Haninona any Toamasina i Pierrot?

1. hery ( 08/10/2006 22:37)
Samy mihainohaino daholo miandry izay zavatra hiseho ao Madagasikara
amin'izao fotoana izao.
Miezaka ny ho objectif amin'izay zavatra mitranga.
NY mahagaga ahy dia hoe raha mikatona ny aéroport ao Toamasina,
maninona i Pierrot Rajaonarivelo no tsy miditra malalaka ao Ivato
Antananarivo. Inona no zavatra atahorany? Mieritreritra ny hirotsaka
filohan'i Madagasikara izy, fa tsy ho filohan'i Toamasina fotsiny, koa
raha sakanan'ny fitondrana ny ao Toamasina, ka matoky ny tenany tokoa
izy, dia tokony hino koa fa hitsena azy avokoa ny vahoaka malagasy.
Tsy tokony hiantehitra amin'ny fiarovan'olona vitsivitsy izany izy fa
tokony hiantehitra amin'ny fiarovan'ny vahoaka azy (raha marina tokoa
fa tia azy ny vahoaka).
Ary raha toa ka tsy hahazo ny fanohanan'ny vahoaka izy mandritra ny
fidirany ao Madagasikara, dia azo eritreretina ve ny hahazoany ny
fanohanan'ny vahoaka azy mandritra ny fifidianana?

Tsy azoko ihany ilay lojika.
novalian'i fiderana ny 10/10/2006 14:41
2. lagoon ( 08/10/2006 22:55)
Ny olona toy ireny raha lany Filoha eo dia ataony any Toamsina ny renivohitr'i Gasikara.
tsy matahotra ny anao fehirano an'Iraivo mihintsy izy iny.
Tadidio fa izy no Commanditaire ny barrages tao Brickaville t@ 2002 ireny.
3. Fiffi ( 09/10/2006 05:39)
Mahagaga tokoa fa inona ary ny antony hivatanany any Toamasina ? Ivato ny aéroport nefa ! fa matoa izy miditra antsokosoko tahak'zao de ao raha ...Ny mpangalatra sy ny jilahy no miditra antsokosoko tahak'ireny !
4. zandrypte ( 09/10/2006 06:20)
aeroport ohatrany aeroport rehetra ny any toamasina fantatrareo tsara ka na mivantana any toamasina na any antananarivo izy no mivantana na aiza amiko mitovy ihany.ny tokony ho dinihana dia ny antony niampangana azy dia "heloka nataony" usurpation de fonction; detournement de denier public mitombona marina ve ireo fiampangana azy ireo raha mitombona maninona no tsy lancena ny mandat d'arret international
5. kitjo ( 09/10/2006 07:12)
wait and see 8)

fa hono wa, aiza izy amin' izao? dia nahodina ve ilay roplanina sa mbola tsy niainga mihitsy ry zareo?
6. zandrypte ( 09/10/2006 07:24)
mihdy ny aeroport n y toamasina par decret ministeriel
olona dimy ve pierrot rajaonarivelo sy staff vitsivitsy ve hanidiana aeroport misy antony izany ary zavatra goavana no fonosiny dia ny tsy fanarahana lalana(loi) na marimarina kokoa procedure izay ataony fitondrana ankehitriny izay miditra lalina aminy raharahan'ny fitsarana tsy misy intsony ny séparation de pouvoir izany hoe ny concept ETAT DE DROIT izany tsy mitombona eto madagascar
7. hery ( 09/10/2006 07:33)
Fa iza no miteny hoe noho i Pierrot Rajaonarivelo no nanidiana ny aéroport? Na aiza na aiza eran-tany, rehefa misy olona maro (surtout maharava barrage) miditra ao amin'ny aeroport dia tsy maintsy hidiana ny aeroport ho fiarovana ny ain'izy ireo.

Ireo olona nitsena azy ihany no nisakana an'i Pierrot tsy hiditra an'i Madagasikara.
8. LazaDaddy ( 09/10/2006 07:34)
mahagaga ahy ilay hoe nametrahana mpitandro filaminana ankoatran'ny "securite aeriene" teny @ "piste". Fa angaha izy io seranam-piaramanidin'i Tiko Air sa novaina ny lalana mifehy ny IATA?
9. prime ( 09/10/2006 07:43)
zandry> marina ny lazainao... fa miampy izany koa aloha ny vecteur rehetra mety hiteraka korontana "contre l'ordre public" d tokony fehezina dia eny mbola tsy misy e...
hery> raha logique tsotra dia mitombina ny lazainao, fa raha eo amin'ny toerany ianao mety tsy hiteny an'izany... fa mafy izany hoe ny ahatongavanao no ho ela
10. kitjo ( 09/10/2006 07:46)
normale be izany satria bdb reo olona tsotra tonga teny saika hitsena azy

notarihin ireo mpitarika politika ka aiza moa no tsy hidiran force de 'ordre amzany?

raha tsy noravain le mpomba azy nge le barage mety tsy ho ohatra an izao e
11. prime ( 09/10/2006 07:49)
hery> ... dia tsy maintsy ho voasambotra ianao farafaharatsiny raha tsy hoe vonoin'ny olona... nefa ny fiarovana ny ainao mety tsy ho ampy... ka aleony mitandrina tsara ihany aloha satria ireo partisans niantso anao koa mety izay rànao izay mihitsy no andrasany...
zandry> ny débat juridique mikasika ny isamborana azy d efa eo ampelatanan'ny fitsaràna ka aleo hiasa aloha ireo... ny mikasika ny hoe tsy misy ny séparation de pouvoir d toa tsy mitombina loatra, fa ny pression sy ny lobby tsy maintsy misy (na any amerika aza... le "pays de la liberté") fa manana fahalalahana mihitsy ny fitsaràna hamoaka didy ankehitriny...
12. LazaDaddy ( 09/10/2006 07:52)
Toa aleo indray tsy mihidi-kizo mitsangatsangana any sao tsy tafavoaka ao fa hidin'ny tompony ny seranana! Soa ihany fa madio rivotra Penang. hahaha!
13. hery ( 09/10/2006 08:07)
LazaDaddy> Ndana ange nareo gasy vitsivitsy ao mandeha miditra an-keriny eo amin'ny piste-n'ny aeroport e :-) Tonga dia mihidy koa ny seranan'i Penang :-p
14. LazaDaddy ( 09/10/2006 08:09)
Hery> Mbola afaka 7 volana angamba vao mety pluriel ny gasy. hahaha!:-D
15. kemp ( 09/10/2006 08:22)
Tsy tokony ho sakanana zany izy fa avela hiditra
amizay tiany hidirana.Dé avy eo samborina raha nanao ny tsy mety t@ tany sy ny fanjakana.Tsy isika vahôka tsony no manao sorona lava izao.
16. jentilisa ( 09/10/2006 08:34)
eo ange ilay olako izao, tafiditra ny piste d'aterrissage ve ry zalahy sa tsia, mahakamo ilay teny gasy rehefa atao hoe tafiditra anaty ny seranana ny mpitsena...faritra aiza io?
17. labomba ( 09/10/2006 09:13)
Ravalo dia tena olona tsy ao mihintsy! Raha te hisambotra an' i Pierrot marina izy, inona ny antony anakanana ny avion hitondra an'i pierrot tsy higadona ao toamasina? Aleo hidina ny avion de raisina fotsiny izy avy eo.
Amiko raha ny resaka oe naninona no tsy tao ivato fa tany ambalamanasy, tsisy dikany izany. Na tana na tamatave na majunga, madagasikara daholo izany, aleo izay idirany de hidirany.
18. eprom ( 09/10/2006 09:14)
jentilisa> tsy nisy tafiditra ny piste na ny olona na ny avion eh. teo amin'ny parking ry zalahy no niandry.
19. fijo ( 09/10/2006 09:48)
ny korontana no tiana hialana ka izay no nanidiana ny seranana.rehefa manao zavatra anie jerena ihany koa ny tsy ampisy korontana e.mba vinavinao hoe navela niditra teo izy,dia teo no nosamborina.ireo olona tonga teny ve hijery fotsiny??? ary raha nitroatra ireo,dia hitazana fotsiny ve ny miaramila????dia nisy ny poabasy,dia nisy ny maty,dia iza no hifaly avy eo???????
20. Fiffi ( 09/10/2006 10:05)
labomba:
Ravalo dia tena olona tsy ao mihintsy! Raha te hisambotra an' i Pierrot marina izy, inona ny antony anakanana ny avion hitondra an'i pierrot tsy higadona ao toamasina? Aleo hidina ny avion de raisina fotsiny izy avy eo.
de raha lhl i pierrot de midina ao ivato de zay fotsiny eh!


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1503