atody

1. dailynews ( 05/10/2006 17:52)
raha tia mihinana atody dia tsarovy fa hoy ny dokotera hoe atody dimy fara fahabetsany hono no azo hohanina anty herinandro fa raha mihoatra izay dia be loatra.
ny cholesterole izay azo hohanina hono anaty andro iray dia 300 mg ihany. ny anaty tamenaka atody iray fotsiny anefa dia efa misy 280mg eo ho eo. noho izany raha tia atody dia esory ny tamenany mba tsy hihinanana cholesterole be loatra rehefa manao omelette iny ohatra.
ny ahy dia rehefa mihinana atody aho dia esoriko foana ny tamenany ary raha atody 3 no ampiasaiko dia tamenany antsasany ihany no alaiko amin ny atody iray dia ny sisan izay ariako. mbola tsara be foana ny omelette na dia tamenany kely ihany aza no ampiasaina.
raha tsy mihinana atody betsaka anefa dia tsy olana izany fa tazomy ny tamenany.
ny tapotsiny indray hono dia tsy olana na mihinana bestaka aza.
novalian'i Fiffi ny 02/11/2006 16:55
2. salmo ( 05/10/2006 18:35)
zah zao nihinana gateau 20 no isany atody, Zah anefa tsy narary fa vao maika nahazo aina fa voky. atody be kou zany docteuranao zany :-D.
3. Fiffi ( 05/10/2006 19:52)
Mbola somary be loatra ary zany hoe 5 anaty herinandro zany an!
Ny vhv bevohoka aloha de tokony mitandrina tsara @ fihinanana atody an!
Ny fahafantarako azy aloha de 1 isakerinandro hiany an! be loatra zany 5 zany kosa eh!
4. fijo ( 05/10/2006 20:46)
za indray aloha tsy hifady izany raha vao kaly e
5. dailynews ( 05/10/2006 21:50)

hitako hoe mila miova isika amin io resaka io fa mampalahelo ny mijery ny olona izay tapaka lalandra tampoka noho ny fahatsetsenan ny lalandra vokatry ny cholesterole betsaka avy amin ny tavinkena sy avy amin ny zavatra hafa koa.
raha azo atao dia aleo tsy mihinana ireny tavinkena ireny mihitsy fa alana izay tavinkena visible amin ny hena na hena inona io na hena inona fa tena tsy mahasoa mihitsy....
na dia salama aza aho amin izao fotoana izao anefa mihinana betsaka ireny zavatra matavy ireny tsy mi garantir mihitsy ny zavatra mety hitranga rahampitso.... raha tsy hoe nandeha dokotera angaha ka nahita mihitsy hoe ambany ny taux ny cholesterole anaty ra.
izay no manahirana mahita ireny olona maty tanora ireny dia matetika ny olona miteny foana hoe...andray anefa olona tsy narary tsy naninona izao izy niala ny trano dia tany ampiasana teo amin ny birao dia nilaza narary andoha tampoka dia nitolefika.
mitandrema ihany marina e... tsy maha lehilahy sy maha vehivavy mihitsy ny fifidianana ny sakafo izay hohanina fa fahasalamana io ary fitiavana ny olona akaiky sy izay miankina amintsika.
6. Fiffi ( 06/10/2006 05:34)
ny atody hono de be sira koa !
Fa marina aloha fa isika rehefa hoe hihinana de mihinana ! tsy zatra mijery hoe ity na zao ve sao dia tsy mahatsara fa rehefa kaly de zay !
7. simplex ( 06/10/2006 10:27)

tena kozy ve ???????
zay za vao naheno an'zany :oops::oops:
matetika anefa le bandy celibany reny tena atody foana ra tsy sosisy no haniny :°)

ary za niheritreritra foana hoe tena mitondra energie b le atody :-w:-w
d in ary zany no tena kaly hoe mahasalama ra zany e :?::?:

misaotra.
:-*:-*
8. Kadoda ( 06/10/2006 11:58)
Dia ahoana ary zany le refa reradreraka de mihinana atody manta e, refa mikohaka de tamenak atody, voasary makirana, tantely ary dobera, sns... efa nihinana matetika an'izany aho taloha fa soa ihany fa tsy jingy t@ reny
9. fijo ( 06/10/2006 21:48)
amiko io resaka manadala,fa tsy manakana ahy tsy ihinana atody izany.ary hoy ny ntaolo izay hoe:"mahazahoa ny matavy e"rehefa miantsena enao.aty andafy vao mody hoe ratsy ny taviny e katsaka sns.
10. Fiffi ( 07/10/2006 09:04)
simplex: ho an'ny vhv bevohoka hoa io ! le sira an!
11. simplex ( 07/10/2006 09:56)
Fiffi: :D
12. dailynews ( 07/10/2006 14:19)
fijo a> raha resaka fivavahana no resahina dia hoy aho hoe mi comprendre anao aho raha sarotra aminao ny hino izay lazaina, fa ilay izy anie resaka ara tsiansa e?? dia katsaka sns.. daholo izany araka ny resahinao ny zavatra lazain izy ireo?
tsy izaho anie no niteny fa ireny fa ny dokotera maro isankarazany hitanao ombieny ombieny ami ny tele, boky, internet, boky momba ny fahasalamana izay dokotera manana ny maha izy azy sy ny olona izay nianatra momba ny sakafo mahasoa..ary voaporofo ara tsiansa ny rehetra e...
eny e, mahazo tsy mino aloha ianao fa choix foana hono ny fianana kah...... variana fotsiny aho mbola mino zavatra tahaka izany ianao hoe resabe fotsiny io.
tsy olana e...choix io koh :lol: mazotoa ary e.

13. isrine ( 07/10/2006 17:22)
Dailynews: Marina ny volazanao fa tenin'ny dokotera tokoa ireo lazainao ireo ary ampitainao @ namana rehetra.
Raha toa aloha ka vehivavy bevohoka dia tokony hitandrina e.
Io cholesterol io de resabe foana @ vazaha. Nahoana anefa no mipetraka ny olana? Satria tsy mihetsika firy. Fa mandeha fiara, tonga ao antrano de efa vonona ny sakafo ary mihinana izay lany satria mpanana, 1mn de tonga any @ 12 eme etage....
Ny atody fotsiny angaha... ny voanjo koa
Milaza fa esorina ny tavik'hena nefa miletra jambon... Ary tsy ny matavy ihany no henoko fa ny sira koa raha toa ka tena hitandrina tokoa. Miampy ny fisotroana rano.
Tadidio anefa fa ilain'ny vatana ny menaka, ny hoe be loatra angamba no tsy atao.
14. madagasikara ( 07/10/2006 19:25)
Ireny olona any asia ireny tena mpihinana atody, nefa iza no lava andro iainana kokoa raha tsy ny olona any?
Ny dokotera koa tena efa tsy dia mahita zavatra hanairatairana ny sain'ny olona intsony satria efa mihabetsaka ny olona no tsy manao fanatanjahantena, ka inoako fa ho an'ny olona milaza fa tsy manampotoana hanaovana fanatanjahantena ny resaka no miantefa.
Misy dokotera izay nilaza fa na hatram 21 isankerinandro hono ny atody hohanina dia tsy misy olana, fa raha mihoatra an'io isa io zany vao ahitandoza.
Fijo> aza mba mifady hanina izany fa efa tsy tamby ny tsy fisiana.
15. dailynews ( 08/10/2006 19:34)
isrine> marina ny voalazanao kah...mila mihetsika koa ny olona.. dia ao ihany koa ny rano no sotroina fa tsy ranomboankazo foana na sodas(coca, sprite sns..)foana. raha tsy misotro ireo matetika anefa moa inona ny olana? ny ahy coca sy ranomboasary no tena tiako.
ie, ny sira koa dia tena mila hitandremana tokoa ary ny vehivavy bevohoka mila mitandrina avy folo heny.
madagasikara> ilay atody 21 kosany angamba trop loatra e, asa anefa raha izay no nolazain ny dokoteranao...izaho aloha tsy mahasahy e. dokotera amerikana telo karazana no henoko niresaka momba io zavatra nolazaiko io ka asa raha diso izy ireo? sa kosa angamba ny azy atody avy amin ny akoho amerikana no resahiny? satria toa be otrikaina tokoa ny zavatra rehetra vokatra eto ka asa..mety misy hifandraisany amin'izay ve?
16. watafon ( 09/10/2006 15:56)
Raha olona efa manana taux na cholésterol ambony no tokony hitandrina @ fihinana atody k ! fa raha salama tsara afaka mihinana 2 na 3 isan'andro !

"L’œuf est de plus bénéfique car il contient tous les acides aminés indispensables. Il est riche en vitamines A, B2, B5, B8, B12, D, E, K et en fer."

17. dailynews ( 09/10/2006 17:20)
egg yolks= tamenaka atody
jereo eto fa ny azy aza hoe 3-4/semaine no tamenaka atody, atody feno izany azo hohanina raha olondehibe sns....
http://pediatrics.about.com/cs/weeklyquestion/a/031302_ask.htm
18. Fiffi ( 09/10/2006 22:21)
wata aahhh ! koh ozy le Dr zay hoa anaty atody hono no tena be sira ho an'ny bevohoka !
19. watafon ( 10/10/2006 15:31)
k za anie tsy bevohoka e ! :-D:-D:-D
20. Fiffi ( 11/10/2006 18:08)
:-D:-D:-D zah nga nilaza fa bevohoka kosa ndry ? :-D:-D:-D ho an'ny vhv bevohoka hoa koh! :)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1994