izany dia tsy tokony miteniteny foana hiroa saina toa zaza satria mahafanina ny mpanaraka rehetra toa izao manjo anareo izao!



37. rakaroka ( 11/10/2006 20:34)
Tohizako ny resako!
Ilay izy ry Besoiiin ny fitondrana tompon'andraikitra voalohany amin'ny fampandrosoana fa tsy amin'ny fanakatsoana loatra!Ka raha ny fandraisako ny hevitrao dia ianao mihitsy no tena mpandranitra adim-poko raha mankasitraka ianao hoe akatona ny seranana any amin'ny sisiny fa ny Ivato ihany no vohana satria tsy "concerné" direct" amin'izany ianao an!Izay no maha fisainana tsy mihoatra an'Antananarivo azy: Aza hadino fa ny mpitazana ity hetsika ity dia "observateur international"
38. rakaroka ( 11/10/2006 20:40)
rabaradaka:

Tsy matahotra i Ravalomanana



39. rakaroka ( 11/10/2006 20:46)
Ny olona tsy sahy mampihatra ny décision efa noraisina fa mihemotra dia kanosa sy matahotra. Tahaka ny hoe tsy lehilahy, tahaka ny hoe tsy valeur juridictionnelle no noraisina fa sain-jaza!. Ho aiza ianao na ho aiza dia izany no izy fa tsy misy commentaire hoe nanin?...Ho an'ny tany tsy manao fanjakan'i Baroa no jerena!
40. rakaroka ( 11/10/2006 20:49)
lapino:

rakaroka:
Rahateo tsy Antananarivo anie no entina fa i Madagasikara manontolo ka maninona no manao fisainana tsy mihoatra an'Antananarivo toa izany?...
Hadinon'i rakaroka sahady i Toamasina kle! :wink:
Sa araka ny ataon-drakaroka hoe:
misy olona tena "fanatika" tanteraka tokoa ka na ny loko mainty dia lazaina fotsy "tsotra izao!


Fa ilay fitondrana ve aminareo dia ny fanakatsoana ny sisiny sy ny fampandehanana an'Antananarivo?..
Koa manin raha nijanona Mairen'Antananarivo...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0087